Ho antsika izay tsy faly amin'ny ataon'ny Moov/DTS

1. ZZZZZZZZ ( 09/09/2008 05:15)
http://mila-fiovana-ny-moov.eliezedeck.com/

Ho an'izay client an'ny Moov/DTS, 'zay niharan'ny tena tsy rariny intsony ny amin'ny connexion ratsy be sy mahamenatra, manasa antsika amin'izay hanoratra anarana ao amin'io forum vaovao eo ambony io.

Misy section antsika mpanjifa manokana ao, izao hanomanatsika ny tactika hangatahatsika ny zo izay mendrika atsika sy nandoavana vola.

Ho anareo izay mitaty fournisseur d'accès koa; mba jereo ihany aloha io forum io, vao miditra. Fa izahay dia anisan'ny tafiditra, nefa izao dia manenina tongotra aman-tanana!
novalian'i fetrakens ny 26/09/2008 14:13
2. bozyboleta ( 09/09/2008 12:11)
Fa misy inn???
Za client moov efa ela ka hatr@ zao fa mbola tsy nanana olana.
Isanandro mi-connect ary manao download matetika mitsy fa mbola tsy sendra olana, ary enga anie tsy ho tratran'izany lazainao izany.

Sao de....... kosa ary.
3. oOo ( 09/09/2008 14:32)
Arahabaina aloha izany ianao bozyboleta tsy nahita olana mihintsiny t@ moov madagascar izany,
Izaho izao sambany vao mba nahita connexion mahafa-po kely nametrahana an'ity post ity (débit connexion ato zao 1.30ko/sec :? ), efa naharitra 1mois et démi tsy nahita anzany firy!

ZZZZZZZZ > Raha misy fournisseur hafa moa vao maika tena mety, satria mbola io irery ihany izao no fournisseur internet aty @ faritra misy anay aty. Voatery tsy maintsy hiaretana ...
4. ZZZZZZZZ ( 09/09/2008 14:39)
Lasa lent be ny connexion eh!!! Indraindray moins de 56 kbps mihitsy ny débit. Ary tsy vitsy no tratran'io, fa na ny tenako izao aza de mba tratra koa. 512 kbps modulaire anefa no nampanantenaina ahy, kanefa dia tena lafitry ny afo ny kitay. ADSL anefa hono amin'izany ilay izy, Pack Telma taloha ireny aza mbola tsara.
Raha ny tena marina, dia 128 kbps no vitesse farak'izay minimum vitan'izany atao hoe 512 kbps modulaire izany, fa miovaova entre an'io 128 sy 512 kbps ilay izy. Kanefa dia moins de 128 kbps stable ary tsy miakatra mihoatra an'io mihitsy pendant la journée.

Lasa blocké daholo ny service fampiasa matetika. Tahaka ny Rapidshare, MegaUpload, Usenet, Torrent, ... Rehefa atoandro io an! Ny connexion efa bridéna, nefa ny service fampiasa koa mbola blockéna.
Misy port sasany ihany koa, blockina tsotra izao, sahala amin'ny nahazo alalana avy aiza, nefa anjaran'ny utilisateur no mi-blocké ny port izay tiana, raha ohatraka ilainy izany. Tsy anjaran'ny FAI mihitsy ny mi-blocké port.

Marihiko anefa, fa misy raison professionnelle ny antony ampiasaina an'ireo service ireo, fa tsy hoe download foana akory. Ny upload fichier ngeza be izao, dia ireo foana no ampiasaiko ary ireo no reconnus hoe tsara eo amin'ny marché, ary manana Premium amin'ireo mihitsy aho.
Lany vola fotsiny anefa izany, fa de blockén'ny Moov tsotra izao ilay izy.

Alefany any amin'ny Moov 3G+ daholo mantsy ny débit, dia lasa ambonambony fotsiny sisa no mba azon'ny ADSL sy ny tariny. Débit efa tamin'ny taonjato no mbola ampiasainy ary tereny ampidirana client aminarivo; ny prix anefa dia tsy mihetsika efa ho 2 taona. Avy eo koa dia ataony Traffic Shaping be mihitsy ilay izy, mba hanerena ireo connexion an'ny clients rehetra ao anaty bande passante kely dia kely.
Kanefa ny prix mondial an'ny connexion satéllite dia nidina ambany be amin'izao fotoana izao, kanefa dia mbola mitsetsitra vahoaka ihany le Mavokely. Voalazan'ny mpiasan'ny Moov ihany anefa, fa na tsy mandoha vola aza ny ADSL Home rehetra, dia tsy mbola maty antoka ny Moov/DTS; satria betsaka ireo société goavana eto amintsika mandoha 50.000.000 FMG (minimum) par mois, eo amin'ny 50 eo no isany, ary mbola mitombo hisa; izay fotsiny dia efa ampy hi-couvrény ny dépense rehetra, ary mbola misy ambony ary.

