Izaho milaza ny marina @nareo: mahatsara anareo ny fialako

21. ari.malala ( 25/07/2008 07:34)
hazo oliva ngeza be nivavahan'i Kristy ahoana koa? nga mou izy nivavaka tam hazo? :roll: :-w
22. ikaretsaka ( 25/07/2008 15:25)
teo izy no nivavaka t@ andriamanitra angamba fa tsy heo ilay oliva no nivavahany...
io diso teny sy very andalana io rehefa zatra mitsimpona anie....
nahatonga le hoe mivavaka @ sarivongana sns...
23. fahamarinana ( 25/07/2008 15:42)
:arrow: :-D nareo dahy ireto an...mba nifandiso zany izy e,mino aho fa tsy dia izay no tian'niryna lazaina akia ari a.. :)
24. niryna ( 28/07/2008 17:34)
ikaretsaka:

angaha tsy @ alalan'ny soratra masina indray fa feo?? nefa izany no notoherina mafy de mafy tokoa taloha??
atovy hoe tsy azoko ilay izy niryna a
ireo efa voalazaka aminao ireo no fomba mety hitenenan'Atra amintsika,inona ny anao ?
mba consistant hoa dia ataovy serieux fa androany menamena rahampitso mangamanga omaly mavomavo!
[/quote]


:roll: :cry: :cry: :D :D :D
25. ikaretsaka ( 28/07/2008 18:11)
le fombanao taloha lasa evoluee no nahagaga ahy ka...fa azoko tsara le izy

le enao taloha niteny hoe soratra masina IHANY avy eo TSY ihany TAMPOKA
26. ari.malala ( 29/07/2008 06:23)
fahamarinana, hihihi, ko zany no lazainy hoe hazo oliva ngeza be nivavahan'i Kristy ko! ts azoko :-P
27. prime ( 30/07/2008 11:35)
Ilay "ihany" teny gasy no tsy mahalaza azy loatra... fa ny fototra dia efa nambara an'i Ika hatramin'izay, "sola gracia, sola fidei, sola scriptura"... ka raha raisina ara-bakiteny dia eo sahady izao efa misy "sola" 3...

Ny protestanta tsy mino hoe Soratra masina "IHANY"... fa mino an'i Jesosy Kristy araka ny voambaran'ny Soratra Masina (sola scriptura)... ny finoana an'i Jesosy Kristy no ahazoana ny fiainana mandrakizay (sola fidei)... fiainana ao amin'i Jesosy Kristy eo ambanin'ny fahahasoavany sy ny famindrapon'Andriamanitra (sola gracia)...

(HS ny tenanay fa ialàna tsiny nitondra fanampim-panazavàna fotsiny, misaotra)
28. ikaretsaka ( 30/07/2008 15:11)
ka IHANY aby izany rehefa fintinina koa...

29. niryna ( 30/07/2008 17:09)
fahamarinana:

niryna:
Ho any Jerosalema tanana masina no tena tiako aleha fa mbola niandriandry aho io..hi,hi .Hijery na dia ilay hazo oliva ngezabe nivavahan'i kristy fotsiny ihany aza

:arrow: HSkely,za koa ry niryna dia maniry ahita izany jerosalema izany,hijery ireny tanana rehetra lazain'ny Soratra Masina ireny e.. :) (l)


andao aza hiaraka e

:D
30. niryna ( 30/07/2008 17:13)
ikaretsaka:

le fombanao taloha lasa evoluee no nahagaga ahy ka...fa azoko tsara le izy

le enao taloha niteny hoe soratra masina IHANY avy eo TSY ihany TAMPOKA

ilay tsy any tampoka dia anao no mamakafaka azy ary afaka miteny foana izay teneninao hianao ,izany akory tsy ahasakana ahy ny tsy hitory teny,asa miandry vary latsaka foana hoy aho fa manao fanadihadina hatrany .Fantatra eny ihany ny voa nafafy e,ary averimberiko foana io ry ika a,ny miaraka amin'i kristy izy tenany dia mahalala na hianao aza mahalala hoe izy no hinoanao i kristy ve sa izy.
ny miarka aminy mantsy tsy hanipaka ny teny voalazany foana hi,hi,hi
dia io fa mivoana indray ny sujet ko dia tsy tonga any amin'izay tiana ahatongavana fa misy vato manakana foana e, e mila fandinihantena marina izy ity ry ika ka

31. niryna ( 30/07/2008 17:17)
prime:

Ilay "ihany" teny gasy no tsy mahalaza azy loatra... fa ny fototra dia efa nambara an'i Ika hatramin'izay, "sola gracia, sola fidei, sola scriptura"... ka raha raisina ara-bakiteny dia eo sahady izao efa misy "sola" 3...

