Mihemotra tokoa ve ny demokrasia eto Madagasikara ?

1. zakilinina ( 18/09/2008 20:29)
Raha marina fa mihemotra, oviana re ny fotoana nampandroso azy ?
novalian'i penguin ny 15/10/2008 13:15
2. xxx ( 19/09/2008 07:16)
Ny tena fanontaniana angamba dia ny hoe: efa nisy demokrasia ve teto m/kara?.
3. jefra ( 19/09/2008 07:18)
Teo anelanelan'ny fandalovan'ny Papa Jean-Paul II sy ny empechement n'ny filoha tamin'izany (Zefa Albert), ka niafara tam niverenan'i Deba teo am fitondrana.
4. salopard ( 19/09/2008 09:52)
Jefra:
Teo anelanelan'ny fandalovan'ny Papa Jean-Paul II sy ny empechement n'ny filoha tamin'izany (Zefa Albert), ka niafara tam niverenan'i Deba teo am fitondrana.


fa dia sarotra @ razoky JEFRA mihintsy ve no hilaza hoe: t@ andron'ny ZAFY no nisy demokrasia e!

resaka politika no eto, ka tsy hitako izay idiran'ny papa jean paul II @ izany

fa lasa racisme na delit de sale gueule mihintsy le tsy fitiavana an'ny zafy an!

sa atao hoe t@ andron'ny JEFRA albert ?
sniff, tchouff....
5. nathie86 ( 19/09/2008 10:21)
fafao zany ranomaso salopard an.

Ny democratie aloha d tsy misy mintsy ry xxx an ary tsy hiisy kouh eh.
6. jefra ( 19/09/2008 11:16)
Fotoana no resaka fa tsy olona. Ny sisa, samy manana ny fijeriny.
7. penguin ( 19/09/2008 15:02)
Tena mandroso ary manaraka ny dingana falehany ny demokrasia eto Madagasikara. Izay mihevitra rain'ny demokrasia dia efa manomboka hiverintsaina. Misy dingana io fa adalan'izay milaza fa hatreto no efa vita nefa resaka mapiomehy dia nihinana paisomanta. Rehefa tsy ny mahafinaritra anao no atao sy harahina ve dia midika fa tsisy demokrasia. Misy io fa sokafy tsara ny maso sy sofina =)) =)) =)) =))
8. zakilinina ( 19/09/2008 22:56)
Mpandala ny demokrasia ve ireny mpanao kirin'antitra amin'ny fanakorontanana ireny ?
9. xxx ( 20/09/2008 11:09)
Mpandala ny demokrasia ve ireny mpanao kirin'antitra amin'ny fanakorontanana ireny ?


sakananao izy, ary mbola tsy nilahatra akory dia hoe manankorontana.

ny demokrasia dia tsotra:

alao izy hilahatra:
-raha manimba zavatra ny meeting-ny , na manankorontana izy dia gadrao
-raha tsy mahazaka olona izy ho hitan'ny havany eo, tsy hisy hihaino
-raha voadaka vody izy, gadrao ilay nandaka vody, izany no atao hoe fanjakana fa tsy izy no sakanana

10. Herimiafina ( 20/09/2008 22:07)
Ny demokrasia misy foana fa ny tokony dinihina dia ny hoe voahaja ve sa tsy voahaja? :^)
11. kidoropamba ( 22/09/2008 10:25)
Ny tena demokrasia aloha dia t@ ity fitondran'i filoha hajaina Ravalomanana ity satria teto no nisy hala-bato vitan'ny fahatapahana jiro tao @ miniteran'ny atitany izany ka tsy nisy nitomany na nanohitra fa nanaiky (demokrasia) daholo.

T@ filoha Ravalomanana koa no nisy kapitaly notrongisan'ny fitondrampanjakana izany ka ny ben'ny tanAna nesorina pataloha imasom-bahoaka fa tsy nisy nanohitra (menomeno no betsaka) satria demokrasia.

T@ filoha Ravalomanana koa no nisy fivarotana tanindrazana fa tsy nisy taitra na sarotiny satria demokrasia, ary samy hiandry ny fifidianana manaraka.

Izany no tena demokrasia ka isaorana an'i filoha Ravalomanana io.

