tantara mampibebaka e!!!

1. todisoa2 ( 11/08/2008 08:03)
Zaraiko ny ahy, ary manantena anareo namana koa hizara. Tantara tena nisy izy ity, nihatra tamina miaramila kely amerikana iray niady t@ Ady Lehibe Faharoa. Izy no kely taona indrindra t@ireo miaramila amerikana, t@izany fotoana izany. T@ity indray mitoraka ity dia isan’ny nalefan’ny Firenena Amerikana hanampy tany Frantsa ity ranamana ity, tamin’ny disembarkation of Normandy. Mafy loatra ny nifanandrenana t@ fahavalo ka voatifitra ranamana, tena voa mafy tokoa. Nanaraka avy ato aoriana ireo mpitondra fivavahana, manao ny liturgy @ fahafatesan’ny miaramila eny ihany. Sendra tonga teo anoloan’ilay ranamana izy. Indro ilay tovolahy efa kely sisa ny aina mihazona azy. Onena azy ity Mpitondra fivavahana (Mopera Frantsay ilay izy), ary dia nanantona azy.
- Inona no tianao hataoko aminao? Hoy DaRepa.
- Omeo rano aho hositroiko, hoy ilay miaramila kely, fa tena mangetaheta aho.
- Andraso ary fa hareniko, ny zanako; hoy ilay Mopera sady nanarina no nanao am-pofoiny ilay miaramila kely.Mety? Aiza ny maharary ny zanako? Hoy indray ilay mopera nanontany azy.
- Tsy haiko intsony ny maharary ahy tompoko. Donto loatra aho fa omeo rano hosotroiko.Matahotra aho tompoko. Matahotra ny hofaty!!!!

Onena azy ilay Mopera ka dia nanome rano an’ity ranamana avy ao anaty gourd- ny. Natohony tsara teo amin’ny vavan’ilay miaramilakely ny gourd, ary nampidininy mora mora ny rano avy eo. Efa hita anefa fa manomboka kofona ranamana. Nahatsikaritra zavatra nanohina azy anefa(nahakasika ny tenany) ilay miaramila kely. Ary nikisaka kely izy, na dia efa tsy afa-mihetsika mafy intsony aza. Indro hitany kitapo kely, hay iambozonan’ilay Mopera.
- Inona ity entinao ity? Hoy ny fanontanian’ilay miaramila kely. Efa ambany dia ambany ny feony. Toa mbola manantena zava-dehibe, magical e, famonjena avy @ity mopera koa angamba e !!!!
- Ity ve? Hoy ny navalin’ilay Mopera. Indro navoakany avy tao anatin’ilay kitapokely, baiboly efa tena hita fa tonta tokoa.ato no misy ny teny. Ny teny izay hany azontsika itokisana. Ato no misy ny teny manoro antsika ny lalana. Ny tena lalana marina!!!!

Nitohy elaela ny fampianaran’ilay Mopera. Ary toa tena talanjona ity miaramila kely miankina eo an-tratrany, tena falifaly endrika no sady miramirana ery, mihaino ny Teny Fahazavana. Ary mbola nisy fotoana vitsy nandraisany ny Tenim-pamonjena, nandraisany an’I Jesosy ho tena Tompo sy Mpamonjy Azy marina. Hoy indrindra izy:
- Teo aloha aho tompoko, dia nino ihany. Nino ihany satria mpivavaka daholo ny fianakaviako. Ka dia mba nivavaka koa aho. Ankehitriny anefa aho, niova. Tena nahita an’I Jesosy aho. Ary tsy manahy ny amiko intsony, satria koa novonjeny.nataoko fahazarana Jesosy taloha, fa ataoko filamatra ankehitriny. Nataoko ho haraton’aina hiantsampazana Izy taloha, fa hataoko vaindohan-draharaha ankehitriny.