Ny protestanta tsy mino hoe Soratra masina "IHANY"... fa mino an'i Jesosy Kristy araka ny voambaran'ny Soratra Masina (sola scriptura)... ny finoana an'i Jesosy Kristy no ahazoana ny fiainana mandrakizay (sola fidei)... fiainana ao amin'i Jesosy Kristy eo ambanin'ny fahahasoavany sy ny famindrapon'Andriamanitra (sola gracia)...

(HS ny tenanay fa ialàna tsiny nitondra fanampim-panazavàna fotsiny, misaotra)

=D

ari malala a,tao amin'ny tendrohitra oliva i kristy no niakatra nivavaka ,izay no tiako ho tenenina,marina tokoa ny fiteninao fa tsy misy ary tsy tokony isika hivavaka amin'ny zavatra hafa ,noho izany tsy nivavaka tamin'ny oliva na hazo akory izy fa tany no toerana nivavahany ary mbola velona ao ilay hazo ,izay no tiako ho tenenina .peace be with us !

Ny fahasoavan'ny Tompo anie ho antsika rehetra hatrany


32. fahamarinana ( 31/07/2008 15:56)
:arrow: niryna :HS kely :mahita mihintsy aho fa andro tsy vacance dia tsy tafa,kely anaka manko ka mbola sahirana..fa mbola ho avy ilay andro e :) (l)
33. niryna ( 01/08/2008 19:33)
ari.malala:

hazo oliva ngeza be nivavahan'i Kristy ahoana koa? nga mou izy nivavaka tam hazo? :roll: :-w

nandeha nivavaka izy ary toerana fandehanany mivavaka ilay izy fa tsy hoe hivavahany
1 fa Jesosy kosa nankany an-Tendrombohitra Oliva
Jaona 8

34. niryna ( 01/08/2008 19:37)
fahamarinana:

:arrow: niryna :HS kely :mahita mihintsy aho fa andro tsy vacance dia tsy tafa,kely anaka manko ka mbola sahirana..fa mbola ho avy ilay andro e :) (l)


kanefa aky tena tsara ery izany mandeha any izany e,hoe gasy maromaro ohatra dia mahita ireny rindrina be feno olona mivavaka eo ireny koa isika ,rindrina fotsiny an ...
:D ilay mandeha eny amin'ireny toerana mahantra kely ireny koa no tiako aky a dia mamahana sakafo kely ho azy ireo sy mampianatra soratra masina ireo ankizy na olon-dehibe , sa ahoana ?
35. fahamarinana ( 02/08/2008 09:48)
:arrow: tsy aleo atomboka any amin'ny Toby any Dago ary aloha ny diantsika ? Any dia mila fanampiana be tokoa na ara-panahy satria misy marary betsaka na ara-materialy satria tanana lavitra sy mbola tsy ampy fitaovana nefa dia maro vahoakan'Andriamanitra... ,ny tena mbola mahatsiaro faible ara-mpinoana oharina amindry zareo rehefa dinihana ny fiainany nefa mifikotra tanteraka.Aty atao hoe fiadanana ara-materialy fa mahatra ara-mpanahy.Ny cas-ko no teneniko fa tsy isika rehetra akory an (tonga dia hitsiko sao bedy eo aho) :( (l)
36. ikaretsaka ( 03/08/2008 00:35)
ka le any dago ry faha tsy hay hoe tobin'ia ro ampiana?
akamasoa sa karamalaza? farihimena sa anosivolakely? :wink:
37. niryna ( 03/08/2008 04:01)
fahamarinana:

:arrow: tsy aleo atomboka any amin'ny Toby any Dago ary aloha ny diantsika ? Any dia mila fanampiana be tokoa na ara-panahy satria misy marary betsaka na ara-materialy satria tanana lavitra sy mbola tsy ampy fitaovana nefa dia maro vahoakan'Andriamanitra... ,ny tena mbola mahatsiaro faible ara-mpinoana oharina amindry zareo rehefa dinihana ny fiainany nefa mifikotra tanteraka.Aty atao hoe fiadanana ara-materialy fa mahatra ara-mpanahy.Ny cas-ko no teneniko fa tsy isika rehetra akory an tonga dia hitsiko sao bedy eo aho) :( (l)

aiza aky no ho bedesina a.marina tokoa izany.Mandeha any ambanivohitra lavitra be e,toa mafy tokoa no mahazo ireo olona alefa any .
ato no atomboka aloha ka,sa ahoana efa manao isika izao.Ilay iraka indray na ny fanomboana dia miankina Azy.Misy namanay izay any Afrika izy no voahiraka ary tena nisy fotoana hono izy nitoriteny ary teny afrikana kanefa izany koreana tsy nianatra teny afrikana fa misy mpandika rehefa mitety ireny firenena mahantra kely any afrika ireny izy. Tsy ratsy e

38. fahamarinana ( 03/08/2008 10:40)
:arrow: Ika :samy izy aby ireo kah..na akamasoa na ankaramalaza na aiza...fa ny ato amin'ny sera ry niryna aloha ndray dia mandray ny omenareo no tena mbola ataoko aloha zao fa mbola mianatra... (ohatran'ny efa ela ihany zay nianarako zay o ?) dia mizara zay kely ato amiko na dia ny famporisihana sy fankaherezana anareo sy ny fihomehezana mamaky ny tenin'ika sy fijo satria misy azo raisina ihany koa satria mampiasa saina sy mampitombina amin'ny Finoana mazana... :) (l)
39. todisoa2 ( 04/08/2008 07:25)
niryna:

Fa izaho milaza ny marina aminareo: mahatsara anareo ny fialàko;
.......................................................


fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aty aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho aty aminareo Izy.8 Ary raha tonga Izy, dia hampiakiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana, satria mankany amin'ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony hianareo;

9 ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy;

10 ny fahamarinana, satria mankany amin'ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony hianareo;

11 ny fitsarana, satria ny andrianan'izao tontolo izao dia efa voatsara.
Jaona 16


Izao io miteny hoe mahatsara anareo ny fialàko ,fa raha tsy miala Aho dia tsy ho avy aty aminareo ny Mpananatra ?
ary iza indray io Mpananatra io eto ?
misaota mialaha.

(l) niryna



ilay mpananatra tiany hotenenina eo, dia ny Fanahy Masina. Io no tiany hambara. Io ilay hoe dia ny Fanahin'ny fahamarina, izay tsy azon'izao tontolo izao raisina satria tsy hitany na fantany . fa hianareo mafantatra AzyItalic text
Isik'izay voairaka, mahatsapa antso hiasa hoan'ny Tompontsika, dia mahay mandray ily Mpanantra hafa, fia ireo voalazanareo etsy ambony ireo. Izy ny personne fahatelo sady farany, manao ny misionam-pamonjena antsika ety an-tany!!!
Henontsika, azontsika @ alalan'ny vavaka sy ny bitsiky ny Fanahy (conscience spirituelle) Izy.
Raha manda Azy io isika, eny miteny ratsy azy, dia tsy hahazo famelan-keloka intsony
40. prime ( 04/08/2008 14:12)
Todisoa> Itoviako hevitra...

Hatreto (ankehitriny no tiako lazaina) tokoa aloha dia mazava ny tenin'Andriamanitra fa ny Fanahy Masina no "bala" farany avy amin'Andriamanitra anorenany ny asam-pamonjena sy ny heriny eto amin'izao tontolo izao mba hahavoavonjy azy... ary izany indrindra no mahatonga ny fahamarinan'ny teniny manao hoe : "Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy* ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka.[*Gr. manao blasfemia; izahao Mat.9.3]" Lioka 12:10... fa raha io no anaovana blasfemia dia tsy hisy n'inon'inona intsony aoriana hiasa hampibebaka fa vita ny aminy... Andriamanitra Ray raha voateny ratsy dia soa, fa noho ny fitiavany dia nomeny ny Zanany Lahitokana mba hampibebaka ny mpanota... Kristy raha voateny ratsy dia soa fa nomeny ny Fanahy Masina mba hampibebaka sy hampiorina ny mpanota hitodika amin'i Kristy... fa raha ny Fanahy Masina no voateny ratsy dia izay no vita...

Ary ny tena fahasoavana dia io Fanahy Masina io izay nomena ny mpino isambatan'olona mihitsy...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0151