Sakafo any Mada sy aty ivelany

1. Bola ( 21/07/2008 21:58)
Asa na efa mba misy mahamarika ity:
izaho sy ilay zokiko iray izay ary namanay iray rehefa mody any Madagasikara dia tsy mba manao regime izany ...tsy dia mahatandrina be no tena tiako lazaina. Ohatra mihinana vary iray lovia be ohatra ny olona rehetra, mihinana mofomofo isan andro (ramanonaka, mofo gasy, mofo akondro...) Nefa rehefa miverina avy any anefa mbola mahita izay mihena! Tsy vao indray mandeha io fa isaky ny zay mandeha any!
Rehefa aty nefa no manao tsy mitandrina dia tonga dia mitombo...
Ohatra izany koa: any Madagasikara raha mihinana vary feno ny lovia dia tsy mavesatra fa matsiaro voky tsara. Aty raha mihinana vary vao in dimy ny sotro dia mahatsiaro feno dia tsy maintsy mijanona...
Marina fa mila tandremana ny sakafo na aiza na aiza fa sao dia mba marina ihany ilay hoe ny sakafo aty misy zavatra mihitsy.... :roll:
novalian'i rose4u ny 19/10/2008 10:32
2. ikaretsaka ( 21/07/2008 22:44)
aza adino ny manasokajy an'ireto
mandeha tongotra ve ianao any sy aty? dia iza no bebe kokoa?
any anie tsy ampoizina fa miakatra sy midina ireo tohatohabato sy fiakarana sy ny ankisisika @ taxibe dia efa kotrana e
3. pissoa ( 21/07/2008 23:03)
Ny antsika koa anie na dia matavy aza ny sakafo toa tsy matavy ohatra ny fanatavezan'ny vozongo azy e ! Ny an'ny vozongo lasa matavy hatramin'ny olona fa tsy ny sakafo fotsiny :-D :-D :-D :-D :-D
4. Veloo ( 21/07/2008 23:37)
satria any dago ny sakafo mbola natoraly doly, no sady milamina ny sainao sy faly :wink:
5. Bola ( 22/07/2008 01:50)
tsy manana auto za aty fa mandeha tongotra isan andro - na mafana na mangatsiaka na neige firy cm aza! Ambonin io mbola manao fanatanjahan tena extra. Rehefa any Mada dia tena vacances...matory maraina, mandeha taxi be (zaho ndray tsy misisika fa miandry ny rariny na maka taxi be @ ilay tsy be olona iny). Tena hoe tsy manao stress.

ka mety ilay an i iza moa veloo ve sa iza fa tsy voaraiko ny anarany fa tsy hitako eto: mety hoe tena milamina sy faly fa any @ tanin tena sy tsy misy stress ve no mampihena...Nefa ndray angaha moa tsy hoe rehefa miadana no mihamitombo...
Tsy hay tsony fa ny hitako aty mora mampitombo dia mila mitandrina be. Any Mada mba mitandrina ihany fa toa tsy sarotra be...

Na ilay namana niteny hoe mbola natoraly daholo ny any @tsika...ankaotra ilay poularde ireny...Ireny koa efa mahazo hormone! Ny ahy ilay ananana sy ki-mofomofo any mihitsy no mba halelovako ary ilay vary mena atao sosoa... :cry:
6. ainaheri ( 22/07/2008 02:13)
Bola>> mazava ho azy zany ka,ny organisme-nao efa zatra ilay sakafo bourrée des produits,hany ka refa mandray ilay sakafo presque bio any dago ny vavoninao dia hafa indray ny fiasany,ka zayno mankahia ny oul refa mankany,nefa io arakarany ndray,misy matavy miverina avy any :wink:
7. ikaretsaka ( 22/07/2008 02:19)
Veloo:

satria any dago ny sakafo mbola natoraly doly, no sady milamina ny sainao sy faly :wink:



arakaraky ny vatana io ka.. misy olona tsary mihinana afa tsy sakafo natoraly sy organika fa mbola ngeza ihany
8. diamondra27 ( 22/07/2008 09:26)
bola:vary gasy akia tsy mitovy amin'ny vary thai a donc matavy foana na de we hihinana vary thai 1 vilia be aty aza ndry

9. Bola ( 22/07/2008 21:50)
diamondra27:

bola:vary gasy akia tsy mitovy amin'ny vary thai a donc matavy foana na de we hihinana vary thai 1 vilia be aty aza ndry

indrisy manko...:(
10. haritianah ( 23/07/2008 06:19)
tsy aiko indray ry bola fa na sakafo natoraly ny mada aza no ohaniko ka raha vao ts mahatandrina sakafo zany dia mora mahazo aina foana, mahasosotra mits.Dia voatery mametra ny ampidirina am-bava foana fa mijaly aveo ny manala an'iny.
Nefa manao activiter bé zà fa sensible be mits ny vatako, zay no nanjary nahatonga ay ts maints mitandrina io.Ara pahasalamana ao tsis olana na inana menaka,sucre,sira sns fa ny Olako dia mora mazo aina bé mits ny vatako.
Refa vakansy mou dé miferinaina ao satria na ny fiovandrivotra fotsiny dia efa mapahazo aina anah bé mits.Mis poid fotsiny tazomiko ts ihoatran'iny fa refa mnakaikikaiky eo dia miemotra aingana(poids max io)
11. Bola ( 23/07/2008 15:42)
Aty koa amiko sarotra ilay manaraka ity rehetra ity fa dia izay no hafatra t@ dokotera hoe raha mitandrina io menaka, sira ary siramamy io dia tsy maninona. Izany hoe izay hohanina rehetra dia jerena ny fatra @ ireo ka izay farany kely indrindra no hohanina. Tsy hoe za misy probleme @ ireo fa ireo no miregulariser ilay mitombo sy mihena. Ary tena marina ny nolazainy satria vao natao minimum ireo dia mihena, tsy mitombo. Dia izay no hitandremako ireo satria plus reo ambany plus tsy mitombo. Fa izay ilain ny vatana mihoatra kokoa tsy maintsy hohanina betsaka (legumes, voankazo ary zava maitso) ireo ndray dia betsaka araka izay azo atao no ilaina hohanina ankaotra ny akondro satria iny 100 calories ny iray.