Minitra vitsy taorian’io dia nakimpiny ny masony. Toa efa fantany fa tonga ny fotoana handehanany. Mbola nahavita vavaka fifonana izy, vao tena tapitra tanteraka ny ainy. Ary dia tankina tsy nahateny n’inon’inona teo ilay Mopera. Tsy afaky ny nanao inona, afa-tsy ny nidera an’Andriamanitra.

Isika matetika, manadino ny famakiana Baiboly. Na ataontsika ho fampaherezana raha sendra malahelo iny isika, na fitadiavana vahaolana raha sendra manan’olana iny isika, dia izay. Hadinontsika ny hery entin’izy io manatsara ny fiainantsika isan’andro. Izaho aza matetika, anatin’ny herinandro tsy misokatra io Baiboly io, raha tsy any am-piangonana izany. Asa hianao na hoatr’ahy? Antenaiko fa tsy hotoy izany. Enga anie mba havitrika handinika ny Baiboly. Eny fa na dia I Mopera aza teto tsy nahatsiahy ny hizara ny tenin’Andriamanitra voarakitra ato anatin’ny baiboly raha tsy ilay miaramila kely no nampahatsiahy azy izany.
Mila isika manao koa ny Baiboly ho loharanom-pifaliantsika, fototra iorenan’ny zavatra rehetra ataontsika, ny lalana rehetra halehantsika. Izao Tontolo Izao mora levona, fa ny Tenin’Andriamanitra tsy mba holevona. Tadidio anefa, fa any indray andro any, hoy ny ao @Testamenta taloha izay, tsy ho mosarena sakafo, tsy hangetaheta rano ny olona, fa ho mosary tenin’Andriamanitra, hangetaheta ny Teny Faminaniany. Nisy tokoa fotoana tena ‘’nangina Andriamanitra” tamin’ny Zanak’Israely. Ary tena nitady mafy ny famantarana, fampaharezena sy zava-tsoa maro avy t@Andriamanitra izy ireo, anefa tsy nahare n’inon’inona ny Zanak’Israely. Ary sombintsombiny @ireo teny voarakitra no novakiana sy naverimberina rehefa mivory izy ireo. Matetika dia iny foana no heno isan’andro isan’andro. Any koa indray andro any, hangetaheta, ho mosary ny Tenin’Andriamanitra ny tany rehetra. Hidradradra, hikiakiaka, hitalaho sy hitomany ny olona hitady mafy an’Andriamanitra anefa tsy hamaly Izy, satria “hangina Andriamanitra”. Ary dia hotoy ny ankohokely nilaozan-dreniny isika, ka mora azon’ny fahavalo rehetra, mora resy, mora vonoina satria tsy misy dikany intsony, tsy misy antom-pisiana intsony. Raiso ary Jesosy, raiso dieny izao Izy, satria mbola fotoan’ny Famindram-pon’Andriamanitra mirotsaka hoantsika izao. Mbola fotoana itenen’Andriamanitra @ alalan’ny Baiboly sy ny Mpanompony maro samihafa izao andro izao!!!!
Mbola hitohy!!!
2. Mandefitra ( 11/08/2008 11:48)
Misaotra an\'i Todisoa nizara. ARy mankahery anao hatrany @ fizarana zay tsara hampandrosoana ny fanjakan\'Andriamanitra. Homba anao anie ny Tompo.
3. ikaretsaka ( 11/08/2008 17:19)
ary raha any @ tany tsisy baiboly ry todisoa na tany voarara ny mamaky baiboly?
izay no lazaiko anao hoe aza mionona @ io...misy koa ny raozery (baiboly an-dratsan-tanana) ohatra.. ny meditations sns... ny mianatra m,ijery an'Andriamanitra eo anivon'ny zavatra rehetra (finding God in all things)
tsara ianarana..@ izay ny fivavakao tsy atouts anankiray ihany no ananana fa mandeha foana ny vavaka arakaraky ny situations...
sady mamaofy ovy no manao Raozery ohatra ....
andramo anie e
4. todisoa2 ( 12/08/2008 07:42)
Andramo ny zavatra rehetra. Jerena foana anefa izay mahasoa. Isika tsy afaka miala @ tenin'ny Soratra Masina satria io no efa azontsika, efa fantantsika hatrizay, io no nampianarina antsika. Ka dia io aloha no ataontsika ho voalohany. Izany anefa tsy mahasakana antsika hanandrana ny zavatra rehetra, ary hitana izay zavatra tsara ambadika azy ireny. Mazotoa raika
5. prime ( 12/08/2008 18:07)
Misaotra todisoa2...
6. ikaretsaka ( 13/08/2008 02:24)
dia izay efa azo sy izay efa fantatra ihany ve no ihanonana fa tsary hivoy zavatra hafa mihitsy?
7. Mandefitra ( 13/08/2008 05:01)
ika:
dia izay efa azo sy izay efa fantatra ihany ve no ihanonana fa tsary hivoy zavatra hafa mihitsy?

