toriteny

21. bor2lais ( 26/08/2008 10:54)
todisoa > iombonako hevitra tanteraka ny fanazavana momba ny toriteny. Mahereza hatrany !
22. ikaretsaka ( 26/08/2008 15:15)
fa indro kely momban'ity toriteny toriteny ity ihany, matetika moa ny atao hoe toriteny dia kabary tsy valiana, nefa ny eto @ maha forum azy dia adihevitra, ka mamaly sy mi critique ny olona rehefa misy hevitra tsy azony na tsy maha d'acc, misy tezitra rehefa voa ctitique ny "toriteniny".

dia maninona tokao le izy raha atao @ blaogy (efa nomena takelaka hanaovana blaogy gratosy aby rahateo isika) na atao amina takelaka hafa mihitsy dia antsoina ny olona te hijery ny toriteninao mba handeha mankany
toy ny http://katolika.org izao ohatra)

manarak'izay: rehefa tena dinihina inona ny tena antony "hitoriana teny" ato?
1)lasa tsy tena ffampiizarana le izy (izay mifanipaka tanteraka @ forum) fa lasa fitia te hifandrangitra fotsiny (ny an'ilay mitory ihany no marina sy absolu ) , ka izay ve no tena tanjona?

2)inona ny tena antony marina tsy hanaovana blaogy na takelaka hafa dia atao any aby ny toriteny dia antsoina ny olona izya liana ny hamaky ho any? mba valio io antony io azafady!

tahotra ny tsy hahazo kil sy sao tsary hisy hamaky ve sa?
izoa manko tsisy hafa amin'ilay sekta kely eny @ sisiny ireny hoe mitabataba miaraka @ megaphone eny ampovoan-tsena satria raha ao @ le salon kely novaina ho fiangonana izy de tsy hahazo kil?
honnetement?
andramo aloha hoe
23. bor2lais ( 27/08/2008 09:26)
Hoy Ika hoe :
\"fa indro kely momban\'ity toriteny toriteny ity ihany, matetika moa ny atao hoe toriteny dia kabary tsy valiana, nefa ny eto @ maha forum azy dia adihevitra, ka mamaly sy mi critique ny olona rehefa misy hevitra tsy azony na tsy maha d\'acc, misy tezitra rehefa voa ctitique ny \"toriteniny\".\"

-> Izay tokoa no maha forum ny forum : fizarana sy adihevitra no eto, ary fantatra izany matoa miditra eto. Amin\'ny maha fizarana azy dia mba raisina sy ekena raha toa ka tsapa fa misy marina ny lazain\'ny anankiray. Raha toa kosa misy tsy maha d\'acc anao dia mba lazaina mazava ny antony. Ary tsara raha atao am-panajana fa izany no mahatsara ny fiarahamonina !

Ity sehatra ity moa natokana ho an\'ny Fivavahana sy finoana : amiko heveriko fa tsy resaka fandresen-dahatra no tanjona eto (efa samy manana ny maharesy lahatra azy avy angamba) fa kosa fanazavana sy fizarana.

Tiako marihina farany : matoa aho miditra @ \"sujet\" iray dia manintona ahy izay ilay izy fa raha tsy izany dia tsy niditra (akory) aho mba ho fanajako ny hafa !

Koa dia mahereza daholo !
24. Mandefitra ( 27/08/2008 09:42)
bor2lais:
Tiako marihina farany : matoa aho miditra @ "sujet" iray dia manintona ahy izay ilay izy fa raha tsy izany dia tsy niditra (akory) aho mba ho fanajako ny hafa !

Zay mantsy.
Tsy voatery hitovy daholo ny zavatra tadiavin'ny olona. Ka ny fahendrena refa tsy azoazo le lohahevitra dia tsy mamaly na tsy mamaky tsotra izao.
Fa ny fanakanana ny fizarana ny tenin'Andriamanitra kosa aloha dia hafahafa ihany raha Krsitianina ny tena.
Ary na vakiteny iray zao aza no toriana (oh ilzay zanaka adala), mety misy fianarana hafa azo trandrahina foana ao anatiny arakarak ilay mitory sy ny fiasan'ny Fanahy Masina ao aminy.
25. ikaretsaka ( 27/08/2008 15:38)
ary ahoana raha niditra sujet iray ka nanintona de rehefa avy eo nefa nisy hevitra tao tsy naha d'accord anao ?