Azoko an tsaina ilay ezaka mafy fa faly ihany ianao aty aoriana hoe mahatandrina! Sa ahoana...Indrindra rehefa ilay sendra manandrana akanjo dia taille petite!!! :D
12. fahamarinana ( 23/07/2008 19:02)
:arrow: raha any toamasina ka mamely lasopy sinoa isak'alina dia tena vondraka be rehefa mody aty...zany no nanjo ahy farany teo fa taloha nefa dia mahia ery satria tao tana..na ny toe-tena koa no niova angaha.. (l)
13. diamondra27 ( 24/07/2008 06:49)
bola: ny tena blem akia de refa minana fruits be lotra za sy legumes crudites de misy aphtes sy marary kibo ndray a. Fa raha mety ho an'ny hafa de mazotoa e
14. haritianah ( 24/07/2008 13:36)
Tena hafaliana koa mou zany ry bola oé taille xxl zany ka lasa taile l.
15. fahamarinana ( 24/07/2008 14:06)
:arrow: haritianah : :-D :-D ,marina zany ,na lasa xl aza efa tsara fa mba nihena. (l)
16. ikaretsaka ( 24/07/2008 18:42)
amiko io resaka vahana sy toe batana e..
misy fotoana aho nanao apostolat tany atsimo ireny fa tsako sy balahazo sy manga sy lamoty sy Tsinefy sy varanga ro hanina, biskleta kilometatra maro no rythme fa misy an iznay mahazo 20 kgs izany

avieo mandeha metro mipetraka fotsiny manao sabatique.. mihinana yaourt gateau sns... fa very 20 kgs
17. Bola ( 24/07/2008 19:45)
@Diamondra:mampalahelo izany...ny ahy io dia mety tsara fa ny nahavariana t@ nanova io fisakafoana ho lasa fruits legumes betsaka dia mivaoka au moins indroa isan andro. tsy marary kibo anefa an...dia lazain ny dokotera hoe satria be fibre ny fruits ary mandeha tsara izany ny systeme digestif indrindra ny colon.Ny olona aza hono ampanaovina io manadio colon ka ny mandeha naturel tsara....
@Hari:na koa ilay hoe tafiditra @ akanjo taloha!
@ikaretsaka:ireo tanisainao tany atsimo ireo ve tsy feno carbohytrates sy siramamy daholo...(*hahitsio raha diso aza fady)satria tsinona carbohytrates avadiky ny vatana ho siramamy dia avy eo tavy, siramamy iny moa ampahany no hampiasainy dia ny ambony lasa tavy. Ilay mihena indray tsy fantatro fa raha tena reo no mampihena 20 kg dia sambatra be ianao sa ahoana! :D
Sarotra ihany fa rehefa mahita ny tsirairay hoe ty mahasalama ahy, manampy hi controler ny poids dia izay angamba no lehibe...sa ahoana.... na dia tsy mazava foana hoe fa naohoana...
18. ikaretsaka ( 25/07/2008 22:45)
mino kosa aho fa tsy febno karbohydrates sy siramamy nohon'ny chocolats sy ny gateaux ireo e
19. Bola ( 26/07/2008 02:40)
tsy fantatro...mila ampidirina @ ireny ilay site milaza ny ao anaty zavatra hohanina rehetra ireny dia zay vao hita eo...
Fa io araka ilay nolazaiko tery @ voalohany: vary ohatra tena raha ny izy misimisy siramamy dia carbohydrates koa mazava ho azy betsaka...nefa any madagasikara isika tsy mivondraka...Dia i Diamondra iny sa iza ilay nilaza hoe satria hono ny varintsika hafa...Ka asa tsy haiko ilay maha hafa azy: ny fomba famboly azy...sa ny tany naniriany...sa izy roa
Fa na zany aza....aza dia mivelona @ gateaux sy choco fotsiny ry karetsaka fa ny atinao e...tsinjovy mba hiasa elaela...Aza fady fa tsy tanako iny fa tsy anjarako izay tianao hohanina fa fiainanao io ka...**ataovy toy ny tsy niteny za**
20. ikaretsaka ( 26/07/2008 03:17)
Bola:

Fa na zany aza....aza dia mivelona @ gateaux sy choco fotsiny ry karetsaka fa ny atinao e...tsinjovy mba hiasa elaela...Aza fady fa tsy tanako iny fa tsy anjarako izay tianao hohanina fa fiainanao io ka...**ataovy toy ny tsy niteny za**

ny kotrana no mitondra an'io ry bola an.. za tsy manao regime izany ary za tsy mino izany hoe regime mampitombo sy mampihena izany... ny fomba fandanianao ny calories-nao no mampitombo na mampihena.
rehefa te hihena? manaova sport!lanio ny calories!


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2607