Ny tanjona tokana : ny handovana ny fiainana mandrakizay
Ny lalana tokana : finoana an'i Jesosy kristy Zanak'Andriamanitra Lahitokana

Ireo mbola tsy niova ary tsy hiova. Ary ny soratra Masina naneho izany miharihary, miampy ny fitsilovan'ny Fanahy Masina ...
Que demande le peuple hozy ny vazaha :)
8. todisoa2 ( 13/08/2008 08:20)
ikaretsaka:

dia izay efa azo sy izay efa fantatra ihany ve no ihanonana fa tsary hivoy zavatra hafa mihitsy?


Ampy sady feno ny voalazan'ny Mandefitra eo ambony, fa tsy ampiana intsony. Msaotra e!!
9. fahamarinana ( 13/08/2008 08:32)
todi:
Andramo ny zavatra rehetra. Jerena foana anefa izay mahasoa. Isika tsy afaka miala @ tenin'ny Soratra Masina satria io no efa azontsika, efa fantantsika hatrizay, io no nampianarina antsika. Ka dia io aloha no ataontsika ho voalohany. Izany anefa tsy mahasakana antsika hanandrana ny zavatra rehetra, ary hitana izay zavatra tsara ambadika azy ireny

:arrow: itovizako hevitra ihany koa.Misaotra e!
mandefitra:
Ny tanjona tokana : ny handovana ny fiainana mandrakizay
Ny lalana tokana : finoana an'i Jesosy kristy Zanak'Andriamanitra Lahitokana
Ireo mbola tsy niova ary tsy hiova. Ary ny soratra Masina naneho izany miharihary, miampy ny fitsilovan'ny Fanahy Masina ...

:arrow: marina tanteraka
ika:
dia izay efa azo sy izay efa fantatra ihany ve no ihanonana fa tsary hivoy zavatra hafa mihitsy?

:arrow: ka ilay rozery anie ika ny katolika no tena mpanao azy aloha ka sarotra ny hiovàna hanao izany ho an'ny hafa raha izay aloha no alaina oh 1er.....tsy maninona hoy aho ny mivoy ,raha ny amiko manokana fa tandremana tsy hivoana amin'ny Finoana ananana kanefa eto dia samy manana ny Finoana sy Fomba fijery ka sarotra ny hi-definir hoe inona no azo atao sy tsy azo atao sy ny mety sy tsy mety :) (l)
10. niryna ( 13/08/2008 15:59)
ikaretsaka:

ary raha any @ tany tsisy baiboly ry todisoa na tany voarara ny mamaky baiboly?
izay no lazaiko anao hoe aza mionona @ io...misy koa ny raozery (baiboly an-dratsan-tanana)

dia ataovy izany ny baiboly an-dratsan-tananao ka inona no olona raha mifanaraka ny tenin'Atra izany oops .....
ikaretsaka:

sady mamaofy ovy no manao Raozery ohatra ....
andramo anie e

alefako ny radio dia mihaino ny hira masina eo koa aho e, dia avadiko kely ny onde dia mahazo toriteny indray aho avy eo,dia nahazo vatsimpanahy vao maraina indray aho e
todisoa2:

Andramo ny zavatra rehetra. Jerena foana anefa izay mahasoa.
ka mifanaraka ny soratra masina izay nampianarina antsika
todisoa2:
Isika tsy afaka miala @ tenin'ny Soratra Masina satria io no efa azontsika, efa fantantsika hatrizay, io no nampianarina antsika. Ka dia io aloha no ataontsika ho voalohany

marina izany ary izany no lazain'ny Salamo hoe ataoko ao ambavako mandrakariva ny teninao ..sy ny Salamo 1 manao hoe ......Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin'ny lalana falehan'ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira;2 Fa ny lalàn'i Jehovah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman'alina.

4 Fa tsy mba toy izany ny ratsy fanahy fa toy ny akofa aelin'ny rivotra izy.

5 Ary noho izany ny ratsy fanahy dia tsy hahajanona eo amin'ny fitsarana, na ny mpanota eo amin'ny fiangonan'ny marina.

6 Fa fantatr'i Jehovah ny lalan'ny marina
, fa ny lalan'ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin'ny fahaverezana.

todisoa2:

. Izany anefa tsy mahasakana antsika hanandrana ny zavatra rehetra, ary hitana izay zavatra tsara ambadika azy ireny. Mazotoa raika


e!e ! misaotra tody a.Marina tanteraka izany tsy misy afaka miala amin'ny tenin'Atra tokoa isika.
Mihaino,mijery ,mianatra ary mamakafaka ireo mpizara eo isika fa
raha namana ka mamarina ankady tsara koa no tsy minamana azy intsony satria manoro voana foana izy,tsy ilaina ny baiboly e,tsy mila manao tsianjery e,tsy mila miblabla e..
aoka aza izy mba ampiseho ny tsy ilaina ny tenin'Atra ho antsika na zavatra hafa vaovao hianarana ny tenin'Atra mba ho hita raha mifanarana ny tenin'Atra ilay izy na fampianarana avy amin'ny olombelona (religion ...oops )

ny tenin'Atra dia mitoetra ao am-po ho an'izay mandray azy,ahoana tokoa moa no ahalalany ny tenin'Atra raha tsy nomena azy izany ? saingy indrisy fa tsy fantany ary tsy ho azony antsaina mihitsy ny fahasarobidiny raha tsy nomena azy tokoa izany .Raha tsy ao aminy koa ilay teny dia ahoana moa no ahalalany azy raha tsy nisy nanome .

Mahereza e ary misaotra hatrany tody nizara e
Manao ny ahy io
:-*
11. ari.malala ( 14/08/2008 12:01)
ikaretsaka:
ary raha any @ tany tsisy baiboly ry todisoa na tany voarara ny mamaky baiboly?
izay no lazaiko anao hoe aza mionona @ io...misy koa ny raozery (baiboly an-dratsan-tanana) ohatra.. ny meditations sns... ny mianatra m,ijery an'Andriamanitra eo anivon'ny zavatra rehetra (finding God in all things)
tsara ianarana..@ izay ny fivavakao tsy atouts anankiray ihany no ananana fa mandeha foana ny vavaka arakaraky ny situations...
sady mamaofy ovy no manao Raozery ohatra ....
andramo anie e
todisoa2 :
Andramo ny zavatra rehetra. Jerena foana anefa izay mahasoa. Isika tsy afaka miala @ tenin'ny Soratra Masina satria io no efa azontsika, efa fantantsika hatrizay, io no nampianarina antsika. Ka dia io aloha no ataontsika ho voalohany. Izany anefa tsy mahasakana antsika hanandrana ny zavatra rehetra, ary hitana izay zavatra tsara ambadika azy ireny. Mazotoa raika