tsy misy manda ny fizarana ny tenin'Andriamanitra (toy ny fizarana rehetra) fa ny tiana hotsipihina dia dia misy toerana sy fotoana natokana ho an'izany..
raha iznay ravao aby ny fiangonana sns,, dia ery Analakely ry zareo asaina mivazavaza ! hmm?
26. Mandefitra ( 28/08/2008 04:59)
ika:
tsy misy manda ny fizarana ny tenin'Andriamanitra (toy ny fizarana rehetra) fa ny tiana hotsipihina dia dia misy toerana sy fotoana natokana ho an'izany..

Kristy raha nampianatra tsy nifidy toerana loatra, fa na tany antempoly, na teny ankalamanjana, na teny ampatsakana, na tany an'efitra, na tany antsambo ..... dia nozaraiNy hatrany ny tenin'Andriamanitra.

27. ikaretsaka ( 28/08/2008 05:18)
Mandefitra:

:
tsy misy manda ny fizarana ny tenin'Andriamanitra (toy ny fizarana rehetra) fa ny tiana hotsipihina dia dia misy toerana sy fotoana natokana ho an'izany..

Kristy raha nampianatra tsy nifidy toerana loatra, fa na tany antempoly, na teny ankalamanjana, na teny ampatsakana, na tany an'efitra, na tany antsambo ..... dia nozaraiNy hatrany ny tenin'Andriamanitra.




nifidy de nifidy izy tompoko! ny audience dia nofidiny tsara mihitsy, ary ny toerana sy ny fotoana fa tsy hoe kisendrasendra akory, hafa ny firesany @ apostoly, ny vehivavy samaritanina, ny fariseanina sns, tsy blabla koa ny nataony fa nasiany sasin-teny aloha (meo rano ohatra na mosy matory ohatra)... fa tsy tonga de "namafimafy" fotsiny izy akory hoe ny teny t@ Piera dia hitovy @ teny t@ Maria madelenina akory

nanadihady tsara izy ary nandinika aloha ny olona nizarany ny tenin'Andriamanitra arakaraky ny situation mitranga .. fa tsy hoe nosokafany ny baiboly (na torah moa t@ izany) akory de naveriny t@ olona n'importe qui ny andalanteny teny nambara tao dia nampimpiany ze famelabelarana araka ny hitiavany azy.. tsy izany!

ary ny zavatra nolazainy teny ambony sambo, sy teny tsy nolazainy t@ vahoaka tany an'efitra tsy mitovy, ary tsy toriteny t@ vava ihany no nataony fa t@ asa koa aza indrindra indrindra!


28. fahamarinana ( 28/08/2008 09:05)
bor2lais:
Ity sehatra ity moa natokana ho an'ny Fivavahana sy finoana : amiko heveriko fa tsy resaka fandresen-dahatra no tanjona eto (efa samy manana ny maharesy lahatra azy avy angamba) fa kosa fanazavana sy fizarana.

:arrow: izay tokoa no izy fa aoka kosa hiaiky isika Xna sasany fa misy mivoana ihany ny ataontsika : ohatra rehefa hiditra amin'ny filazana saplet,sarivongana..sns..sns...rahatoa resy lahatra amin'ny finoanao dia tokony tsy hanao fanamarihana akory anie satria dejà efa tsy finoanao ilay catho ka ahoana no hitsaranao azy? Isan'ny fanajana zany ary tsapako fa mahatafitohina ny sasany...dia torak'izany koa ny resaka devoly,satana izay discussions be teto sns...sns...e,zany hoe tsy miditra amin'ny fitsarana satria tsy dia hay ilay finoan'ny hafa .Raha mahatana zay tena fizarana sy fanajana izay dia io no idealy tokoa...fa sarotra tena sarotra ihany koa..
mandefitra:
Fa ny fanakanana ny fizarana ny tenin'Andriamanitra kosa aloha dia hafahafa ihany raha Krsitianina ny tena.

