Matory ve ny ao antAnAna?

21. penguin ( 19/09/2008 14:40)
Elaisany mihintsy no tsy mampifoha ny matory fa vao mainka mamafy resaka mampihesona. Tsy tafavoaka no tsy mahafaty baolina fa mangorera.
22. xxx ( 19/09/2008 15:22)
penguin= pont an'i guina :twisted:
23. nanas ( 19/09/2008 21:30)
penguin:

Elaisany mihintsy no tsy mampifoha ny matory fa vao mainka mamafy resaka mampihesona. Tsy tafavoaka no tsy mahafaty baolina fa mangorera.



Rehefa tsy de mahazo ilay resaka dia aza mamaly fa mandreraka be ry pongoinn a!
24. Herimiafina ( 20/09/2008 14:26)
naughtyboy:

za tsy mino anzany destin africain zany ry H.M fa ry lerony mintsiny no matiny fitiavantena fa tsy fitiavantanindrazana,nahoana no tsy vakiny politikany tandrefana i Aatolah Khomeiny ao Iran sy ry Jung Il ao Korea satria tia tanindrazana reny bandy reny na de milaiso sy manao didy jadona aza de arahiny vahoaka,Afrika de dia malemy saina sy tsisy patriotism jereo ny modely hafa ho avy ao fa efa voasoritra toy ny Angola,Kenya,Zimbabwe mpitondra 2 mizara fahefana de io no ataony ao afrika lamaody sy kilalao @ zao ,ka enao aza tsy mahay manamina sy manana politika mazava itondrana ny firenenao fa ny ibodona toerana no imasoana ka ho aiza eo fa de amporisihany vazaha fotsiny angalatra de omeny exile tsara ao aminy fa ho tonga ampiasa vola any avy eo ,io no rangory fototry ny afo

Izaho indray mino fa namboarina mihintsy io destin africain io, tsy avy amin'ny afrikana fa lova navelan'ny fanjanahana toe-tsaina efa nisy hatramin'izay na hatramin'ny andron'ny faha-mpanajaka aza rehefa noriritin'ny anglisy sy ny Frantsay ny ankamaroan'ireo tany afrikana izay zana-tany frantsay taty aoriana.
Ny fomba fisainana misy (structure) ny système misy (climat) ary ny fomba fiasa (processus) dia copy/paste-n'ny zava-misy ao Frantsa daholo ihany miampy ny dika vilana isan-karazany. Ary izy io dia miampy fioronana amin'ny fomba anglo-saxon ihany koa, toy ny mahazo ny ankamaroan'ny tanora frantsay, mandà ilay zava-misy ary voasariky ny tsy eo ampela-tànana.
Inona moa no mahatonga ny fisian'ny tsy maty manota amin'ireny tany afrikana mahantra ireny? Satria ny fomba fametrahana ny power mihintsy no mamela azy hangoronkarena sy hangalatra.
Vao miala ny tanan-dehibe ianao dia be ny mbola ambonin'ny lalàna ny sasany, ary manampatra ny anarana hoentiny, ny relations isankarazany ao amin'ny fanjakana, ary manao ny ataony tsy misy sazy tsy misy n'inon'inona.

Ry kidorompamba izao raha mipoaka ny sarombilany dia hitsoaka any ivelany miaraka amin'ny volabe, kanefa tadidio fa tsy maintsy hisy foana ny hitomany azy, ny hiantso azy ho olobe, ary ny hanagataka famelankeloka goavana ho azy, izay ilay demokarasia afrikana e!

:^)
25. naughtyboy ( 21/09/2008 13:12)
mifameno tsara ny voalazako etsy ambony reny toetsaina lomorina novoleny mpanjanaka reny,tsy ny anjanaka aratoekarena fotsiny no antondiany reo tandrefana tao afrika fa anjanaka aratsaina :°) aza adino izay na ovina na ovina noho izany de malemy saina ny afrikana sy ny malagasy satria vao lasa ny mpanjanaka dia isika izao no nandova azy reny @ tia kely ,fanaparampahefana,famotehana ny ho aviny vahoaka maro an'isa,aiza ko tsy mbola eo aza de efa ny hanafoana ny harempirenena sy mitady tany ialokalofana sahady no resaka,..tsy ho tafa mandrakizay fa le toetsaina mintsiny no voazanaka sy mirefarefa @ halatra :°)
26. penguin ( 22/09/2008 13:16)
Mifameno tsara ny voalazanao saingy tsy mahafeno ny mpihaino satria ianao no tena VOAZANAKA VOALOHANY. Porofoy koa ny tsy mahavoazaka anao raha misy tsy feno mba ampifenoy. =)) =)) =))
27. naughtyboy ( 22/09/2008 20:31)
H.M mbola betsaka ankoatr'ireny no napetrany menasofina ao,kolikoly,didy jadona,ny fanidrahindrana ny kolotsaina vahiny sy fanabatiana ny any malagasy..ary reo tsy ho voatanisa
28. penguin ( 23/09/2008 15:37)
Jereo ny zavatra nosoratanao rehetra fa ianao no tena manabaty ny gasy. Ary modia malaky raha tsy voazanaka f'aza mampiresaka nefa mitomany hivadika vazaha be izao.
29. naughtyboy ( 24/09/2008 11:31)
ra misy tsy azony pongoin ny voalazako teo de averiko @ teny tsotra :
nolazaiko ireo kilema ny malagasy toa ahy sy ny takaitra noraisina taorinany fanajanahantany,vay ankandrina ireny fa tsy fanabatiana ..ny tenanao aloha jerena vao miresaka ny hafa ary mpmba anao ahoana tantarao anay eto oe enoina fa toa lasako vavany nefa poak'aty :-D :-D mbola hody le boaikely antsoina oe notty fa tsy taitra tsy maika enao :-P
30. penguin ( 24/09/2008 13:21)
Izay no izy modia dia raiso ny andraikitra fa tsy mpisolelaka antanin'olona nefa miseho milaza ny sasany ho voazanaka. Tonga malaky ary raiso ny fitondrana tsy mandeha fa izany no andrasana fa tsy resaka akory. Izaho poakaty efa tsisy raisina fa ianao favy no andrasana. =)) =)) =))
31. naughtyboy ( 24/09/2008 16:39)
misy ol tsy tompony tenany indray ato fa avy nandray moly mora fantatra b=)) =))
32. notron ( 25/09/2008 13:58)
Matory ve ny ao antAnAna?

Tsy matory fa miandry TOP daholo ny rehetra.
Tsy rendremana akory aza e!
Samy vonona na ny tsy miteniteny aza fa rehefa raikitra ilay hoe : "Ndao daholo" dia...hummmm!
Efa izany daholo zao ny resaka mandeha etsy sy eroa eto @ Tanàna e!
Aleo hanao eo ihany raha sahy e!.
33. kidoropamba ( 25/09/2008 15:42)
dray!dray!dray! hangony ny entana dia ndao handeha any mahajanga haka sambo hoan'i kaomOro fa toa ho ratsy ireto sain'ireto bandy ireto izany marina an.

Aza mamaly faty fa tsy tian'i jesosy e.

Ra...valomanana 8O 8O 8O 8O 8O

Tsy mba malahelo ve enao mahita ireto maso be midanaka mijery anao ireto: 8O 8O 8O 8O 8O - tahotra daholo ireo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1059