inona marina no atao hoe olona misy demony
22. kiali
(
19/08/2008 18:50)
miala devoly wa fa zah mahay manala devoly! :twisted: :twisted: :twisted:
25. niryna
(
20/08/2008 04:45)
Mandefitra:mazava sy ampy io fanazavana io ,misaotra Mandefitra a.
Mbola nitohy moa ny asan'ny mpiandry taty aoriana, ary dia afaka teo ilay satana mpangeja.
Ny fanafody kosa notohizana ihany nandritry ny 3 volana teo, ary dia nana-pakevitra ramatoa fa hajanony satria efa nositranin ' iJesosy izy. Ary h@ izao isika miteny izao, dia salama ramatoa, tsy nisy androbe intsony, ary mampianatra SA.
Ho an'ny tsy mpino dia lazaina fa aretina,eny misy aretina tsy vokatry ny herin'i satana daholo akory saingy na inona aretina dia sitrana raha sitrapon'Atra no ahasitrana ilay olona.
http://www.youtube.com/watch?v=QpS2rqYx-2A
Io izao misy zazakely normale tamin'ny mbola kely kanefa voan'ny aretina mifanintona,
Tsy mitovy ny fanintona sy ny andrombe.Ny iray mety ho vokatry ny hafanana ka tsy mahazaka ilay zaza ary dia mifandrirotra ny hozatra ,ny iray kosa dia aretina mety nasian'ny olona(io ilay hoe herin'i satana no miasa ao ambadik'ilay olona nanao azy).
Satana dia tsy mitsahatra ny andrava,hamotika ary hamono ..
Misy aretina mbola kely ka lasa takaitra rehefa tsy voatsabmo kanefa Atra dia mahay zavatra tsy takatry ny sain'olombelona.
Ny ankizy voan'ny fanintona io matatetika dia aretina ka miakatra any amin'ny lohany ilay izy ary mahatonga azy mihijintsinjitra ,matetika asian'ny olona sotrokely ny vavany mba tsy ho voakaikitra ny lelany.
http://www.youtube.com/watch?v=LP9aRGU2EOM&feature=related
Ny androbe kosa dia aretina tonga nolazain'ny olona fa nataon'ny olona ary matetika dia tsy sitram-panafody ilay izy,noho izany ilaina ny manatona mpiandry raha mino ireo fianakaviany.Io no atao hoe herin'i satana no nampiasain'ny olona ka nahatonga ilay olona,misy devoly ao anatiny ary raha vao miditra toby fotsiny izy dia mihetsika ilay izy,misy hery tsy mamela azy hiditra ilay tobin'Atra satria hifanatrika ny herin'Atra sy ny herin'i satana.
vita tompoko
http://www.youtube.com/watch?v=YHvEXnOM4aE&NR=1
xxx:marina izany .Izay no antony hiambesana isan'andro satria misy mampianatra vilana hoe tsy mila omena ny teny ao amin'ny baiboly ny olona,ahoana moa no hiadiana ny herin'i satana kanefa fanahy ilay izy ??? hmmmm .Tsara tokoa ho azy ireo no tsy miteninteny fa saho hifotiran'ilay lava rambo ooops, tsy misy rambo satana a fa izay no hanavahanay azy amin'ny herin'Atra
Izay avy @ Andriamanitra dia mihaino ny tenin'Andriamanitra , io tao anaty baiboly no nandraisako io teny io , nefa mazana ny olona sasany izay omena tenin'Andriaamanitra dia manda sy manohatra tanteraka izay ka izay misy devoly zany tokony handinika io teny io
26. ikaretsaka
(
20/08/2008 04:50)
tsy mila omena ny teny ao amin'ny baiboly ny olona
fa teny avy aiza kay no nomen'i jesoa. ry mosesy ny ampostoly, ry paoly, ... ny olona?
tsy mbola nisy baiboly t@ izany andro izany manko
27. fahamarinana
(
20/08/2008 09:01)
mandefitra:
Ty misy tenin ny Apostoly Paoly ho an'ny hebreo mampieritreritra ihany, ho an ireo efa nahavita dingana lavitra t@ finoana :
hebreo 6 :
"4 Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina
5 ary efa nanandrana ny teny tsaran'Andriamanitra sy ny herin'ny fiainana ho avy,
6 nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin'ny fibebahana, satria manombo ny Zanak'Andriamanitra indray amin'ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana.
:arrow: mampieritreritra marina tokoa,ary mahalasa saina lavitra hoe mety tsy ho havaozina intsony izany,eny na ny tenako izay be fahotana sy fanahiana aza.Izany hoe na hibebaka aza aho dia efa vita matavy ny amiko ve ?
niryna:
Tsy mitovy ny fanintona sy ny andrombe.Ny iray mety ho vokatry ny hafanana ka tsy mahazaka ilay zaza ary dia mifandrirotra ny hozatra ,ny iray kosa dia aretina mety nasian'ny olona(io ilay hoe herin'i satana no miasa ao ambadik'ilay olona nanao azy).
