ny eritreritrareo

1. ikaretsaka ( 24/07/2008 22:05)
(gazetiko androany)

Mpanjono vezo

Rehefa nodimandry dia masiaka ny tsiokatimo


“Maro dia maro ny tantara mandeha mikasika ny tsiokatimo fa isan’ny fantatra aty Toliara dia matoa io mitsioka mafy dia misy mpanarato vezo nodimandry izay”. Ny alakamisy 10 jolay teo no nitrangan’ny toe-javatra raha nandalo tany Toliara izahay ka raha toa ka nipoaka sy nafana ny andro ny maraina sy ny tolakandro dia tampoka teo nony mby tamin’ny 6 ora hariva nitsioka mafy dia mafy ny tsiokatimo. Rehefa nanontaniana ny olona teo an-tampon-tanàna dia nanambara fa fambara loza ny tsiokatimo mamely tampoka sady mafy toy izao. Ny marainan’ny alakamisy 10 jolay tokoa mantsy, araka ny tao an-tanàna ihany, dia nisy mpanjono vezo nodimandry ka misarika rivotra be toy izao no fisehon’ny loza. Tsy fantatra aloha na mitombina ilay izy na tsia fa ny tsara ho fantatra dia ity karazana rivotra tsiokatimo ity no mamely mafy any atsimo any kanefa tsy azo atao ambanin-javatra ny tranga toy izao. Araka ny kolontsaina malagasy ihany dia maro ny tantara toy izao indrindra any amorontsiraka any.
R.S
2. tsidina ( 11/08/2008 18:30)
Marina io ary tena mitombona, zah zao efa nipetra 10 taona tany Toliar de fantako tsara zany, ary tsy mijanona ilay rivotra be matetika raha tsy efa vita levina ny razana.
Tsy ao toliara ihany no misy toe-javatra toy zany, fa any @faritra androy, miala tsiny mialoha @'zay avy any androy an!, satria zava-misy izy ity fa tsy foroniko an! ( raisiko ohatra ny faritry Amboasary sud), rehefa misy olona mody mandry dia toy izany koa, fa ny tena loza , le olona efa maty miverina mifoha indray hono, dia mihoatra lavitra noho ny tsioka atimo ny rivotra @zany faritra zany.
Fa marihiko eto, tsy ny olona rehetra @'io faritra no toy zany fa misy tarazon'olona hono.
(gazetiko androany)

Mpanjono vezo

Rehefa nodimandry dia masiaka ny tsiokatimo


“Maro dia maro ny tantara mandeha mikasika ny tsiokatimo fa isan’ny fantatra aty Toliara dia matoa io mitsioka mafy dia misy mpanarato vezo nodimandry izay”. Ny alakamisy 10 jolay teo no nitrangan’ny toe-javatra raha nandalo tany Toliara izahay ka raha toa ka nipoaka sy nafana ny andro ny maraina sy ny tolakandro dia tampoka teo nony mby tamin’ny 6 ora hariva nitsioka mafy dia mafy ny tsiokatimo. Rehefa nanontaniana ny olona teo an-tampon-tanàna dia nanambara fa fambara loza ny tsiokatimo mamely tampoka sady mafy toy izao. Ny marainan’ny alakamisy 10 jolay tokoa mantsy, araka ny tao an-tanàna ihany, dia nisy mpanjono vezo nodimandry ka misarika rivotra be toy izao no fisehon’ny loza. Tsy fantatra aloha na mitombina ilay izy na tsia fa ny tsara ho fantatra dia ity karazana rivotra tsiokatimo ity no mamely mafy any atsimo any kanefa tsy azo atao ambanin-javatra ny tranga toy izao. Araka ny kolontsaina malagasy ihany dia maro ny tantara toy izao indrindra any amorontsiraka any.
R.S
[/quote]


3. Herimiafina ( 11/08/2008 19:39)
Alohan'ny tena hahafahako milaza ny fijeriko azy dia misy fanontaniana kelikely tiako apetraka:
- Rivotra miala avy any andranomasina ve ny Tsiokatimo?
- Ny mpanjono ao Toliara ve avy amin'ny foko vezo avokoa?
- Lasa lavitra hatraiza ireo mpanjono ireo na ny mpanjono vezo rehefa manjono.
- Raha miainga avy any andranomasina ny tsiokatimo, firy andro no tody an-tanety?
- Cyclique ve na miverimberina isaky ny fotoana voavina ny Tsiokatimo.
- Efa nisy ve teo aloha mpanjono avy amin'ny foko vezo maty kanefa tsy nisy Tsiokatimo?

