manambady vita soratra ve tokantrano maso.

1. xxx ( 26/07/2008 20:34)
raha ianareo no eo @ toerako inona no ataonareo? manambady aho fa vita soratra fotsiny efa misy zaza iray izahay 2an ; ny olanay tsy nahavitana mariage de nohon'ny tsy fahampiana teo aminay fa hoe mitady vola aloha . ; nanaiky ny vadiko fa hanao mariage t@1 nefa ankehitriny noteneniko @zay izy de lazainy fa mandany vola hono izany sady efa misy ny zaza ; nefa izahay efa manana vola ary tsy hoe sahirana fa azo atao manana ny amy mihintsy ; tsy de hoe hisarom-boaly eo @ alitara no tadiaviko na hoe voninahitra fa mba tiako hamasinina ny tokantranonay ny tena mba notezaina t@ finoana ihany nanomboka faha-kely nefa ve de no injay nanambady de zara fa vita fotsiny malahelo ihany ny tena ; ny famille @ zany tsy lazaina intsony ny vavany satria kosa le vadiko nanaiky tsara fa hanao mariage izahay nefa nohon'ny nahazo izy de tsy novakiny loha intsony
inona no ataoko mba handresena lahatra azy. AZO ATAO HOE TOKANTRANO MASO VE?
novalian'i hery ny 31/07/2008 07:52
2. tess ( 26/07/2008 23:45)
ka raha resaka fanamasinana izany anie afaka asaina tonga ao antrano ilay pasitera dia efa mety na ilay mopera e! tsy votery hande ampengonana...
tsy tokatrano maso ny anareo raha efa vita ofisialy ny mariage izany hoe soratra.... ho an'ny tsy mpino dia hatreo dia efa vita ny mariazy anie e!
3. ni81 ( 27/07/2008 07:21)
ka raha resaka fanamasinana izany anie afaka asaina tonga ao antrano ilay pasitera dia efa mety na ilay mopera e! tsy votery hande ampengonana...
tsy tokatrano maso ny anareo raha efa vita ofisialy ny mariage izany hoe soratra.... ho an'ny tsy mpino dia hatreo dia efa vita ny mariazy anie e!
Marina ilay hevitra hoe asao ao an-tranonareo i Mompera na i Pasitera dia manamasina ny tokantranonareo. Sa ny ilain'ny fianakavianao ilay manao sakafo sy fety be ianareo. Any dago koa toa mbola afaka manao ilay hoe mariazy miara-mizotra koa aza!
4. tess ( 27/07/2008 07:48)
tsy de hoe hisarom-boaly eo @ alitara no tadiaviko na hoe voninahitra fa mba tiako hamasinina ny tokantranonay ny tena mba notezaina t@ finoana ihany nanomboka faha-kely nefa ve de no injay nanambady de zara fa vita

ni81: ka io efa nosoratany io hoe juste lay hamasinina fotsiny no tiny satria notezzaina tam finona izy, raha izay ny fipetrany de tsy tokony hila sakafo be ny fianakams :-P mety lay hanao fety be mitsy no tsy mampazoto an'lery izany....
5. ikaretsaka ( 27/07/2008 18:14)
tess:

ka raha resaka fanamasinana izany anie afaka asaina tonga ao antrano ilay pasitera dia efa mety na ilay mopera e! tsy votery hande ampengonana...
tsy tokatrano maso ny anareo raha efa vita ofisialy ny mariage izany hoe soratra.... ho an'ny tsy mpino dia hatreo dia efa vita ny mariazy anie e!



arakaraky ny finoana sy ny kolotoran'ilay olona kao aloha io e
6. booboo ( 27/07/2008 18:53)
xxx > ny soratra dia efa fanambadiana = mariage @ teny frantsay. T@ ianareo nisoratra dia notononona teo aby ny momba² anareo, nisy vavolombelona donky tsy tokantrano maso ny anareo. Efa vita mariazy ianareo eo anatrehan'ny lalana sy ny fiaraha-monina !!

Miresaha tsara ianareo mivady fa sao tsy mitovy ny fomba fahitanareo ny mariage religieux. Ny azy mety hoe fandaniana sady nareo aza efa mpivady koa mbola hanao mariage fanin-droany inona indray, aminao ilay hoe tianao hamasinin'Atra...
Mahaiza mitady maritra² iraisana fotsiny mba tsy haha-frustré ny andaniny sy ny ankilany. Henoy tsara zay ambarany ny @ antony tsy mampazoto azy ary mahaiza mampita tsara ny maha zava-dehibe aminao ny hitondrana ilay raha any am-pengo.
Tonga dia fixer-na ny budget dia tena miezaka tsy hihoatra an'iny mihitsy ( satria resa-bola no tsy mamparisika azy ). Afaka mahita bons plans @ internet resaka déco, bouche à oreille ny traiteurs sy ny salles, any @ havana mindrana voiture hatao tête de cortège sns...Une bonne organisation dia mety ....