:arrow: marina tanteraka fa aoka tsiahivintsika fa tsy Xna daholo no mamaky etoana ,ary samy manana ny fomba fanaony amin'ny Finoany ka raha hanao remarques satria Xna ny tena ve dia ho fahotana koa ? Ho lasa ho Xna sy resy lahatra avy hatrany ny namana mamaky rahatoa ka mba mahay na kely aza isika mampita izany... sa ve sanatria tsy ampianarin'ny Fanahy Masina izay lazaina ombieny hoe mampiteny antsika rehefa mitory...sao lahy sanatria ny fi-insister-ntsika diso tafahoatra no hampiteny ny namana hoe tsy ilay Fanahy tena Izy !!!!
famintinanana (araka ny hevitro fa raha diso dia avereno amiko an :) ) fandinihan-tena dia fanekena koa fa misy tafahoatra ,tsy fahotana na maha-menatra sanatria ny fanekena izany...matoa miverina imbetsaka ilay resaka dia ao raha..:(......Mahereza daholo e !!! :-* (l)
29. Mandefitra ( 28/08/2008 09:54)
De mba farito ary hoe inona zany no hodinihana eto @ dinika fivavahana sy finoana :
1/tsy azo atao ny mitory teny
2/tsy azo zaraina eto ny tenin'Andriamanitra
3/tsy azo atao ny mifampitsikera finoana

....

Ny zavatra toy zao zany sisa resahina eto :
a/mopera pedofily
b/pasitera nanamboatra nyzanany vavy
c/zanak mpiandry nangalatra

Dia mitondra inona ho antsika ny fahalalana izay?
30. fahamarinana ( 28/08/2008 10:18)
:arrow: aza tonga dia raisina ho izay,tsy nilaza koa aho hoe foano...azo atao tokoa ary izay angamba no nanaovana ilay lohahevitra hoe ----fivavahana sy finoana----fa jerena ny manodidina ,efa voazavako ery ambony ery fa notsipihako fa hevitro zay oah.Zà manokana aloha mbola tsy nilaza ireo voalazan'ny mandefitra ireo hoe :
1/tsy azo atao ny mitory teny
2/tsy azo zaraina eto ny tenin'Andriamanitra

_____3/tsy azo atao ny mifampitsikera finoana
____io iray io no tena notsindriko be,ny 1 sy 2 ndray mila fandinihantena sy fanetre-tena oah..fa raha diso dia aza atao mapisafoaka na mampalahelo akory fa hevitry fahamarinana fontsiny ihany e...:-*
zay no nahatonga ahy nanao remarques...Raha ny mikasika manokana Ny fitsekerana Finoana , hitondra inona ho antsika :?: ,amin'ny mandefitra :inona no zava-tsoa entiny ankoatran-ny fifamaliana lavareny naharitra izay ?
mandefitra:
Ny zavatra toy zao zany sisa resahina eto :
a/mopera pedofily
b/pasitera nanamboatra nyzanany vavy
c/zanak mpiandry nangalatra

Dia mitondra inona ho antsika ny fahalalana izay?

:arrow: iny ndray mbola resaka hafa sy dinika hafa...tsy mitondra inona ho antsika fa mba tsikaritra hitan'ny namana mikasika ny atao hoe Xna...zava-misy fa tsy noforonina ary voakasika daholo ny Finoana rehetra...Mahalala sy maheno ho azy isika na tsy nolazaina teto aza kah... :( (l)
31. Mandefitra ( 28/08/2008 11:37)
Ka zay indrindra. Mijery gazety ianao isa maraina dia mahita, saingy tsy hitako zay dinika tokony hatao @ ireny raha ny marina.
Nefa ireny zao no manomboka mahazo laka sy tia ny mpiserasera sasantsany eto @ fivavahana sy finoana. Ary tsy nisy nanakana fa finaritra mandray anjara aby.
Ho ahy izao no mbola mampazoto ahy mankato, dia mbola misy olona toa an dry Prime sy todisoa mizara tsara ny tenin'Andriamnitra sy ny sitrapony ato, raha tsy izany efa ela aho no tsy nandray anjara teto intsony.
32. fahamarinana ( 28/08/2008 12:01)
:arrow: ka ianao izay mandefitra a,fa tsy ny hafa ary tsy tokony hanao jugement akory isika,hoy aho an..Tsy mba manontany tena ve isika hoe inona no mahatonga ny olona mametraka ireo dinika ireo ? Amiko ny antony dia fanoherana ny toetra asehontsika Xna sasany,ireo milaza ho Xna nefa tsy mahatandrina tena...Ny fanaovana dinika toy ireny koa afaka hanazavana indrindra raha ny hoe inona marina ny toetra tokony hijoroana rehefa Xna.Na dia hoe hampieritreritra monja aza...
mandefitra:
tsy nisy nanakana fa finaritra mandray anjara aby.