Ny tokony ataony dia mampitombo ny bande passante générale, fa tsy terena daholo ny client rehetra ho tafiditra ao anaty bande passante kely efa limité be. Tsy afa-po intsony ny mpanjifa, tsy mahazo ilay nolazaina fa 512 kbps modulaire.

Ny pub anefa manerana ny tanety be zesta ohatran'ny inona, anefa ny service tsy mandeha amin'ny izay laoniny. Rehefa tafiditra ao ianao vao manenina, dia ataony miadana amin'izay ilay izy, dia rehefa mitaraina ianao hoe miadana loatra, dia lazainy hoe: 'Zay mihitsy io, midira ADSL Pro raha te ahazo vitessy ambonimbony. Kanefa izany zavatra izany dia tsy ambara amin'ny mpanjifa mihitsy eo amin'ny fotoana hanasoniavana ny contrat, fa dia mauvaise surprise be ho an'izay miantso azy ireo.

Araka ny nambaran'ny mpampiasa ADSL Pro koa, dia lasa ratsy koa ny connexion azy ireo izao. Misy mahavita 4 Go par jours teo aloha, kanefa izao dia zara raha mahavita 1 Go. Ny ahy moa dia ADSL Zen, fa tena tsapako mihitsy hoe miadana loatra ilay izy; taloha aho mahavita 1.6 Go minimum, izao anela dia indraindray dia 500 Mo no mba azo.
Ny download mba tiana ho vita, dia tsy vita intsony amin'izao fotoana izao. Taloha mahatratra ny vitesse max an'ilay ligne ny download rehefa heures creuses, izany hoe 52 - 54 Ko/s; izao anefa dia tsy mahatratra intsony raha tsy amin'ny 3 - 6:30 maraina. Fara-faha ratsiny, dia 45 Ko/s ny ambany indrindra teo aloha, fa izao tena moins de 16 Ko/s nefa amin'ny 8 ora alina io an!

Manaiky aho hoe rehefa heures pleines de mampiasa daholo ny société goavana izay mandoha 50.000.000 FMG par mois, kanefa mbola tsy heure pleine akory (6:30 marain), defa bridéna be sahady ilay connexion, kanefa lazaina hoe heure creuses ihany io no mandeha mafy. De rehefa miantso dia lazaina fa be olona be hono, kanefa vao tsy misy 1 minutes akory no mbola 54 Ko/s, dia tampotampoka teo dia be olona be dia tonga dia 12 Ko/s.

Ny facture anefa dia tsy miova, fa ny tamin'ny iray volana ihany no androany. Kanefa rehefa tsy tsara ny service, dia fomba fanaon'ny FAI no mampiena ny facture. Tsy mbola nisy izany tami'ny tantaran'ny Moov/DTS.

Ny fotoana ampiasana ilay connexion amin'izay dia mihena ihany koa, satria tapatapaka ilay izy tao ao.

Rehefa mba miantso Service Client enao, dia efa ampianarina mihitsy angamba ry zareo ao mba handainga, ary mba ahatonga ny crédit-nao ho lany.

Compareo amin'ny zavatra vita taloha ny vitan'ilay connexion amin'izao, dia ho hitanareo. Izahay moa tena miankina amin'ny asa mihitsy ilay connexion, ary tsy maintsy miasa be rehefa atoandro; kanefa dia faty antoka fotsiny no azo fa miadana loatra ny zavatra atao. Ny Upload tiana atao, dia matetika tsy vita, fa tapaka eny antenatenany foana amin'izao fotoana izao.

Asaina miditra ADSL Pro izahay, kanefa dia tsy te hieritreritra indray hoe, miditra ADSL SuperPro, na ADSL MegaPro, ... Tsy misy afa-po mantsy na HOME io na PRO. Tsy rariny intsony!

Mba te hi-résilier contrat, hivadika any amin'ny Blueline, fa tsy avelan-dry le kary! Kanefa ny zavatra nifanarahina tao amin'ny contrat, dia tsy voatazony intsony. Ny tena anefa tsy tapaka manao provision ao amin'ny compte banquaire hanaovany ny prélevement fitsetsefany.

