Tsy misy ny fakampanahy
21. rijadolly
(
31/07/2008 16:01)
fijo:ihihihih ! ka le marketing anie zoky fijo ka misy fitaka indraindray é,indrindra rehefa ampiany ilay resaka lavarambo iny!oh ny vita S + aty njay zao ny mora éX1000 =)) =)) =)) =))
ohatra hoe olona tsy tia loka ve de lasa te hiloka ????tsy devoly io,fa le mpivarotra\"marketing\" no tsara rafitra
ari-malala:Izay anie ny itovitsika sy sé hevitra fa ilay hoe
rijadolly, eny e, kitihany enao sns, fa anjaranao hoa ny manohitra! olon-dehivbe mahalala manavaka ny tsara sy ny ratsy enao ko in no ts andàvanao refa hitanao fa ts mifanaraka am tokony ho izy le situation?
zay le we enao iany no mamorona fakampanahy hoan\'ny tenanaono nitenenako hoe
Misy kosa anié ry ari na lahy na vavy an! dia tena fankapanahy be mihitsy é!ary tena hitany mihitsy ilay faiblesse kely aminao iny ary dia ao mihitsy no kitiany.Izany anie tsy hoe tsy toherina ho resena izy,fa hoe misy ilay fankampanahy é.Mitovy hevitra isika sy se fa le \"mamorina ho an\'tenanao\",tsy diso io an! fa misy tokoa zany,fa kosa tena misy ny fankampanahy avy any amin\'devoly ka hanadisoako ilay hevitry Fijo hoe
izany hoe ilay nilaza fa nisy devoly naka fanahy azy,izy ihany le devoly nihaona taminy.. Misaotra ari a! :-* :-*
Cutie>>>Ra vo mahatsiaro na tsy mahatsiaro aza nefa manao ratsy fotsiny dé efa manome teorana an\'devoly ao anatitsika zay.
Prime>>> Misaotra betsaka r\'sé a!
22. cutie
(
31/07/2008 16:03)
Cutie>>>Ra vo mahatsiaro na tsy mahatsiaro aza nefa manao ratsy fotsiny dé efa manome teorana an'devoly ao anatitsika zay.
ka iza no diso le devoly sa enao :wink:
23. diamondra27
(
31/07/2008 18:10)
ny fantako de we tsy misy fakampanahy mahazo antsik mihoatra noho izay zakantsika
matoa misy ny fakampanahy dia fatan'Atra fa voatohitraoizay ilay izy fa zany we misy moa fotoana tena matanjaka ary misy fotoana mahamalemy ka dia raha sendra izay fahalemena izay no tonga ilay fakampanahy dia mora mora ny idirany>

24. cutie
(
31/07/2008 18:24)
matoa misy ny fakampanahy dia fatan'Atra fa voatohitraoizay ilay izy fa zany we misy moa fotoana tena matanjaka ary misy fotoana mahamalemy ka dia raha sendra izay fahalemena izay no tonga ilay fakampanahy dia mora mora ny idirany>
dikan'zany le olona ihany zany no fototry le fakam-panahy fa tsy devoly zany :)
25. fijo
(
31/07/2008 20:53)
izay,aza manilika izany fa na ratsy io na tsara enao ihany e.
io toa le bandy manambady sima,de avy eo milaza hoe ka"io no nomen'andriamanitra e",mba ratsy saina koa izao andriamanitra izao nanome an'ialahy an'io kle.
io toa le bandy manambady sima,de avy eo milaza hoe ka"io no nomen'andriamanitra e",mba ratsy saina koa izao andriamanitra izao nanome an'ialahy an'io kle.
