Hoy ny dokotera: 56 mino manasitrana ny vavaka ,24 tsy mino

21. niryna ( 30/09/2008 17:03)
faha> izay ny probleme-ko raha niresaka t@ jesosy mamionjy sy ny temoins aho...

miala tsiny aho raha miditra faha,satria tsy kristiana ry zareo ,ny olona atao ho kristiana dia mino an'i kristy ho Andriamanitra kanefa ry zareo tsy mino an'izany dia azo lazaina ho kristiana ve izany izay teny avy amin'ny hoe olona mino an'i kristy ? mivavaka ho azy ireo isika fa na ny baiboliny aza dia tsy mitovy ny an'i kristiana ...oops ,mampalahelo fa efa maro ny olona no efa mihiratra ny saina ka nivadika ,niala tsy ho temoin intsony ....tsy azo ampidirina an-trano indray no efa henoko fa tsy mety mivoaka ao izy raha tafiditra handresy lahatra fa tsy Atra i
kristy
ikaretsaka:

za hoa sady mpanome ra no efa namindrana ra , no efa nanaovana grefina organe, dia ahoana izany ny momba ahy?
fa nihodinkodina teo ry zareo

marina ny anao ,ny fiasanay dia misy fanomezana ra ho an'ny marary foana isan-taona ary dia samy manome daholo izahay ,tsy misy soratra milaza izany tokoa ao anaty baiboly hoe aza omena ra ny olona fa ry zareo no mandray izay tiany sy mifanaraka ny eritreriny.


=D
22. niryna ( 30/09/2008 17:04)
tywa68:

Ika : momba ahy ahoana ? izy angaha no mandidy :D zany hoe aleo ihany afaka mitsabo tena satria noho ny fitahian'Atra d misy olona mahay mitsabo sy manamaivana anao :wink:



=D>
23. niryna ( 30/09/2008 17:06)
ikaretsaka:

ka izay indrindra.. tsy izy no mandidy nefa heveriny fa ho toa azy aby ny olona ... nanomboka namelabelatra le hoe tsy mahazo alaina ra sns izany ry zareo
de ny nanontaniako sy somary namiliako ny resaka dia hoe
raha ny fijerinareo izany de ahako tsary avotra tsotry izany fa ato amiko misy ran'olona hafa, misy organen'olona hafa ...ko inona ro mbola hitonantonanana aty?
:-D

dia anjarantsika no mamakafaka sy mandinika ka izay no ilaina hianarana ny soratra masina ,io ihany no fototra hiorenan'ny finoana ka izay tsy tafiditra ao dia mpandainga sy mpangalatra avokoa ,ka ny azy tsy mitovy ny baibolin'ny kristiana fa novainy
24. ikaretsaka ( 30/09/2008 17:07)
eo koa vo mainka tsy azoko @ niryna vavaka sa dokotera?
25. niryna ( 30/09/2008 17:10)
rakaroka:

Izy ity aloha dia "tranga "concret" tamiko raha narary mafy ny reniko izay!
Rehefa nofotorako hatramin'ny "esperansy de vie-ny" mitaha ny aretina misy, dia tsy mihoatra ny roa volana hoy ny diagnosticn-rizareo.
Ny zandriko sns tany Dago à l'époque dia mbola nanonofy tao anareo izao hoe "manasitrana ny vavaka, ary ny tsy hain'olombelona hain'Atra, dia mbola nitolona maaafy tamim-bavaka?
Dia avy eo "Inn tokoa tsy ampy roa volana araka ny voalaza, dia lasa izy,
dia avy eo atao hoe izay no lahatra! :roll: :roll: :roll: Ekena.
:-$ Ny ahy efa fantatro nialoha, 'zary nisy fotoana nifamarafaranay tsara!

hoy hianao hoe ny zandriko dia mbola nitolo am-bavaka

^:^ =D> Andriamanitra mahalala izay ao am-pon'ny tsirairay.
Mamaly vavaka izay mivavaka Aminy izy ary manozona ny taranaka aman-dimby izay manda Azy ,ao anatin'ny didy folo io milaza fa Atra saro-piharo izy ..ary koa ny taranaka aman-dimby mihitsy no mahazo tsodrano( minoa fotsiny ihany dia ho vonjena hianao sy ny ankohonanao) sy ny ozona izay mahazo ny razam-be dia mandeha hatramin'ny zanaka aman-jafy raha tsy misy manapaka ilay rojon'ny fanandevozan'i satana
26. ikaretsaka ( 30/09/2008 18:09)
ka namonjy azy ve ny vavaka?
vakio hatr@ farany le resaka eee
27. niryna ( 03/10/2008 04:44)
rabilabila:

Marina mihitsy ny fanontanian'i Ika .