fa iza no miteny aminareo fa ny raozery d mifanaraka am soratra masina? nalaina tao am soratra masina dool ny mistery 4 dinihina amin'ny raozery k!
12. todisoa2 ( 14/08/2008 14:46)
tsisy fisaorana zoky nirina a!!!
13. fijo ( 14/08/2008 20:53)
hita aloha fa mpino protestanta le mitantara.
ary za koa vao naika hametraka le fanontaniana "hoe ary raha tsy nisy baiboly tany amin'i mopera??????"""tsy hovoavonjy mihintsy izany boay kely rah atsy nisy ilay baiboly ???
14. niryna ( 15/08/2008 12:56)
fijo:

hita aloha fa mpino protestanta le mitantara.
ary za koa vao naika hametraka le fanontaniana "hoe ary raha tsy nisy baiboly tany amin'i mopera??????"""tsy hovoavonjy mihintsy izany boay kely rah atsy nisy ilay baiboly ???

tsy ilay fiangonana no tena zava -dehibe ry fijo a fa ilay teny nozarainy ho antsika ,inona no azoko raisina eto amin'ity zavatra nomeny ity.
Kristy no famonjena fa tsy ny fiangonana fa raha misy fiangonana ka mampianatra zavatra hafa mifanohitra izany dia tsy fiangonan'i kristy izy izany,sao dia io aza ilay lazaina hoe synagogan'i satana k'ty ...
15. cutie ( 16/08/2008 14:27)
le amazing grace koa ry zareo mba jereo fa sady tantara tena marina no mety mampibebaka koa ngamba lol
16. ikaretsaka ( 16/08/2008 18:13)
ari> marina izany

tsy ilay fiangonana no tena zava -dehibe ry fijo a fa ilay teny nozarainy ho antsika


hafa indray iny
ohatran'ny hoe tsy ny loharano ny zava dehibe fa ny rano!
come on... raha tsy nisy loharano de taiza ianao no nanovo rano?? sa de hitaty orana???

dia iza no nitahiry sy nitandrina ary nandravona ny teny hono??
tadidio fa ratsambatan'i Kristy ny fiangonana ry niryna!



17. niryna ( 18/08/2008 04:28)
cutie:

le amazing grace koa ry zareo mba jereo fa sady tantara tena marina no mety mampibebaka koa ngamba lol

misaotra aky cutie a,tena tiako io hira io

:-* :-*
18. ari.malala ( 18/08/2008 08:22)
niryna:

fa raha misy fiangonana ka mampianatra zavatra hafa mifanohitra izany dia tsy fiangonan'i kristy izy izany,sao dia io aza ilay lazaina hoe synagogan'i satana k'ty ...



in no tian mpanoratra lazaina amle fampianarana zavatra hafa?

iverenako le resaka hoe mandefa radio etc.. le tantara eto anie any am tany miady e, k raha any am tany miady aiza no ahitana radio? hahaha aza mampime nge ry niryna a!
19. niryna ( 21/08/2008 04:32)
niryna:

fa raha misy fiangonana ka mampianatra zavatra hafa mifanohitra izany dia tsy fiangonan'i kristy izy izany,sao dia io aza ilay lazaina hoe synagogan'i satana k'ty ...
ari.malala:



in no tian mpanoratra lazaina amle fampianarana zavatra hafa?

iverenako le resaka hoe mandefa radio etc.. le tantara eto anie any am tany miady e, k raha any am tany miady aiza no ahitana radio? hahaha aza mampime nge ry niryna a!

ny lanitra no ho levona fa ny teniko tsy mba ho levona hoy JK .
Jereo fa alefako eo ambony eo io tantara io.Inona no zavatra tsy ho vitan'Atra ? .Ho an'ny mpino Azy io !

20. ari.malala ( 21/08/2008 05:42)
aza ahodinkodina hoa le valinteny ry niryna fa ze tena tinao lazaina vantanina! inona no tianao tenenina amle hoe fiangonana mampianatra zavatra hafa mifanohitra? inona le zavatra hafa mifanohitra? aza ny zavatra efa haiko no averina amko azafady fa ny zavatra anontaniako valiana, misaotra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0078