:arrow: ny epileptie ny fahalalako azy no atao hoe androbe ,ka ireny épileptique ireny zany ve,araka io voalazan'ny niryna io dia misy devoly,na aretina nasian'olona ???? amiko manko tsy aretina nasian'olona izany fa aretina tout court..asa,ny nasian'olona efa aretina hafa mihintsy hoy aho.Asa anefa fa mety diso ny eritreritro. :(
niryna:
Izay no antony hiambesana isan'andro satria misy mampianatra vilana hoe tsy mila omena ny teny ao amin'ny baiboly ny olona
niryna:
Tsara tokoa ho azy ireo no tsy miteninteny fa saho hifotiran'ilay lava rambo
:arrow:amiko manokana aloha dia aleo aza ny olona hiteny na marina na tsia satria misy handinihako,sy hamakafakako ary hampitombina ahy tanteraka amin'ny Finoako .Raha tena ilay Tsara sy ilay Marina ilay hinoako dia na maheno aza aho dia tsy hampiova hevitra ahy akory...
Ny fampianarana vilana dia araka ny finoana sy fandraisan'ny tsi11 azy .Izy no hitsara fa tsy anjarantsika e: mandray isika izay mety amintsika fa na isika mandray aza mety handray vilana ihany koa fa tsy voatery ilay mpitory eo anoloana no mpampianatra vilana . :) (l)
28. xxx
(
20/08/2008 12:02)
T@ andron'i Jesoa dia mbola tsy baiboly no filaza azy fa soratra masina , ary nomena ny olona tokoa izany fa hoy Jesoa tsy novakianareo ny soratra masina fa manambara ahy izy . Soratra masina = ny lalan'i Mosesy sy ny mpaminany
29. ikaretsaka
(
20/08/2008 23:00)
nga efa nisy boky koa t@ izany?
sy efa betsaka ny nahay namaky teny
sy efa betsaka ny nahay namaky teny
30. ari.malala
(
21/08/2008 05:40)
fahamarinana:
Hoy i niryna:
Tsy mitovy ny fanintona sy ny andrombe.Ny iray mety ho vokatry ny hafanana ka tsy mahazaka ilay zaza ary dia mifandrirotra ny hozatra ,ny iray kosa dia aretina mety nasian'ny olona(io ilay hoe herin'i satana no miasa ao ambadik'ilay olona nanao azy).
ny epileptie ny fahalalako azy no atao hoe androbe ,ka ireny épileptique ireny zany ve,araka io voalazan'ny niryna io dia misy devoly,na aretina nasian'olona ???? amiko manko tsy aretina nasian'olona izany fa aretina tout court..asa,ny nasian'olona efa aretina hafa mihintsy hoy aho.Asa anefa fa mety diso ny eritreritro.
Za mba gaga! epilepsie=androbe, d refa aretina d aretina fa hafa mintsy ny hoe mosavin'olona... ary za alou zan ts resy lahatra mitnsy hoe nidiran demony zany e! ts resy lahatra amizany za! aiza kou no hoe nararin'ny epilepsie d iny fa niditra ny demony avy teo? afatsy nyhoe tena nanao pacte tam demony mints nga hoe k zay k hafa, fa raha ny fahalalako alou ts tongatonga hoazy izany ny demony e!
31. prime
(
21/08/2008 07:33)
ika:... Rehefa tsy dia mahafantatra loatra ny fomba fiasan'ny devoly dia mianatra no fahendrena indrindra ra-ika fa tsy ny faniratsiràna finoan'olona...
ity finoanoampoana anareo ity e...
niteny ve izy hoe satana ny ao anatiny?
raha izay dia oe.. fa raha tsy niteny izy fa tonga de le olona soi disant hoe mpanala devoly no milaza fa devoly io.. hafahafa ihany.
Rehefa izany ny finoany dia aleo ho azy izay raha tsy ekenao na tsy itovianao finoana...
ika:
fa teny avy aiza kay no nomen'i jesoa. ry mosesy ny ampostoly, ry paoly, ... ny olona?
