Izaho milaza ny marina @nareo: mahatsara anareo ny fialako

41. niryna ( 10/08/2008 04:11)
todisoa2:

niryna:

Fa izaho milaza ny marina aminareo: mahatsara anareo ny fialàko;
.......................................................


fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aty aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho aty aminareo Izy.8 Ary raha tonga Izy, dia hampiakiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana, satria mankany amin'ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony hianareo;

9 ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy;

10 ny fahamarinana, satria mankany amin'ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony hianareo;

11 ny fitsarana, satria ny andrianan'izao tontolo izao dia efa voatsara.
Jaona 16


Izao io miteny hoe mahatsara anareo ny fialàko ,fa raha tsy miala Aho dia tsy ho avy aty aminareo ny Mpananatra ?
ary iza indray io Mpananatra io eto ?
misaota mialaha.

(l) niryna



ilay mpananatra tiany hotenenina eo, dia ny Fanahy Masina. Io no tiany hambara. Io ilay hoe dia ny Fanahin'ny fahamarina, izay tsy azon'izao tontolo izao raisina satria tsy hitany na fantany . fa hianareo mafantatra AzyItalic text
Isik'izay voairaka, mahatsapa antso hiasa hoan'ny Tompontsika, dia mahay mandray ily Mpanantra hafa, fia ireo voalazanareo etsy ambony ireo. Izy ny personne fahatelo sady farany, manao ny misionam-pamonjena antsika ety an-tany!!!
Henontsika, azontsika @ alalan'ny vavaka sy ny bitsiky ny Fanahy (conscience spirituelle) Izy.
Raha manda Azy io isika, eny miteny ratsy azy, dia tsy hahazo famelan-keloka intsony

misaotra anao nizara,raha miteny ratsy ahoana moa izany ?
raha manda no mety afaka mamela heloka izy raha mibebaka na manatona Azy indray avy eo ..sa tonga dia blasphemy koa izany ?


42. niryna ( 27/08/2008 20:00)
ikaretsaka:

le fombanao taloha lasa evoluee no nahagaga ahy ka...fa azoko tsara le izy

le enao taloha niteny hoe soratra masina IHANY avy eo TSY ihany TAMPOKA

=))=))

43. bor2lais ( 28/08/2008 15:23)
prime:

Todisoa> Itoviako hevitra...

Hatreto (ankehitriny no tiako lazaina) tokoa aloha dia mazava ny tenin\'Andriamanitra fa ny Fanahy Masina no \"bala\" farany avy amin\'Andriamanitra anorenany ny asam-pamonjena sy ny heriny eto amin\'izao tontolo izao mba hahavoavonjy azy... ary izany indrindra no mahatonga ny fahamarinan\'ny teniny manao hoe : \"Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak\'olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy* ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka.[*Gr. manao blasfemia; izahao Mat.9.3]\" Lioka 12:10... fa raha io no anaovana blasfemia dia tsy hisy n\'inon\'inona intsony aoriana hiasa hampibebaka fa vita ny aminy... Andriamanitra Ray raha voateny ratsy dia soa, fa noho ny fitiavany dia nomeny ny Zanany Lahitokana mba hampibebaka ny mpanota... Kristy raha voateny ratsy dia soa fa nomeny ny Fanahy Masina mba hampibebaka sy hampiorina ny mpanota hitodika amin\'i Kristy... fa raha ny Fanahy Masina no voateny ratsy dia izay no vita...

Ary ny tena fahasoavana dia io Fanahy Masina io izay nomena ny mpino isambatan\'olona mihitsy...


-> Mazava be ... misaotra sy mahereza hatrany !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1123