Hangataka hira

1. RATOVOARY ( 01/08/2008 05:05)
Mba omeo ny tonony na partition'ity hira ity mihitsy aza izay manana :

Fiv:
Matetika na sambany ianao
No azom-pitsapanana toy izao
Dia aoka hazava tsara
Fa misy tiany hambara
Fitiavana no antony izao
Sady efa antso ataony aminao
Miomana fo fa tsy ho fantatrao

Toa izay angamba ny fiverenany fa tsy haiko ny chorale mpihira azy ny lahateny koa tsy fantatro.
Misaotra mialoha
novalian'i sarobidy ny 09/08/2008 08:52
2. sarobidy ( 01/08/2008 11:39)
Any amiko misy an'io solfa complet 4 voix fa ny fomba andefasako azy no tsy aiko hoe eto am hafatra ve sa any am mail-nao sa aiza?

Sarotra be mantsy ny handika solfa ndray eto am forum.
3. pkm ( 01/08/2008 11:46)
jereo amin'ity adiresy ity fa azo télécharger-na ao :
http://choralie.org/metadot/index.pl?iid=2168&isa=Category
4. RATOVOARY ( 01/08/2008 12:10)
Sarobidy & pkm > misaotra anareo @ fanampiana ary indrindra indrindra ny @ web fa efa azo soa aman-tsara tao ilay partition complète. Nihoatra ny notadiavina aza no azoko tao.
Mankasitraka e! =D> =D> =D>
5. sarobidy ( 09/08/2008 08:52)
Tsisy fisaorana e! mba zarao koa raha manana zavatra hafa enao e!

pkm: misaotra nizara fa tsara b ny zavatra tao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.6766