tsy mbola nisy baiboly t@ izany andro izany manko
xxx:
T@ andron'i Jesoa dia mbola tsy baiboly no filaza azy fa soratra masina , ary nomena ny olona tokoa izany fa hoy Jesoa tsy novakianareo ny soratra masina fa manambara ahy izy . Soratra masina = ny lalan'i Mosesy sy ny mpaminany
koa ianao:... Io ilay ambara hoe rehefa tsy inoana dia mba tsotra fa na hanontany eo foana aza ianao dia tsotra ny valin'ny fanontanianao... Andriamanitra manambara ny tenany tamin'ny Soratra Masina tsy miandry fahaizana mamaky teny sy manoratra, ary Mosesy efa taonjato firy talohan'i Kristy aza mahay mamaky teny sy manoratra ka amin'ny andron'ny sivilizasiona Grika sy Romana aty aoriana be va dia hahagaga anao ny fisian'ny Sorara Masina (Torah no fiantsoan'ny Jiosy azy?)... horonam-boky maro tsy latsaky ny 70 mahery no nirakitra ny Soratra Masina tamin'ny andron'i Kristy, hatramin'ny tantaran'ny niforonanizao tontolo izao ka mandrapahatongan'i Jesosy... rehefa avy teo dia niampy ny filazantsara sy ny epistily sy ny tantara sy ny fanambarana sns...
nga efa nisy boky koa t@ izany?
sy efa betsaka ny nahay namaky teny
Mbola any foana ny olanao... averiko indray... rehefa tsy mino ny baiboly ho boky mirakitra ny Soratra Masina ary manambara ny tenin'Andriamanira ianao dia mba tsotra... rehefa hitanao fa tsy ampy dia hazony ho finoanao ho tsy ampy ny baiboly fa tsy midika velively izany fa izay ambarany lazain'ny namana rehetra etoana dia tsy ampy... raha lazainao tsy ampy aza ny baiboly, ny lazainy kosa dia marina... dia hatreo dia manàna fanetren-tena hanaiky sy hianatra izay mbola tsy fantatra ao amin'ny baiboly fa tsy avy hatrany isaky ny misy tenin'Andriamanitra ambara araka izay voasoratra dia tsy ilay teny no mampivaky loha anao hoe, inona marina no tian'Andriamanitra ambara amin'izany? fa ilay baiboly tsy ampy sy ilay olona mampita no handanianao eritreritra... izay no mahatonga ahy manontany indraindray hoe sao izay ambaran'ny baiboly mihitsy no tsy inoanao dia lazainao fa tsy ampy...
Marina mihitsy ny fanamarihan'i xxx fa nampiasa Soratra Masina, ary mpamaky izany isanandro Kristy ary mpampianatra izany rahateo tao an-tempoly na dia hatramin'ny nahazatovo Azy aza...
32. prime
(
21/08/2008 07:35)

33. prime
(
21/08/2008 08:21)
Mandefitra> Misaotra amin'ny fanazavàna fa mazava tsara... :)
ari.malala> Te-hanontany anao aho hoe, mino ny fisian'ny devoly ve aloha ianao?
Dia fantatrao va fa ao anatin'ny fanjakan'ny haizina sy Satana izao tontolo izao amin'izao isika miresaka eto amin'ny serasera izao?
Dia fantatrao va fa raha tsy mitoetra ao amin'ny Kristy ianao dia efa eo ambany vahoan'i Satàna ka tsy miandry sy manontany izany izy hoe mahazo miditra aho sa tsia fa manjaka sy manao amboletra mihitsy aminao sy ny fiainanao?
Tiako valianao aloha ireo satria raha tsy fantatrao ny momba io fahavalo io ary tena fahavalo ratsy sy loza ary fetsy dia angano sy arira avokoa izay ambaran'ny olona efa niatrika azy ary niady taminy, izay tsy mora velively araka ny iheverana azy ka herin-tsain'olombelona no anoherana azy... anjely anie io e... olombelona tsotra izao va haharesy na hahatohitra anjely??? Jesosy ihany no efa naharesy an'io ary izay mitafy an'i Kristy dia efa mpandresy an'io rahateo...
Soa fa Jesosy efa naharesy azy ka miorena tsara aloha ao amin'i Kristy dia ho fantatrao io fahavalo io satria Kristy mihitsy no halan'io ka rehefa tsy ao amin'i Kristy ny tena dia ny mibebaka ka mino sy mandray Azy feno amin'ny maha-Andriamanitra Azy no tena tsara... fahavalo resy io noho ny ràn'i Jesosy...
Fa na ny firesahana an'io fahavalo io toa izao aza dia mahafaly an'i Satana mihitsy saria mbola mampiseho ny hakelin'ny finoan'ny mpino kristiana...
Raha tena namaky tsara ianao izay nambaran'i Mandefitra dia nisy "indices" kely marobe teny anelanelany teny nilazany fa ny ara-nofo dia azo notsaboina ara-nofo saingy misy lafiny ara-panahy izay tsy voatsabon'ny ara-nofo (medikaly) velively tamin'ilay tranga notantarainy... ireny "indices" ireny dia fantatry ny efa mpiatrika ady amin'i Satàna ka na hilaza aza ilay olona hoe sitrana aho (ara-medikaly) dia mbola tsy tapitra ny ady fa mitohy... eo nefa ilay tsy azon'ny saina takarina intsony izay ezahinao takarina mafy hoe hatraiza marina no ilazàna ny fisian'ny devoly ao amin'ny olona...
