FAHAMARINANA

21. niryna ( 03/10/2008 04:17)
simplex:


zany hoe ny fiangonana/secta vitsy olona indrindra izany no misy ny famonjena an :)

:arrow: krispijo :°) :lol: :lol:
^:^


tsy ny fiangonana no mahavonjy ry simplex a,ka na vitsy na maro rehefa tsy misy fanahy ao amin'ny fiangonana dia mitovy daholo ,izay no fahalalako azy...ny tenin'Atra dia manambara mazava tsara sady tsara ho fitadidiana fa sady mora no azo ampiharina amin'ny fiainana

7 Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dòndòny, dia hovohana hianareo.

8[b] Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandòndòna no hovohana. Matio 7:7
[/u]

Atra dia tsy mitsahatra mitady antsika mba hibebaka ary na inona na inona misy antsika rehefa mino sy mametraka ny fiainany amin'ilay kristy zanany isika,mino azy fa any aminy no misy ny famonjena dia ho voavonjy avokoa.
mazoto ary mahereza mikatsaka ny fahamarinana fa iny no anafaka antsika amin'ny fatoran'i satana .
31 Dia hoy Jesosy tamin'ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin'ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa;
32 ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.
Jaona 8





22. niryna ( 03/10/2008 04:20)
Tehanampy:

Izany tokoa, tsy ny fijerin'ny olona no mikaonty fa ny Fijerin'Andriamanitra. Ny olona mety hihevitra 100% ao an-tsainy hoe: "Ity no tena izy", fa voasoratra koa hoe: "Ny Fihevitro tsy fihevitrareo ary ny làlanareo tsy mba Làlako..."


izay no antony hizahana ny fanahy izay miaraka amintsika tokoa ka,satria izay miaraka amin'Atra dia tsy ho tafa-petraka ao anatiny ao intsony ny fanahy ratsy ....sa ? raha ohatra ka backsilding indray na ireny olona nino an'Atra ireny dia nivadika tsy nanara-dia azy intsony dia miverina indray ilay fanahy ratsy


:D :roll:
23. niryna ( 03/10/2008 04:37)
ikaretsaka:


raha ny filahatry ny tsaok'hevitra naroson'ny namana ato tokoa no raisina ambony raisina ambany dia toa izay no conclusion tsy misy arriere pensee an
=)) :cry:

Tsy izay no fahitako azy,ny olona mihevitra ny herin'ny tenany dia tsy afaka ny ahazo ny tenin'Atra raha tsy mino Azy tokoa isika satria mihevitra izy fa mora ny mamaly ilay teny omen'ny namana azy ,mila ny fanahy masina isika ary tsy tonga ao io raha tsy mino an'i kristy izay nangataka izany tamin'ny rainy ho an'ireo izay mino azy,io no mampianatra antsika ny tenin'Atra
24. niryna ( 03/10/2008 04:43)
Rovampitia:

Vitsy satria mba firy isan-jato @ olona kosa ary moa no hahafoy ny harenany, ny voninahiny, ny tenany sy filàna rehetra ka handeha hanara-dia an'i Jesoa Kristy: nde hanampy an'ny mahantra eo @ fiainana, hizotra @ lalà-mahitsy sy fahadiovam-po tanteraka, hialà @ mahazatra sy ny fahazaran-dratsy rehetra, handà ny tenany sns....!
Nahoana kosa moa no nataonao hoe tsy ampy ny mahalala ny lalàna? Efa fantatrao fa tery ny lalàna mankany, Ary Jesoa Kristy no lalàna sy fahamarinana ary fiainana! Tsy mitsahatra mivavaka ary mangataka fifonana ary manantena ny fitsanganko velona miaraka amin'ny Tompo!
Rehefa tena mizotra @ lalà-mahitsy sy fahadiovam-po io tokoa ary tena mino an'i Jesoa Kristy de ny Fanahy Masina no hitari-dalàna! ary n'inona² angatahanao @ anarako hoy i JK de ho azonao izany! Mazotoa de mahereza fa iny hazo fijaliana iny no jerena ary diniho de hanampy ny fahitana ny tena fahamarinana !

