nofy

1. nikah ( 15/08/2008 08:02)
O ry namana a!halina tsy nahita tory aho raha tsy efa t@ 3 na 4 maraina angamba iny,avy eo dia nanonofy olona milahatra bdb milanja faty mitanjozotra,tsy faty iray ihany an!Fa nisaiko ilay izy dia teo @ fahadimy dia tsy nanisa itsony aho fa nijery fotsiny,tsy mirakotra lamba ilay izy fa mirakotra gazety bdb,avy eo in-1 za niampita tanimbary mandrevo fotaka be zany,dia avy be ny orana dia tapaka ilay nofy,nojereko ny ora efa @ 7 maraina,zay vao nikoropaka nifoha.Hatr@ zao tsy afaka ato antsaiko ilay nofy hoe inona ary zany????LOOOZAAA
2. endrika01 ( 15/08/2008 08:21)
Zah alou tsy mba mahalala ny dikany nofy e,lay razana tsy we akory hisy fahafatesana,lay fotaka mandrevo ndray toa we olana.Mety hisy blem kely eo aminao,soa ihany fa nisy lay orana.Hi hi hi,zah ndray nanonofy bibilava reraka tamy manantona ahy!Tsy fahasivy analana iray lay izy hono,fa vady na sipa,olon-tinao nisaraka taminao,mikasa ny hiverina.Tsy haiko aloha e !Fa dadany kosa aloha lay nofin toi e,mampihorikoditra:P:-D
3. niryna ( 15/08/2008 12:09)
endrika01:

endrika ny nofy dia misy karazany marobe
Mety mitranga ny nofy ka izao no mety nahatonga izany:ao ny tena izy ao ny reraka tamin'ny andro nandalo ,ao koa ny tsy nahalevona sakafo fa fohy ny fotoana nihinana sakafo dia tonga dia nidaboka natory,ao ny midika zavata hafa izay asehon'Atra amintsika rehefa misy zavatra tiany ho resahina amintsika ,izay toy ny fahitana ihany io,ary ao koa ny toerana izay misy antsika laa tsy mitovy ilay dikan'ny nofy ary ao koa ny nofy ririnina sy ny fijerena film na namaky foky dia tonga ao daholo izany rehefa matory isika indrindra moa rehefa mampatahotra na mampitebiteby izay ilay jerena tamin'iny andro iny.
Ireo rehetra ireo no mety ahatonga antsika manofy.
Tsy ho voatery koa anefa hoe rehefa izao no mipoitra dia izao no dikany.

Raha ohatra ka mahatadidy ilay nofy rehetra hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany kosa ilay olona dia tena misy dikany ilay nofy.
Fa matetika tapatapaka dia izay sary ita tao ihany no tadidintsika.

Ary misy fambaran-javatra hitranga na nitranga na vao hitranga..ireo koa dia mbola hafa koa. Izany hoe raha manofy isika dia zavatrra mety efa nitranga no ao na vao hitranga na past,present ,future ..) ilay izy.

(l) niryna
4. nikah ( 16/08/2008 06:50)
Ka zay indrindra ange ry niryna no nahalasa ny saiko e!Tena tadidiko hatr@ zao ilay izy,fa matetika za refa manonofy de ohatry ny hadinidinoko fotsiny eny na tsy tadidiko akory aza.Fa t@ ty ohatry ny ao antsaiko foana.
5. niryna ( 18/08/2008 04:25)
nikah:

Ka zay indrindra ange ry niryna no nahalasa ny saiko e!Tena tadidiko hatr@ zao ilay izy,fa matetika za refa manonofy de ohatry ny hadinidinoko fotsiny eny na tsy tadidiko akory aza.Fa t@ ty ohatry ny ao antsaiko foana.