Ravalomanana any ONU..... :roll:
12. penguin ( 22/09/2008 12:54)
Izahavo sary hafa indray ra-kidoropaimba fa efa endriky ny demokrasia ihany ny fahafahana miresaka betsaka sy manovaova sarin'adala nalaina tany @ 18 isakarazany eto. =)) =)) =))
13. kidoropamba ( 22/09/2008 17:49)
aza mi-ataky fizika hoa fa tsy demokrasia e. Hevitra no ampiadina fa tsy ny fizikanay no tetitetehina.

Arakaraky ny toe-trandro no hakako sary. Efa fotoanan'i fivavahana izao ka aleo tairina sary mivavaka aloha fa efa sahirana loatra ny gasy amin'izao.
Raha mandeha amindry damompra ery ambolikandrina ery ange enao dia mahazo sary maimaimpoana e. aza be fialonana fa resaka demokrasia zao.

Ravalomanana ao z'ONU...... :{
14. penguin ( 23/09/2008 06:45)
Tairo ny demokrasianao fa aza variana manao resak'adala miverintsaina. Na iza na iza filoha hitondra dia ny fiainan'ny olona mitohy ihany ary tsy ny resak'adala no hampivoatra azy fa ny fahalalan'ny tsirairay ny andraikiny. Inona no mankarary loha anay vahoaka @ ONU ry dadakoto o?
15. kidoropamba ( 23/09/2008 07:45)
Mahaliana sy mahafinaritra ny mahita ny filoha hajaina manao kabary ery @ z'ONU. Hita fa tena mpilalao antsikana ny antsika. Ilaina indraindray ny resak'hehy ao @ z'ONU mba hialAna amin'ity fiaiananana miha sarotra ity.

'saotra ry filoha hajaina fa tena akitera gasy mahafatra-po raha enao.

Ravalomanana..... ^^
16. penguin ( 23/09/2008 15:32)
Na hisaotra ianao na hanompa ankolaka tsy raharahanay fa tsy izany no mitondra sakafo ho anay fa ny asanay andavanandro. Mitaingina, manabevohoka dia mamelona fa tsy ny olana hafa no lazaina fa mampahantra ny tenanao. Ny fahafinaretanao no hiasanao. Mba misaina f'efa manao sarin'antitra.
17. kidoropamba ( 23/09/2008 15:57)
ka ilay asanareo andavanandro ange no mampihena ilay sakafo-nay e. Io no mahatonga ny filoha lasa mitsangatsangana any z'ONU satria bandy maloto sy mijaly foana no betsaka ao dago ao ka be hata-dava.

Aleo marina aloha hisaina fa raha hanaraka an'i filoha hajaina dia mety ho lasa adala mihitsy.

Ilay fahafinaretana ity efa tsy misy satria na ny hena-baOly efa tsy azom-bola. ny Tiserta tsy misy mpividy intsony.

Hitaingina inona Ary e? raopilany sa osy mainty?

Ravalomanana kely sisa...... :roll:
18. penguin ( 24/09/2008 13:29)
Mitaingena gadradraka ry lety raha tsisy gisa mainty na osy fotsy e. Afaka hatramin'ny adalan'ela.
19. rafitia ( 27/09/2008 15:40)
:lol: samy manana ny famaritany ny atao hoe democratie ny tsirairay ar ary araka ny toerana misy azy no andraisany azy.rah ho an'ny tany demokratika ara-pamaritana iraisam-pirenena dia ny fahefana mpanao lalàna (senat sy depute) no sehatra afahana mandala ny democratie.mazava ho azy fa ao no tokony hisian'ny ady hevitra politika rehetra indrindra fa ny fitantanana ny fierenena.iero firenena mandroso anefa dia manery ireo tany andalampandrosoana tsy maintsy hampihatra ny democratie. tafiditra ao isika malagasy :°)
20. vetsoko ( 13/10/2008 11:02)
demokrasia zany mbola lavitra be ry namana isany a!ra i madagasikara no resahina,fomba fiady fotsiny ny mitanisa an'io fa resaka izany;tant que tsy misy ny indépendance total de la justice sy ny séparation de pouvoirs de illusion ny Démocratie,discours politique démocratique no iainan'ny dago fa le reste..................sady vao maika nihemotra be le izy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 3.0796