NY SAZY MIANTRA AMINY NAMANA IRAY NAHAFATY OLONA

1. tsiambaratelo ( 05/09/2008 09:33)
Manao aona dôly ndray ary ny namana. Tsy izany fa mba te hahalala bebekokoa mikasika indrindra,ny sazy miandry na miantra aminy reny olona mpamily na mpitondra môtô ireny ka nandona ary maty noho io loza io lay voadona. Misaotra mialoha!:D
novalian'i Ratoa ny 25/08/2009 19:57
2. Herimiafina ( 06/09/2008 01:49)
Homicide involontaire! Inona no voalaza amin'ny code penal any amin'ny misy azy? :^)
3. tsiambaratelo ( 06/09/2008 06:54)
Herimiafina:
Homicide involontaire! Inona no voalaza amin\'ny code penal any amin\'ny misy azy? :^)
Tsy fantatro ny voalazany CODE PENAL any Dago,ka izany no tiako hahafantarana bebekokoa wé inona no sazy miandry azy ireny,na miantra,azo atao raharaham-pihavanana ve le cas. Ohatra iray ity:-Raha nisy mpitondra nandona zaza 5taona ohatra ka maty sur place le zaza....(l)
4. Herimiafina ( 06/09/2008 14:12)
Tsy tadidiko firy intsony fa ny fahalalako azy dia, satria nisy mort d'homme na olona maty dia tsy maintsy misy tribonaly aloha satria tsy vitan'ny code civil fotsiny intsony fa tsy maintsy penal.
Jerena daholo ny rapport de polisy mikasika ny accident, nisy exces de vitesse ve? Nisy hadisoana mihoampampana nataon'ilay mpamily ve? An'iza ny hadisoana? Nisy fitoriana fangatahan'onitra nataon'ny havan'ilay maty ve?
Dia eo no hahitan'ny procureur na ny juge ny zavatra mety ho atao ilay mpamily, ny onitra, ny sazy amponja, sns.
Arakaraky ny toe-javatra nisy dia mety hisy processus de dépénalisation raha tena tsy faute-n'ilay mpamily ny nahafaty ilay olona, dia mety mijanona ho onitra na fifampiraharahana ny tantara! :^)
5. ssendra ( 06/09/2008 14:30)
tsiambaratelo:

Manao aona dôly ndray ary ny namana. Tsy izany fa mba te hahalala bebekokoa mikasika indrindra,ny sazy miandry na miantra aminy reny olona mpamily na mpitondra môtô ireny ka nandona ary maty noho io loza io lay voadona. Misaotra mialoha!:D


arakaraka ny toerana sy ny firenena hipetrahany angamba ny lalàna hampiharina fa tsy voatery hitovy daholo


6. tsiambaratelo ( 06/09/2008 14:46)
Herimiafina:
Tsy tadidiko firy intsony fa ny fahalalako azy dia, satria nisy mort d\'homme na olona maty dia tsy maintsy misy tribonaly aloha satria tsy vitan\'ny code civil fotsiny intsony fa tsy maintsy penal. Jerena daholo ny rapport de polisy mikasika ny accident, nisy exces de vitesse ve? Nisy hadisoana mihoampampana nataon\'ilay mpamily ve? An\'iza ny hadisoana? Nisy fitoriana fangatahan\'onitra nataon\'ny havan\'ilay maty ve? Dia eo no hahitan\'ny procureur na ny juge ny zavatra mety ho atao ilay mpamily, ny onitra, ny sazy amponja, sns. Arakaraky ny toe-javatra nisy dia mety hisy processus de dépénalisation raha tena tsy faute-n\'ilay mpamily ny nahafaty ilay olona, dia mety mijanona ho onitra na fifampiraharahana ny tantara! :^)
Raha tahiny ka aminy toerana efa voarara fa tsy azo anaovana exces de vitesse no miseho ny loza.Azony fianakaviana na namanilay nandona ka nahafaty ve ny miditra vavolombelona sandoka,mba hiarovany lay namany tsy hidoka am-ponja?
7. ssendra ( 06/09/2008 15:00)
ilay olona aloha tsy maintsy hoe voasazy fa arakaraka ihany ny sazy azony.
8. kelly13 ( 06/09/2008 15:26)
"vavolombelona sandoka" d asaivo makeo @ toeran'ny fianakavina na naman'ilay namoy aina klou ry zareo ahitany an'izany oe "very havana", d tadidio kou fa ny fanaovana vavolombelona sandoka d vao maika hampitombo ny sazy mihatra no hampidoboka iany kou reo nanao vavolombelona sandoka!

sarotra ny mandainga fa mampi revolte b ahy le oe "Azony fianakaviana na namanilay nandona ka nahafaty ve ny miditra vavolombelona sandoka,mba hiarovany lay namany tsy hidoka am-ponja? ". d misy oul hahasahy hanao izany v? indrisy mantsy
9. tsiambaratelo ( 06/09/2008 15:46)
kelly13>le vavolombelona sandoka mety ho maivana ihany,fa mety ho voavidiny hatraminy mpitsara aza.Qui-sais(ndrindra mou raha laibany na le fata-daza eo @tanana:wink:
10. kelly13 ( 06/09/2008 15:49)
ka zay no lazaiko teo oe indrisy mantsy! aiza ny justice @ zany?
11. Herimiafina ( 06/09/2008 16:47)
tsiambaratelo:

Raha tahiny ka aminy toerana efa voarara fa tsy azo anaovana exces de vitesse no miseho ny loza.Azony fianakaviana na namanilay nandona ka nahafaty ve ny miditra vavolombelona sandoka,mba hiarovany lay namany tsy hidoka am-ponja?