:arrow: tsy hoe mnankana fa manao remarques aloha...ny admin ihany no afaka manakana raha atao izay.Misy manao remarques tokoa kah.Ny hoe finaritra mandray anjara aby ndray dia arak'ilay olona io.Ahoana no hi-affirmer-nao fa finaritra ilay olona .Aza miditra amin'izany fa ny safidinao no ataovy.Za ihany koa dia mankasitraka ny Tenin'Andriamanitra lazaina eto.Io tahaka ny olona any am-piangonana e,misy karazany betsaka fa ny ahy dia ireo 3 zay 1 no alehako,ireo no inoako .Dia ampy izay...ny remarques ataon'ny namana ary maromaro ihany izy ao dia atao hampisaina fa tsy hifamaliantsika indray akory sanatria..fa azontsika atao koa ny mody fanina dia toriantsika foana ny Teny izay mahafinaritra ary ho eo foana tokoa tsika zay mankasitraka hiheno.
--------Vita ny anjarako fa tsy natao ho valiana akory fa tsetsatsetsa tsy aritro iny...hoy i prime zay hoe am-pitiavana ranadahy no nilazako izay fa raha mahatafitohina na diso be aho dia ialako tsiny fa tsy izay no tanjoko an.. :-* (l)
33. Mandefitra ( 28/08/2008 12:07)
Misaotra anao ary e .. za tsy tezitra ka. :)
34. fahamarinana ( 28/08/2008 12:20)
:arrow: tsisy fisaorana mandefitra..ialako tsiny raha tsy voazavako am-pilaminana fa toa nitratrevatreva e..Faly aho fa tsy tezitra ianao.Misaotra ny Tompo. :) (l)
35. ikaretsaka ( 28/08/2008 15:50)
mandefitra:

Ny zavatra toy zao zany sisa resahina eto :
a/mopera pedofily
b/pasitera nanamboatra nyzanany vavy
c/zanak mpiandry nangalatra

Dia mitondra inona ho antsika ny fahalalana izay?


mitaona antsika handinintena sy hivavaka sy hahalala ny realite manodidina antsika.

HO an\'ny samy Xtianina dia tsy ireo ihany , azo hifampizarana tsara koa ny hoe
i-nona no dikan\'ny pilopitra ohatra, ny lalan\'ny hazo fijaliana, ny tabernakla, ny fandoalihana...
-maninona no manao neuvaines,
-ny saplet sy ny raozery sy ny lavenona sy ny sisa (iny moa efa voalaza fa miverina foana rehefa volan\'ny raozery sy rehefa karemy ohatra)
-ny Maha samihafa ny Masera sy ny dorkasy sy ny hitovizany
-Ahoana marina ny tantaran\'Antaninandrano, ry Nenilava, ny Dada Ranona sy sy mama ranona, ry P Pedro, Mere theresa, ny Olomasina ra anona sy ra anona....
-Maninona no manantona mompera rehefa cas ohatran\'izao , dia manantona dokotera rehefa cas ohatran zao de manantona mpiandry rehefa cas ohatran\'izao
-Inona no atao hoe olona voan\'ny stigmates?
-Ahoana ny fandehan\'ny fisainana momban\'ny exorcisme eo @ finoana tsirairay avy?


ny fahalalana izany indrindra aza no hitako manala le tampi-maso handinihintena bebe kokoasy hahalala ny heo kay ve zao no mahatonga an zao .... noho ilay wawawa de yeah yeah dia lasa mifanaratsy antoerana sy mifanebaka @ zavatra tsy hay sy mamerina ny lesona tsara fahana tany am-piangonana any fotsiny
amiko tsara kokoa ny mifampijery hoe fantatrao ve inoanao sy ny tranga manodidina azy, fa tsy mamerina ny lesona nianaranao sy nafahana anao foana fotsiny!
raha zavatra tsy haiko sy fantatro sy vaovao amiko no lazainao amiko dia resy lahatra kokoa aho nohon\'ny zavatra efa haiko no averina eo foana

