Ny namana namako hiany fa izy no tsy te hinamana intsony !!!

1. niryna ( 01/08/2008 16:14)
Raha mitia namana isika dia tena tia tokoa ary mandrakizay ilay fitiavana namana ,misy anefa toa eritreretintsika fa mbola namantsika ihany na toy ny naha mpinamana antsika fahiny ihany kanjo toa niova izany...Efa tratran'io koa ve hianao ? hoy mantsy i xxx hoe : ..
xxx:
.NAMANA….TENA NAMANA!!!!!
Misy ny namana izay leo angamba. Leo ny mifampiresaka ka dia manao izay tsy hifankahitana, manao izay tsy hifampiresahana intsony. Misy aza @izy ireny mahatsapa fa tsy dia misy intérêt-ny loatra ny hifankahalalana, sy hifampizarana ny ao am-po ka dia mody fanina sy manao izay hahitana fa miavonavona, fa tsy te-hifandray aminao intsony. Misy @izy ireny kosa ny mahatsapa fa tsy intéressant, na koa tsy misy iasany saina @izay resaka ka dia aleony mangina, aleony mody fanina ka tsy mihevitra intsony. .
xxx:
Misy kosa namana. Tena namana, zoky. Misy t@ireny mbola tsy nifankahalala akory izahay, dia efa natoky ahy. Nahagaga fa toa nifandray am-po, tsy nety nifankafoy, eny nifanampy @ olana rehetra. Mety gaga angamba ianao raha ilazako fa misy namana mahafoy fahasoavana ngeza be, noho ny fifandraisana. Misy ny namana, fa misy kosa tena namana. Misy ny tsy mahafoy anao. Misy aza tena tsy te-hisaraka amin’ny namany na dia iray minitra monja aza. Satria faly, tna faly noho ny fiarahana. Misy namana mitomany satria voatery hisara-toerana aminy ity olona tena nitokisany, nifampizarany ny fiainany, ny taorahany hatrizay. Misy @ireo namana no mahafoy ny ainy hamony ny tena sakaizany. Misy olona iray izay nahafoy ireny hoan’ny namana akaiky azy indrindra teo @ fiainana, misy mahafoy vola man-karena…

zaraiko antsika io fa lalam-piainana e
(l) niryna
novalian'i niryna ny 13/08/2008 15:22
2. Noue ( 01/08/2008 16:26)
fiainana daholo zany.
3. lovemetoo ( 01/08/2008 17:25)
aza miditra lalina oa ,jereo alo ny tenanao ra tia namana ianao io ,
4. Herimiafina ( 01/08/2008 17:55)
Ny "tsy firesahana" tsy midika hoe "tsy maha-mpinamana".
Ny tena namana no mahafantatra ny antony. :{
5. niryna ( 01/08/2008 18:48)
Noue:

fiainana daholo zany.

marina izany ka izay no mba izarako azy ho antsika

:D
6. niryna ( 01/08/2008 18:52)
lovemetoo:

aza miditra lalina oa ,jereo alo ny tenanao ra tia namana ianao io ,


=))
:roll: lalina aiza no hidirana ??
fizarana hoy aho dia mba omeko antsika fa lalam-piainana mety mandalo io :cry: :cry:
7. Zozoro ( 02/08/2008 07:21)
Be ny namana tia anao fa angamba tsy tsikaritrao. Sao dia saro-tavina kosa !
8. haritianah ( 02/08/2008 14:16)
Arakaraky ny ataonao @ namanao ihany no ataon'ny namanao aminao.Rehefa sarotra atao namana ianao dia modin'ny namanao fanina ko.
Zozoro; marina ny lazainao owé SAO DIA SARO-TIAVINA KOSA.
Raha manaja ny mahampinamana ianao dé tin'ny namano foan ary ts foiny namanao fa enao koa tokony handinitena owé fa maninona ny namako no manao an'izao ay,inona no zvtr nataoko azy.Nisy antony nataonao matoa ny namanao manao zany aminao.
9. niryna ( 03/08/2008 05:21)
Zozoro:

Be ny namana tia anao fa angamba tsy tsikaritrao. Sao dia saro-tavina kosa !