dia ahoana tsara aloha ary ilay nofy e,hatramin'izay niandohany ka hatramin'ny fiafarany sao mba fantatro
:roll:
6. endrika01 ( 18/08/2008 10:06)
Ny eto moa nofin i nikah no tiana hazavaina.Nefa raha araky ny voalazany i niryna dia mety ho fambara @zavatra mety hoavy.Marina zay.Mbola tadidiko hatr@zao ny nofiko t@Sept 2001,herinandro mialoha ny fisehon-javatra tany Amerika iny!Nanonofy nahita an i La Vierge Marie zah teny @lanitra,ny 1 voalohany,izy ao anaty ny ovale mamirapiratra,otrany le medaille miraculeuse reny,ny faharoa lay couronne mamirapiratra teny an-dohany,ny fahatelo misy anjely be d be manodidina azy.Aminy lanitra avaratra!Dia asehony ahy eny @habakabaka ny saritaniny Amerika,de tao anaty ny nofiko zah,nametra-panotaniana we ary mba aiza i Madagascar?Tsy azoko ny dikany nofiko teo,herinandro taty afara nisy iny olana iny tany Amerika,de ozizy zah we nahoana no saritaniny Amerika irery,tena ngeza be teny @lanitra lay Masina Maria sy sari-tany,de le Anjely kely.Tsy mety hadinoko hatr@zao:D:D:D
7. nikah ( 18/08/2008 10:23)
Ka io efa voalazako etsy ambony io ry Ni a!Sao mba fantatr'i toi ee!
8. xxx ( 18/08/2008 14:19)
O ry namana a!halina tsy nahita tory aho raha tsy efa t@ 3 na 4 maraina angamba iny,avy eo dia nanonofy olona milahatra bdb milanja faty mitanjozotra,tsy faty iray ihany an!Fa nisaiko ilay izy dia teo @ fahadimy dia tsy nanisa itsony aho fa nijery fotsiny,tsy mirakotra lamba ilay izy fa mirakotra gazety bdb,avy eo in-1 za niampita tanimbary mandrevo fotaka be zany,dia avy be ny orana dia tapaka ilay nofy,nojereko ny ora efa @ 7 maraina,zay vao nikoropaka nifoha.Hatr@ zao tsy afaka ato antsaiko ilay nofy hoe inona ary zany????LOOOZAAA

Zah kalou tsy mpahay nofy an nefa na izany aza ezahiko omena anao ihany ny mety ho antony nampanonofy anao an'io toe-javatra io:
1°) Mety ho reraka loatra ianao noho ilay tsy fahampian'ny torimasonao hatr@ 3ora maraina hany ka mbola ao anatin'ny matsiro ny torimasonao nefa ny andro efa mandeha ho @ 7ora, mety ho nisy olona maromaro naresadresaka tao antokon-tany na tsy haiko de iny no nifangaro t@ nofinao ka nitarika fisehoany ho somary ratsy
2°) Raha toa ka nisy olom-pantatrao indray tao anatin'ilay nofy dia arakaraka ny fisehony io: *Mety tsy ho hitanao tao anatiny aloha ilay faty fa raha sanatria ka izy ohatra ilay hitanao nolanjaina de mety hisy loza hihatra aminy ;
* Raha nilanja fotsiny indray ilay olona de tsy misy fiantraikany firy aminy fa mety ho eo @ fiaraha-monina akaiky anao no mety hisian'ny fitrangan-javatra.
Entiko hanaporofoana anao ireo hevitro ireo de tantaraiko aminao ity tranga-nofy nahazo ahy ity. Nanana namana akaiky be ahy aho ( samy mpiandraikitra zahay tao @ scout ) fa nofisiko hono fa niara-niandry faty izahay ary tena tao anaty fasana mihitsy ilay fiandrasam-paty no niseho. Afaka herinandro taorian'io de maty izy voan'ny voahitsaky ny fiara niaraka t@ moto tao ambany tao ( tao anatin'ny fisian'ny eclypse solaire teto Mada iny no nahafaty azy ).
9. xxx ( 18/08/2008 17:19)
Ressusciter:

# Si le dormeur rêve qu'il ressuscite: présage d'une prochaine occasion de faute grâve

# S'il songe rappeler quelqu'un à la vie: indigestion.

10. endrika01 ( 18/08/2008 17:52)
Resaka nofy ihany.Taminy madiva ho maraina nahafaty ny bebeko zah dia nanonofy nahita azy miakanjo fotsy tsara tarehy be,misarom-boaly no lasa tanora kely,hitako mijoro mibanjina ahy,teo akaiky ny trano hipetrahako aty lavitra aty,nefa ry zareo any @km firy.Nosoratako tao @Diary ko io nofy io!Niatso tany @tanana aho 1mois taorianio,dia voalaza fa nodimandry t@zao daty sy andro hadiva maraina ny renibenao,tsy sahy nanakotaba izahay...(de teo no ninoako ny voalazany namana iray zay we,refa manonofy mahita mpanao mariazy, mariazy,dia hisy fahafatesana,@fianakaviana na manodidina na havana,na namana)
11. niryna ( 19/08/2008 04:13)