Toa efa misy rafitra fifidianana vavolombelona ihany koa amin'ny afera ohatr'itony fa tsy hoe izay tiana hatao vavolombelona no lasa vavolombelona. Ary miankina amin'izay vavolombelona voatahiry any anaty rapport de polisy ihany koa izy io.
Ny fitsarana dia miantehitra amin'ny faits tena nisy ary ny tena afaka mamaritra ireo faits ireo dia ny rapport de polisy. Tsy maintsy nisy temoins occulaire nanontanian'ny polisy tamin'io fotoana io ary nanao deposition miaraka amin'ny mpandona, matetika izy ireny tiers personne (tsy misy hifandraisany amin'ny havan'ny mpandona na ny olona voadona).

:^)
12. ikaretsaka ( 06/09/2008 16:48)
ny marina tsy mba maty e...
rehefa tsy eto dia any ankoatra
13. ssendra ( 06/09/2008 17:30)
ikaretsaka:

ny marina tsy mba maty e...
rehefa tsy eto dia any ankoatra


izay mihintsy mantsy!


14. ds ( 07/09/2008 00:34)
tsiambaratelo:

Manao aona dôly ndray ary ny namana. Tsy izany fa mba te hahalala bebekokoa mikasika indrindra,ny sazy miandry na miantra aminy reny olona mpamily na mpitondra môtô ireny ka nandona ary maty noho io loza io lay voadona. Misaotra mialoha!:D

- Sazy 3 volana ka hatramin'ny 2 taona an-tranomaizina
- Lamandy 200 000 Ar ka hatramin'ny 6 000 000 Ar
(araka ny fehezandalana famaizana and. 319)
Mety miampy onitra angatahan'ny tompo-manjo (araka ny hevitro)

15. tsiambaratelo ( 07/09/2008 14:35)
- Sazy 3 volana ka hatramin'ny 2 taona an-tranomaizina
- Lamandy 200 000 Ar ka hatramin'ny 6 000 000 Ar
(araka ny fehezandalana famaizana and. 319)
Mety miampy onitra angatahan'ny tompo-manjo (araka ny hevitro)




Raha sazy 3volana ka hatrami'ny 2taona zany ve tsy ho maivana be :roll:

ka le olona ohatra we ny zanany kely sady tokana no nafoy tena
mafy sy mangidy.

Mazana refa tonga ny fotoam-pitsarana dia ady saritaka mihintsy ny ao amin'ny trano fitsarana ao,dia zay be vava sy afaka mikikika manabe feo ao @ salle ao no reh fa lay tompo-manjo tsy hita mihintsy.




Miteny io vola onitra io i ds ====>misy olom-pantatro any ho any,nandona olona ny dadany dia maty lay olona.Nanantona mangina ny tompomanjo izy sy ny fianakaviany dia natao ny fifampiraharahana,nanaiky ny ankilany nahita ilay fahavononana sy fifonanana nataony andaniny,nifandray toy ny mpianakavy izy ireo izao,lay nandona aloha dia manampy ny fianakavian'ilay rangahy voadona
mandrampahafaty(vady aman-janaka ny maty)




Fa ny hitako Ankehitriny dia ilay nahavanon-doza indray no mandrahona sy be vava,ary ny namany sy ny mpiray petsapetsa aminy dia manampy tosika azy avokoa,dia arakiny voalazan'i kelly13 .tsy ho fantany ny hirifiry raha tsy misy voa ny fianakaviany akaiky. :cry: :cry: :cry: :-*
16. tsiambaratelo ( 24/09/2008 15:19)

Manao aona dôly ndray ary ny namana. Tsy izany fa mba te hahalala bebekokoa mikasika indrindra,ny sazy miandry na miantra aminy reny olona mpamily na mpitondra môtô ireny ka nandona ary maty noho io loza io lay voadona. Misaotra mialoha!:D



raha toa ka fanahinina natao lay famonoana olona;mitovy foana ve ny sazy miantra aminy?Sa mitovy aminy voalazany namana etsy ambony ihany?
17. ni81 ( 24/09/2008 15:43)
- Sazy 3 volana ka hatramin'ny 2 taona an-tranomaizina
- Lamandy 200 000 Ar ka hatramin'ny 6 000 000 Ar
(araka ny fehezandalana famaizana and. 319)
Mety miampy onitra angatahan'ny tompo-manjo (araka ny hevitro)
18. Ratoa ( 25/08/2009 19:57)
Izaho indray mahalala olona nandona olona eny amin'ny toerana tsy tokony alehan'nympandeha antongotra. Ny iray tao Madagasikara, ny faharoa tany Alemaina. Ny any Alemaina aloha dia tsisy sentiment fa tonga dia tetezin'ny fitsarana daholo ny andinin-dalàna rehetra. Afaka madio dio ilay nandona ka nahafaty. Moto ilay nandona, zazavavy 18taona no mpitondra. Ny havan'nilay maty indray no nifona fa nanelingelina teny amin'ny voie rapide tsy tokony aleha ny havany ka saika nahafaty ilay mpitondra moto.
Ny tany Madagasikara indray, tonga ilay mpamily dia nampiantso ny ben'ny fokotany fa tsisy paolisy na zandary ilay toerana. Maty teny amin'ny hopitaly ilay voadona. Ny mpamily no niantso ambulance sy niantoka azy, niray ambulance izy roaroa. Tonga izy dia nifona tamin'ny tompo-kavana. Tonga koa ireto dia namela heloka . Dia vitan'izay. Tsy nisy arakaraka fa nifanazava teny amin'nytribonaly teny Ampefiloha dia samy vita. Tsy nisy sazy na onotra niantra tamin'ilay mpamily izay tapaka ihany koa ny tongony.
Izany hoe na misy aza ny lalàna, dia misy koa ny fandinihana ny zava nitranga sy ny fahaizana fiaraha monina sy ny finoana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2306