Fandefasana vola mankany ivelany

1. ni81 ( 23/07/2008 06:44)
Misy agence fandefasam-bola hitako tato ka asa raha mba misy afaka milaza hoe mety sa tsy dia mety? Misaotra betsaka.
http://www.sobika.com/transfertargent_madagascar.html
novalian'i jejemy ny 26/07/2017 19:25
2. rakaroka ( 23/07/2008 06:47)
Dia vao2 amiko koa ity. Asa manao ahoana mitaha @ ilay Madachange atsy Hautville. Merci aloha pour l'info!
3. ni81 ( 23/07/2008 06:55)
Dia vao2 amiko koa ity. Asa manao ahoana mitaha @ ilay Madachange atsy Hautville. Merci aloha pour l'info
Mba azonao azavaina ve azafady ny momba io madachange io? Raha toa ohatrinona ny vola alefa dia ohatrinona ny sarany? Misaotra.
4. ainaheri ( 23/07/2008 08:37)
ni81>> natsoiko vao teo d ny vola raisina any dago zany en euro,ny azy zany misy frais 0à250 euros ==>8euros ny frais-ny ,ny ankotr'zay tsy nanontaniako,afaka mandoa en espece ianao na CB ,manana agence maro² hono ry zareo eto france

Ny madachange ndray tsisy sarany fa manaraka cours .....,androany izy 1euro=12260fmg io no raisinao any dago,en ariary http://www.google.fr/url?q=http://www.madachange.com/COURS1/cours.htm&sa=X&oi=smap&resnum=1&ct=result&cd=1&usg=AFQjCNFlfnl8NT-hmNjb-sdXuJlhewoYUg
5. ni81 ( 23/07/2008 08:40)
Dia misaotra betsaka ainaheri a!
6. kelly13 ( 23/07/2008 09:20)
vieforce>ra mandefa 100 euros zany ohatra d 8 euros fôna ny frais, d mandray 100 euros (en euros an) le oul any mada fa tsy ny valeur-ny en ariary no raisiny any? ôtran'ny oe tsy d mazava amiko le resaka mantsy :oops:
7. ni81 ( 23/07/2008 09:31)
Euros izany no raisin-dreo any e! Akaiky kosa ny fanakalozana fa mandeha eo ambadika kely fotsiny sisa.
8. ainaheri ( 23/07/2008 10:10)
keliterezy>>euros no raisinao any ka,mandefa 100 euros enao d 100 euros no raisinao any fa tsy ariary
9. haritianah ( 23/07/2008 11:38)
niantso @ io fandefasana vola io zà fa ny olana fotsiny dia ts fantatrao aty zan mety ohatrinona ariary marina lé vola alefananao fa ny en € no andoavany lé izy any.
Otrany mapisalalasala satria raha olona maro bé ny miara mandéfa vola any dia manana € bdb hi-payna foana zan izy ary atakalo aiza indray iny vola iny aveo, lasa miteraka olana @ olona andefasan any Dago.Maro ny ts mahalala ny vola € zan any.
Lé izy alou mora satria nanontany zà dia raha 500€ no alefa dia 12€ ny sarany.Mora be fa salany mapieritreritra alou é.
Dé lé agence nantsoina taty koa ts mahalala zé momba any Mada,juste oy izy manao transfert ny volanareo fotsiny zay.
Nefa ianao raha ho ao @ Madachange dia afaka manontany ny any @ hakana lé vola afaka mamaly zé anontanianao any @ birao de destination zareo.Ary indraindray aza anontaniany ianao oé efa mazava ny momba ny fakana azy any @ destination.
Ny Madachange alou Tsara fa saingy mbola sur Tanà ihany no misy payement iny refa tonga ao ny tena dia efa omeny anao zao Ariary manomé 1€.Dia efa afaka manao ny calcule nao eo enao.
Ty ary @ fotoana midina bé ny € enao no mandefa vola @ ity agence vaovao ity dia perte, ny tena mantsy tsy maints mi calcule koa oé eto mba miakatra ny Ariary.
Sady Madachange azo antsoina tél anontaniana ny cour.Miala ao an trano efa fantatra ny vola alefa sy ny valeur.
10. ainaheri ( 23/07/2008 11:41)
ni81> je t'en prie

