Fitaka sa inona??

1. badboy ( 22/08/2008 22:34)
Misy ny zavatra tsy dia mampiherika ary misy ny tena manaitra ary iraisan'ny maro an'isa eto!! Mandinika ihany aho @ ireo mitory teny mazoto fa mampiseho fahalemena sy mamporisika fanentrehantena foana!! Ary ny mahagaga dia amporisihina mihintsy aza ny tsirairay handady @ tany rehefa drikinan'ny hafa!! Ohatra hoe misy olona tsy manatrano, tsy ny hampiatrano na hampiasa ilay olona no ataon'ireo mpitory teny fa ozy hoe "mivavaha fa izay ao @ A/tra dia manana tafo" dia iny izy no lasa avy eo!! Ohatra koa hoe ireo ao anatin'ny ady na voagejan'ny mpaka takalonaina, dia mitovy foana ilay hetsika aseho "mivavaha fa rehefa mino ianao dia tsy ho very", tsy misy hevitra hoe ahoana no atao hanampiana azy satria tsy fiainan'olombelona tahaka antsika izao!! Ohatr'izany koa ny mahantra ao Dago, dia ny sosokevitra dia hoe mivavaha mba hahazaka ny mafy manjo azy izy!!

Ka raha hivavaka daholo fa tsy misy hanao n'inon'iona dia inona no hitranga??? Tsy gaga aho raha mahita avy eo fa ny vahiny, tahaka an'i père pedro, izay ohatra nasehon'ikaretsaka atsy ambany, no tena miasa manao izay hanampiana ireo mahantra ao Dago fa tsy mila mivavaka ho azireo!! Tsy ao anaty baiboly ve izany ny asa ataony fa izay mitory sy manetritena lava na mampiseho fa malefapihetsika no tena manao ilay asan'A/tra?? Nefa ange ka ohatra iray lehibe no nasehon'y rôle rehefa izy no NITSINGOLIKA NANASA NY TONGOTR'IREO APOSTOLY sady nasiany teny kely hoe izy goavana aza manasa ny tongotry ny kely!! NY TIANY HO LAZAINA EO DIA ASA FA TSY KABARY!! Ka ho anareo mpitoriteny tsy ankiato eto dia asehoy anay fa nanao tahaka ilay arahinareo ianareo ka nanao asa fa tsy kabary!! Tsy hoe akory voatery hanasa tongotr'olona, fa manaompy mivaingana ny manodidina tahaka an'i père pedro satria io no tena asan'A/tra, dia ilay fitsinjovana ny olona manodidina ary ilay fitiavana ny hafa tahaka ny tena!! Ka za atao teny fotsiny fa tanteraho io!!! Efa ohatra nasehony koa io t@ ilay tovolahy norobain'ny jiolahy ka navelan'ireo ho faty teo amorondalana: ny mpivavaka nandalo dia nijery ary nivavaka ho azy ... fa nisy olona 1 nanampy ka nitondra ilay tratran'ny voina tany @ toerampitsaboana ka ndoa ny saran'ny fitsaboana rehetra!! Iza notena nanao ilay asan'Atra??? Aoka ireo mpitoriteny fatratra no hamaly azy!! Ny mahagaga dia ao io teny io nefa tsisy manaraka fa faly miwawawa verset zao sy zao fotsiny!!

Malefaka, manaiky hitsahana ary mamporisika ilay voahitsaka tsy hitroatra, mitory teny ihaay mitory teny hatrany fa tsy mila manampy arabatana : ireo izany hono ny tokony ho toetoetran'ilay antsoina hoe mpanaradia an'A/tra sy olona nofidiany!!! :-D :-D :-D :-D :-D :-D
novalian'i fijo ny 28/08/2008 20:31
2. rijadolly ( 23/08/2008 04:39)
TENA TSARA ILAY TORITENINAO Misaotra betsaka arao asa ary e! aza mi-wawawa eo fotsiny :lol:
3. fahamarinana ( 23/08/2008 06:58)
:arrow: badboy :misy fahamarinany ny sasany amin'ny voalazanao.Toriteny arahan'asa tokoa no hitako ihany koa fa mety amiko nefa araka ny voalaza ombieny hoe samy manana ny fizaram-pahasoavana azony.Ohatra hoe raha zà manokana zao no jerena dia tsa mba mahay mitory Tenin'ny Soratra Masina izany satria mbola mianatra sy mamakafaka ihany koa fa ny azoko atao dia mizara izay mba niainako,mijoro vavolombelona.Izay aloha hatreto...Dia misy indray ohatra mahalala na atao hoe nianatra kokoa ny tenin'Andriamanitra....Ilaina daholo ireo fa ny fomba entina mitory angamba no tokony amboarina fa io moa araka ilay olona hatrany sy izay niainany ihany koa. :) (l)
4. booboo ( 23/08/2008 08:57)
araho asa @ zay ry Badboy f'aza lany andro mitory teny ny @ tokony hataon'ny mpitory teny a. :-D :-D :-D :-D
5. badboy ( 23/08/2008 09:03)
fahamarinana >> Père pedro dia mahay mitoriteny satria pretra tsy nandalina afatsy ny baiboly nandritra ny nanombohany ny fihofanana ho pretra na mety ho talohan'izay mihintsy aza!! Maninona izy no nahatsapa fa tsy ilay toriteny no hahafahana manatanteraka ilay voasoratra fa ilay manampy tahaka ilay ohatra nomeko io ambony io??? Mora ny mitory satria manao bemiray lahateny tsisy tsy mahay an'izany, ary eo ilay olana!! Mpisandoka no be dia be fa tsy dia tena ilay mahay sy tena nanokana ny fiainany @ ilay fandalinana!!! ;-) ;-) ;-)
6. fahamarinana ( 23/08/2008 09:43)
:arrow: badboy :ka izy aby anie izany ry badboy e,toriteny fa amin'ny alalan'ny asa...Marina ny voalazanao hoe mahavita tokoa i pere pedro ary isan'ny olona tena mahay mitory na tsy an-ketsika sy tsy an-kiteny aza fa an'asa monja no jerena.Za manokana koa dia mahita fa io fomba iray io no tiako...na izany aza mety noho ny tsy fananako fahaizana loatra no mampiteny ahy izay :? .Mety misy ny mpisandoka fa tsy ny rehetra e,misy zèle de l'évangile diso tafahoatra ndraindray ka lasa tsy mitsahatra intsony :misy ny mankafy dia misy ny tsy dia mankafy ...mila mamakafaka tsara.....hoy ny lesona azoko tato hoe jerena tsara ilay fanahy miteny raha Izy na tsia :) (l)
7. xxx ( 23/08/2008 15:26)
Pedro apostolin'ny eglise Koatolika mazava be , politika goavana be ,atao izay hampahantra ny firenena iray indrindra ny zanatany aty afrika , rehefa mahantra dia alefa @ izay ny apostoly hanao asa fanasoavana sy hanaparitaka ny doctrine katolika ,ny ahy tsoriko ohatra izao ry badboy a , resaka famitahana fotsiny fa raha ny tena apliquation @ finoana Kristiana tsy misy ra izaho kaloha tsy ho voafitany e efa fantatra ny fikany
8. ikaretsaka ( 23/08/2008 15:57)
miasa ra badboy an..ampio mompera
1)fomba taloha izany ra xxx an.. au moins aza izy manampy sy mba misy mivaingana ny ataony