27. Ilo
(
01/08/2008 08:22)
Ny fakam-panahy dia 3 no mety ipohirany, na ny tenantsika ihany (ny nofo), na satana na izao tontolo izao. Ary tsy vitan'ny herin'ny tena ny manohitra ny fakam-panahy fa mila miambina am-bavaka sy mangataka hery @ A/tra fa "manoatra noho ny mpandresy isika @ alalan'ilay tia antsika"(Rom 8.37)
28. prime
(
01/08/2008 10:21)
cutie:... Raha misy ny fahalavoana amin'ny fakam-panahy dia tompon'andraikitra feno ilay "enao"... ny zavadehibe anie ry cutie tsy hoe iza no tompon'andrikitra fa ilay fandresena ny fakam-panahy mihitsy e...
ka iza no diso le devoly sa enao
cutie:... itoviako hevitra tanteraka ny nambaran'i Ilo...
dikan'zany le olona ihany zany no fototry le fakam-panahy fa tsy devoly zany
Ny devoly (na Satàna izay iantsoana azy) no fototry ny fakam-panahy sy manao ny fakam-panahy, fa afaka miasa amin'ny nofo izy no afaka miasa amin'izao tontolo izao ihany koa araka ny filàna misy avy... ka rehefa ilay nofo no ampiasainy ohatra, na alainy fanahy satria manana filàna dia tompon'andraikitra ilay "enao" raha manaiky lavo... ary eo indrindra no mahatonga an'Andriamanitra miantso ny mpino hitafy ny rehetra anoherana ny devoly...
Satana anie efa fantany ny ihafarany ka tsy manan-javatra antenaina intsony e... ka tsy raharahany na tompon'andraikitra izy na tsia fa ny hahavery an'ilay "enao" toa azy no tanjony...
Ilay "enao" no tompon'andraikitra ary manan-tsafidy raha hanaiky na tsia ho lavon'ny fakam-panahy...
29. diamondra27
(
01/08/2008 12:01)
amiko indray dia tout est fakampanahy fa raha mahatoitra ianao dia mandresy azy
raha noana ianao ohatra nefa misy sakafo tianao eo nefa tsy mbola ora fihinana izany dia efa fakampanahy 1 izay
raha misy zavatra manintona anao na zavatra io na olona ka voasintona ianao dia tsy nandresy fakampanahy ianao izay
misy ny we fakampanahy ary misy ny hoe: ota amiko
raha mbola mieritreritra we fakampanahy ity ka tsy voa ianao dia mbola tsy nanota izay amiko

30. cutie
(
01/08/2008 19:57)
Ny devoly (na Satàna izay iantsoana azy) no fototry ny fakam-panahy sy manao ny fakam-panahy, fa afaka miasa amin'ny nofo izy no afaka miasa amin'izao tontolo izao ihany koa araka ny filàna misy avy... ka rehefa ilay nofo no ampiasainy ohatra, na alainy fanahy satria manana filàna dia tompon'andraikitra ilay "enao" raha manaiky lavo... ary eo indrindra no mahatonga an'Andriamanitra miantso ny mpino hitafy ny rehetra anoherana ny devoly...
Satana anie efa fantany ny ihafarany ka tsy manan-javatra antenaina intsony e... ka tsy raharahany na tompon'andraikitra izy na tsia fa ny hahavery an'ilay "enao" toa azy no tanjony...
Ilay "enao" no tompon'andraikitra ary manan-tsafidy raha hanaiky na tsia ho lavon'ny fakam-panahy...
ka in na iza le satana lazainareo eto :D
31. fijo
(
01/08/2008 21:37)
diams mazava hoazy,fa isika olombelona dia te hanana izay rehetra misy.ary marin any lazaindry fa "fakampanahy "daholo izao rehetra izao,fa io tsy devoly akory na andriamanitra fa efa izay le natiora.ka arakarakao sisa,ary enao ihany fa tsy ramose na i jesoa na iza koa ngaha.