\"ny atao hoe insanite dia ny Famerena sy fijanonana @ zavatra iray foana foana dia avy eo anefa manantena fiovana vokatr\'izay\"
\"Insanity: doing the same thing over and over again and expecting different results. \"
hoy i P Pedro izay
36. fahamarinana ( 28/08/2008 16:15)
ika:
mitaona antsika handinintena sy hivavaka sy hahalala ny realite manodidina antsika

:arrow: amiko koa dia izay,mampitombina amin'ny Finoana koa ny fahalalana ny manodidina :hita ao ny mivoana,ny mety ny tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra sns..sns...mitondra amin'ny fitadiavana ny marina ihany koa na fanekena ny tsy fahampian'ny tena manokana.
ika:
HO an'ny samy Xtianina dia tsy ireo ihany , azo hifampizarana tsara koa ny hoe
i-nona no dikan'ny pilopitra ohatra, ny lalan'ny hazo fijaliana, ny tabernakla, ny fandoalihana...
-maninona no manao neuvaines,
-ny saplet sy ny raozery sy ny lavenona sy ny sisa (iny moa efa voalaza fa miverina foana rehefa volan'ny raozery sy rehefa karemy ohatra)
-ny Maha samihafa ny Masera sy ny dorkasy sy ny hitovizany
-Ahoana marina ny tantaran'Antaninandrano, ry Nenilava, ny Dada Ranona sy sy mama ranona, ry P Pedro, Mere theresa, ny Olomasina ra anona sy ra anona....
-Maninona no manantona mompera rehefa cas ohatran'izao , dia manantona dokotera rehefa cas ohatran zao de manantona mpiandry rehefa cas ohatran'izao
-Inona no atao hoe olona voan'ny stigmates?
-Ahoana ny fandehan'ny fisainana momban'ny exorcisme eo @ finoana tsirairay avy?

:arrow: io koa iray,tsy sanatria fahotana na dia ny fiezahana mahafantara ny an'ny hafa aloha fa tsy hitenitenenana foana na hi-supposer-na zvtr tsy mitombina. (l)
37. ikaretsaka ( 28/08/2008 16:39)
izay mantsy
38. fijo ( 28/08/2008 20:35)
ka ny "loza" anie dia izao e,le finoan aentin'ny sasany hanasarahana azy amin'ny fiainana manodidina azy.eo dia rsty ny vokany.
39. ikaretsaka ( 28/08/2008 22:56)
izay mihitsy
40. bor2lais ( 29/08/2008 07:31)
Hoy Ika etsy ambony :
\"HO an\'ny samy Xtianina dia tsy ireo ihany , azo hifampizarana tsara koa ny hoe
i-nona no dikan\'ny pilopitra ohatra, ny lalan\'ny hazo fijaliana, ny tabernakla, ny fandoalihana...
-maninona no manao neuvaines,
-ny saplet sy ny raozery sy ny lavenona sy ny sisa (iny moa efa voalaza fa miverina foana rehefa volan\'ny raozery sy rehefa karemy ohatra)
-ny Maha samihafa ny Masera sy ny dorkasy sy ny hitovizany
-Ahoana marina ny tantaran\'Antaninandrano, ry Nenilava, ny Dada Ranona sy sy mama ranona, ry P Pedro, Mere theresa, ny Olomasina ra anona sy ra anona....
-Maninona no manantona mompera rehefa cas ohatran\'izao , dia manantona dokotera rehefa cas ohatran zao de manantona mpiandry rehefa cas ohatran\'izao
-Inona no atao hoe olona voan\'ny stigmates?
-Ahoana ny fandehan\'ny fisainana momban\'ny exorcisme eo @ finoana tsirairay avy?\"

-> Lohateny mahaliana tokoa ireo ry Ika fa dia misaotra anao mialoha hitarika izany ! Fanazavana ny tena izy no ilaina mba ialàna @ \"pré-jugé\" ateraky ny \"honohono sy tsy fahalalàna\". Koa mamporisika sy mampahery anao hitarika ny tarogna !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0086