Afatra hoa an'zay mitaty fournisseur d'accès: Aza miditra Moov mihitsy, fa dia manenina ao nareo. Aza mihaino ny publicité ataony, fa lainga be fotsiny ireny!
5. ZZZZZZZZ ( 09/09/2008 14:45)
oOo > Fa aiza nareo no mampiasa an'izany? Tonga dia manaova inscription amin'ilay forum eh! Mila olona maro isika, fa mila miova mihitsy ny zavatra ataon'ny Moov io, tsy rariny intsony.

Kozio daholo ny bandy rehetra (de ny sipa koa), fa tsy maintsy ataon-tsika izay ahatonga an'io hanova zavatra; na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana. Atrany Mahajanga io zavatra io, any koa de tena mahamenatra mihitsy.

Izay toerana misy anareo rehetra, dia tongavana fotsiny, dia mandraisa anjara. Ianareo no représentant an'ny faritra misy anareo.

Aiza ve rangahy, mi-surf aho, dia mila tsy ahavita, fa dia mi-coinca be tsotra izao. Taloha anefa, anisan'ny mirehareha mihitsy hoe haut-débit ny an'ny tena.
'Zao anefa, tena menatra mihitsy milaza amin'ny akama, fa tena moins de 128 kbps ny connexion-ko :oops:
6. ZZZZZZZZ ( 11/09/2008 12:57)
Ity ary ny vaha-olana ho antsika, fa izany hoe mila sonia betsaka aloha isika:

http://petitionduweb.com/voirpetition.php?petition=2275
7. oOo ( 15/09/2008 19:44)
ZZZZZZZZ:

Lasa lent be ny connexion eh!!!

Ny download mba tiana ho vita, dia tsy vita intsony amin'izao fotoana izao. (...) Fara-faha ratsiny, dia 45 Ko/s ny ambany indrindra teo aloha, fa izao tena moins de 16 Ko/s nefa amin'ny 8 ora alina io an!


:°) 0.16ko/s 2ko/s @ atoandro; 1.08ko/s 5ko/s @ 8 ora alina

ZZZZZZZZ:

Rehefa mba miantso Service Client enao, dia efa ampianarina mihitsy angamba ry zareo ao mba handainga, ary mba ahatonga ny crédit-nao ho lany.


:°) farany teo, conseil nomen-dry zareo tao: désactiveo ny antivirus !!!! :°)


ZZZZZZZZ:

Mba te hi-résilier contrat, hivadika any amin'ny Blueline, fa tsy avelan-dry le kary! (...) Ny tena anefa tsy tapaka manao provision ao amin'ny compte banquaire hanaovany ny prélevement fitsetsefany.


Tsy mifamaly ve ilay zavatra tianao lazaina eto?

ZZZZZZZZ:

Afatra hoa an'zay mitaty fournisseur d'accès: Aza miditra Moov mihitsy, fa dia manenina ao nareo. Aza mihaino ny publicité ataony, fa lainga be fotsiny ireny!



Ny solution mba ho mety @nay hitako aty aloha dia hi-résilier contrat aloha, satria perte loatra @ fandoavana zavatra tsy mandeha, dia mampiasa carte prépayé rehefa avy eo (tsisy prélevement bancaire automatique tsinona)

Avy eo hanao pétition ve? Ekena fa tsara be ilay hevitra; fa ezao dinio kely ange ity eh:

Erakin'ny Madagasikara, iza no Leader @ fournisseur internet @ ordinateur personnel na professionel? Izany internet izany vao haingana no tonga taty (tsy ampy 3 taona akory), rehefa nahazo réseau-ny Pack Telma taty @nay (ADSL izany mbola nofinofy). Izany Blueline sy ny sisa izany tsy hainay aty satria tsisy information mazava mihintsiny azo raha tsy mijerijery @ net.
T@reny "Fête de l'internet" ireny dia zareo wanadoo teo aloha no mba nahavita nanao promotion taty, ary rehefa manontany olona aty ianareo dia izy irery ihany no ho ren'ny sofinareo satria efa vitan-dry zareo tsara ny nanararaotra ny tsy nisian'izany "concurrence" matanjaka izany!

Tsy hitanareo "logique" be ve raha hanao "politique de l'autruche" ry zareo? Avelao eo izay himenomenona .... (Tsy tadidiko tsara ilay terme)

Tsy "défaitiste" akory fa mba te hanao fijery alavitra ...

:idea: Minoa fotsiny ihany ? lol 8-)
8. fetrakens ( 26/09/2008 14:13)
Ka ny Moov ange efa mihetsika e! zay no maha Moov azy kou!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1375