ambiansa

1. Noue ( 25/07/2008 08:20)
dia tena variana aho ry zareo raha nanatrika ity mariazy t@ Sabotsy lasa teo ,

mpiara-miasa amiko no natao mariazy.

Ny zavatra nahavariana ahy fotsiny dia izao:

-ny fihaingon'ny olona.. aiza re zany fiahaingon'ny gasy zany rehefa mandeha mariazy e ?
ny an'ireto vaza dia tena talanjona aho ! pataloha jean , kapa kely ny an'vavy sasany ,
marina fa hoe tsy ny haingo no andehanana any saingy hoy aho hoe: fa maninona no miakanjo sahala ny andavan'andro tahak'zao raha andeha mariazy ko ?

nefa raha nandeha mariazy gasy aho indray mandeha zay ! ho ayyyyyy ! zany haingon'ny olona ! tena mahaliana be ahy ny difference ny gasy sy ny vaza ka!
ahoana no mba hevitrareo ? tsy maninona ve raha iny akanjonareo hita an-davan'andro iny no hanaovanareo andeha mariazy ?
novalian'i Noue ny 30/07/2008 17:43
2. Noue ( 25/07/2008 08:23)
saika hadinoko fa ny ambiansa ny bal dia e ! e ! e! hafa ihany hoa ny gasy ! mahay manisy ambiansa an ! ilay mariazy t@ sabotsy lasa teo manko dia eo ! mipetraka eo ! dia tsy misy mitsangana ! fa inona no andrasana ?

ny an'gasy raha vao iny ny mozika ayyyy ! feno ny piste ! :) =D> =D> =D> =D> =D> =D>
3. ainaheri ( 25/07/2008 08:27)
Ny vaza tsy mahay kilalaky kou,sady tsy mahay mandihy ny vazà,misy iany fa tsy otrantsika gasy ,tsisy menatra zany fa lasa zao,ny vazà ny mijery no mahafinaritr'azy lol
4. mirianah ( 25/07/2008 09:50)
Noue> tena marina mintsy zany lazain ndry zany, tena samy hafa be , mais arakaraky ny vazah kou io ka , ao ny mahay mampisy ambiansy fa rah resak fandihizana ry zareo tsy mahavoa ny gasy e!!!

Ny gasy kosa aloha tsy hifanoharana raha resak fety e, zah d variana miintsy indraindray sady lasa saina iany oe ahona aza izy zany satria misy d mahavita mifety isaky ny WE zao , fety lava e , d hoy aho oe rah ny fanaovana fety no maha lasa mpanakarena d ny gasy ngamba no efa anisany manakarena , hihihi
5. kallie ( 25/07/2008 10:15)
arakaraka ka, ra lé fiakanjo alo za nande mariazy fa ny satroka sy ny gants sy ny robe mapirapiratra aby ko,
ny ambiansa ndray, arakaraky ny famille ko io, misy lé oe "dîner" fotsiny d avy eo ze té andihy mande any am boîte na trano fandihizana, misy lé ôtran'ny gasy oe misy animation sy mozika d miara-mifaly

Fa tsisy ôtran'ny fety any am tanàna marina io kooo, lé misy kalon'ny fahiny sns...
6. ni81 ( 25/07/2008 10:22)

Zà koa mitovy hevitra aminao fa arakarak'ilay fianakaviana io. Fa misy koa ny vazà dia faly handihy fotsiny fa dia tsy mifanaraka @ gadon'ny mozika mihitsy ilay tongony fa mitsinjatsinjaka fahatany mampmé mihitsy :lol: :lol:
Hafa ihany ilay mampiara-peo rehefa milanona any dago e! indrindra ny kalon'ny fahiny lazain'i kallie io. :cry:
7. Ryana ( 25/07/2008 11:36)
Ny ahy kosa ny nanaitra ahy dia ny fahasamihafan'ny ambiansa amin'ny fety malagasy any Madagasikara sy ny fety malagasy aty ivelany. Samy Malagasy no manao fety fa tena tsy misy ifandraisany mihitsy e!
Na tarika mitovy aza no manafana ny lanonana, hira mitovy no handihizana, mazàna aza sakafo mitovy no hohanina :-) fa dia samihafa ny ambiansa...
Mahaliana...
Ryana
8. kallie ( 25/07/2008 12:10)
ni81> :-D :-D :-D :-D ka ita fa tsy mahay mandy ny vazah ko, :-D , za d tapa-tsinay mintsy

