Herizo RAZAFIMAHALEO : naninona no tsy nety lasa Filoha gasy
1. badboy
(
27/07/2008 08:58)
Raha jerena ny fianarana vitany (Harvard...) sy ny orinasa voatsangany dia isan'ny olona kinga saina ary mpahay mibizina Herizo RAZAFIMAHALEO!! Miaiky daholo ny mpisera fa isan'ny olona mety nahavita nampiarina ny toekarena Malagasy ny tenany no sady mijoro @ heviny!! Tsy nisy mbola sahy nilaza teto hoe mpanodina na tsy hahavita zvtr Itompokolahy!! Inona anefa no antony, raha ireo rehetra ireo no jerena, nahatonga azy tsy nety ho lany Filohampirenena hatrizay nilatsahany hofidiana???? :roll: :roll:
répondu par tsimati le 03/08/2008 05:56
2. tsimati
(
27/07/2008 09:31)
Rehefa lasana ny olona dia ny zavatra mendrika amin'ny vitany sy ny mampiavaka azy mihoatra amin'ny hafa no resahina. Raha ny tsy mety vitany kosa no resahina dia sahalan'ny manimbazimba ny fianakaviany izay velona izany fa izy tsy aheno an'iny akory. lainga tototra ny hoe miaiky daholo ny rehetra mpisera satria tsy ny rehetra mpisera no nanotra teto angamba ary azonao asiana terehimarika izany hoe ampahan'ny mpisera ireo mivezivezy midoka azy na koa ampahany firy amin'ny Malagasy ?
Ianao manokana aloha dia nilaza fa noho izy niofana tany Zamerika no tsy mahatafavoaka azy ary ny Frantsay no teo no mbola ho eo satria tsy afaka aminy ny Malagasy. Efa valiny no nosaratanao teo aloha ka asa na modianao tsy hita ny soratrao.
Ho ahy kosa anefa dia matoa tsy tafa ny zavatra haseho na hitarina dia na ny mpampiseho no tsy mahay maka ny sain'ny olona na koa ny olona no mirefarefa ka tsy miezaka mahatakatra ny saina avon'ny mpampita.
Tsy lany Prezida izy satria ny tematemaka no lany ho an'ny Malagasy izay nozarina revy tematemaka Frantsay. ZARA AZA NY OLONA HO VENDRANA MBA HANJAKAZAKANA SY TARITINA AMIN'NY ILANA AZY.

3. xxx
(
27/07/2008 09:51)
Mba mahagaga fa toa mba misy hevitrao ry MISTER tsimati tato ho ato mba hitovizako aminao.
Ho ahy manokana koa aloha dia ny vahoaka malagasy mihitsy no tsy alehany. Makary sofina ny maheno izany nefa dia izay no anarany. Ny maha-tonga izany dia zavatra maro tsy ho hay tanisaina. Hany ka izay manome fotsim-bary ry ronono ary koa ny hena amin'iny fotoana fifidianana iny ihany no lany. Ny fangalaram-bato sy ny fampitahorana any amin'ny sisiny moa tsy ho teneniko intsony.
Ka raha vao candidat mba tsaratsara saina ary koa tsy manana moyen (izany hoe tsy misy vazaha ao ambadika) dia efa ho enao tsy ho lany izay.

4. ainaheri
(
27/07/2008 12:11)
Naninona no tsy noresahana zany t@ fahavelony,f'efa maty ilay oul vao averim-berina eto ny anarany ee????
5. tsimati
(
27/07/2008 12:31)
Tsy olontsotra izy fa mpanao politika malaza hoy ny voasoratra ka rariny raha voatonona ny anarany. Raha tsisy miteny dia izay koa no midika tsy nisy sira tamin'ny vahoaka izy na velona na lasana nody koa aiza no tianao hamarinina ? Ny zava-nisy aloha dia niezaka ny ho candidat izy fa tsy lany ary izay no nametrahan'ny akamanareo loha-hevitra asa mety mba hanamboarany ny lalany ahalany azy amin'ny manaraka satria efa hirotsaka i badboy sy bazylou ary kidoropamba amin'ny manaraka. Tena mila ny mahay sady hain'ny olona henoina sahalan-dreo ny vahoaka sady izay avy ao Frantsa reniny malalany.
6. bazylou
(
27/07/2008 20:53)
Tsara ilay argument ry tsimati, hmmm ie, fa izao , inona ko any manaraka ??
Mada sy france, efa vita hatramin'ny 1896 ny baolina ry zareo a. Na hivadika ra aza ny masoandro dia io no izy, ary efa nobeazina ho iokoa e. :lol: :lol:

7. lemenakely
(
28/07/2008 08:32)
badboy:
Raha jerena ny fianarana vitany (Harvard...) sy ny orinasa voatsangany dia isan'ny olona kinga saina ary mpahay mibizina Herizo RAZAFIMAHALEO!! Miaiky daholo ny mpisera fa isan'ny olona mety nahavita nampiarina ny toekarena Malagasy ny tenany no sady mijoro @ heviny!! Tsy nisy mbola sahy nilaza teto hoe mpanodina na tsy hahavita zvtr Itompokolahy!! Inona anefa no antony, raha ireo rehetra ireo no jerena, nahatonga azy tsy nety ho lany Filohampirenena hatrizay nilatsahany hofidiana???? :roll: :roll:
ilay fanontanaiana dia mazàva be hoe naninona izy no tsy nety lany ho president de la république mihintsy nefa manampahaizana sns....Amiko manokana dia tsotra ary mizara roa ny valiny :voalohany tsy lany izy satria hitan ny olona ny tetik'adin ny antoko LEADER FANILO fa nanao izay ahazoana seza fotsiny na ministére na députation ary be ady varotra be @ filohan ny repoblika momba io resaka io ,ary ny antoko leader dia mivadibadika loatra toy ny lela mahamay ,androany mpomba andratsiraka rahampitso mpomba an i ZAFY ,etc.....
Ny antony faharoa koa dia tsikaritry ny olona fa namidiny tsikelikely ary nisy aza ny faillite t@ ireo orinasany toy ny STEDIC RAVATE sy ny AFOMA ny l' EXPRESS de MADAGASCAR..... ,ary t@ fifidianana farany teo dia ny ambetiteniny ny hoe raha lany aho dia amidiko any i FORCE ONE (ilay boeing 737) avion présidentiel ,noho io dia nitarika réflexion be dia be ho an ny olona i tpkl ,dia amiko izay no antony tsy nahalany mihintsy an i tpkl HERIZO ho président de la république .
9. xxx
(
28/07/2008 18:53)
araka ny hevitro manokana dia passé ny niaraka t@ deba taloha no tsy nitiavan'ny vahoaka azy,mbola mamofopofona arema.Tsy hita hoe tena manohatra an'i deba nefa tsy manohana an'i ravalo koa ,@ politika soit ianao mpanohatra soit ianao manohana ,i herizo anefa tsy izay loatra dia teo ny indro kely nefa mba olona mampahaizana be tao haward ihany
10. rakaroka
(
28/07/2008 20:18)
Ny "blem" @ "intello" matetika dia lavitra ny vahoaka. Koa ny vahoaka no mifidy fa angaha ny saina "intello" izay vitsy an'isa?... Dia ilay vahoaka koa anefa tsy "intello" tsy voatery aharaka ny "avantage" maha un tel azy ireny.
=>Anjaran'ny "intello" ny manantona ny vahoaka amin'ny fomba isan-karazany
ampiasany ny maha intello azy, dia misy "ezaka amin'ny vahoaka koa ny mbô tsy manifika ny zanaky ny Nosy manana "Valeur" satria sarobidy ny fananana fahaizana hoenti-manondrotra ny firenena!

12. tsimati
(
29/07/2008 00:59)
Io resak'i rakaroka sy fijo io no mba noventesiko ary nanenjehana ahy mafy. Nilaza aho fa ny mpitondra na atidoha aza nefa ny vahoaka tsy mahafantatra ny lalana haleha dia zava-poana. Ny fisarahan'ny vahoaka sy mpitondra dia loza ho an'ny firenena satria samy tsy tafavoaka. Inona moa fa rehefa vendrana ny vahoaka dia hoy koa ny mpitondra ratsy saina hoe ataovy zay hitombon'ny fananan'ny tena fa vahoaka tsy hivoatra ireo ve no handrasana. Herizo tena misy fahalalana ary tsisy afaka hilaza azy ho sahalan'ny hafa manao dodoria na izany aza dia nahita azy koa aho fa sarotra ary mifanalavitra amin'ny vahoaka tokoa ny fihetsiny. Ny vahoaka matahotra olona mahaibe, ngezabe, mangarikarika sy manao fijery ngetrokabe, be hatoka saingy gaga ny manampahaizana satria tian'ny vahoaka ny mifanohitra amin'ireo.
Na lazaina tsy mahay teny frantsay, teny anglisy ary manao resaka ambanivohitra aza dia izay no akaiky sy azon'ny vahoaka. Koa na hitady diplaoma ary hanotra boky aza hoe iry be diplaoma itsy tsy nianatra dia izay akaiky vahoaka no fidiany. Rehefa mahaibe daholo ny vahoaka dia mety hiantoraka @ be mokony ka ampiakaro ny farampahalalan'ny vahoaka ary e. Taona maro io an ????

