Inona no tokony hataoko

1. xxxxxx ( 27/07/2008 10:22)
Sahirana ny saiko fa tsy tian'ny rafozako mihitsy aho. Ny hitako fa mahatonga izao olana izao dia satria izy ireo niara-nipetraka foana taloha, ka nony nivady izahay dia niverina nipetraka @ zanany hafa izy ka nihena ny fiarahan'izy sy ity vadiko ity. Nataoko anefa ny mba hifaneraserana tsy hampisy izany fahabangana izany saingy vao maika toa nanaratsy ny tantana ilay izy.
Talohan'izao dia efa nisy resaka hafa nifanolananay ary efa nifanatrehana dia niaiky rafozako fa diso, ary izaho dia tena namela azy t@ foko tanteraka mihitsy. Dia vita teo iny nefa rehefa mandeha mankany aminy izahay dia miarahaba azy aho fa tsy valiany akory ny fiarahabako. Eo ilay vadiko amin'io fa tsy mba miteny ny reniny akory hoe tsy mety ny ataonao ry mama. Rehefa mifampiresaka @ phone ry zareo dia fady izay mba hiteny hoe: mampamangy amin'ny vadinao ao! Noteneniko ny vadiko hoe: mbola nohon'ny fitiavako anao no tsy hisarahako fa raha tsy izany dia efa ela aho no lasa @ zao ataon'ny reninao lava amiko izao. Mitandrema hoy aho fa rehefa feno ny kapoaka dia tsy maintsy hitobaka ihany na ahoana na ahoana. Miezaka hatrany aho ny handefitra nefa tsy hitako izay fiovana, indrindra ity vadiko tsy mandray ny andraikiny ity na dia kely aza.
novalian'i ni81 ny 30/07/2008 12:38
2. ainaheri ( 27/07/2008 11:53)
Mazava ho azy fa tsy maty souris an-kibo ilay rafozanao ,na nisy aza ny fifanazavana sy fifamelana.........Tsy misy maharatsy ny fitenenanao @ ilay vadinao ny ao amponao,ary ataovy tsapany fa marary ao anaty ianao noho izao toe-javatra zao,ka averimbereno aminy mba ihiditra tsara ao andohany fa tsy ny reniny akory no hanambady sy hiaraka aminy ratrizay...zay fona ny olana misy @ itony fianakaviana itony....Mba tsiahy kely ny ahy,sao kosa nisy zvtr tsy nazava nataonao ka tsy votantaranao teto ka nahatonga ny vadinao tsy mandray ny andraikiny ....(mba eritreritra fotsiny ny ahy iny)
3. hery ( 27/07/2008 11:58)
Tsy hitako hoe inona no hahafeno ny kapoakanao. Fa angaha ny rafozanao no vadianao fa tsy ny vadinao?

Ny vadinao tsy hoe tsy tia anao fa toa tia anao ihany. Sa manelingelina ny fitiavanao ny vadinao ny toetran'ny rafozanao?

Tsy afaka mitia ny vadinao ve ianao raha tsy tia anao koa ny rafozanao?

Ataoko fa ianareo mivady no zava-dehibe. Rehefa mifankatia ianareo dia izay no tena atao hoe tokan-trano. Avy eo hoe raha tia anao ny rafozanao na tsia dia zavatra fanampiny sisa.

Inona no tokony hataonao?

Tiavo ny vadinao dia iaino tsara ny fifankatiavana ao antranonao. Aza miditra amin'izay momba ny fitiavan'ny rafozanao anao akory. Aza mitady olana hafa :-)
4. ravakamalala ( 27/07/2008 13:30)
izay mihitsy io resaka io e! araky ny tenenin i hery : ny vadinao jerena, izay hampety ny fiainanareo jerena, zaranao aza tsy miara mipetraka aminareo ao ny rafozanao, azoko lazaina anao fa misy mbola mizaka mafy lavitra noho ny anao izany, tsy tokony iadivanao amin ny vadinao izany resaka izany.

