Tsy misy ny fakampanahy

1. badboy ( 25/07/2008 11:22)
Tsy misy ny fakampanahy fa safidy ny handeha na tsy handeha no misy!! ;-) ;-) ;-)
novalian'i prime ny 18/08/2008 10:26
2. cutie ( 25/07/2008 13:57)
ianao ihany no fankam-panahy @ tenanao fa tsy tokony ahilika any @ hafa :-D
3. ari.malala ( 25/07/2008 14:35)
marina mints zany!
4. badboy ( 25/07/2008 16:54)
cutie >> F'inooneh!! Azonao tsara le tiko ambara!!

De haoana ihany le bouddhisme? Tsy tafa mintsy zany??
5. fijo ( 25/07/2008 19:44)
" 1. Mpandefa : cutie [ Valio ] 25-07-2008 15:57:56
Lohateny : Re : Tsy misy ny fakampanahy
ianao ihany no fankam-panahy @ tenanao fa tsy tokony ahilika any @ hafa "
tena marina be mihintsy.

izany hoe ilay nilaza fa nisy devoly naka fanahy azy,izy ihany le devoly nihaona taminy.
6. badboy ( 25/07/2008 21:58)
fijo >> Iny ndray no tsy koboko!! :-D :-D :-D
7. ravakamalala ( 25/07/2008 23:01)
badboy > enao marina!
8. ravakamalala ( 25/07/2008 23:04)
tsy misy marina ny fakam-panahy ... ho an'ny olona tsy manana fanahy!!! inona intsony tokoa moa no ho alaina eo?
:-D :-D :-D
9. cutie ( 25/07/2008 23:29)
fijo hita koa :-D
badboy
andraso alou wa fa tsy mahazo mandeha hono za @ lahady fa lava be le session raha ho ahy manokana satria za mbola vaovao , de aleo atao @ talata fa iny adin'ny 1 ihany hono e :)
10. rijadolly ( 26/07/2008 06:01)
fijo:
" 1. Mpandefa : cutie [ Valio ] 25-07-2008 15:57:56
Lohateny : Re : Tsy misy ny fakampanahy
ianao ihany no fankam-panahy @ tenanao fa tsy tokony ahilika any @ hafa "
tena marina be mihintsy.

izany hoe ilay nilaza fa nisy devoly naka fanahy azy,izy ihany le devoly nihaona taminy.
Tsy ar-bakiteny oh zao kosa fijo a! zao ny tian'cutie tenenina sy ampita raha voarahiko tsara ilay izy . oh zao manana endrika tsaratarehy ilay vehivavy dia misitona be dia tafalatsaka sé nefa sé manam-bady dia ahoana ,ilay vehivavy ve no tokony hanaratsy tena sa i sé no hitandrin-tena?Izany hoe tsy tokony ahilika any amin'ilay vehivavy ny fahadisoan'sé hoe: "tena fankampanahy kosa ianao ra zazavavy an!" dia ilay vehivevy indray no nahazo lozabe.

Etsy an-danin'izany anefa raha ny hevitro manokana dia misy tokoa ny fankampanahy avy any amin'devoly oh ihany io resaka eo ambony io,ilay vehivavy mihitsy no manao fihetsika sy bika handatsaka anao any lalana tsy izy.
11. fijo ( 26/07/2008 20:06)
eny e,ka za ihany anie no mamorona io fakampanahy hoahy io rehefa nahita le vehivavy tsara tarehy e.izany hoe za ihany le devoly ao antsaiko ao.
12. ari.malala ( 28/07/2008 14:16)
ka na hanao fitafy mandatsaka toy ny in sy na hanao fihetsika mandataka toy ny in aza le vevavy refa enao mints no tsy ho taitra tsisy afaka hataony e! dikan'izay matoa hitanao fa manao fitafy sy fihetsika tsy izy ilay vevavy d ny masonao no adala! zay le we enao iany no mamorona fakampanahy hoan'ny tenanao
13. rijadolly ( 28/07/2008 16:05)
Misy kosa anié ry ari na lahy na vavy an! dia tena fankapanahy be mihitsy é!ary tena hitany mihitsy ilay faiblesse kely aminao iny arydia ao mihitsy no kitiany.Izany anie tsy hoe tsy toherina ho resena izy,fa hoe misy ilay fankampanahy é.
fijo:
eny e,ka za ihany anie no mamorona io fakampanahy hoahy io rehefa nahita le vehivavy tsara tarehy e.izany hoe za ihany le devoly ao antsaiko ao.
fa ny an'devoly ilay maka fanahy dia ianao tsy miheritreritra hanao ilay izy iny mihitsy no kitiany hiherika sao mba resiny
14. fijo ( 28/07/2008 21:39)
ohatra hoe olona tsy tia loka ve de lasa te hiloka ????tsy devoly io,fa le mpivarotra"marketing" no tsara rafitra
15. ari.malala ( 29/07/2008 06:27)
rijadolly, eny e, kitihany enao sns, fa anjaranao hoa ny manohitra! olon-dehivbe mahalala manavaka ny tsara sy ny ratsy enao ko in no ts andàvanao refa hitanao fa ts mifanaraka am tokony ho izy le situation?
16. fijo ( 29/07/2008 21:22)
ka manantena sao????
17. prime ( 30/07/2008 13:22)
Misy ny fakam-panahy ary tsy indray mandeha ny Soratra Masina nampitandrina ny amin'io ary ny fakam-panahy dia avy amin'ny devoly... fa na Jesosy aza dia nandalo izany, fa hoy indrindra ny voasoratra : "Ary rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha." Lioka 4:13

Toa izany koa dia misy ny fizahan-toetra ary amin'io manokana dia tena Andriamanitra mihitsy no mamela azy hihatra amin'ny mpino mba hampiorina tsara ny zanak'Andriamanitra... hoy ny voasoratra amin'ny anaran'i Jesosy : "Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain'ny Tompo homena izay tia Azy." Jakoba 1:12
18. marindra ( 30/07/2008 13:44)
: fijo [ Valio ] 28-07-2008 23:39:30
Lohateny : Re : Tsy misy ny fakampanahy
ohatra hoe olona tsy tia loka ve de lasa te hiloka ????tsy devoly io,fa le mpivarotra"marketing" no tsara rafitra

zay indrindra manko
tsy misy zany devoly zany :wink:
19. fijo ( 30/07/2008 20:09)
izay mantsy;tadidio,fa indraindray ianao mankany an tsena,tsy mihevitra hividy zavatra be,nefa miverina avy any feno ny harona.
satria misy mpivarotra mahay misarika ny masonao sy ny volanao.varotra hianaran aio,fa tsy devoly lavarambo.
20. cutie ( 30/07/2008 22:48)
tsy haiko mitsy we manin no ahilika any @ devoly le ratsy :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0837