Mazotoa...

7. Noue ( 28/07/2008 07:22)
amiko kosa aloha dia tsy tokatrano maso rehefa vita soratra an !

ny tokatrano maso manko dia ilay tokatrano tsy vita na inona na inona !

ny fanambadiana any am-piangonana indray dia choix-ny tsirairay io ! miankina @ finoany !
8. ari.malala ( 28/07/2008 07:51)
raha amin'ny finoana kristianina katolika d tokantrano imaso ny mariazy tsy nentina tany am-piangonana, nefa ts voatery manao fandaniana b raha hanamasina mariazy any am-piangonana izany. Azo atao tsara mints ny hoe nareo mivady sy ny vavolombelona ary ny famille proche na tsy te hanasa havana maro d ny RAD nareo roa iany no hasaina (nenà zany no fataoko refa mis evenement mitranga am fiainako, ny RAD no asaina d ireo no mamondrona ny taranaka rehetra d ts mandany b amizay
9. papounette ( 28/07/2008 13:08)
Marina mihitsy ny lazain\'i ari.malala hoe:\"raha amin\'ny finoana kristianina katolika d tokantrano imaso ny mariazy tsy nentina tany am-piangonana\" ary na eo @finoana protestanta koa aza de mbola io ihany.
Ny fahitako azy, matoa tsy mazoto le vadinao de mety eritreretiny hoe aingitraingitranao fotsn le hoe mariage ampiangonana, sao de manana projet hafa manandanja kokoa izy ohtra mba anontanio @le vola misy @nareo?
Sao de manao réaction negative @pressing avy @fianakavianao izy?
Misy namako zay ôtran\'io de ny t@ 5e année de mariage vao natao ny mariage ampiangonana fa nahafinaritra an....occasion tsara
10. niryna ( 28/07/2008 17:15)
Ny fahafantarako izany hoe tokantrano maso izany dia olona tsy vita soratro ka miaraka mipetraka,na vadin'olona kanefa miaraka mipetraka amin'ny olona tsy manambady...
Raha vita soratra kosa ny olona roa dia tsy tokatrano maso izy .
Ilay fisoratana izany dia efa filazana eo anatrehan'ny fanjakana fampivady izy roa.
Amin'ny maha kristiana azy ireo na ny iray ohatra dia mino izy/izy ireo fa Atra no lohan'ny tokantranon'izy ireo ka izany no antony anaovana ny fanamasinanal ilay tokan-tranon'izy roa .
Misy olona tsy mahavita mariazy ka rehefa tonga ilay fotoana hoa mariazy miara-mizotra dia afaka manao an'izany koa ireo izay tsy vita fanamasinana ny tokantranony tany am-piangonana.Tsy mila fandaniana fa arakaraky ny toe-bola sy ny zava-misy eo amin'ny tsi 11 io.
Mahereza ry xxx a ary mivavaha mandrakariva fa tsy misy zavatra tsy vitan'Atra raha atao amin'ny finoana izany vavaka ataonao izany
(l) niryna
11. ikaretsaka ( 28/07/2008 17:22)
Raha vita soratra kosa ny olona roa dia tsy tokatrano maso izy

. ara pinoana dia tokatrano maso ka
12. RATOVOARY ( 29/07/2008 06:45)
raha ianareo no eo @ toerako inona no ataonareo? manambady aho fa vita soratra fotsiny efa misy zaza iray izahay 2an ; ny olanay tsy nahavitana mariage de nohon'ny tsy fahampiana teo aminay fa hoe mitady vola aloha . ; nanaiky ny vadiko fa hanao mariage t@1 nefa ankehitriny noteneniko @zay izy de lazainy fa mandany vola hono izany sady efa misy ny zaza ; nefa izahay efa manana vola ary tsy hoe sahirana fa azo atao manana ny amy mihintsy ; tsy de hoe hisarom-boaly eo @ alitara no tadiaviko na hoe voninahitra fa mba tiako hamasinina ny tokantranonay ny tena mba notezaina t@ finoana ihany nanomboka faha-kely nefa ve de no injay nanambady de zara fa vita fotsiny malahelo ihany ny tena ; ny famille @ zany tsy lazaina intsony ny vavany satria kosa le vadiko nanaiky tsara fa hanao mariage izahay nefa nohon'ny nahazo izy de tsy novakiny loha intsony
inona no ataoko mba handresena lahatra azy. AZO ATAO HOE TOKANTRANO MASO VE?

