ny atao mba hampatavy

1. sangeo ( 19/08/2008 14:48)
izahay anisan'ny olona tsy mety matavy ireny, inona kay no tao mba ho ngeza
novalian'i cr carter ny 15/02/2018 07:33
2. xxx ( 19/08/2008 16:53)
Mihinana ody kankana :lol: :-D
3. endrika01 ( 19/08/2008 19:58)
Mety efa vanitaolana:-P
4. ikaretsaka ( 20/08/2008 00:36)
mihinana ody kankana, tsy mivaky loha mikaly be midodo
5. Mio21 ( 20/08/2008 06:14)
Nga tsy mety ilay hoe mitotoa koba hatavy ?
6. Kapistra ( 20/08/2008 08:13)
Ito ary misy torohevitra kely homeko anao mba hampatavy anao e!
Ny sakafo tokony hohaninao.Alaina ny tamenak’atody,avy eo alaina ny ronono erakin’ny zinga na antsasany,ampangotrahana tsara.
(na mafana na mangotraka)
Arotsahy ao ny tamenak’atody ,asiana siramamy dia hohanina maraina sy hariva.
Tohizo hatrany arak’izay sitrakao.
Mino aho fa hampatavy anao ny fihinana an'ireo.
Izao anefa, ny hatavezana be loatra dia tsy mahatsara ny fahasalamana,
koa lanjalanjao ihany.
Izay ary fa dia mazotoa homana e!
7. oliviah ( 20/08/2008 08:39)
sangeo:

izahay anisan'ny olona tsy mety matavy ireny, inona kay no tao mba ho ngeza



Misotro la bierre 1 isanandro,io no mampangeza ahy,taloha za mbola mahia no i endr...,
8. yonikafopl ( 20/08/2008 20:05)
ronono eraky ny zinga isaky ny misotro ve profesora KAPISTRA :roll: :roll:

tena hatavy marina i sangeo raha manao an'io an :-P :-P
9. ari.malala ( 21/08/2008 11:40)
:-D :-D :-D
10. ikaretsaka ( 22/08/2008 02:27)
matavy indray i ari manao an'io an
11. xxx ( 22/08/2008 20:02)
naika fôpla:
ronono eraky ny zinga isaky ny misotro ve profesora KAPISTRA

Efa hita fa ronono erakin'ny zinga hono koa inona ndray.Sa tadiavinao ho eraki'n'ny inonnn.Milamila vanony ndray fa tsy mahita advé a!.
Torahy @ lamokan'atody apotsitra any rangahy ty naika fôpla ity hanarampofona any a!
12. Herimiafina ( 23/08/2008 04:17)
sangeo:

izahay anisan'ny olona tsy mety matavy ireny, inona kay no tao mba ho ngeza


Mianatra tsy mivakiloha be loatra, misakafo tsara, manao fiainana.
:^)
13. niryna ( 25/08/2008 01:20)
sangeo:

izahay anisan'ny olona tsy mety matavy ireny, inona kay no tao mba ho ngeza

efa vahana izany ny anareo ka
manandrama mihinana toton-katsaka miaraka amin'ny ronona sy siramamy isa-maraina (vovony io )
maka tori-maso rehefa atoandro mihoatra ny 30 mn.
aza be fanahiana ary maka torimaso feno (7-8 ora isan'andro).
Izay zavatra tokona atao mba hampihena dia lasa atao mifanohitra amin'izany raha te hitombo kanefa dia misy fiantraikany amin'ny vatana izany avy eo,lasa tsy tomady na mailamailam-pamindra intsony,ny fo mety ho feno tavy,lasa manita-kibo satria nitombo ilay sakafo nohanina dia manita-tsinay izany,mety ho hiakatra ny tosi-dra na tonga daholo koa ireo aretina noho ny fihinana zava-mamy izay mety mampitombo(fihinana gateaux na sakafo vita amin'ny la farine,ny beurre ,ovy miaraka amin'ny sauces vita amin'ny lafarine ,akondro.
(izany hoe lasa tsy mila manao exercices intsony,tonga dia matory rehefa voky ary dia lasa mety ho voan'ny aretim-bavony any amin'ny farany)