Mitady ny mety ho fifandraisan'ilay fahafatesana amin'ny fisian'ny rivotra mantsy aho. :^)
4. ikaretsaka ( 12/08/2008 02:39)
Zavatra kely fa tsapa fony niasa tany Toliara
1) eny! avy any andranomasina no miala ny tsiokatimo
2) ny 80% n'ny mpanjono ao toliara dia vezo avokoa
3) arakaraky ny fio (ny haza) no handehanan'ny mpanjono alavitra na akaiky
4) heno any an-tanety ny tsikokatsimo ka.. ary misy foana .. ihatran'ny (varatraza) na ny rivotr'Ankadilalana io fa ny heriny no miovaova..
5) tsy cyclique ny tsikokatsimo fa saika misy isan-taona
6)tsy mbola naheno aho fa ny lazain-dreo dia hoe vao mitsoka mafimafy ny rivotra dia izy izay dia ny atoandron'io raha mihaino ny mpanjono mody ianao dia hoe natelin'ny ranomasina tanikeheo ranona...
5. Mandefitra ( 12/08/2008 06:15)
Ary sao dia hoe ny fisian'ny tsioka atsimo no nahafaty ilay mpanjono vezo?
Nisamonta be ny ranomasina vokatry ny tsioka atsimo, ary dia rendrika ilay lakana.
6. Herimiafina ( 12/08/2008 12:51)
Betsaka ny trangan-javatra toy izany izay azo sokajiana ho mythe. Tsy ary nahitana fanazavana avokoa fa dia mijanona ho mythe ary tsy hoe akory manambany ny karazana finoana etsy sy eroa fa misy antony matoa lasa raikitra sy inoan'ny olona ilay zavatra.
Ny faritra atsimo dia faritra mifanakaiky amin'ny fisarahan'ny oseana Indiana amin'ny Pôle Sud izay faritra mangatsiaka, ary somary masiaka ny ranomasina amin'ny karazam-potoana voafetra anatin'ny taona (solstice, équinoxe). Mitarika rivotra mahery ny fiovan'ny pression athmosphérique eo anivon'ny Tropique du Capricorne.
Efa henoko fahiny ny lazan'ny Tsiokatimo fony nandalo tao amin'ny Asco Toliara ny tenako fa saingy tsy haiko raha misy hifandraisany amin'ny rivo-mahery sy ny érosion izay mitranga any amin'iny faritra Androy iny, izay efa voamarina fa cyclique.
Mila fantatra ny taux de mortalité amin'ny mpanjono Vezo ary mila fantatra ihany koa ny fotoana hisian'ny Tsiokatimo amin'ny alalan'ny données sy ny prélevements efa nisy teo aloha hahafahana mamantatra ny tena marina mikasika ny Tsiokatimo.
Etsy an-danin'izany mety misy ifandraisany amin'ny kiltioran'ny foko Vezo ihany koa io mythe io. Misy mantsy izy ireny natao fanahy iniana ampahafantarina ny foko hafa hampisehoana fa manan-jina ny foko iray, ary dia mifototra amin'izay tanjona izay ilay mythe ary tena inoan'ny olona tokoa. :^)
7. ikaretsaka ( 14/08/2008 03:38)
izaho aloha ry herimiafina dia tsy miahafara izay maha mythe sy tsy mythe azy ay tsy nanana fotoana hitsikolovana ny fitombenany (oooooops ny mampitombina na tsia azy manko e) :-D :-D
fa dia ny ahy @ ireny tany ireny dia ny mipepe tsara ihany no fataoko
8. nikah ( 14/08/2008 16:23)
Marina zany ,raha vao @ reny tany be zavajavatra tsy hay fihaviana reny dia aleo manaja tena mipepe tsara araka any voalazanIkaretsaka.
9. Herimiafina ( 14/08/2008 16:37)
Izany mihintsy kah, betsaka no mbola zavatra tsy fantatra ka aleo mipepe tsara foana rehefa miteny ny olona hoe etsy mety na etsy tsy mety dia aleo manaraka ihany fa misy antony daholo ireny. N'aiza n'aiza io! :-D
10. tsiambaratelo ( 17/09/2008 13:53)
Herimiafina:
Alohan\'ny tena hahafahako milaza ny fijeriko azy dia misy fanontaniana kelikely tiako apetraka: - Rivotra miala avy any andranomasina ve ny Tsiokatimo? - Ny mpanjono ao Toliara ve avy amin\'ny foko vezo avokoa? - Lasa lavitra hatraiza ireo mpanjono ireo na ny mpanjono vezo rehefa manjono. - Raha miainga avy any andranomasina ny tsiokatimo, firy andro no tody an-tanety? - Cyclique ve na miverimberina isaky ny fotoana voavina ny Tsiokatimo. - Efa nisy ve teo aloha mpanjono avy amin\'ny foko vezo maty kanefa tsy nisy Tsiokatimo? Mitady ny mety ho fifandraisan\'ilay fahafatesana amin\'ny fisian\'ny rivotra mantsy aho. :^)
Tena mahavarina wa aty @Nosintsika be anzao karazana zavatra misitery misitery zao,hany ka na hitsoboka anaty rano aza de mila anizatsy e,mila anzaroa e,fady fady tsy hita sesehena,ohatrany wé tsy manana fahafahana zany :-P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8598