fahazavan'izao tontolo izao?

1. prime ( 29/08/2008 11:00)
"Ary Jesosy niteny tamin'ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina." Jaona 8:12

Ahoana no maha fahazavana an'i Jesosy raha ny fahitanareo an'io teniny io?
novalian'i prime ny 29/09/2008 09:32
2. nathie86 ( 29/08/2008 13:22)
Manaraha azy d ho hitanao ny fahazavany
3. badboy ( 29/08/2008 14:10)
Tsy mila ny poteau-ny jirama intsony!! :-D :-D :-D
4. niryna ( 29/08/2008 19:17)
badboy:

Tsy mila ny poteau-ny jirama intsony!! :-D :-D :-D
fahazavana tsy nataon'ny olombelona io ry toi a.

Ilo:

Raha fivavahana no resahina dia ny antsoina hoe ao anatin'ny maizina dia izay olona mbola tsy manana an'i Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy satria mbola maty ara-panahy izy, araka ny voalaza ao @ Genesisy 2.7 hoe "Nefa aza ihinananao ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa @ andro hihinanao azy dia ho faty tokoa ianao", raha nihinana ilay voankazo voarara i Adama sy Eva dia ny fanahiny no maty t@ io andro io.
Tsy misy resaka manao ny mety sy tsy mety izany fa ny famonjena antsika dia tsy avy @ asa izay ataontsika fa fahasoavana avy @ finoana.
Ka na manao ny mety tahaka ny inona aza isika fa tsy ao @ Kristy dia asa maina izany fa tsy mahavonjy.
=D
niryna:

Jaona 1:1-14

1 Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.

2 Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany.

3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.

4 Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.

5 Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy
nandray azy.
2[Na: tsy nahasakana azy].
10 Teo amin'izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy.

11 Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.

12 Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,

13 dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra.

14 Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.

Io ilay fahazavana lazaiko lava eto dia Jesosy Kristy izany
vita tompoko

5. diamondra27 ( 29/08/2008 19:47)
fampianarana aloha no nataon' i jesosy teto.
Resaka momba ny fiainana sy fahaverezana fiainan-tsy hita no lazainy eto.
Milaza Izy fa izy no fahazavana satria Izy ilay aina.
Mampitandrina Izy fa tokony hanaraka ny hazavana ny olona mba tsy ho very, ho very aiza moa izany? maza ho azy fa any amin'ny afobe e
Jereo tsara ny fiainantsika andavanandro fa raha tsy misy ny jiro dia very isika, mipenopenona mitady labozia na torche sns Mbola asehon'i Jesosy ihany eto fa raha manaraka azy dia tsy hisy mihintsy izany fahamaizinana izany fa mazava lalandava ny fiainanao. mazava amin'ny lafiny rehetra io , tsy misy kiafinafina fa claire
Asa na efa nisy tao anatin'ny maizina ny fiainanareo fa ho an'izay mbola tsy nahita dia ilazana fa marina ity teny ity fa Jesosy no fahazavana , manazava ny sainao , ny dianao, izay ataonao rehetra na dia tonga amin'ny ilay teny hoe: tena maizina amiko ny tany aman-danitra aza ianao.

Tsy tiany ho very izany isika fa mba hazava amin'ny rehetra izay atao.
6. niryna ( 30/08/2008 00:05)
diamondra27:

7. LazaDaddy ( 01/09/2008 04:18)
prime> tsy ho voavakiko eto angamba aloha ilay maha fahazavana Azy. Fa ny tiako ambara sady mety mifandray amin'ny tian'i Priome ahatongavana diaizao...

Mamaky an'io tenin'i Jesosy io aho dia lasa saina hoe mandeha amin'ny maizina tokoa aho sa mandeha amin'ny fahazavana? Noho izany, manaraka Azy aho sa tsia?

