Lalina mihitsy ity fanadinoana ity an!
21. ni81
(
28/08/2008 07:17)
sakaizakely> ny an le Ramatoa ato am-badikanay ndray,naneno ny telephone de hadinodinony we mipasoka izy fa tonga de iny fer mamay be iny no niraikitra t@sofiny havanana sy ny tarehiny ny ahy ndray,tsy mandray vola t@namako akory aho de namerim-bola hoazy,de avy eo novazavazainy be we vola betsaka no nomeny ahy ka aona no iny no nomeko azy,refa ela zah vao tonga saina we zah tsy nandray vola nefa nahoana no nanomé,asa fanadinona sa fiveraveranaNy aza mba voa ihany e :)
22. xxx
(
01/09/2008 20:52)
Ny anah ny anniverseran'ny dadako no adinoko t@'ty aout ty.
Fa dia tena volana inona ity aout ity e? tsy mba mahatsikaiky ve hoy ianareo izany fifanandrifinjavatra izany ? :? :? :? :?
Fa dia tena volana inona ity aout ity e? tsy mba mahatsikaiky ve hoy ianareo izany fifanandrifinjavatra izany ? :? :? :? :?
23. niryna
(
01/09/2008 21:07)
ni81:
Anniversairen'ny namako mipetraka any Paris any ny 27/08; dia mba faly ery zà vonona hanao surprise taminy fa misy hira tiany dia no-graver-ko. Dia omaly dia efa nasaiko nalefan'olona tany @ paositra ilay izy mba tsy ho tara. Kinanjo t@ 19h teo izy dia niantso ahy, dia nisaotra fa voaray ny cadeau d'anniversaire, saingy tsy misy afa-tsy boîte n'ilay CD hoy izy fa asa nankaiza ny tao anatiny! Dia teo aho vao tonga saina dia lasa nijery tao @ unité centrale ary dia hitako tao ilay CD :( . Dia nilazako izy hoe tavela ato kay ilay CD fa lay boaty no lasa tany @ paositra akia a! Loza izany fa mba saika hanao surprise ka inona no teo! :-D Aza mba tratran'ny toy izany ihany!
fanadinoana dia mihatra ny rehetra fa raha tena be rehina hianao dia soraty daholo izay zavatra tianao atao na lisitra izay tiana ho vidiana dia asiana marika izay vita .
Ny mahandro sakafo no tena loza rehefa maika ary toa mieritreritra hoe sao mba tsy novonoiko aza ny afo. l
Indraindray tena maheno fofon'ilay sakafo mihitsy ny tena raha maika nahandro kanefa tsy maintsy mandeha mivoaka.
Nisy olona nahandro vomanga ary teny an-dalana izy naheno fofona ny orony ,taitra be ilzy ary niverina nody,inona tokoa ny teo fa may kila ilay vomanga.
Ny fanafodiny ? Asiana soratra eo ambaravarana mampahatsiahy ny tena amin'ny zavatra maika tsy maintsy vitaina na mamono afo na izay mifanaraka ilay fampahatsiahivana fa tena manampy be ,ka rehefa andeha hivoaka dia esorina lavitra ilay soratra miandry ny amin'ny andro manaraka indray ary dia tsy mitebiteby intsony amin'izay
(l) niryna
24. tsiambaratelo
(
03/09/2008 16:30)
Nenah ndray lay fanadinona dia avy aminy resaka vola foana.Fa t@farany teo,soa ihany fa misy gasy mipetraka akaiky ny poste,de tao aloha no nindram-bola fa raha tsy zay de voatazona tany @poste ny permis de séjours.Nandray taxi zah we hoany @poste 21$no vola noentiko ny 1$omena lay taxi ny 20$angalana ny frais ny ttasy 5 nalefako.Efa natao tany an-tanana 2 ny vola,ka inona fa lay 20$handrotsahana ttasy no lasany taxi fa le 1$ sisa tany an-tanana.Voalanja sy voapetaka ary vita fitomboka ny ttasy de we andoha ny vola,de napetraka de ny fanantenana hiandry famerim-bola kay loza fa 1$no narosoko:-D:-D:-D