13. kidoropamba
(
29/07/2008 09:54)
Ravalomanana Ihany! Ravalomanana Hatrany!
Tsy misy vola ny MAP hoy ny filoha, dia ny anay indray dia Ravalomanana mandrakizay!
Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^

14. xxx
(
29/07/2008 10:30)
tsimati:
Rehefa lasana ny olona dia ny zavatra mendrika amin'ny vitany sy ny mampiavaka azy mihoatra amin'ny hafa no resahina. Raha ny tsy mety vitany kosa no resahina dia sahalan'ny manimbazimba ny fianakaviany izay velona izany fa izy tsy aheno an'iny akory. lainga tototra ny hoe miaiky daholo ny rehetra mpisera satria tsy ny rehetra mpisera no nanotra teto angamba ary azonao asiana terehimarika izany hoe ampahan'ny mpisera ireo mivezivezy midoka azy na koa ampahany firy amin'ny Malagasy ?
Ianao manokana aloha dia nilaza fa noho izy niofana tany Zamerika no tsy mahatafavoaka azy ary ny Frantsay no teo no mbola ho eo satria tsy afaka aminy ny Malagasy. Efa valiny no nosaratanao teo aloha ka asa na modianao tsy hita ny soratrao.
Ho ahy kosa anefa dia matoa tsy tafa ny zavatra haseho na hitarina dia na ny mpampiseho no tsy mahay maka ny sain'ny olona na koa ny olona no mirefarefa ka tsy miezaka mahatakatra ny saina avon'ny mpampita.
Tsy lany Prezida izy satria ny tematemaka no lany ho an'ny Malagasy izay nozarina revy tematemaka Frantsay. ZARA AZA NY OLONA HO VENDRANA MBA HANJAKAZAKANA SY TARITINA AMIN'NY ILANA AZY.
Somary gaga aho raha ianao no milaza an'io hevitra io.
15. tenagasy
(
29/07/2008 10:39)
Mankamamy!
Tankina tokoa nandre iny vaovao ratsy iny.
Very OLOBE tokoa ny firenena.
Tsy izay lany ho Filoha ihany no mitondra firenena, ary raha maromaro ny tahaka azy dia efa lasa lavitra ny firenentsika: Nandray anjara mavitrika tokoa izy t@ fiainam-pirenena na teo na tsy teo anivon'ny fitondràna.
Mirary fiononana feno volohany indrindra ho an'ny fianakaviany.
Manarak'izany ho an'ny Malagasy rehetra.
Mipetraka moa ny fanontaniana, manana zavatra kely dia kely nefa mety ho ngeza azo ambara ny tena satria kibokiboin'ny marina.
Tamin'ny fifidianana t@ 1996 (raha tsy diso aho) dia anisan'ny nino ny tokony hahalany azy ny tena; Manana namana iray aho izay anisan'ny nadray anjara t@ famolavolàna ny fampielezan-keviny t@ io fotoana io. Indrisy anefa fa tofoka tanteraka ranamana satria tsy vitan'ny tsara petrapetrak'ilay lehiben'ny fampielezan-kevitra (tamin'izany) ho an'iny faritr'i fianarantsoa iny rehefa voavolavola sy voapetrapetraka ny paik'ady rehetra (niaraha-nikaona sy nandinika). Ry zalahy hono niandry vao maraina ny fiara hitondra azy ireo miaraka @ io mpikarakara ny fampielezan-kevitra io teo anoloan'ny ministeran'ny TP eo Anosy, Rangahy nandrasana anefa heno ao @ Radio mikabary any @ faritra atsimo atsinanana. (Mahatsikaiky)
Eo iny fa ny tena nanaitra ahy t@ nolazain'ity namana ity dia ny resak'io lehibe io hoe tsy miezaka ny ho lany ny KANDIDA fa atao fotsiny izay hanaovana ny 2è tour miaraka @i Deba satria efa nifanarahana hono fa hatao Praiminisitra izy.
Asa moa na vokatr'izany fihazohazoana izany fa dia tsy tratra ny tanjona t@io.
Eny e! Mety tetik'ady sy fahalalàna ny zava-misy izany. Na izany na tsy izany izahay dia anisan'ny resy lahatra hoe t@io fotoana io Izy no tena nanana """Chance""" indrindra ho lany.
K'inona moa fa izany tokoa ny Pôlitika!
Naninona hoy ianao izy no tsy nety lany?
20Tapitrisa ny Malagasy,Iray Ny Filoha!
Santionany ihany ireny!
Fanamarihana ho an'ny Pôlitika iny fa sanatrian'ny vava haladian'ny lela tsy fanamarihana ho an'Itompokolahy izay tolorana ny haja sy ny voninahitra ary angataham-pitahiana amin'Andriamanitra ny fialantsasatry ny Fanahiny: Handry amim-piadanana anie izy.
Mirary soa