Ny ahy indray dia tena maro efa na dia ny antony nahatonga ahy niditra tato amin'ny serasera aza dia efa nasehon'Atra ahy enimbolana mialoha..Tantara lavabe io fa dia isaorako tokoa ny Tompo nitarika ahy ho ato...
Farany dia nofiko hono feno olona teo an-tokontaninay ary toa olona miakanjo tsara saingy maity avy ary dia tapaka teo ny nofiko.Tsy fantatro fa tany amin'i nenitoako izay tazain'i mamanay ny saiko ary dia nivavaka ho azy aho mba ho vonjen'Atra ny fanahiny amin'izay mbola velona izao..rehefa nanokatra e-mail aho ,inona no zavatra nitranga ? Maty ilay nenitoanay ary teo an-tanana no nanaovana ny fiandrasam-paty sy famangiana.
12. niryna ( 19/08/2008 04:27)
nikah:

Ka io efa voalazako etsy ambony io ry Ni a!Sao mba fantatr'i toi ee!

Nikah a alefako any amin'ny e-mail-nao any ny fahafantarako ny dikan'io nofinao io.
Efa nohazavaiko ity fa dia mbola averiko ihany.
Misy olona mino ny nofy ary misy tsy mino.
Ny nofy dia voasoratra ao anaty baiboly ary tao anatin'ny nofy maro no nasehon'Atra ny olony.
Ny dikan'ny nofy dia samihafa araky ny toerana misy azy...Ny any amintsika izao raha manofy trondro ohatra dia misy milaza fa bevohoka vavy ,,,sns
Raha araky ny zavatra mitranga isan'andro kosa dia ilay mpanofy sy omen'Atra ilay dikany dia mahita experiences miankina amin'ilay nofy maro nomeny na omen'ny olona izay mitantara azy.
Ny tena dikan'ny nofy amin'ny experiences nandalovako dia tlena midika zavatra ilay izy raha toa ka tadidin'ilay mpanofy ny tantara rehetra hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany;Ny fihetsika tao anaty nofy:olona faly sy manjoretra,ny akanjo(miankanjo maitsy sa fotsifotsy,ilay olona ao anaty nofy(tafiditra ve hianao nanofy sa ao ihany fa mijery fotsiny ...
Ny nofy koa dia misy karazany maro: ao ny manofy ririnina ,ao ny reraka dia lasa manofy ,ao ny voky dia tsy nahalevona sakafo ka reraka ny vatana mamotika ilay sakafo izay vao nohanina tsy ela kanefa tonga dia natory ilay olona.Ao koa ny nijery film mampatahotra na mangitakitaka na namaky boky toa izany sy ny marobe tsy voatanisa.
Samy manana ny filazany avy koa ny olona arakaraky ny zavatra mitranga .
Ny nofy dia mitovy ny fahitana ,mambara zavatra na mahasoa ,na mampianatra antsika hihonona amin'ny zavatra mety hitranga (ny fahafatesana ohatra izay mety tsy ho zakantsika ilay izy indrindra raha lavitra ilay fianakaviana isika
Misy izany fambara loza,misy fambara zavatra hafa ary arakaraky ny fanahy izay manoro ilay olona koa io,mivavaka raha kristiana ka omeny ny fahafantarana ny dikan'ilay nofy dia omeny tokoa ny fanazavana mikasika ilay nofy.
Misy tonga dia fantatra hoe izao na izao ..ary tonga dia malahelo kely ny tena na koa falifaly..
Misy koa dia fambara zavatra ho avy,efa lasa ary ankehitriny.Raha mino ny nofy ilay olona dia misy mahatsara azy ilay fahalalana azy,misy koa anefa toa maniry ny tsy ahalala ny dikan'ilay nofy ny tena indrindra rehefa asehony ao anatin'ny nofy ny andaozan'ny fianakaviana antsika(io ny ahy no tena tsy zakako ary dia nangataka aho ny tsy omeny nofy intsony satria tena mankarary fo ilay fahafantarana ilay izy raha amin'ny nofo no jerena ,saingy raha ny fanahy masina kosa no miasa ato amintsika dia faly ny tena satria nomeny hery mialohan'ilay zavatra hitranga ary dia omeny hery koa ahay honona izay mitrange eo.
Izay angamba no azoko azavaina kely amin'izay zavatra kely fantatro mikasika ny nofy .

