fahazavan'izao tontolo izao?

21. prime ( 22/09/2008 13:01)
tywa68> :D
fijo> Tongava amin'izay fa misy miantso ianao... :)
22. tywa68 ( 22/09/2008 14:16)
23. fahamarinana ( 22/09/2008 16:24)
:arrow: re- :D (l)
24. prime ( 23/09/2008 07:53)
ikaretsaka> Mbola miandry ny fanampim-panazavana avy aminao mikasika ny hoe ratsy sy tsara...
25. ikaretsaka ( 25/09/2008 04:05)
amiko ny ratsy sy tsara de miakina @ ze metimety @ le olona na andian'olona voafahana! ka noferany heo izao no tsara sy ny ratsy!
amiko dia ny olona no nametraka io arakaraky ny reviny...
mahatonga le heo izay tsara @ prime tsy tsara @ fijo satria tsy heo metimety @ prime akory de metimety @ fijo
26. prime ( 25/09/2008 06:22)
ikaretsaka> Misaotra anao nitondra fanazavana...

Raha izay voasoratrao izay dia mitombina ny ambaranao fa misy "olona ratsy" sy "olona tsara" arakakaraky ny tsirairay izany ary tsy misy mahafaritra fa malalaka be arak'izany...

Ny lazain'ny tenin'Andriamanitra hoe ratsy sy tsara dia voafaritra mazava ary tsy malalaka be fa voatondro mazava tsara... mazava ho azy fa tsy mijery na mihevitra toa izany fijerinao izany Andriamanitra fa manana ny fijeriny sy ny fiheviny manokana ary mazava tsara ny ambarany ny amin'ny hoe ratsy sy tsara araka izay voasoratra ao amin'ny Soratra Masina...
amin'izay ianao:
dia maninona no misy olona mino azy nefa manao zavatra ratsy dia misy olona tsy mino azy nefa manao zavatra tsara?
... fomba fijery sy fanamarihana araka an'olombelona sy fijery malalaka mitombina tsara no apetrakao saingy tsy izay no fihevitr'Andriamanitra...

Andriamanitra mamaritra tsara ny tontolon'ny haizina ka na izay heverinao ho tsara aza dia maizina eo amin'Andriamanitra rehefa tsy Jesosy no iorenan'ilay fahatsarana eritretinao...
27. tywa68 ( 25/09/2008 15:46)
Andriamanitra mamaritra tsara ny tontolon'ny haizina ka na izay heverinao ho tsara aza dia maizina eo amin'Andriamanitra rehefa tsy Jesosy no iorenan'ilay fahatsarana eritretinao...

Ka eo indrindra no mahasamy hafa ny mpino satria samy manana ny rythme-ny, na mitovy direction aza, d samy be loha, ao ny mieritreritra fa ny azy no tena mety, satria tsy mijery ny an'ny hafa (na tsy te-hahalala) :D :-D
28. ikaretsaka ( 25/09/2008 20:51)
izay mihitsy ... tonga de le mi attribuer hoe ny tsat version anao no tsara version an\'andriamanitra
29. prime ( 26/09/2008 09:17)
tywa68:
Ka eo indrindra no mahasamy hafa ny mpino satria samy manana ny rythme-ny, na mitovy direction aza, d samy be loha, ao ny mieritreritra fa ny azy no tena mety, satria tsy mijery ny an'ny hafa (na tsy te-hahalala)
... Ekeko ilay ambaranao ho fahasamihafan'ny mpino raha finoana samihafa, ohatra kristiana sy silamo, bodista sy silamo, kristiana sy fomban-drazana... sns

Fa raha finoana kristiana dia mazava fa iray ihany, araka izay nanambaran'ny Soratra Masina azy... ny olona no samihafa araka ny mahaizy azy avy fa ny finoana dia iray ihany... ny fiangonana no samy manana ny fombany fa ny finoana dia iray ihany...
ikaretsaka:
izay mihitsy ... tonga de le mi attribuer hoe ny tsat version anao no tsara version an'andriamanitra
... Tsy misy adihevitra io ra-ika a... na ianao aza dia manamafy fa izay tsara amiko tsy tsara aminao, izay ratsy amiko tsy ratsy amin'i fijo... izany fahasamihafana fomba fijery izany dia "normal" fa tsy misy mahasampona azy tsy akory satria samy manana ny fijeriny avy ny tsirairay...

Fa rehefa ny tenin'Andriamanitra no mamaritra ny hoe inona ny mazava sy maizina, ny tsara sy ratsy dia izay no izy... ny hevitr'Andriamanitra tsy mitady izay marimaritra iraisana amin'ny hevitr'olombelona satria na Izy aza dia efa nilaza fa ny fiheviny dia hafa... tsy manontany ny hevitrao ny amin'ny hoe tsara sy ratsy Andriamanitra fa ny finoanao Azy no angatahany... ka raha izay lazain'ny tenin'Andriamanitra no toherinao dia zavatra hafa indray izay... tsy i prime sy ny heviny no marina sy tsara fa ny hevitr'Andriamanitra...