8. fijo ( 04/09/2008 20:32)
io teny io indray amiko dia midika fanilihan any hafa.satria ny silamo izany tsy mba mahita ny hazavana????nefa mba olon amino ihany koa???ny jiosy ny karazany rehetra e.
9. prime ( 10/09/2008 08:51)
Nathie86:
Manaraha azy d ho hitanao ny fahazavany
... Misaotra amin'ny torohevitra... efa mpanaradia Azy ny tenako... :)
badboy:
Tsy mila ny poteau-ny jirama intsony!!
... izany hoe??? :?:

Ilo,niryna> Misaotra... mazava tsara :)

diams> Misaotra... =D>

LD:
prime> tsy ho voavakiko eto angamba aloha ilay maha fahazavana Azy. Fa ny tiako ambara sady mety mifandray amin'ny tian'i Priome ahatongavana diaizao...

Mamaky an'io tenin'i Jesosy io aho dia lasa saina hoe mandeha amin'ny maizina tokoa aho sa mandeha amin'ny fahazavana? Noho izany, manaraka Azy aho sa tsia?
Tena marina ny fanamarihanao fa tonga hatrany tokoa ilay foto-kevitra... tsara fipetraka ny fanamarihana... =D>

Fandinihan-tena lalina... :)
fijo:
io teny io indray amiko dia midika fanilihan any hafa.satria ny silamo izany tsy mba mahita ny hazavana????nefa mba olon amino ihany koa???ny jiosy ny karazany rehetra e.
... Fomba fijery mitombina tsara ny fanamarihanao...

Andriamanitra nefa raha nanambara ny maha-mazava Azy dia tsy nanavaka ny anambarana izany... tsy ho an'ny mpino kristiana na sokajin'olona voatokana na vitsy2 no nilazany izany fa ho an'izao tontolo izao... Izy tsy niteny hoe, Izaho no fahazavan'ny kristiana, na ny fahazavan'ny Apostoly 12 na ny fahazavan'ny mpianatra 5000 fa hoe : "fahazavan'izao tontolo izao"...

Ary eo indrindra no mampitoetra ny fahamarinan'ny tenin'Andriamanitra ka anjaran'ny tsirairay ny hino na tsy hino izay nambarany...

Ny tenin'Andriamanitra tsy miteny hoe izay Silamo na izay Jiosy na "ny karazany rehetra" (araka ny nambaranao) dia tsy manana anjara amin'ny fiainana mandrakizay... ny nambaran'i Kristy dia tsotra hoe : "Izy no fahazavan'izao tontolo izao..." "Izay mino Azy no manana fiainana mandrakizay"...

Andriamanitra rahateo koa tsy miteny hoe tsarao tsara hoe marina sa tsy marina izay ambarany araka an'izao tontolo izao sy ny zava-misy eto amin'izao tontolo izao fa tsotra ny nambarany hoe "Jesosy no fahazavan'izao tontolo izao...", ka mino izany va ianao sa tsia? :)
10. fijo ( 10/09/2008 21:53)
ka midika izany io,fa izay tsy mino an'i jesoa dia tsy mahita ny mazava,??izay no tsy ekeko
11. ikaretsaka ( 10/09/2008 22:15)
eny tokoa hoa..dia naninona ireo izay tsy nanaraka azy izany no tsy nataony maizina sy jamba tsy mahita lalana fa maizina be de nitapo tapo sy tafintohina teny foana sy heo tsy ni existe intsony fa mbola indreny anefa fa miriaria tsara sy navelany hiaina ihany?
12. prime ( 11/09/2008 13:09)
fijo:
ka midika izany io,fa izay tsy mino an'i jesoa dia tsy mahita ny mazava,??izay no tsy ekeko
... Izy no manambara ny tenany... izay ilay ambarako hoe anjaran'ny tsirairay ny mino na tsia... safidy indray izay...

