ambo

1. Xp ( 19/09/2008 13:14)
Inona tsara ilay atao hoe ambo fa tsy tena mazava amiko ry zareo ah? Tsara ve ilay izy sa ratsy. Mifanohitra amin'ny fandeferana ve? Voninahitra ve ilay izy? Raha miala tsiny ve dia midika fa tsy manana ambo? Ary raha mizizo amin'ny zavatra natao, na dia hita fa tsy nety aza ve izany dia atao hoe manak'ambo?

Tena ohatra ny mifangaroharo be izany ilay izy. Rehefa aratsiana ilay izy dia atao hoe matik'ambo, nefa rehefa atsaraina dia hoe be ambom-po. Ka ilay dikany marina tsy hay intsony.
2. xxx ( 19/09/2008 13:45)
Xp:

Inona tsara ilay atao hoe ambo

Hambo angaha no tianao lazaina eh? Misy dikany roa io araka ny fehezanteny ny iray ny maha izy azy ny olona, ny iray fihambona na fiemboana mitovy ihany (evo, na ahavo no fototeny eo)
Fa ambo indray mantsy hoe avo
raha ampiana tovana a izy dia lasa kiva ahahahahah
3. ikaretsaka ( 19/09/2008 18:05)
rehefa tsy mahafaty ny "h"ambo dia tsy maninona e
ny fametrahana azy mba tsy ho "diso toerana" no mila tandremana tsara fotsiny

tsara ny hoe "manana hambo" fa ratsy ny hoe "matin-kambo"
4. ni81 ( 19/09/2008 18:16)
Inona tsara ilay atao hoe ambo fa tsy tena mazava amiko ry zareo ah?
Ny fahazoako azy dia toy izao manaraka izao:
1- ohatra hoe misy olona mba tianao, hita fa sahaza azy ianao @ lafiny harena, fahaizana kanefa dia nolazainy fa tsy misy ilàny anao fa mahantra sns...; dia nentin'ny ambom-ponao ianao dia tsy niraharaha azy intsony. Ambo n°1

2- Nisy tovovavy iray, dia notantarainao tamin'ny namanao fa taraiky aminao iny olona iny, ary nomeny KDO ianao, dia nentinao tany @ restaurant foana izy sns... (nefa tsy misy marina ireo nolazainao ireo fa lainga avokoa). Ambo n°2
Mifanohitra amin'ny fandeferana ve? Voninahitra ve ilay izy
Dia diniho @ ireo nolazaiko ireo hoe aiza ho aiza no misy azy eo. Angamba @ ilay n°1 dia fanajan-tena sy fandeferana; ary eto @ ilay faharoa dia fizestiavana sy fireharehana.
5. diamondra27 ( 19/09/2008 18:29)
manakambo= fier, tsy mitamby
matikambo = be zeste nefa tsy alehany , na koa be zeste nefa tsy misy marina le lazaina
6. ssendra ( 19/09/2008 21:54)
ambo-po diso toerana ratsy be!
7. niryna ( 19/09/2008 22:36)
Xp:

Inona tsara ilay atao hoe ambo
xxx:

Hambo angaha no tianao lazaina eh? Misy dikany roa io araka ny fehezanteny ny iray ny maha izy azy ny olona, ny iray fihambona na fiemboana mitovy ihany (evo, na ahavo no fototeny eo)
Fa ambo indray mantsy hoe avo
raha ampiana tovana a izy dia lasa kiva ahahahahah


iza amin'ireo tenenin'i xxx ireo no tian'i Xp ho fantatra ?

mitovy ireo tenenin'ny ankizy.
Manome toerana ambony noho ny hafa ohatra :arrow: miambo izy izany matikambo izany9ao anatiny ao misy zavatra tsy ananany kanefa hidokafany tena a na mety misy lainga aza a),midera tena,mizahozaho ,tsy mijery ny ambany. Vokatr'ilay ambo izany
Ny iray indray misy koa izany raha toetra :be ambo
Ny iray manana hazon-damosina :arrow: mitovy ny hoe mananakambo,mijoroa amin'ny maha hianao anao.
Misy indray misy fahamenarana ao amin'ilay olona dia ny avonavona no ataony be dia toa manakambo be izy kanefa fanafenana ilay henatra daholo izany be .Inona no filaza izany ?
ary inona no hilazana hoe be ambo-po ? olona maninona izany:mora tezitra sy mora tohina ve,tsi-tohinina ?
sa ahoana ry ireto ahitsiho ra tsy izany?
(l) niryna
8. Herimiafina ( 20/09/2008 13:51)
Ny ambo ve tsy principes e? :^)
9. tsiambaratelo ( 21/09/2008 04:56)
niryna:
Xp:
Inona tsara ilay atao hoe ambo
xxx:
Hambo angaha no tianao lazaina eh? Misy dikany roa io araka ny fehezanteny ny iray ny maha izy azy ny olona, ny iray fihambona na fiemboana mitovy ihany (evo, na ahavo no fototeny eo) Fa ambo indray mantsy hoe avo raha ampiana tovana a izy dia lasa kiva ahahahahah
iza amin\'ireo tenenin\'i xxx ireo no tian\'i Xp ho fantatra ? mitovy ireo tenenin\'ny ankizy. Manome toerana ambony noho ny hafa ohatra :arrow: miambo izy izany matikambo izany9ao anatiny ao misy zavatra tsy ananany kanefa hidokafany tena a na mety misy lainga aza a),midera tena,mizahozaho ,tsy mijery ny ambany. Vokatr\'ilay ambo izany Ny iray indray misy koa izany raha toetra :be ambo Ny iray manana hazon-damosina :arrow: mitovy ny hoe mananakambo,mijoroa amin\'ny maha hianao anao. Misy indray misy fahamenarana ao amin\'ilay olona dia ny avonavona no ataony be dia toa manakambo be izy kanefa fanafenana ilay henatra daholo izany be .Inona no filaza izany ? ary inona no hilazana hoe be ambo-po ? olona maninona izany:mora tezitra sy mora tohina ve,tsi-tohinina ? sa ahoana ry ireto ahitsiho ra tsy izany? (l) niryna
Misy ndray olona,miziriziry be aminy heviny nefa hita fa tsy tafa.De lazainy sasany wè be hambom-po zany ra olona,tsy azo toroina mintsy.Eto ndray ry zareo tsy niteny mintsy wé mati-kambo.Mifangaroharo be ihany le sens hoentiny lay teny hambo.Zah ary fanina sahady :-P
10. naughtyboy ( 21/09/2008 10:23)
Xp>efa voalaza reo ambony reo fa tsisy ankoatranzay,fa ra asina anarana ny sokajiny de:
ozy H.M>Ny ambo ve tsy principes e? eny sokajy 1
Ny ambo koa de personality sokajy 2
misy mahatsara sy maharatsy azy daoly reo zay no mahatonga anle oe tsiy ny lafatra na iza na iza ..
11. tsiambaratelo ( 21/09/2008 19:56)
naughtyboy:

Xp>efa voalaza reo ambony reo fa tsisy ankoatranzay,fa ra asina anarana ny sokajiny de:
ozy H.M>Ny ambo ve tsy principes e? eny sokajy 1
Ny ambo koa de personality sokajy 2
misy mahatsara sy maharatsy azy daoly reo zay no mahatonga anle oe tsiy ny lafatra na iza na iza ..



Ekena!:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2521