Ryana> fa aôna kay ny gasy manao fety tsy any Dago?
9. namana2008 ( 25/07/2008 12:36)
slt. tena zao reto a. aleon'ny gasy ange ts mihinakanina toy izay ts mifety e. ny fanovana fety ko mats d fisehosehoana fotsiny iany oe manambola ze manao anazy. aleon'ny any ambatolampy ts mihinan-kanina toy izay ts hamadika zany isan-taona. nefa nge ka vola le mamadika e. Manam-bola ny gasy fa ny fomba ampiasany azy no tsy mande amze laoniny. zoma mafinaritra zany mo d mahavita miala mandry ny vadi amanjanaka mints ny lehilahy fa irevy iaraka am akama. hanao fety e. hanala azy.
10. ainaheri ( 25/07/2008 13:30)
Ryana:

Ny ahy kosa ny nanaitra ahy dia ny fahasamihafan'ny ambiansa amin'ny fety malagasy any Madagasikara sy ny fety malagasy aty ivelany. Samy Malagasy no manao fety fa tena tsy misy ifandraisany mihitsy e!
Na tarika mitovy aza no manafana ny lanonana, hira mitovy no handihizana, mazàna aza sakafo mitovy no hohanina :-) fa dia samihafa ny ambiansa...
Mahaliana...
Ryana

Normaly ilay ambiansy tsy mitovy ka,satria ny gasy aty ivelany hifampidera lamaody no alehany eny,eo kou mou ilay oe fihaonana samy gasy mafana beuu ilay ambiansy,ny any dago mazava ho azy ,izy we gasy doli ny any ary reo oul reo matetika mifankahita ,mety isan'andro avy aza....Na aty andafy indray isantona angamba ,d ra vo mifankahita ndrindra ny jo;tsara aky ty bôtin-dry ty ,taiza ky ty novidin-dry :-D :-D :-D :-D
11. mirianah ( 25/07/2008 14:31)
ainaheri> d ny bandy mifampidera vam ve :lol: :lol: :lol: de refa tsy manana mahavita manofa mintsiny =)) =)) =))
12. fahamarinana ( 25/07/2008 15:30)
:arrow: ainaheri :ary maharaka tsara mihintsy an... :-D :-D ,soa aho fa tsy mpamonjy bal fa tena dadany be lay coms .
mirianah : :-D :-D ,marina koa zay.... :) (l)
13. xxx ( 25/07/2008 16:22)
Noue:

dia tena variana aho ry zareo raha nanatrika ity mariazy t@ Sabotsy lasa teo ,

mpiara-miasa amiko no natao mariazy.

Ny zavatra nahavariana ahy fotsiny dia izao:

-ny fihaingon'ny olona.. aiza re zany fiahaingon'ny gasy zany rehefa mandeha mariazy e ?
ny an'ireto vaza dia tena talanjona aho ! pataloha jean , kapa kely ny an'vavy sasany ,
marina fa hoe tsy ny haingo no andehanana any saingy hoy aho hoe: fa maninona no miakanjo sahala ny andavan'andro tahak'zao raha andeha mariazy ko ?

nefa raha nandeha mariazy gasy aho indray mandeha zay ! ho ayyyyyy ! zany haingon'ny olona ! tena mahaliana be ahy ny difference ny gasy sy ny vaza ka!
ahoana no mba hevitrareo ? tsy maninona ve raha iny akanjonareo hita an-davan'andro iny no hanaovanareo andeha mariazy ?

ny vazaha angaha mba taitaitra izany....
ny gasy zàtra mampidera no mahavoa azy anefa .......

