Mirehareha amin'ny fahantrana!

21. tsiambaratelo ( 18/09/2008 12:42)
Tsy mizesta mintsy ry zareo fa kosa tia hampahafantatra anireo manodidina fa tsy rehefa wé mahantra akory enao,de wé farany zay mangidy sy ory ary niangarany vintana.Fa mila miezaka sy manome lanja ilay harena ara-tsaina hanananao.
22. Herimiafina ( 20/09/2008 13:31)
Ny tiako tenenina tetsy ambony dia ny fahantrana fahiny, tamin'ny mbola kely hoy isika izay, izay mitantara ny momba ny tamin'ny folo taona lasa ohatra raha mbola niaraka tamin'ny ray amandreny.
Misy koa mantsy karazana fahantrana sy fahasahiranana niainana amin'izao vanin'andro izao, ny fitantarana an'io dia tsy dia maninona loatra fa toy ny fijoroana vavolombelona ihany indraindray ary miankina amin'izay ao antsain'ilay mpitantara, araka ny voalazan'i sakaizakely etsy ambony hoe raha mbola tao anatin'ilay fahasahiranana dia tsy nahavoaka azy fa rehefa afaka tao vao mba afaka mifampizara.

Fa ilay fahantrana fahiny etsy etsy ambony kosa dia fiainana efa taloha mihintsy, ary tsy dia mampaninona hy loatra ny fitantarana azy fa ilay hifaninanana mihintsy no mahasosotra ahy. Raha milaza ohatra ny iray fa mahantra tamin'ny mbola kely, dia miteny koa ny iray hoe, izahay ihany koa mahatra tamin'ny mbola kely, dia tsy misy olana, fa raha misy kosa manao hoe, izahay kosa mbola mahantra noho ianareo e, dia eo no mipetraka ny olana hoe fa dia nahoana loatra? :^)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0863