tsy mora fa rehefa mianatra ,mandalina,mamaky ny tenin'Atra isika dia hiova tsikelikely isika ary ny fanahy masina no mampianatra amin'izany sy mitarika ary mampahatsiahy antsika.
Ny tena tadiaviny amintsika dia ny fo manolo-tena ho Azy,tsy mifangaro amin'ny zavatra hafa satria Atra saro-piaro izy,Efa nampahafantarany antsika hatrany amboalohany izany fa tia antsika izy kanefa koa mamaly ratsy ireo izay mankahala azy na manao atra hafa noho izy ...na dia ho sarotra aza ny lalana rehefa miantso azy isika dia ho valiany foana ary asehony zavatra maro tsy takatry ny saintsika .
Ny fahasoavan'ilay Tompo mahery be fitiavana anie ho amintsika rehetra

^:^
25. tywa68 ( 03/10/2008 11:03)
Hoy i Niryna :
na dia ho sarotra aza ny lalana rehefa miantso azy isika dia ho valiany foana ary asehony zavatra maro tsy takatry ny saintsika .


Rhfa tsy takatry ny saina d mahita fiononana satria kristiana :lol:
26. fahamarinana ( 03/10/2008 11:20)
:arrow: tywa : marina koa zay na tsy mahita vahaolana aza fa isan'ny vahaolana efa omeny ny fahaizana miononona. :wink: :) (l)
27. niryna ( 03/10/2008 20:44)
niryna:
]na dia ho sarotra aza ny lalana rehefa miantso azy isika dia ho valiany foana ary asehony zavatra maro tsy takatry ny saintsika .
tywa68:


Rhfa tsy takatry ny saina d mahita fiononana satria kristiana :lol:

hi,hi, ilay zavatra tsy takatry ny saina tiako ho tenenina dia ilay fitiavana lehibe asehony ao anatin'ny fahoriana,miantso azy dia valiany,ohatra iray io.Dia isika tsy mahalala izay ho avin'ny am-pitso kanefa dia nofidiany hitory ny teniny ary ny tanana ,ny vava na teny avoakantsika dia avy aminy avokoa fa tsy ataony ho rendrika isika,sintony hiakatra raha vao mitady
ho rendrika,ampahatsiahiviny fa tia antsika izy tsy amela antsika ho irery raha sendra mahatsiaro tena ho kivy iny isika
:D ^:^ ^:^
28. niryna ( 03/10/2008 21:02)
fahamarinana:

:arrow: tywa : marina koa zay na tsy mahita vahaolana aza fa isan'ny vahaolana efa omeny ny fahaizana miononona. :wink: :) (l)

fahamarinana > nihomehy aho nijery ilay sujet ,heveriko fa indry :wink:

misy foana ny vahaolana ka fa ny ho mifanaraka ny sitrapony ve sa tsia no mitranga matetika ka izany foana no hametrahana ny fiainana amin'i kristy...dia mahatonga antsika hivavaka hoe enga anie tsy ny sitrapoko no ho tanteraka fa ny Anao.. satria ny teniNy no mampianatra antsika hoe antsoy aho dia ho valiko hianao :D

Telo no mety hitranga raha miandry ny valimbavaka isika rehefa mitady an'Atra isika:arrow: mivavaka amin'Atra irery io no tiako asiana teny an ! :D

-omeny eo noho eo izany vavaka nangiatahantsika izany(ENY)

- asiany miandry isika fa mety mbola tiany hampandroso ny fanjakany ary ampianariny mianatra miandry(sarotra be ilay mianatra miandry)

-tsy omeny izay angatahintsika na tsia ny valiny na TSIA satria mangataka zavatra tsy mifanaraka ny sitrapony isika na hoe koa tsy any aminy no mangataka fa mety mbola mitady mpanelanelana dia tsy tonga any amin'ny na tsy tafa-paka any aminy ny vavaka :arrow: izay no antony ilaina ny Zanany dia i kristy ,hivavahana satria ny teniny dia manambara fa hatramin'izao dia tsy mbola nangataka zavatra tamiko tamin'ny Anarako hianareo,mangataha dia omeko hianareo .. ny dikany mbola misy tokoa ny olona tsy miantso Azy fa mety miantso ny razana,ny efa maty,ny olona izay ho heverina fa ho masina na atra hafa dia tsy mivaly izany ilay vavaka .Tsy tafa-paka any Aminy na tsy afaka nitatitra izany vavaka izany tany amin'ny Rainy i Kristy ..... voasoratra ao anaty baiboly avokoa izany ..izay no hevitro a
(l) niryna
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.607