Efa nisy nanao calcul ve oe iza no ahazoana? madachange sa Coin Star?
11. ni81 ( 23/07/2008 11:49)
Zà tsy mbola nandefa t@ ilay madachange mihitsy hatramin'izay ange d tsy haiko e? Ny fandefasako dia ilay @ poste dia 10j no tonga, fa nisy olana efa fanindroany izao dia mitady hevitra hafa io zà. Vao t@ ty volana ity indray dia tsy mbola tonga hono ny vola nefa efa t@ 2/07 no nalefanay. Atao ny réclamation aty @ poste d hoe efa tonga any, fa angamba misy manodina aloha e :roll:
12. diamondra27 ( 23/07/2008 12:09)
toa madachange no tsara hono e, misy olona zay de io foana ny azy, taloha izy nadefa western union fa zao madachange foana
13. ni81 ( 23/07/2008 12:16)
Fa ahoana no fanao @ ilay madachange fa tsy mazava amiko e! alefa ny vola dia ahoana, satria hoe tsy misy saram-pandefasana? misaotra.
14. haritianah ( 23/07/2008 13:16)
Mada chang alou no fandefasako isambolana.Manana cour izy ts dia mifanalavitra @ cour tena misy, zan oé maka marge kely fotsiny izy de manomé izy oé anio zany zao Fmg ny 1€.Dé enao no manao zé calcule ny vola fmg tianao alefa.
Ny anaran'ny olona andefasanao azy complet no omenao azy sy ny vola alefanao.
Omeny recepicè ianao misy code io recepicé io, dé anjaranao ny mi-transmetre lé code any @ lé olona nandefasanao lé vola.
Misy agence ny ao 67Ha, dé makany lé olona nandefasanao vola, miaraka @ karapanondrony sy ny code nalefanao dia omeny @ fmg any ny vola nalefanao.
Ohatra zao azonao tél alou madachange oé ohatrinona ny cour ny anio, zà zao anio nandefa tany dia 12250 fmg.Moramora kokoa izy raha oharina @ westerunion.Saingy ny madachange mbola ao tana ihany no misy agence ny ao Mada.
Eo noho eo dia azon'ilay olona any dago alaina lé vola.Tsis very tsis olana alou atram zao.
Fa ny olana @ ilay Transfer iray io dia tsy payer en Ariary lé olona any dago fa en euro dia sahirana mbola itady fanakalozana indray koa ny olona any.Payé en € foana.
Parcontre raha ny taux nolazainy satria niantso tél tany ao io ariva io dia raha 500€ no alefa dia 12€ no taux alainy mora bé fa asa anefa raha tsara na tsia fa zà alou ts tia an'lé izy.Afahafa bé zan ny fahitako azy satria zé zvtr nanontaniana lé rangahy ohatry ny maizina zay ny fiteniny t@ tél dia tsis fantany ny momba ny any Dago.Juste oy izy mi transferer ny volanareo fotsiny zay.Dé afahafa bé tamiko de nakany @ madachange indray ao.
15. ainaheri ( 23/07/2008 14:08)
haritianah> ngah 12250fmg ndray ny 1euro? ny ao @ site nefa milaza 12260fmg mba mahagaga iany zany,....misy ftoana mifanalavitra @ cour iany ny marge alainy,misy ny cour efa ho 15000fmg ny azy eo @ io 12250,12260 io iany no averimberiny....
16. ni81 ( 23/07/2008 16:18)
Misaotra daholo t@ fanazavana e!
17. rakaroka ( 23/07/2008 16:23)
Miovaova ny sandan'ny vola ka ! dia izay no mahatonga ny namana eo ambony manontany mialoha ny handefasany vola. 'za koa aloha mpandefa vola amin'ny havana sy namana any , dia arakaraka ny "situation'ny olona no handefasako.
Fa amin'ny ankapobeny dia "madachange" no manavanana ahy tanta que presque azo eo no ho eo (asa miandry adin'ny roa angamba raha betsaka raha andro fiasana dia efa azon'ny any raisina ny vola, sady tsy misy frais amboniny alain-drizareo intsony! Fa marina ny resaka teo hoe sur Tanà ihany izy. Noho izany somary sahirana aho nadefa vola ho an'ireo namana tany @ sisiny satria Western Union no mba misy any amin-drizareo anefa lafibe ny sarany alain'WU @ fandefasana.
Misy havana indray mitady "Euros" mihitsy any satria mahita piste mandray izany amin'ny sanda misimisy kokoa hono.
Fa marina ny "ahiahy teo hoe ahoana moa no maha-possible ny "stock" d'Euros
any @ firenena Afrikana ? raha betsaka ohatra ny transactions anefa voafetra ny vola "Euros" transferables ?...
18. ni81 ( 23/07/2008 16:29)
Fa marina ny "ahiahy teo hoe ahoana moa no maha-possible ny "stock" d'Euros
any @ firenena Afrikana ? raha betsaka ohatra ny transactions anefa voafetra ny vola "Euros" transferables ?...
Toa hoe miaraka @ ilay atao hoe Groupe SIPROMAD izy io, ary io toa karana taloha no tompony raha tsy diso aho.
19. niryna ( 23/07/2008 16:45)
ainaheri:

ni81>> natsoiko vao teo d ny vola raisina any dago zany en euro,ny azy zany misy frais 0à250 euros ==>8euros ny frais-ny ,ny ankotr'zay tsy nanontaniako,afaka mandoa en espece ianao na CB ,manana agence maro² hono ry zareo eto france

Ny madachange ndray tsisy sarany fa manaraka cours .....,androany izy 1euro=12260fmg io no raisinao any dago,en ariary http://www.google.fr/url?q=http://www.madachange.com/COURS1/cours.htm&sa=X&oi=smap&resnum=1&ct=result&cd=1&usg=AFQjCNFlfnl8NT-hmNjb-sdXuJlhewoYUg


ltsy mampalehelo tokoa ve ny sandambolantsika e ,vola kelny fotsiny nefa dia avadika sy lasa volabe ....amin'izay toa miakatra miakatra toa lakanjejo tsy misy fijanonany izy ity !!!
:wink:
20. rakaroka ( 23/07/2008 16:45)
Ny tokony ho possible : ny " société général" satria efa grand opérateur aty
no manana "agence" any. Fa ny karana izany angaha moa "Européana?..."
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5698