mba te hiantefa (Bessa)

1. tsiahi ( 12/08/2008 20:26)

manao ahoana daholo, mitady ny tonon'ilay hira n'i Bessa: mba te hiantefa aho , misaotra betsaka
répondu par tsiahi le 18/08/2008 18:17
2. pissoa ( 12/08/2008 23:05)
Mba te hiantefa ao am-ponao
'Zao vetsovetsom-poko rehetra izao
Mba te hikiky 'zay ratra tao
Ny fitiavako nandao anao

Tsaroako anefa, fa nofy izany
Fa fitiavana efa vita na tsy nisy
Nianjonanao 'ty fo tomany
Masoandro vao nitranga teo dia dify.

Fanantenana am-pitsiriana
Ny haniriany aza tany maina
Ka ratra, eso tsy fohy ariana
Hamelana izy dia hotazako.

Mba te ho maina ny maso mando
Toloranao fitiavana indray
Mba te ho tony, eny isan'andro
Hianoka fitia mandrakizay.

Tsaroako anefa, ho mafy izany
Tsy ho ketraka aho
Fa hanantena anao hantrany ;
Izay milefa dia aleo ho any
Na sarotra aza manantena ihany.

Milay :-D :-D :-D
3. lembelo ( 13/08/2008 08:20)
Tafahaona ny feon-kira tsara rindra sy ny tononkira tonga lafatra.
Tiako loatra ny tononkalon'i Aina (Randrianaivosoa), ary mpandimby mendrika an-dry Rado sy ry Randza tokoa ny tovovavy. Rahoviana ny tohin'ny "Farango sosona" ?
4. tsiahi ( 18/08/2008 18:17)

misaotra ry Pissoa fa hitako ilay notadiaviko noho ianao ary dia noho ianao .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.058