13. nikah ( 19/08/2008 10:22)
Misaotra anareo nanoro ee!Misy hosaitsainina. :* :*
14. endrika01 ( 19/08/2008 10:27)
niryna:
nikah:
Ka io efa voalazako etsy ambony io ry Ni a!Sao mba fantatr\'i toi ee!
Nikah a alefako any amin\'ny e-mail-nao any ny fahafantarako ny dikan\'io nofinao io. Efa nohazavaiko ity fa dia mbola averiko ihany. Misy olona mino ny nofy ary misy tsy mino. Ny nofy dia voasoratra ao anaty baiboly ary tao anatin\'ny nofy maro no nasehon\'Atra ny olony. Ny dikan\'ny nofy dia samihafa araky ny toerana misy azy...Ny any amintsika izao raha manofy trondro ohatra dia misy milaza fa bevohoka vavy ,,,sns Raha araky ny zavatra mitranga isan\'andro kosa dia ilay mpanofy sy omen\'Atra ilay dikany dia mahita experiences miankina amin\'ilay nofy maro nomeny na omen\'ny olona izay mitantara azy. Ny tena dikan\'ny nofy amin\'ny experiences nandalovako dia tlena midika zavatra ilay izy raha toa ka tadidin\'ilay mpanofy ny tantara rehetra hatramin\'ny voalohany ka hatramin\'ny farany;Ny fihetsika tao anaty nofy:olona faly sy manjoretra,ny akanjo(miankanjo maitsy sa fotsifotsy,ilay olona ao anaty nofy(tafiditra ve hianao nanofy sa ao ihany fa mijery fotsiny ... Ny nofy koa dia misy karazany maro: ao ny manofy ririnina ,ao ny reraka dia lasa manofy ,ao ny voky dia tsy nahalevona sakafo ka reraka ny vatana mamotika ilay sakafo izay vao nohanina tsy ela kanefa tonga dia natory ilay olona.Ao koa ny nijery film mampatahotra na mangitakitaka na namaky boky toa izany sy ny marobe tsy voatanisa. Samy manana ny filazany avy koa ny olona arakaraky ny zavatra mitranga . Ny nofy dia mitovy ny fahitana ,mambara zavatra na mahasoa ,na mampianatra antsika hihonona amin\'ny zavatra mety hitranga (ny fahafatesana ohatra izay mety tsy ho zakantsika ilay izy indrindra raha lavitra ilay fianakaviana isika Misy izany fambara loza,misy fambara zavatra hafa ary arakaraky ny fanahy izay manoro ilay olona koa io,mivavaka raha kristiana ka omeny ny fahafantarana ny dikan\'ilay nofy dia omeny tokoa ny fanazavana mikasika ilay nofy. Misy tonga dia fantatra hoe izao na izao ..ary tonga dia malahelo kely ny tena na koa falifaly.. Misy koa dia fambara zavatra ho avy,efa lasa ary ankehitriny.Raha mino ny nofy ilay olona dia misy mahatsara azy ilay fahalalana azy,misy koa anefa toa maniry ny tsy ahalala ny dikan\'ilay nofy ny tena indrindra rehefa asehony ao anatin\'ny nofy ny andaozan\'ny fianakaviana antsika(io ny ahy no tena tsy zakako ary dia nangataka aho ny tsy omeny nofy intsony satria tena mankarary fo ilay fahafantarana ilay izy raha amin\'ny nofo no jerena ,saingy raha ny fanahy masina kosa no miasa ato amintsika dia faly ny tena satria nomeny hery mialohan\'ilay zavatra hitranga ary dia omeny hery koa ahay honona izay mitrange eo. Izay angamba no azoko azavaina kely amin\'izay zavatra kely fantatro mikasika ny nofy .
Raha Manonofy trondro hono,mahita trondro maintsy dia hahazo vola ianao,zany we vola hiditra aminao(namako Mauricianne no nilaza)dia tena nahazo vola tokoa aho aloha,ary vola tsy mba noheritreretiko intsony ho azo. Raha trondro maina,na trondro masaka kosa dia ratsy be, resaka filana ara-nofo,zany we enao mangetaheta mafy ny hiaraka amanolona,na misy olona mitetika ny hiaraka aminao nefa tsy ankasitrahanao!(eto zany dia voafaritra we mahita ,fa tsy we misaka trondro):-P
15. nikah ( 19/08/2008 11:03)
Sao dia diso ny nandefasan'i endrika sy Nyrina azy fa tsy misy voaraiko ny msgnareo ange azafady ee
16. niryna ( 19/08/2008 17:16)
nikah:

Sao dia diso ny nandefasan'i endrika sy Nyrina azy fa tsy misy voaraiko ny msgnareo ange azafady ee

ato amin'ny sera ihany ka .angaha misy mahalala ny e-mail-nikah.

:D
17. endrika01 ( 24/08/2008 17:38)
niryna:
nikah:
Sao dia diso ny nandefasan\'i endrika sy Nyrina azy fa tsy misy voaraiko ny msgnareo ange azafady ee
ato amin\'ny sera ihany ka .angaha misy mahalala ny e-mail-nikah. :D
zah kou tsy mahalala! :lol:
18. tsiambaratelo ( 23/09/2008 04:02)
niryna:

nikah:

Ka io efa voalazako etsy ambony io ry Ni a!Sao mba fantatr'i toi ee!

Nikah a alefako any amin'ny e-mail-nao any ny fahafantarako ny dikan'io nofinao io.
Efa nohazavaiko ity fa dia mbola averiko ihany.
Misy olona mino ny nofy ary misy tsy mino.
Ny nofy dia voasoratra ao anaty baiboly ary tao anatin'ny nofy maro no nasehon'Atra ny olony.
Ny dikan'ny nofy dia samihafa araky ny toerana misy azy...Ny any amintsika izao raha manofy trondro ohatra dia misy milaza fa bevohoka vavy ,,,sns
Raha araky ny zavatra mitranga isan'andro kosa dia ilay mpanofy sy omen'Atra ilay dikany dia mahita experiences miankina amin'ilay nofy maro nomeny na omen'ny olona izay mitantara azy.
Ny tena dikan'ny nofy amin'ny experiences nandalovako dia tlena midika zavatra ilay izy raha toa ka tadidin'ilay mpanofy ny tantara rehetra hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany;Ny fihetsika tao anaty nofy:olona faly sy manjoretra,ny akanjo(miankanjo maitsy sa fotsifotsy,ilay olona ao anaty nofy(tafiditra ve hianao nanofy sa ao ihany fa mijery fotsiny ...
Ny nofy koa dia misy karazany maro: ao ny manofy ririnina ,ao ny reraka dia lasa manofy ,ao ny voky dia tsy nahalevona sakafo ka reraka ny vatana mamotika ilay sakafo izay vao nohanina tsy ela kanefa tonga dia natory ilay olona.Ao koa ny nijery film mampatahotra na mangitakitaka na namaky boky toa izany sy ny marobe tsy voatanisa.
Samy manana ny filazany avy koa ny olona arakaraky ny zavatra mitranga .
Ny nofy dia mitovy ny fahitana ,mambara zavatra na mahasoa ,na mampianatra antsika hihonona amin'ny zavatra mety hitranga (ny fahafatesana ohatra izay mety tsy ho zakantsika ilay izy indrindra raha lavitra ilay fianakaviana isika
Misy izany fambara loza,misy fambara zavatra hafa ary arakaraky ny fanahy izay manoro ilay olona koa io,mivavaka raha kristiana ka omeny ny fahafantarana ny dikan'ilay nofy dia omeny tokoa ny fanazavana mikasika ilay nofy.
Misy tonga dia fantatra hoe izao na izao ..ary tonga dia malahelo kely ny tena na koa falifaly..
Misy koa dia fambara zavatra ho avy,efa lasa ary ankehitriny.Raha mino ny nofy ilay olona dia misy mahatsara azy ilay fahalalana azy,misy koa anefa toa maniry ny tsy ahalala ny dikan'ilay nofy ny tena indrindra rehefa asehony ao anatin'ny nofy ny andaozan'ny fianakaviana antsika(io ny ahy no tena tsy zakako ary dia nangataka aho ny tsy omeny nofy intsony satria tena mankarary fo ilay fahafantarana ilay izy raha amin'ny nofo no jerena ,saingy raha ny fanahy masina kosa no miasa ato amintsika dia faly ny tena satria nomeny hery mialohan'ilay zavatra hitranga ary dia omeny hery koa ahay honona izay mitrange eo.
Izay angamba no azoko azavaina kely amin'izay zavatra kely fantatro mikasika ny nofy .