2) Pedro dia argentin d'origine slovene, zanaka immigrant ary mahantra koa ka tsy mitombina le fanamarihanao eto

ny ahy aloha ...noho ilay wawawa nefa ny any am-paosy miha ritra hatrany, aleoko wawawa manome asa sy manome fanampiana na ara batana na ara panahy na aera tsaina e...
9. vale ( 23/08/2008 17:12)
rijadolly> :-D :-D :-D :-D :-D :-D
10. rijadolly ( 23/08/2008 17:22)
Vale a! tena tiako ho fantany tokoa anie hoe tsy hafaka hanao asa izany isika raha eto amin'serasera eto e!tsy maintsy wawawa misy ventiny ho entina anao asa any ivelan'ny serasera no trandrahana eto sa diso aho.
11. badboy ( 23/08/2008 17:44)
rijadolly >> Soa fa nisy serasera hivalaparan'ny arizato ampandriana!! :-D :-D :-D
12. ikaretsaka ( 23/08/2008 17:47)
RD> afaka manao iznay asa izany isika eto ka... @ resaka conseil fanampiana, sns fa tsy fitoriana fotsiny.
betsaka ny mizara ny tranga miseho @ fiainany andavanandro fotsiny.. na ny fizarana hanihany sy tapa tsinay vao maraina aza dia efa asa ny anarany.. na ny mifampizara ny probleme
13. rijadolly ( 23/08/2008 19:08)
Fa angaha tsy conseil ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra ry ika
14. ikaretsaka ( 23/08/2008 19:51)
tsy voatery...
misy manao an'io ho fampitahorana ohatra... ary bobaka mihitsy ny manao izany eto
15. rijadolly ( 24/08/2008 03:37)
badboy:

rijadolly >> Soa fa nisy serasera hivalaparan'ny arizato ampandriana!! :-D :-D :-D
Tsy izay ka oh ny mankany am-Piangonana ihany io?andeha hatory angaha ny alehan'badboy any sa haka fampianarana ho entina eo amin'fiainana?


16. badboy ( 24/08/2008 09:19)
rijadolly >> Io ary fa miainga @ izay ilay fampidirana tsikelikely ny serasera ho fiangonana!! :-D :-D :-D

Efa hoe mangataha ilay fananganana dinika fiangonana virtoaly fa mino aho fa tsy dia ho sarotiny @ izany ny mpiandraikitra serasera!!! 8) 8) 8)
17. vale ( 24/08/2008 14:03)
rijadolly> marina mihintsy izany kah!! lol..ary le izy anie manombka am le wawawa eto aloha de rehefa lasa tsy vitroaly intsony ilay fifandraisana de azo appliqué-na ihany ah!! :-D :-D :-D :wink:
18. rijadolly ( 24/08/2008 16:32)
badboy:

rijadolly >> Io ary fa miainga @ izay ilay fampidirana tsikelikely ny serasera ho fiangonana!! :-D :-D :-D

Efa hoe mangataha ilay fananganana dinika fiangonana virtoaly fa mino aho fa tsy dia ho sarotiny @ izany ny mpiandraikitra serasera!!! 8) 8) 8)

Badboy a! ra se tsy miditra an'ty Fivavahana sy Finoana ity sao voatarikay secte eo.Ny olona mpandray an-tendrony tahaka izany mantsy mora voatarika rehefa tsy mazaka ny fitsapana mahamay any amin'Fiangonany any.
=)) =)) =)) =))
19. badboy ( 24/08/2008 18:19)
rijadolly >> Kobo angaha ilay fika??? :-D :-D :-D :-D
20. ikaretsaka ( 24/08/2008 22:52)
oups
nga sekta i RD? oups
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0773