Tamin'ny fomba fahiny de nisy filaza hoe : " mitari-bady tsy vitam-bodiondry" zany hoe teo @ vodiondry taloha de efa fanambadiana t@ Ntaolo; taty aoriana de nisy ny fisoratam-panambadiana ka rehefa tsy vita soratra de lazain'ny oul hoe " tsy légitime " ny fanambadiana ( azo ampitoviana @ tokatrano-maso angamba ). Amin'ny kristiana indray de ny fanamasinana ny fanambadiana de porofo anehoana fa Atra no nanorina voalohany ny fanambadiana ka mila tso-drano avy aminy mba ho feno fahamasinana ny tokan-trano. Fanazavana fohifohy ihany io fa ny tiako ahatongavana de mila mifandresy lahatra aloha ianareo roa ny @ maha-zava-dehibe ny fanamasinana ny fanambadiana ao ampiangonana, mety koa raha hanaovana budget manokana mihitsy ( araky ny voalazan'ny namana etsy ambony ) am'zay tsy misy hoe manadany ny efa azo ao an-trano fa mba ezaka manokana no hanaovana azy. De ny tenin'i nyrina no hamaranako azy
Mahereza ry xxx a ary mivavaha mandrakariva fa tsy misy zavatra tsy vitan'Atra raha atao amin'ny finoana izany vavaka ataonao izany

MIVAVAHA HATRANY ARY AZA KETRAKA FA HAIN'ANDRIAMANITRA NY MANOVA NY ZAVA-DREHETRA.
13. haritianah ( 29/07/2008 21:35)
Ny katolika no namoaka io fomba fiteny owé Tokatrano maso io. Nentina namaritana ny mpivady tsy vita mariazy teo antrahan'andriamanitra.
Na vita vodiondry na tsy vita, na vita mariazy teo anatrehan'ny fanjakana na tsy vita fa niara nipetraka dia lazainy katolika fa manao tokatrano maso refa ts manao mariazy teo anatrehan'andriamanitra.
Ny mariazy eo antrehan'andriamanitra anefa dia azo atao any ampiangonana, na koa atao any antrano.
Efa naita cas ohatran'izany ao, namako lé sipa fa refa tena nanontaniana lé bandy vadiny ny tena antony nahatonga azy ts nety nanao mariazy dia tsy avy @ fianakaviana mitsy na owé ts fisiam-bola mits Fa ny sainy mitsy.
Fandinihany sy fiheverany no nahatonga azy ts hanao mariazy eo anatrehan'ny andriamanitra.
Ny mariazy eo anatrehan'ny fanjakana oy izy dia ts maints atao satria misy ilana izany eo à resaka taratasy ara-pajankana sns... fa ny an y ampiangonana oy izy ts dia itako loatra ny ilavako azy @ fiainako andavanandro, to fomba fomba fanao fotsiny. Fomba mahazatra ny mpivavaka fotsiny.
Na andaniambola io na tsy andaniambola oy izy dia fomba fanao mahazatra ny mpivavaka io.
Dé zay no navaliny, dia niezaka ny nandresy lahatra azy ara pinoana ny rehetra fa tsis naharesy lahatra azy satria n sainy mihintsy efa zay dia navela t@ zé eritreriny alou izy.
Parcontre lé sipa vadiny dia niditra ary nandroso lalina dia lalina teo @ fanaovana asapanopohana an'andriamanitra.Nampiseho azy, nanao ohatra tsara taminy fa ilaina ny fanana an'andriamanitra eo @ zavatra rehetra atao.
Efa taona maro taty aoriana vao ni-accepter ny sainy fa anao mariazy teo anatrehan'andriamanitra, ny zanany efa 2 dia sady natao mariazy zareo no natao batemy lé zaza roa.
Donc misy zany raha io itako io dia tena miankina @ fisainan'ilay lehilahy mits fa tsis idiran'ny havana sy vola zany.Fa anjarany vehivavy no mitady zé fomba andresehana lahatra azy, ary mila tsapany mivaingana aminao alou lé izy vao ho resinao lahatra izy.
Ny mariazy dia misy karazany roa; mariazy ara-panjakana sy marizy eo anatrehan'ny andriamanaitra ka.
Raha tsy miditra lalina @ finoanao ianao dia ampy anao ny mariazy eo antrehan'ny fanjakana fa raha miditra lalina @ finoanao ianao dia ts manaiky raha tsy manao mariazy eo anatrehan'ny andriamanitra.
14. hery ( 31/07/2008 07:52)
Hamafisiko io nolazain'i haritianah io.

Mety efa manomboka mirona amin'ny tsy finoana ny vadinao matoa tsy mila ilay resaka mariazy. Mety ho tsy ilainy ilay izy. Ka tsy voatery mandresy lahatra azy amin'ny teny fotsiny ianao fa miezaka mandresy lahatra azy amin'ny fihetsika sy ny fomba fiainana. Tokony ho hitany ny mampiavaka ny olona voatso-dranon'Andriamanitra sy ny olon-tsotra. Rehefa hitany fa hay tsara izany tso-drano avy amin'Andriamanitra izany, dia hanaiky izy ny hanamasinana ny mariazinareo.

Ho an'ny Katolika (ary ho an'ny Protesta koa inoako) dia tokatrano imaso ny tokatrano tsy entina eo anoloan'ny Fiangonana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7874