tononkiran'i Salomon ( tsy hay ny titre )

1. tsiahi ( 28/08/2008 13:53)

misyhoe:
.. zany ihany ve lay hira mamy hatrizay .........

isaorana mialoha ianareo
novalian'i tsiahi ny 28/08/2008 20:42
2. hery ( 28/08/2008 15:10)
Romule: Ao ihany ve
http://tononkira.serasera.org/index.php?rub=tononkira/hira&id=478

3. tsiahi ( 28/08/2008 15:53)

Tonga dia hitanao ilay hira fa misaotra betsaka
4. tsiahi ( 28/08/2008 15:57)
Ary sao dia mba fantatrao koa ity fa tsy tadidiko nefa ilaiko:
misy
ilay takariva kely ....
ery anjaridaina .....
toa ohatr'ohatr'izay ilay izy

5. Lejoba ( 28/08/2008 15:59)
Sao dia mba ilay takariva kely tery amoron-kady fa tsy teny an-jaridaina? Misy ve hoe "toa volana tantely nandramako sahady..."
Anontanio an'i ni81 fa izy no spécialiste @ ireny :lol:
6. ni81 ( 28/08/2008 16:08)
Sao dia mba ilay takariva kely tery amoron-kady fa tsy teny an-jaridaina? Misy ve hoe "toa volana tantely nandramako sahady..."
Anontanio an'i ni81 fa izy no spécialiste @ ireny
:-D :-D :-D Tsy spesialista fa mba mahatadidy kely e!

ILAY TAKARIVA KELY

'Lay takariva kely tery amoron-kady
Toa volana tantely nandramanay sahady
Tery am-pita kosa ireo kirihitr'ala
Ny vorona misosa mihira ray lala

Ny rahona misaly
Toa lapa volamena
Isika samy faly
Fa tsara fanekena
Ny riana any an-koatra
Hanatona ny ony
Ny foko izay mandroatra
Fa tia tsy mitony

Justin RAJORO
7. tsiahi ( 28/08/2008 20:42)

Tena nihomehy aho namerina namaky ny fanontaniana napetrako .
Fa dia misaotra anareo e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1414