ka izany ny antony izarako hoe mety mandalo toy i xxx io isika indraindray dia tsara fantatra mialoha fa fiainana io Zozoro a
(l) niryna
10. niryna ( 03/08/2008 05:23)
haritianah:

Arakaraky ny ataonao @ namanao ihany no ataon'ny namanao aminao.Rehefa sarotra atao namana ianao dia modin'ny namanao fanina ko.
Zozoro; marina ny lazainao owé SAO DIA SARO-TIAVINA KOSA.
Raha manaja ny mahampinamana ianao dé tin'ny namano foan ary ts foiny namanao fa enao koa tokony handinitena owé fa maninona ny namako no manao an'izao ay,inona no zvtr nataoko azy.Nisy antony nataonao matoa ny namanao manao zany aminao.

marina izany ary izany no noteniniko an'i xxx hoe indraindry be eritreritra ohatra ilay olona dia ny masony mahita fa ny sainy tsy any ,ny ahy avadiko ho zavatra hafa ny antony dia mandry sy tsy ataoko mankarary izay zavatra nipoitra kely teny rehetra teny sa ahoana ?
11. azert ( 06/08/2008 17:15)
Arakaraky ny ataonao @ namanao ihany no ataon'ny namanao aminao.Rehefa sarotra atao namana ianao dia modin'ny namanao fanina ko.

milay beuu zany famalinao azy zany fa merci a ,donc tokony ijery anio i xxx
12. niryna ( 07/08/2008 04:01)
Zozoro:

Be ny namana tia anao fa angamba tsy tsikaritrao. Sao dia saro-tavina kosa !

hi,hi, angaha izaho moa milaza hoe tsy misy mpitia .Maro be tokoa fa misaotra anao,fizarana no ataoko woa !

:D
13. niryna ( 07/08/2008 04:03)
azert:

Arakaraky ny ataonao @ namanao ihany no ataon'ny namanao aminao.Rehefa sarotra atao namana ianao dia modin'ny namanao fanina ko.

milay beuu zany famalinao azy zany fa merci a ,donc tokony ijery anio i xxx


tsy ho voatery kosa angamba ka ,misy olona izao efa kizitina foana dia any amin'ny hafa izy no manapatra ny hatezerany ,hi,hi :cry:
14. haritianah ( 07/08/2008 05:18)
nyrina, ts hisy vy ikitrana irery oi ny fitenenana; raha ts nisy ninonina nataonao ny namanao angamba tsis namanao avy de ikizitina ts mis ninonina eo.Fa ao ny zvtr nikitrananao azy matoa izy mikizitina aminao.
15. niryna ( 13/08/2008 15:22)
haritianah:

nyrina, ts hisy vy ikitrana irery oi ny fitenenana; raha ts nisy ninonina nataonao ny namanao angamba tsis namanao avy de ikizitina ts mis ninonina eo.Fa ao ny zvtr nikitrananao azy matoa izy mikizitina aminao.



:D :D :D misy vy mikitrina ho azy ka, rehefa mianjera :D :D
ny vy tsy mikitrana irery saingy misy toetran'olona tsy te ahalala kosa e,toy io nolazain'i xxx io izao,mpinamana be ry zareo fa nony nody izy dia nety nisy fialonana na famenarana tao saingy rehefa ilay olona nahamenatra azy ohatra no nanatona dia tsy tokony mody tsy mahita kosa e .. izany be tsy mampihomehy sy mampalahelo .

misy olona manana toetra ratsy ary misy olona manana fialonana ny hafa koa ka,tsy ho voatery hoe tsy maintsy manao zavatra foana ny hafa ,rehefa ao aminy ny toetra mpifosa ohatra dia mandeha ho azy.Na izany na tsy izany koa aza anefa dia tsara ho fantatra fa na tsara na ratsy ataontsika ny vavan'ny olona tsy azo ferana rehefa tsy mivaky loha sy tsy manisy sira dia izy ihany no ho vasoka eo sy reraka manenjika ny hafa .Ny alika no manenjika fa tsy enjehina,io ny ahy no fampaherezana nomeko an'i xxx.. dia avelao izy anenjika fa rehefa reraka dia mijanona a :D sa ahoana ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1761