Ahoana no hamantarana ny sitrapon'Andriamanitra sy ny heviny? izay ambaran'ny baiboly vakiana tsara dia ho fantatrao ny marina sy ny tsara...
30. ikaretsaka ( 26/09/2008 16:55)
la izay hoa tsimponina kely ny baiboly sy izay boky inoana de ampifandraisina @ le hevitrao ..matetika aza forcena hofandray
dia wawawa eo de hoe marina sy tsara io satria hoy ny Tenin'Andriamanitra?
fa le tenin'Andriamanitra milaza fa ratsy io hevitrao io de odiana fanina sy fanahy iniana dinganina mihitsy
31. tywa68 ( 27/09/2008 08:12)
Prime :
Ahoana no hamantarana ny sitrapon'Andriamanitra sy ny heviny? izay ambaran'ny baiboly vakiana tsara dia ho fantatrao ny marina sy ny tsara...

Eo indrindra ny olana : misy milaza fa ny famakiny no mety kokoa, nefa arakarak'ilay fotoana sy environnement misy an'ilay olona d samihafa ny fiantefan'ilay teny vakiana : tena tsy hifanomezan-tsiny satria efa voasoratra hoe hisy hanenjika sy ho sahirana zay mitory an'ilay vaovao mahafaly :°) d samy mivavaka izany mba tsy ho diso "tanjona" :wink:
32. prime ( 29/09/2008 09:22)
ikaretsaka:
le tenin'Andriamanitra milaza fa ratsy io hevitrao io de odiana fanina sy fanahy iniana dinganina mihitsy
... Mba omeo hoe ilay tenin'Andriamanitra manamarina izany ambaranao izany!

Tenin'Andriamanitra milaza fa tsy fahazavàna i Jesosy... tenin'Andriamanitra milaza fa tsy fahavalo ny filàn'ny nofo, izao tontolo izao sy Satàna... mba omeo hoe ny tenin'Andriamanitra manamarina izany dia ho ekeko fa mi-wawawa sy mody fanina ary manao fanahy iniana mandingana tokoa ny voambarako... :)

Raha tsy izany dia aza manaiky ataon'i Satàna fitaovana ary ibebaho izay nambaranao fa mamato-tena ihany ianao... raha tsy kristiana mantsy ianao no niteny izany dia azo ambara hoe angamba mbola mety noho ny tsy fahafantarana, fa raha milaza tena ho kristiana ianao no sahy miteny sy manendrikendrika hoe mody fanina sy manao fanahy iniana ary mandingana mihitsy ny tenin'Andriamanitra ny olona iray dia mila manome porofo izany ambaranao izany ary mba miambena ihany fa sao efa tsy ny fanahin'Andriamanitra intsony ny ao aminao...
33. prime ( 29/09/2008 09:32)
tywa68:
Eo indrindra ny olana : misy milaza fa ny famakiny no mety kokoa, nefa arakarak'ilay fotoana sy environnement misy an'ilay olona d samihafa ny fiantefan'ilay teny vakiana : tena tsy hifanomezan-tsiny satria efa voasoratra hoe hisy hanenjika sy ho sahirana zay mitory an'ilay vaovao mahafaly d samy mivavaka izany mba tsy ho diso "tanjona"
... Ialàna amin'ny "dérives" toa izany indrindra no ampianaran'i Kristy fa Izy irery no ivon'ny Vaovao Mahafaly ary iorenan'ny finoana kristiana... ny vavaka sy ny fianarana ny tenin'Andriamanitra (araka ny baiboly) tsy tapaka ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina no ahafahana mamatantra marina ny sitrapony... ary ny fanatanterahana ny sitrapony amin'ny fanompoana sy ny fankatoavana ary ny fanatanterahana ny asany no mampitombo amin'ny finoana...

Raha vao misy latsa-danja ny ampahany amin'ireo dia efa mila miverina hatrany any amin'ny fototra, dia any amin'Izy Tompon'ny asa...

Fa raha feno ireo na dia tsy tanteraka aza dia sarotra ny inoana isian'ny "dérives" araka ny anambaranao azy... ilay "environnement" aloha dia ekena fa anisan'ny antoka mahatonga ilay fandraisana azy ho araka ny tena izy na tsia saingy na ilay environnement aza no efa tsy voafaritr'ireo fepetra nampianarin'i Kristy ireo dia manalasala ihany araka ny ambaranao... izany no nahatonga ny fiangonana maro ho diso lalana mihitsy aza saingy izay nahalala niverina tamin'i Kristy dia nahita ilay fahazavàna avokoa...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1971