bacc 2008 : hanao contre verification ny ministera

1. ravatorano ( 04/09/2008 07:16)
Asa re fa izao indray izany dia haverina hanaovana fijerena manokana indray ny "copies" an ireo mpianatra nanala bacc2008 teo.
ny minisitry ny fanabeazam pirenena mihitsy no nanamafy sy nilaza izany ."contre-verification" moa no ilazan dry zareo azy ary mba hialana amin'ny ahiahi'ny ray aman-dreny maro tamin 'iny voka pifidianana iny
Ka sao ary dia niahiahy koa ry zareo teo amin'ny fitondrana amin'ny fahamarinan'ny fitsarana izany

Mety hisy v izany vokatra vaovao na "deuxieme liste" dia hitombina ve ny ahiahin'ny ray aman-dreny raha misy marina ilay voakatra vaovao ary koa tsy hampihen-danaja ilay "baoritra" azo ve izany
ary raha toa ka tsy afaka indray ireo nolazaina fa afaka dia ahona izany ? tsy eo ve izany no tena hampisy olana ! raha avy any amin'ny mpitsara sy ny mpanakambana naoty no fahadisoana dia tokony asiana fiheverana izany raha toa moa ka tena hita fa "bizina"no nahafaka ilay mpianatra izay everiko fa tsy hisy an"izany tsony amizao andro izao dia tena tokony ampiharina amin dry zareo ny lalana manakery
Ho an'ireo tsy afaka nefa voaporofo fa afaka indray rehefa vita ilay contre verification : sahin'ny ao amin'ny minisitera ve ny amoaka vokatra hafa fanampiny ? satria raha misy izay dia nanaoa sa antsirambina izany ireo tao ami'ny office de bacc izay nilaza fa nanao verification ary izany no nahatara ny famoahana ny voka pifidianana

asa re fa dia ho hita eo indray izany !

azaonao jerena eto ihany koa : http://ravatorano.blaogy.com/post/211/5229

2. ravatorano ( 04/09/2008 07:49)
Bakalôrea eto Antananarivo

Mbola mety hisy mpianatra ho afaka

Mbola mety hiampy indray izany ny isan-jaton’ny mpianatra ho afaka bakalôrea eto amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo.
Mbola mety hitombo ny isan’ny mpianatra ho afaka bakalôrea eto amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo. Nanao fanambarana, tao amin’ny RNM sy TVM mantsy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, omaly. Ny vontoatin’izany dia ny fanapahan-kevitry ny fanjakana hanamarina indray ny naotin’ny mpianatra niatrika bakalôrea farany teo. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa nafonja ny delegasiôna nihazo ny haino aman-jerim-panjakana, omaly, satria nanotrona ny minisitra mpiahy ny minisitry ny Vola sy ny Tetibola, ny minisitra lefitra misahana ny fampianarana ambony, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena ary ny minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono. Midika izany fa raha toa ka nisy naoty nifandiso dia hisy mpianatra ho afaka bakalôrea indray. Nanome toky anefa Rtoa minisitra fa tsy hokitikitihina intsony ireo mpianatra efa afaka.
Tsy mifampatoky ?
Azo antoka fa hahafaly izay mpianatra efa tsy afaka ary ho afaka indray sy ny ray aman-dreniny, indrindra hahababo ny fon’izy ireo izao fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana. Somary nanaitra ny mpanara-baovao ihany anefa izany, raha tsy hilaza afa-tsy ny eny anivon’ny oniversite, izay nilaza ho tsy nahalala akory ny fanapahan-kevitra raha tsy efa nahare izany tamin’ny haino aman-jerim-panjakana.
Manoloana izany dia manitikitika ny saina ny hoe: tsy mifampatoky ve ny minisitera sy ny oniversite? Efa re siosio ihany mantsy fa nisy mpanara-maso tamin’ireny fotoana nitsarana ny fanadinana ireny.
Amin’ny lafiny iray kosa anefa, noho ny feo maro nandeha mikasika ny fivadibadihan’ny naotin’ny mpianatra dia nandray andraikitra hanazava ny sain’ny maro izany ny minisitera mpiahy.

V.R.
gazetiko
04/09/2008
3. salopard ( 04/09/2008 08:06)
asanareo izay nanohana azy ravato, fa dia

TSY MAINTSY HISY BACCALAUREAT HONORIS CAUSA , indray io

siora fa dia diovy tsara ao indray ny divony e!
tsy ampy dôzy aloha e, ravato fa sao misy any e ...

sniff, sniff, tchouff....
4. endrika01 ( 04/09/2008 13:14)
ravatorano:

Bakalôrea eto Antananarivo

Mbola mety hisy mpianatra ho afaka

Mbola mety hiampy indray izany ny isan-jaton'ny mpianatra ho afaka bakalôrea eto amin'ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo.
Mbola mety hitombo ny isan'ny mpianatra ho afaka bakalôrea eto amin'ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo. Nanao fanambarana, tao amin'ny RNM sy TVM mantsy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, omaly. Ny vontoatin'izany dia ny fanapahan-kevitry ny fanjakana hanamarina indray ny naotin'ny mpianatra niatrika bakalôrea farany teo. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa nafonja ny delegasiôna nihazo ny haino aman-jerim-panjakana, omaly, satria nanotrona ny minisitra mpiahy ny minisitry ny Vola sy ny Tetibola, ny minisitra lefitra misahana ny fampianarana ambony, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena ary ny minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono. Midika izany fa raha toa ka nisy naoty nifandiso dia hisy mpianatra ho afaka bakalôrea indray. Nanome toky anefa Rtoa minisitra fa tsy hokitikitihina intsony ireo mpianatra efa afaka.
Tsy mifampatoky ?
Azo antoka fa hahafaly izay mpianatra efa tsy afaka ary ho afaka indray sy ny ray aman-dreniny, indrindra hahababo ny fon'izy ireo izao fanapahan-kevitra noraisin'ny fanjakana. Somary nanaitra ny mpanara-baovao ihany anefa izany, raha tsy hilaza afa-tsy ny eny anivon'ny oniversite, izay nilaza ho tsy nahalala akory ny fanapahan-kevitra raha tsy efa nahare izany tamin'ny haino aman-jerim-panjakana.
Manoloana izany dia manitikitika ny saina ny hoe: tsy mifampatoky ve ny minisitera sy ny oniversite? Efa re siosio ihany mantsy fa nisy mpanara-maso tamin'ireny fotoana nitsarana ny fanadinana ireny.
Amin'ny lafiny iray kosa anefa, noho ny feo maro nandeha mikasika ny fivadibadihan'ny naotin'ny mpianatra dia nandray andraikitra hanazava ny sain'ny maro izany ny minisitera mpiahy.

V.R.
gazetiko
04/09/2008




5. ravatorano ( 05/09/2008 04:56)
endrika01 < aiza ilay hevitrao e :?: :?: :?: :-D :-D :-D

salopard < dozin inn less bandy akama no mbola tsy ampy any amin lah amizao kle ! sao d tena efa antonony loatra aza ! :-P :-P :-P
6. tsiambaratelo ( 05/09/2008 09:12)
Ravatorano>tena miferinaina kely ndray le nanana zanaka efa afaka raha ohatra ka nisy ni-bizna hi hi hi.Hay ve tafiditra tato le endrika01 iny e,toa we manana olana hono izy :-P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.105