16. namana2008
(
29/07/2008 11:05)
ka ra te ho lany eto am firenena eto d mila manao zvt mandresy lahatra ny vahoaka. zvt azony raisin-tanana fa raha tsy izany dia eo no raisina. araka ny tenin'ny namana ray oe ny 2/3 ny orinasany aza en faillite ko ra firenena zany no entiny tsy en... tsy aiko ze iqualifiéna anazy? ary ny tena mahavoa dia zao ny panao politika zany d ts mba iezaka hanatsara ty dago ty mits ra tsy ho eo lany prézident. afaka mitondra nnjara biriky daolo ange ny olona tsirairay avy e. revo manana fahefana dia tokony hiainga amin'ny fanampiana ny madinika manodidina ny tena eo kalo. tsy oe entina itadiavana toerana fona akory ze atao rehetra fa mba SOA ATAO ILEVENAM-BOLA E.
tsy ny filoha rery iany no natao hampandroso ny vahoaka fa ny tsirairay avy manana ny andraikiny avy eo amin'ny fampandrosoana firenena. ary zao koa e. tsy i herizo irery ihany ange no manapahaizana tamin'nireny nilatsaka filoham-pirenena ireny e. samby nanana ny mari-pahaizana avy ny tsirairay fa zay e. ny zvt ataonao kalo no itsaran'ny vahoaka anao. averiko iany oe ny société-ny aza en faillite ko maika fa firenena no entiny??? lavitr'ezaka fa any akoatra indray izy sy ry germain rakotonirainy ary i fransisk ravony miady hevitra e.

17. tsimati
(
29/07/2008 14:15)
Inona no mahagaga an'i xxx ? misy mifandipatra amin'ny soratro tany aloha tany ngah io resako io ?
Hoy namana2008: "lavitr'ezaka fa any akoatra indray izy sy ry germain rakotonirainy ary i fransisk ravony miady hevitra e." Tsisy adihevitra any ankoatra satria tsisy mpanana sy mahantra na vendrana sy matsilo sa ahoana ? Sa ety antany tahaka ny any andanitra ?

18. rakaroka
(
30/07/2008 20:53)
[quote=tsimati]
Dia inn hono no nanenjehana an'i Tsimati @ izany. Hita fa ISAN'ny OLANA FOTOTRA tsy mampandroso antsika mihitsy io voalaza io.
Io resak'i rakaroka sy fijo io no mba noventesiko ary nanenjehana ahy mafy!
Dia inn hono no nanenjehana an'i Tsimati @ izany. Hita fa ISAN'ny OLANA FOTOTRA tsy mampandroso antsika mihitsy io voalaza io.
19. tsimati
(
31/07/2008 05:40)
Tsy hainao satria tsy nahazo ny gidragidra ianao izany na asa mety akama ka mahamenatra ny mitifitra anao mivantana. Ny fahaizana avo dia tsy mitovy amin'ny fahaizana ahatarika vahoaka. Ny anarana Leader izany aloha dia midika fahaizana mitarika saingy tsy nahatarika ny Gasy fa nijanona ho anarana. Sahalan'ny anarana tafita nefa ilay olona sahirana.
20. rakaroka
(
31/07/2008 14:18)

Dia "fanehoana hevitra mitombina" kosa ve no hanenjehina?...Ka 'zany anie no tsy mampandroso e! Ny "hevitra no ampiadiana fa angaha ny olona?....". En plus hevitra ifanondrotana fa tsy sanatria ifanebahana na hanasoketana fotsiny. Ka rehefa tsy mandray sy miaina ny hevitra marim-pototra sy mahasoa kosa aloha dia voafetran'ny fiheveran-tena ho zavatra ny fandrosoana. Ny hevitra anie tsy azo tsy amin'olombelona.