Mihinana sakafo be eo ambilia,miaraka ireo karazana tsakitsaky tsy dia mahasalama (junk food) eny anelanelany,tsy manao fanantanjahantena fa mipetraka tsy dia manao na inona na inona firy.Tsy mivaky loha fa izay mipoitra eo dia tatazana(io irery angamba no mba misy tsara azo alaina ) ooops .Ka dia ao anjaranao raha tiana izany ny te ho hatavy....indro kely aloha ,tsy ho voatery anaraka an'ireo teneniko ireo a.
Ny mihinana matetika tsy mampatavy a. an! fa ny mihinana sakafo in-droa na in-telo kanefa be dia be eo ambilihy io no mampatavy

ilay manena tena no mazana fa manatavy mora saingy koa dia misy fiantraikany amin'ny fo ilay fahatavizana ,mety ho feno tavy ny fo,misy aza tena mivoraka matsiravina ny kibon'ny vehivavy ,ny lahy toa bevohoka valo volana toa kibotaina ratsy izany ny bikany ,rehefa diso matavy dia trohana amin'ny karazana tyau izany ilay tavy dia toa mifintina ilay olona kanefa dia tena ratsy bika e ary dia miverina indray avy eo ilay tavy ka mandritra izany fahatavizana izany. No sady mampihomehy ny mijery ilay olona avy eo satria ilay akanjo nanaovany tamin'izy matavy iny ihany no anaovany rehefa mihena izy,toa akanjo nindramina .oops

Tsara kokoa izany raha efa vahana ilay kely ray na reny ireny fa toa mateza jerena no toa tsy mety antitra firy ireo olona ireo fa raha sendra matavy ka voan'ny adim-piainana tampoka ,tonga dia mampalahelo be ny mijery ilay olona avy eo satria toa mikainkona ilay olona natavy ary dia feno toa ireny vorovoronkena ireny ny vatany (na cottage cheese no filaza azy)mivaingambaingana ny ranjony,ny sandriny,ny takolany,ny kibony ets...fa ho an'ireo matavy dia tena sarotra tokoa ny manahia tena .

(l) niryna
14. nikah ( 25/08/2008 11:13)
Sangeo!Tandremo an!Efa mba nianatra ny te-hatavy koa za,fa ny kibo no nibotsina be nahatsiravina.Za koa manko kely mahia fona.
Zao za sahirana manena kibo in-1.
Fa raha misy mahalala ny mampatavy nefa tsy mahabe kibo de mba ilazao e!
15. ni81 ( 25/08/2008 11:21)
Zao za sahirana manena kibo in-1.
Fa raha misy mahalala ny mampatavy nefa tsy mahabe kibo de mba ilazao e!
manaova abdomino :)
16. nikah ( 28/08/2008 06:26)
ni81,ka ilay abdo anie maharary be aloha e!Sady elabe vao mis vokany.
17. peta83 ( 28/08/2008 08:44)
minana calcium masy, atao in-3 isan'andro satria io sady calcium no mampatavy! sotroina miarak'@ ronono na dite na rano mafana fotsiny.
na ko ndana mangataka tavy kely any @sobika e! =)) =)) =)) =)) =))
18. tsidina ( 30/08/2008 20:42)
Sangeo, ianao ve nay dago sa aty andafy? satria tsy mitovy ny regime arahiana ka: raha aty andafy ianao de zao mihinana sakafo misy fromazy foana, tsy tapaka na dia ho isan'andro aza, de fadio ny mihinana lasary misy vinegre,mihinana vitaminisankarazany, aza mandeha tongotra mihitsy, na bisklete.
Rehefa mahandro sakafo ianareo dia asio ronono foana, ohatra mahadro vary de asio ronono, manaova saosy vita @lafarinina+dibera. Rehefa mividy ronono de ireny matavy ireny no safidiana.
Fa raha any dago kosa ianao de misotroa the de baobab de asio ronono foana, sady misy calcuim koa izy io, vary novokarin'gasy no hanina, halaviro ny fihianna citron sy vinegre. Rehefa mahandro vary de aza hadino ny manisy dibere rehefa mangotraka iny ny ranombary. Ny yaort tsy atao tapaka.
Kanefa nadia manao io aza ianao rehefa toebatanao le izy de tsy mety, na raha mampiasa tena sy mampiasa loha be loatra koa, ny la biere mahangeza saingy ny kibonao mirirotra ngezabe voalohany sao gaga ianao.
Fa tandremo sao lasa matavy be eo an, fa de ratsy vatana eo ny tena.
19. tsidina ( 30/08/2008 20:48)
ny zavtr hadinoko kely, rehefa manahandro vary na managahazo na katsaka de asio voanio foana, raha aty andafy ianao de ilay cream no tena matavy be, fa tsy ratsy ko na dia ilay milk de coco no vidinao.
Misy namana iray avy any dago zay namako aty, ny gasy rehtra tonga aty de lasa ngeza daholo satria miova ny sakafo sady tsy de mandeha tongontra zany aty, f'izy irery ihany no tsy nisy fiovana, de hoy izy hoe:" ny renibe hono toy izany koa, tsy mbola natavy hatr@' naha olona azy.
20. tsidina ( 02/09/2008 14:46)
aza hadino koa ny misakafo maraina, de eny anelanelampotoana eny ...........
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3655