tsy misy matin ny tsy arabaina izany. Manaja azy ianao satria izy ray aman dreny dia efa ampy izay. Ary mino aho fa manana ny havanao ianao afaka hanome fitiavana anao fa tsy hoe izy irery akory no azonao ianterherana amin izany.
5. tess ( 27/07/2008 13:39)
io volazan'ny hery io! raha namaky tsara ny tantara aho dia tsy misy olana ny aminareo mivady ka tsy aleo ve mandefitra kely aloha....
raha ny vadinao no manao tsin tsin anao dia ekeko hoe mieritrereta, reniny iny tsy azony ariana....
6. tsimati ( 27/07/2008 14:13)
Ny zavatra tsy azon'ny vehivavy matetika dia ny handinika hoe nitaiza zaza ny reniny, nijaly, nisahirana vao nahabe nefa lasa any amin'ny vadiny daholo ny fitiavan'ilay zazalahy avy eo. Diniho amin'ny tenanao fotsiny dia mazava aminao ilay izy ary tsy olana aminao ny fahasarotampiaron'ny reniny. Ho avy koa ny anjaranao manaraka ary milamina ihany koa rehefa rahatr'izay.
Tenin'olon-kendry ireo ambony ireo hoe "tsisy kapoaka tokony ho feno amin'izany". Araho ambokony eny fa leo izy ny farany. Harabao na tsy mamaly aza fa tsy mahafaty izany. Izy ihany no menatra ho azy eo raha hitan'ny daholobe ny tsy mety hataony.
Tsy maintsy misaraka ny reny sy ny zanaka na ho ela na ho aingana na nohon'ny fahanterana fotsiny dia tsy maintsy hiafara amin'ny fisarahana mandrakizay ihany. Koa aleo hamokovoko ny reniny fa drodroky ny taona eo ihany.hahahaha Mbola ianao aza no hikarakara azy raha tratra antitrabe sy marary ny rafozana sa avelanao eo ? hihihihi
7. xxxxxx ( 27/07/2008 15:04)
Misaotra daholo @ hevitra rehetra. Fantatro ilay rafozako fa miady fitia @ zanany, kanefa tsy ho tokony ahatonga anay ho toy ny mpifandrafy akory sanatria! Misy manontany ery ambony hoe sao nisy zavatra hafa nitranga? Tsy dia misy loatra fa izy dia misalovana ny ao an-tranonay, savainy hatrany @ armoire mikatona sns... fa zà tsy niteny azy fa jereko fotsiny ary efa nitaraina t@ namako eto aho ary izy koa sahiran-tsaina dia naka hevitra teto, fa farany moa dia nasaiko nofafany ilay dinika fa sao misy mahatsikaritra ilay tantaranay. Fa izao ilay izy tsy zakako indray...
8. tess ( 27/07/2008 15:20)
ny fisavàna armoire ndray aloha dia manana zo ianao hiteny azy ampilaminana sy ampahendrena, eo imason'ny vadinao....DE JEREO izay lazain'ilay vadinao
dia raha tsy miteny dia miresaha nareo izay tokony hifandaminana ao ko!
raha miditra amin'ny fianantokatranonareo mivady mihitsy izy dia iny no tsy mety fa raha izy mitomany fitiavana am zanany normale iny.....
9. xxxxxx ( 27/07/2008 15:26)
Tena miditra @ tokantranonay mihitsy izy. Na ny zavatra haninay aza mahita tenenina foana izy, ary ny vadiko dia tsy mbola sahy niteny azy mihitsy. Efa nisy aza izany nataon'ilay rafozako izany hoe: rehefa tsy mahazaka ianao dia malalaka ny varavarana...fa tsy niteny ilay vadiko e!
10. ainaheri ( 27/07/2008 18:19)
Sao d'efa sangy mihoatra ny loha kou zany klé,.....raha namaky ireo hvtr sasany ery ambony aho milaza fa;iareto fa tokantranonao io,ny vadinao jerena satria izy no miaraka aminao fa tsy ny reniny....otrany diso tafahoatra raha ijery fotsiny klé,satria ianao efa manambady,donc mitokantrano nareo(tsy haiko alou izay fandehany na we mety mipetraka @ tranondrafozanao ianao ka zay mety mahasorotiny azy),raha tsy izay ndray d zo-nao ny miteny azy ampanajana ary eo imason'ny vadinao mba tsy hisian'ny hono², na koa zao no atao,manaova carte sur table fa lazao azy mianaka izay tena eritreriny,asaivo maka ny andraikiny ny vadinao manoloana an'zao satria mety hanimba ny tokantranonareo
11. tess ( 27/07/2008 19:14)
xxxxxx:

Tena miditra @ tokantranonay mihitsy izy. Na ny zavatra haninay aza mahita tenenina foana izy, ary ny vadiko dia tsy mbola sahy niteny azy mihitsy. Efa nisy aza izany nataon'ilay rafozako izany hoe: rehefa tsy mahazaka ianao dia malalaka ny varavarana...fa tsy niteny ilay vadiko e!

ka ianareo izao efa tsy miara-mipetraka tsony de aza atao miditra ny lava-tranonareo intsony izy, dia rehefa mamangy azy dia alefaso mande irery ny vadinao fa aza mande miaona azy de tsy hisy sorisory...
dia izay teny lazainy rehetra aza hivalkiana loha fa tsy ho tonga saina ihany ve izy, rehefa tsy minona tsy maninona anao fotsiny lay vadinao dia izay no zava-dehibe sa????


12. ni81 ( 27/07/2008 19:18)
Raha ny hevitro dia ilay lehilahy no tokony handray andraikitra mivantana mba hiteny ny tsy mety ataon-dreniny.
Ny zavatra tsy azon'ny vehivavy matetika dia ny handinika hoe nitaiza zaza ny reniny, nijaly, nisahirana vao nahabe nefa lasa any amin'ny vadiny daholo ny fitiavan'ilay zazalahy avy eo. Diniho amin'ny tenanao fotsiny dia mazava aminao ilay izy ary tsy olana aminao ny fahasarotampiaron'ny reniny. Ho avy koa ny anjaranao manaraka ary milamina ihany koa rehefa rahatr'izay.
Koa angaha kosa raha nitaiza dia atao fijery mitongilana e! Jerena izay marimaritra iraisana.
13. booboo ( 27/07/2008 19:28)
xxxxxxxx > f'angaha tsy ianao no " maîtresse de maison " no avelanao hisy hitsaingoka/mitsabaka ny tokantranonareo ? Lasa mi-subir ianao fa tsy mba actrice ny @ fiainan-tokantranonareo. Na rafozana na iza na iza, ianao no " maîtresse de maison " masi-mandidy. Resaho ny vadinao ( sao tsy mitovy @ fomba fijerinao ny situation ny fahitany ny raha manko ) dia atao mitovy ny longueur d'onde hampandeha tsara indray ny raha...
14. Bola ( 27/07/2008 21:39)
booboo:

xxxxxxxx > f'angaha tsy ianao no " maîtresse de maison "

queen of the castle mihitsy aza no filaza azy aty...la reine au chateau moa zany ...Misy dinika iray toy io ao fa ilay valin tenin i Haritianah no tena hitako mety aminao...jereo fa io zaobaviny io aza dia miray trano @ ilay rafozany izay tena mitsikera ny zavatra rehetra ao an trano ...
Kanefa tsy ny rehetra no mahavita an io...
Raha fantatry ny vadinao tsara ilay izy dia araka ilay emission zay hoe out-law in -laws, matetika hono no mahatonga an io samy tiany nareo fa ny ilainy dia miresaka aloha nareo mivady, ianareo no miara manapa kevitra ny tianareo atao @ tranonareo sy hoe hatraiza ny fefy ho an ilay rafozana. Mila avy eo ianareo mivady mihitsy miara mipetraka dia eo ilay rafozana ka ilay vadinao no milaza hoe: tianay ianao ry Neny ary manaja anao (avaoka daholo izay positif aloha) dia izay vao miteny hoe, kanefa kosa ity dia tokatranonay sy (ianareo mivady io). Ankasitrahanay ny fitiavanao te hanampy, ary vonona izay hihaino sosokevitra kanefa dia anay roa ny manapaka izay heverinay fa tsara ho an ny tokatranonay. Ka no ho izany, na dia tena tianay mafy aza ianao, tianay raha mampandre ianao vao tonga satria mety efa misy fandaharana izahay na koa mety te hanana fotoana irery izahay ato an trano fa hitanao ihany ny rotoroton ny fiainana! Fa @ fotoana maha mety aza kosa dia ho tianay ny hiaraka aminao! Ka izay: nareo mivady aloha miresaka, tsy atao ady ilay izy fa lazao ny vadinao fa tsy asainao mifidy akory izy, fa kosa @ maha loham pianakaviana azy, miezaka manisy filaminana eo @ fianakaviana. mba hisian izay dia mila ny tsirairay mahay hoe eto no fetra napetrakareo mivady...fa olon dehibe io reny na rafozana io...Tokony mahay manaja ny teny indrindra rehefa miteny ny zanany...Rehefa tsy manaiky an io dia sao dia ny mifindra no tsara...izay ange ilay hoe handao ny rainy sy ny reniny...