Nanonofy nahita
19. tsiambaratelo ( 23/09/2008 05:53)
Ary raha nanonofy mahita fatapaty?Nanonofy zah halina de mahita lehilahy lava be,tokony ho 2m eo ho eo.Miakanjo matroka be loko fisaonana.Mifanehatra t@lalana nandehanako.Zah ao anaty fiara hiakandrefana,aty an-kavanan-dalana ,izy hianatsinanana aty an-kavian-dalana.Misy fiara mainty mitondra vata-paty lava be feno voninkazo ,eo ambony ny lay vata-paty,mandé morakely!Tsy nahita olon-kafa afatsy io lehilahy lava be io aho(de ozizy aho wé angamba mamany na vadiny no maty)ao anaty ny nofy aho sady mieritreritra.De refa avy eo toa nitodi-doha ndray ny fiara nandehanako,de mbola tratranay iany le fiara nitondra lay razana,de iny fa mbola namikiviky lay lhl tokana tsy nisy olona hafa!Izy @zany manjombon endrika sy voton alahelo.De nandalo teo akaiky ny lay fiara ny fiara nitondra ahy dia natahotra be zah!De avy eo nihoaranay lay fiara sy le lhl tokana lava be mamindra mora manaraka lay fiara mitondra razana. :-w
20. tsiambaratelo ( 24/09/2008 12:16)
tsiambaratelo:
Ary raha nanonofy mahita vatam-paty?Nanonofy zah halina de mahita lehilahy lava be,tokony ho 2m eo ho eo.Miakanjo matroka be loko fisaonana.Mifanehatra t@lalana nandehanako.Zah ao anaty fiara hiakandrefana,aty an-kavanan-dalana ,izy hianatsinanana aty an-kavian-dalana.Misy fiara mainty mitondra vata-paty lava be feno voninkazo ,eo ambony ny lay vatam-paty,mandé morakely!Tsy nahita olon-kafa afatsy io lehilahy lava be io aho(de ozizy aho wé angamba mamany na vadiny no maty)ao anaty ny nofy aho sady mieritreritra.De refa avy eo toa nitodi-doha ndray ny fiara nandehanako,de mbola tratranay iany le fiara nitondra lay razana,de iny fa mbola namikiviky lay lhl tokana tsy nisy olona hafa!Izy @zany manjombon endrika sy voton alahelo.De nandalo teo akaiky ny lay fiara ny fiara nitondra ahy dia natahotra be zah!De avy eo nihoaranay lay fiara sy le lhl tokana lava be mamindra mora manaraka lay fiara mitondra razana. :-w
Misaotra ny namana fa angamba tsy ilaina fanazavana lay nofiko ny Alatsinainy alina hifoha Talata;satry nisy lhl libanais lava ranjanana tonga tato omaly talata tokony mitatao vovonana,nilaza fa maty io maraina io ny Rainy,mpitan-tsoratra tato taloha,efa ho 5 volana zay tsy tonga tato tsony izy tsy nandrenesana vao2.Zanany tokana! Danz iany lay nofy, fa mba maivana aloha ny eritreritro,fa omaly maraina de efa tapitra nanotaniako avokou ny namako,satry natahotra aho.Ny sasany namaly wé raha olona fantatrao de ela velona,fa ratsy fantatrao de hafa2 iany! Oufff,maivana ndray alou ny eritreritra!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3962