Ny Mpiandry efa za-draharaha dia mahafantatra tsara ireo "signes" na "indices" na "symptômes" ny fisian'ny devoly amin'ny olona iray... ary manana fanomezam-pahasoavana marobe araka izay niantsoan'Andriamanitra azy avy... ka raha te-hahafantatra ianao ny momba ny ady amin'ny devoly, ny tsara indrindra dia miditra mianatra sy miofana ho amin'izany na manatona RAR am-panahy afaka manoro anao tsara ny momba izany...

34. fijo
(
21/08/2008 20:36)
ny aretina mifanintona anie ka vokatry ny tsy fiasann'y nera tsara e.ka aza dia "devoliana"daholo izay mahazo.izay no hilazan'ny ntaolo taloha hoe" aza kapohina eo amin'ny lohany ny zaza"satria any aoriana io mety hisy vokadratsiny.
mety hampirediredy tokao ny aretina toa io satria tsy voafehin'ny saina ny zavatra atao,fa tsy hoe lasa devoly.misy olona sosotra aza anie dia mirediredy be toa ireny e?????
ny sasany mantsy toa mahita devoly foana izay jereny ,ka sao hivadika devoly ny hiafarany.

35. ikaretsaka
(
21/08/2008 23:50)
... Rehefa tsy dia mahafantatra loatra ny fomba fiasan'ny devoly dia mianatra no fahendrena indrindra ra-ika fa tsy ny faniratsiràna finoan'olona...
ka io no ilazako hoe jereo aloha fa aza fatra pitsara foana..
nga izy ity tsaratsaraina fotsiny hoe misy devoly? de enarana fotsiny de hoe misy devoly io? erreur goavana!
betsaka misy io hoe ze olona mifanintona de lazaina misy devoly io de alaina devoly.. io
diso diagnostic de vao mainka aza mihombo ny arediny de zavatra tsisy forcenba hisy de lasa misy ho azy
36. prime
(
22/08/2008 10:51)
ika:... ka tsy hitanao angaha fa ianao izao ilay mitsara ny mpino ho manana finoanoam-poana??? sa averiko aminao ny nambaranao?
ka io no ilazako hoe jereo aloha fa aza fatra pitsara foana..
ikaretsaka:... Itoviako hevitra ilay hoe tsy izay rehetra "épileptique" dia misy devoly avokoa...
nga izy ity tsaratsaraina fotsiny hoe misy devoly? de enarana fotsiny de hoe misy devoly io? erreur goavana! betsaka misy io hoe ze olona mifanintona de lazaina misy devoly io de alaina devoly.. io
diso diagnostic de vao mainka aza mihombo ny arediny de zavatra tsisy forcenba hisy de lasa misy ho azy
Fa ny notantarain'i mandefitra mahazava azy tsara fa raha tsy vakianao tsara ilay izy dia ilay ivelambelany fotsiny no ahazoanao azy... dia mazava ho azy ianao raha hitsara hoe "finoanoam-poana"...
37. ikaretsaka
(
22/08/2008 15:15)
prime:
ka io no ilazako hoe jereo aloha fa aza fatra pitsara foana..... ka tsy hitanao angaha fa ianao izao ilay mitsara ny mpino ho manana finoanoam-poana??? sa averiko aminao ny nambaranao?
nga izy ity tsaratsaraina fotsiny hoe misy devoly? de enarana fotsiny de hoe misy devoly io? erreur goavana! betsaka misy io hoe ze olona mifanintona de lazaina misy devoly io de alaina devoly.. io... Itoviako hevitra ilay hoe tsy izay rehetra "épileptique" dia misy devoly avokoa...
diso diagnostic de vao mainka aza mihombo ny arediny de zavatra tsisy forcenba hisy de lasa misy ho azy
Fa ny notantarain'i mandefitra mahazava azy tsara fa raha tsy vakianao tsara ilay izy dia ilay ivelambelany fotsiny no ahazoanao azy... dia mazava ho azy ianao raha hitsara hoe "finoanoam-poana"...
ka izay ange no hoe anontaniako le olona hoe misy devoly ve ianao de raha miteny izy hoe misy de misy isy izay e.. fa raha tsy miteny izy de ho forceko misy ve..
ataoko tsy iznay no nataon'i Jesoa?
38. fijo
(
22/08/2008 20:58)
ny ahy ny mampanahy ahy dia ity fahitana devoly isaky ny vodimototra ity.toa lasa mitovy amin'ny any pakista ny hiafarany.
40. prime
(
26/08/2008 08:41)
Handeha ary atao hoe tsy misy devoly sy Satana (handeha hoy aho)... dia mba te-hanontany anareo aho hoe avy aiza ny ratsy???