15. xxxxxx ( 28/07/2008 05:57)
Tsy misy diso ny teninareo rehetra, saingy ny olana dia ity: ilay vadiko rehefa azavaiko fa hoe tokantranon-tsika ity ary tsy tokony hidiran'olon-kafa mihitsy na ny havako na ny havanao dia tsy miteny tsy mivolana; raha toa ka mamaly ny rindrina dia miteny izy. Mijery ahy fotsiny izy fa tsy manao hoe ENY na TSIA ka izany no tena manafintohana. Mba tokony asehony ny tena fitiavany @ fidirany hampilamina anay sy ilay reniny. Tokony samy hoteneniny eo imaso eo izahay sy ilay rafozako @ zay tokony hampilamina anay. Asa aloha fa angamba ireo izay tsy hiharany dia mahay miteny ahy hoe: izany ve dia ahafeno ny kapoaka??? Ny tena olombelona nofo aman-dra mahatsapa fa mitolona @ adin-tsaina irery.
Hoy i hery hoe:
Tiavo ny vadinao dia iaino tsara ny fifankatiavana ao antranonao. Aza miditra amin'izay momba ny fitiavan'ny rafozanao anao akory. Aza mitady olana hafa
Tsy hoe hitady hafa fa raha toy izao dia naleo tsy nisy ...hoy ny ohabolam-bazaha hoe: mieux vaut être seule... dia anareo no manohy azy.
16. booboo ( 28/07/2008 09:24)
xxxxxx > dia satria fantatrao ny tokony hatao dia teneno an'azy hoe zao sy zao no tokony hataonao hampilamina ny raha. ( raha zà manokana klou tsy tiako zany satria lasa ohatra pantin fotsiny zany ny vadiko manao lay raha satria zà tsy mahasaky manao ilay izy.... ).
17. xxxxxx ( 28/07/2008 09:40)
> dia satria fantatrao ny tokony hatao dia teneno an'azy hoe zao sy zao no tokony hataonao hampilamina ny raha. ( raha zà manokana klou tsy tiako zany satria lasa ohatra pantin fotsiny zany ny vadiko manao lay raha satria zà tsy mahasaky manao ilay izy.... ).
ka io lazaiko ery io hoe tsy miteny tsy mivolana izy ange e! tsy hitako mihitsy ...
18. booboo ( 28/07/2008 09:50)
dia rehefa tsy hanao izy maninona no tsy hataonao ?
19. xxxxxx ( 28/07/2008 09:55)
Tsy dia azoko ny tianao ataoko! Mba somary azavao hoe azafady fa ohatran'ny donto be koa ny saiko!
20. ari.malala ( 28/07/2008 12:51)
azoko ny tian'i booboo tenenina, enao no mandray ny andraikitra à la place ny vadinao, zany hoe enao no miteny an'ilay rafozanao eo imason'ny vadinao hoe tokantranonao io sns, ary tsy droit ny mintsy ny misava armoire mikatona izany, tsy droit ny mintsy ny mandroaka anao ao anatin'ny tokantranonao! efa trop kosa izany ataon'ny rafozanao izany kle!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0751