32. cutie
(
01/08/2008 23:19)
Ilay "enao" no tompon'andraikitra ary manan-tsafidy raha hanaiky na tsia ho lavon'ny fakam-panahy...
io no ekeko :)
36. prime
(
11/08/2008 11:24)
cutie:... fanahy io ry cutie a... anjelin'Andriamanitra nanana ny nahaizy azy ary nomen'Andriamanitra voninahitra manokana mihoatra noho ireo anjely namany tamin'ny fotoanany ary nifehy ny anjely maro tany an-danitra... nefa nikomy tamin'Andriamanitra ka saiky haka ny toerany ary dia voaozona mandrakizay miaraka amin'ireo mpanaradia azy (devoly)...
ka in na iza le satana lazainareo eto
Ka izy no efa fantany ny hiafarany ary tsy faly mihitsy raha misy tonga any amin'ny fanjakan'ny lanitra ny zanak'Andriamanitra ka manao izay faraheriny mba hahabetsaka ny hiaraka very aminy...
http://fr.wikipedia.org/wiki/Satan
37. cutie
(
12/08/2008 16:57)
Mpandefa : fijo [ Valio ] 09-08-2008 00:00:14
Lohateny : Re : Tsy misy ny fakampanahy
lavon'ny volontsaka.hi hii
tssss
38. cutie
(
12/08/2008 16:58)
35. Mpandefa : prime [ Valio ] 11-08-2008 13:24:01
Lohateny : Re : Tsy misy ny fakampanahy
Hoy i cutie:
ka in na iza le satana lazainareo eto
... fanahy io ry cutie a... anjelin'Andriamanitra nanana ny nahaizy azy ary nomen'Andriamanitra voninahitra manokana mihoatra noho ireo anjely namany tamin'ny fotoanany ary nifehy ny anjely maro tany an-danitra... nefa nikomy tamin'Andriamanitra ka saiky haka ny toerany ary dia voaozona mandrakizay miaraka amin'ireo mpanaradia azy (devoly)...
Ka izy no efa fantany ny hiafarany ary tsy faly mihitsy raha misy tonga any amin'ny fanjakan'ny lanitra ny zanak'Andriamanitra ka manao izay faraheriny mba hahabetsaka ny hiaraka very aminy...
Jereo eto
hay ve e:)
39. prime
(
13/08/2008 12:17)
cutie> raha ny lazain'ny Soratra Masina dia efa tsy any an-danitra intsony izy fa nazera ho eto amin'izao tontolo izao miaraka amin'ireo anjely nanaiky azy (devoly), miandry ny handefana azy any amin'ny toerana nomanina ho azy dia ny helo na farihy mirehitra afo sy solifara tsy maty... ka rehefa ho tonga Kristy, amin'ny fihaviany nambarany dia alefa any amin'ny helo izy sy ny forongony...
Fa ny mila iambenana tsara dia tena fanahy ratsy io ary mamono mahafaty fa tsy misangy... fanahy mpampijaly sy mpampahory ary tsy manana n'inon'inona antenaina intsony... no sady romotra sy tezitra satria efa mihakaiky ny androny dia mampiasa ny heriny farany hamitahana ny zanak'Andriamanitra hiaraka ho very aminy...
Hoy indrindra ny voasoratra amin'ny anaran'i Jesosy :
"Fa hoy Jesosy taminy: Izaho nahita an'i Satana latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra." Lioka 10:18
sy ny hoe :
"Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;" I Petera 5:8
sy ny hoe :
"Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra*. [* Gr. lanitra]" Efesiana 6:12
Ireo rehetra ireo nefa dia fanahy resy efa noresen'i Kristy, ka raha vao mandre ny anaran'i Jesosy fotsiny dia vaky mandositra ary mitsoaka miala no sady tora-kovitra ka tsy mahajanona... matoa Satàna na ny devoly miziriziry rehefa iadiana dia ilay olona iasàna mihitsy no manaiky tsy ialàny, amin'ny tahotra azy ndrao vonoiny na ampijaliany, ary vitan'i Satàna rahateo izany... soa fa teo Kristy...