Izay nambaran'i Kristy dia maro no tsy inoan'ny olona... efa niseho matetika rahateo izany fony Izy nandalo teto an-tany...
ikaretsaka:
eny tokoa hoa..dia naninona ireo izay tsy nanaraka azy izany no tsy nataony maizina sy jamba tsy mahita lalana fa maizina be de nitapo tapo sy tafintohina teny foana sy heo tsy ni existe intsony fa mbola indreny anefa fa miriaria tsara sy navelany hiaina ihany?
... Moa tsy izany tokoa no niseho tamin'ireo fariseo raha nanasitrana jamba iray Kristy??? ireo fariseo nilaza fa mahiratra izy ireo satria mihazona ny lalàn'i Mosesy, ilay tena Soratra Masina tokony iainan'ny Jiosy... Kristy manambara ny tenany ho tena Ilay Mazava ka manome fahazavana sy fahiratana ho an'izay mino sy mandray Azy... dia fantatrao ny tohiny... (Vakio ny Matio toko 21 sy toko 23)

13. ikaretsaka ( 12/09/2008 01:04)
ka maninona no mbola misy olon-dratsy ary @ izao e?

dia maninona no misy olona mino azy nefa manao zavatra ratsy dia misy olona tsy mino azy nefa manao zavatra tsara?
14. xxx ( 12/09/2008 05:36)
fijo:

io teny io indray amiko dia midika fanilihan any hafa.satria ny silamo izany tsy mba mahita ny hazavana????nefa mba olon amino ihany koa???ny jiosy ny karazany rehetra e.

:roll: =)) :cry:
15. prime ( 12/09/2008 09:13)
ikaretsaka:
ka maninona no mbola misy olon-dratsy ary @ izao e?
... Kristy mihitsy no efa niteny hoe :

"Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy*. [*Na: Tsy mahasakana azy]" Jaona 1:5

Rehefa mitoetra ao amin'ny maizina ny olona dia tsy mahagaga ny fisian'ny olon-dratsy...
ikaretsaka:
dia maninona no misy olona mino azy nefa manao zavatra ratsy dia misy olona tsy mino azy nefa manao zavatra tsara?
... Inona ilay hoe ratsy sy tsara tianao ambara??? fa ny tenin'Andriamanitra dia manana famaritana mazava momba ireo mantsy ka sao tsy mitovy ny lazain'Andriamanitra sy ny tianao ahatongavana...
16. prime ( 12/09/2008 09:19)

17. fijo ( 12/09/2008 20:21)
hoy prime:".. Izy no manambara ny tenany... izay ilay ambarako hoe anjaran'ny tsirairay ny mino na tsia... safidy indray izay..."ka raha safidy ilay izy,dia tsy tokony lazaina hoe maizina izay tsy mino azy.
raha hiteny izao ny silamo ,ary miteny mihintsy moa ry zalahy hoe "tokony aripaka izay tsy mino an'i mahomet"

aminareo izany dia marina koa io fisainany io,satria ny azy izay koa no mba hinoany,dia aminy izay tsy mino an'iny dia tsy izy.
18. prime ( 15/09/2008 12:29)
fijo> Zavatra samihafa no resahanao... ny iray i Kristy no manambara ny tenany... ny iray fijery mety mandalo an'eritreritra ka ilazanao hoe "raha..."

Aoka tsy hadinonao fa i Kristy dia voambara ao amin'ny "Coran"... ka na tsy voalaza ho Zanak'Andriamanitra sy Andriamanitra aza Izy ao amin'izany boky izany dia voalaza mazava fa "Mpaminany"... ary misy Silamo mihaino an'i Kristy na dia ny ampahany ihany aza...
19. prime ( 19/09/2008 13:16)
Ny tena herin'ny fahazavana dia mitondra fahazavana eo amin'ny toerana iray sy amin'ny fotoana iray ka mampiseho ny miseho rehetra ao anatin'ny haizina...

Mampibaribary ny zava-misy marina ka sady hitan'ilay Mazava no hitan'ny rehetra ny nisy tao anatin'ny haizina fony mbola maizina ilay toerana...

Raha niteny Kristy fa Izy no fahazavana dia manamarika feno izany fa sady hitondra hery sy fahazavana Izy no hampibaribary ny fahamaizinana ihany koa ka hanala izany haizina izany...
20. tywa68 ( 20/09/2008 16:46)
fijo : amby @izay miaraka aminay e :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.126