14. ainaheri ( 25/07/2008 16:24)
Za zao ny avatar-ny Kallie mampisy ambiansy anà ato =))=))=))=))=))
15. mirianah ( 25/07/2008 16:38)
ainaheri:

Za zao ny avatar-ny Kallie mampisy ambiansy anà ato =))=))=))=))=))

:lol: :lol: :lol: çà c'est bien toi an !!! :-D :-D :-D

16. mirianah ( 25/07/2008 16:40)
fahamarinana:

:arrow: ainaheri :ary maharaka tsara mihintsy an... :-D :-D ,soa aho fa tsy mpamonjy bal fa tena dadany be lay coms .
mirianah : :-D :-D ,marina koa zay.... :) (l)

ka tena izany mintsy nge ilay izy , soa fa tsy mba mandé amireny marina fa de asa , hihihihi :lol: :lol: :lol:
17. ni81 ( 25/07/2008 18:29)
Normaly ilay ambiansy tsy mitovy ka,satria ny gasy aty ivelany hifampidera lamaody no alehany eny,eo kou mou ilay oe fihaonana samy gasy mafana beuu ilay ambiansy,ny any dago mazava ho azy ,izy we gasy doli ny any ary reo oul reo matetika mifankahita ,mety isan'andro avy aza....Na aty andafy indray isantona angamba ,d ra vo mifankahita ndrindra ny jo;tsara aky ty bôtin-dry ty ,taiza ky ty novidin-dry
:lol: :lol: Tena maharaka araka ny lazain'i fahamarinana tokoa ity komisera Ratandra ity an! :-D :-D Dia aiza i Bako mpitsongo dia e?
18. Ryana ( 25/07/2008 18:51)
Ary ny raharaha dia hatrany am-piangonana no misy an'io fahasamihafàna io.
Ny vazaha rehefa mandeha mivavaka any am-piangonana, ohatry ny ankajony andavan'andro ihany no anaovany. Misy rangahy izay mpanao vakiteny ao amin'ny fiangonana andehanako, manao jogging izy mankany am-piangonana; dia araka izany, pataloha survêtement sy tee-shirt (mazàna lena be) no entiny miditra ao am-piangànana, mandeha mamaky teny,sns. TSy misy olana.
Misy pasitera iray izay aza, manao bermuda, rehefa tena mafana ny andro. Ary kapakapa.
Nefa rehefa mandeha any amin'ny fiangonana malagasy ny tena, dia zary menatra sy toa mihafina raha akanjo andavan'andro no anaovana...
Nefa dia Andriamanitra tokana no ivavahana.
Tia sehoseho loatra isika Malagasy, mazàna.
...
Ryana
19. mirianah ( 25/07/2008 19:07)
mampalahelo e!!! raha mampandroso moa maninn fa indrisy .....
20. Bola ( 26/07/2008 01:14)
Za ndray mbola tsy nahita mariazy dia cool izany ny olona...Io koa mety miankina @ ilay mivady sy izay asainy angamba e!
Ary asa aloha fa amiko ilay manao mihaja tsy hoe mizesta fa manome voninahitra ilay mpanambady...
Io toy ny hoe handeha rendez vous resaka asa ve ianao dia maninona no manao metimety....tsy satria ve izay no mampiseho hoe manaja ny tenanao aloha ianao voalohany ary avy eo manaja ilay manoloana anao koa (ohatra lehibenao ilay izy: tsy hisy ho sahy hihoana @ lehibe ka resaka asa dia short sy kapa hiditra ny birao kosa angamba). Za nefa tsy miteny hoe tsy maintsy mihaingo be fa ny tiako lazaina dia hoe maotina sy milamina ary madio. Ireo 3 ireo no base. Avy eo miankina @ zay hananana.
Raha ny gasy mifampidera indray dia tsy fantatro satria tsy dia be gasy fantatro tany @ nisy ahy taloha - ireo vitsy fantatro tsotra be daholo. Vao haingana aho vao nihoana t@ gasy taty fa tsotra be daholo tsy nifampidera izany. Efa ela taty koa sady tsy ankizy fa matotra be, zoky daholo. Ilay izy izany mba atao misy classe ianao fa za kosa tsy jogging avy nikotranana no handeha entiko mivavaka ...za tsy mihaingo be fa zavatra madio (frais), voapasoka ary maotina...Fanajana ny tenako sy fanajako an Andriamanitra. Dia izay moa izany ny ahy fa izay ataon ny hafa koa anie azy iny...rehefa izay no maha diavolana ny sainy ...

Dia ilay resaka mandihy: io ilay hoe efa ao anaty rantsika: mafana isika (na ny olona avy @ ile @ ankapobeny mihitsy e!). Ny aty ivelany mahavita izany mipetraka na dia mampi te handihy aza ny mozika...raha iny dia hafa mihitsy isika, mahay mankafy sy mifaly @ mozika sy dihy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2093