=))

28. niryna ( 03/10/2008 05:01)
ikaretsaka:

dokotera inona aloha le nanaovana ny fandalinana ? hopitaly mpino ve sa hopitaly tsy mpino, dokotera kristianina ve sa dokotera jiosy sa dokotera silamo dokotera athee?
tsy ampy ny laza adina nangalana ny statistika


fahagagana mandalo ao amin'ny hopitaly io ka na tsy mpino aza ny dokotera dia mahalala fa misy fifandraisany ny olona mi vavaka amin'Atra sy ilay marary tsaboiny hivavahan'ny havany na ny tenany ihany

firy izay fijoroako vavolombelona izay fa ilay fanoherana no mahafinaritra anao ka dia tsy misy tadidinao ilay izy .. ngaha !!=))

Ity indray aza misy iray,Ny lehibeanay no nanatona ahy fa any amin'ny hopitaly ny zanany,ho didina ve sa tsia ,eo no mipetraka ny fanontaniana,
Toy ny fanaon'ny olona moa na tsy mpino aza izy ,anjaran'izay mahafantatra an'Atra no manome hery sy mampianatra azy ireo mba hivavaka,eny fa na dia teny indraim-bava fotsiny ihany aza rehefa tsy mahay mivavaka dia tsy mahay.
Ny mahafinaritra amin'izany dia miezaka ny mivavaka ireo olona ary dia mamaly tokoa Atra,firifiry ny olona efa noresahiko teto voan'ny cancer fa afaka,tsy midika akory izany fa ho sitrana avokoa na tsy ho faty ny olona a,aleo hazava tsara fa izay foana mantsy ny fitaovana ampiasain'i satana andrangitana ny mpino an'ilay kristy velona
Ity koa misy iray izay tonga niangona tao aminay,nijoro vavolombelona izy ,tsy mba nijery TV na radio izany izy fahiny fa dia nampianarin'ny reniny hira masina :arrow: folo mianadahy ry zareo ary lasa mihira ireny gospel ireny avokoa.
Nizara taminay ny tantaran'ireo zanany roalahy kambana izy fa vao folo volana fotsiny dia lany aiky ny dokotera fa tsy mahita hevitra intsony ka ny teniny dia hoe miankina ilay ao ambony sisa ,sady nanondro ny lanitra ilay dokotera...Mpino ve izany sa tsia ,tsy misy mahalala isika fa tsy izay no antony ,izy no nampiasan'Atra ilay finoan'ilay rangahy nanana zanaka roa narary mafy.
Teo aho hoy izy ny nanomboka nametraka izany fiainan'izy roa lahy kely izany ary dia nivavaka andro aman'alina .... ^:^ mamaly vavaka Andriamanitra ^:^ =D =D...
sitrana soa aman-tsara ireo zanany ary folo taona izao izy mirahalahy .
Ny fahasoavan'ny Tompo anie ho antsika rehetra. Andramo ka zahao fa tsara Izy ary mandrakizay ny famindrampony
29. niryna ( 03/10/2008 05:03)
ikaretsaka:

hoy ilay mpanoratra atao hoe Mark Twain
Il y a trois sortes de mensonges : les mensonges, les sacrés mensonges et les statistiques.
:-D :-D :-D


de ahoana ?
30. niryna ( 03/10/2008 05:07)
manasitrana ahy tamin'ny toetrako ratsy izany Atra ary Dokoteran'ny foko Izy
ikaretsaka:


nga lasa ny fo indray no marary?
tsy hay intsony koa ilay tiana hahatongavana ka!
eo dokotera hopitaly avy eo lasa dokoterampo sy toetra!
satria manda lava hianao dia tsy ho fantatrao ny tena dokotera .
Mahavita ny zavatra rehetra Atra ,manana anarana maro azo hiantsoana azy koa izy.Mpanasitrana,mpampihavana,mpanavotra,be fitiavana,Mpanelanelana antsika amin'Atra sns .....aiza re ika izany e,io anie hoy aho no lazaiko e ,mila mamaky tenin'Atra isika dia ho fantatsika miandalana izay tiany omeny antsika
Raiso izay tsara dia ampiharo amin'ny fiainana,zarao ny manodidina anao ..
:D
31. niryna ( 03/10/2008 05:08)
ikaretsaka:

eo koa vo mainka tsy azoko @ niryna vavaka sa dokotera?
=))


32. niryna ( 03/10/2008 05:16)
ikaretsaka:

ka namonjy azy ve ny vavaka?
vakio hatr@ farany le resaka eee


anjaranao no manao ny fanontaniana ka ?
efa namonjy ahy ve Atra ?
Fa maninona izy no tsy mety mamaly vavaka amiko ?
Moa ve aho manaraka ny teniNy sa dia izay saimpatako no ataoko sy anoherako ny hafany ?
_____________________________

EFa niantso an'ilay kristy ve aho sa olon-kafa no nantsoiko ?
Tena miantso ny anaran'ilay Zanany tokoa ve aho sa olon-kafa no ataoko ho solony ,lazaiko fa mbola misy mpanelanelanela hafa ?


Raha TSIA no valin'ireo ... dia miantso an'i kristy fa miandry anao foana foana Izy Antsoy Aho dia ho valiko hianao


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0077