Herizo RAZAFIMAHALEO : naninona no tsy nety lasa Filoha gasy

21. tsimati ( 01/08/2008 14:03)
Ny adihevitra tsara saingy rehefa resaky ny moana sy marenina ny iray manao manahoana ny iray milaza very antsy. ny iray manontany vaovao sy fahasalamana ary ny iray mitanisa fa antsy lava lela misy tahony miloko mena Arema. Terena ao antsaina hoe tsy hanaraka io aho na mety io na tsy mety. Izay no zava-misy na mampalahelo aza izany.
Raha tsy ny milaza manampahaizana Gasy ao Frantsa tsy mahita izany hoe atao inona hamboarina ny lalana any amin'ny tany tsy halehany ? Dia avy eo lazainy fa satria hampandehanana fakana ronono. Ho ahy nefa ny fahitako azy na tsy mpaka ronono aza ahaka mampiasa ny lalana ary ry zalahy no tena mampiasa ilay lalana amin'ny fiarany nefa mamely ao ambadika ihany. Revy Gasy io. Ohatra faharoa: atao inona no hividy Fiaramanidina hono ? Nefa na isan'ny Fiaramanidina Gasy aza tsy afaka mampifandray ny faritra enina indroa isan'andro. Dia ahoana izany ? ireo ihany no resahiko fa maro eny hatramin'ny fehikibo ny chauffeur avy ahitana resaka nefa naizanaiza izany. sns sns fa moana sy marenina miresaka ihany io.
22. saho ( 01/08/2008 17:57)
Izy ary efa nodimandry dia atao fakafaka hahazoana maka repère hoe olona mahay sa olona tsy mahay no lasa filohampirenena malagasy...
Refa lasa filoha dia nahay izy izay amiko matoa tafakatra, nahay niakatra totohotra e....fa tandremo koa fa ilay milingilingy ery ambony be ery mety lasa mianjera mitsingindina ery ambany be ery....

Ka zao e, ilaina koa ny famakafakana hoe ahoana ny fomba hahazoana miditra ho filoha e, refa tafakatra 13 mai v dia ampy sa refa tena fantampoko fantampirenena dia izay, ilaina marina ny fahaizana Public Relation ka tsy hahavahana hoe rabe na rakoto mpanana ihany no tiako fa na adala na hendry na ambony na ambany dia mahalala ahy daholo...ilaina ny famparitahana ny momba anao e, gazety radio tv sns...

Ka ho anareo izay hiditra candidat ho filoha, homany ny vola misy ampelatanana mba hanaovanareo io public relation io fa io no tena ilaina e...
Rehefa misy vazaha ambadika nareo manohana anareo dia mety izay...na vazaha amerikana io na vazaha frantsay io na vazaha allemand na vazaha norwege na vazaha hafa io fa ny fahaizanareo ihany no miteny e
:evil:
23. tsimati ( 03/08/2008 05:56)
Aza adino fa nanana Harvard nalazabe ny Malagasy ary anisany nampianatra an'io farany lasa nody any amin'ny Ray io. Saika nandalo tamin'io Harvard avy any Saint Marie ary nampianatra teny Ankatso tao @ Economie io daholo ny tompon'andraikitra Malagasy taloha. Na Harvard aza nefa io lehilahy io dia tena anisany mahay teny Frantsay ka asa inona no hanavahana ilay hoe Frantsay frantsay. Saingy mitovy ihany samy efa lasa fa tsy mahavita feno ho an'ny firenena raha tsy marobe ary mahay mifameno ny manampahaizana Malagasy eo amin'ny sehatra isankarazany. Ny Malagasy aloha dia lehiben'ny tsy mahay mifanaraka. Satria mahaibe tokoa angamba.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0668