Ny mahamalagasy : inona??

1. badboy ( 21/07/2008 06:01)
Mitroatra daholo raha vao misy hevitra mibiloka ampisehon'ny vahiny na eo antoerana satria hoe manao tsinotsinona ny mahamalagasy!

Fa inona aloha ilay hoe mahamalagasy??? Inona avy eo no zavatra hoentiny???

Amiko manokana ankoatran'ny karapanondro dia tsy misy intsony izany mahamalagasy izany fa ny mahazanaky ny tontolo no misy!;-) ;-) ;-)

novalian'i tsimati ny 24/07/2008 01:22
2. tsimati ( 21/07/2008 06:07)
Ny famaritana ny mahamalagasy lava fa ny olompirenena hafa na misy aza ny fanatontoloana dia misy ny fifaninanana eo amin'ny lafiny rehetra. Miseho ny hoe izao ny maha-Frantsay, ity ny maha-Sinoa, ireto ny maha-korean sns koa inona no olana sy tsy azonao amin'ny maha-Malagasy ? Raha zanaky ny tontolo tsy asiana fifaninana baolina kitra sy resaka firenena intsony fa efa samy anaty tontolo dia ao no miodikodina anaty tontolo iray ao. Na izany aza arabaina ianao zanaky ny tontolo. Izahay aloha zanaka Malagasy.
3. LazaDaddy ( 21/07/2008 06:40)
tsimati:
ity ny maha-Sinoa
inona io fa somary nanaitra ahy? =))
4. tsimati ( 21/07/2008 09:07)
Ny maha-olona ny Sinoa ve no manaitra ry kawan kawan LazaDaddy ? :-D :-D
5. kidoropamba ( 21/07/2008 12:32)
Ny mahamalagasy (malagasy @ refy na famaritana ao anatin'ny MAP sy ny lalampanorenana ankehitrio) dia: HAFETSENA (ilAina io satria endriky ny hakingantsaina), FAHAIZANA MAMITAKA HAVANA (Ny havana mahantra dia fositra sy vesatra ka mety mitondra any an-davaka ka tsara fitahina mba hiovelomana tsaratsara kokoa), ary BELAINGA (Ny Lainga dia endriky ny havitrian-tsaina mba handresena ny mpanohitra sy ireo mpanaratsy).
Tsy olana akory ireo fa "soatoavina" @ maha-TIM anay satria hany lalana ahafahana manao bizna hampandroso ny firenena malagasy ka tsy misy mpandrebireby.

Samy manana ny soatoaviny avy ny firenena rehetra. Ka mety izay heverin'ny sasany fa ratsy dia hitan'ny hafa ho "tsara " indray.

Tohizo ny lalantsika
Tafita Isika Malagasy
God save Ravalomanana ^:^
6. karavasy ( 21/07/2008 12:37)
Ny maha-kidoropamba dia ny fikoretahana seza nefa tsy mahazo. :-D :-D :-D
7. kidoropamba ( 21/07/2008 12:54)
Ho hitanao eo fa ity ingahy Pierre Raharijaona ao @ AREMA matotra io dia mbola ho ao ahorinako vao mahazo seza. hin!hin!hin!hin!
zA nge tsy mila seza ambony e fa kelikely fotsiny e. Ohatra : ambasadaoro ao maorisy; minisitry ny raharahambahiny, hirakiraka ao @ prezidansa, na farafaharatsiny talEn'ny EDBM.
Tsy misy resaka diplaoma io fa resaka hakingantsaina fotsiny.
Raha miaraka ilay saina roa (anahako sy an'i filoha hajaina) dia lasa "miiba sy miiba" io ka lasa "miiba foana".

Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
8. karavasy ( 21/07/2008 13:04)
Ary satrobory ahoana indray ry satrodamba kidoropamba?
9. kidoropamba ( 21/07/2008 13:14)
Ny reverAN satrobory angamba mety alohako. Mety ho lasa konsaiYE mantsy iny bandy iny ato ho ato @ fivavahana ao Iavoloha. Efa seza tiany io satria afaka izy mampiasa ny KESY avy @ rakitra.

Ary be dia be ny KESY ao Iavoloha satria ny bois de rOzy, ny vola avy @ SAMIFIN, ny dolara avy @ BIANCO sy ny sisa dia feno ao Iavoloha daholo. Man'isa an'ireo vola ireo no tena mùahakinga an'i satrobory. Tsy hananako talenta indray iny.

Tafita Isika Malagasy
God save ireo malagasy tena malagasy avy @ MAP
God bless Ravalomanana ^:^
10. ranitse ( 21/07/2008 13:17)
Tsy mahavoa ny balan'i kidoropamba na ho faty hozatra eo aza
11. kidoropamba ( 21/07/2008 13:18)
Hozatra avy aiza? Efa tsy misy mihitsy ao Ivaoloha sy Magro ka avy aiza izany hozatra izany? avy @ Arema matotra? avy @ zoky be marisely?
Sa miandry raha tonga ilay trosa handrasan'ny MAP???

Tohizo ny lalantsika
Tafita Isika Malagasy
God save Ravalomanana ^:^
12. ranitse ( 21/07/2008 13:22)
Lasa niparitaka kidoropamba matihozatra :lol: :lol: :lol:
13. kidoropamba ( 21/07/2008 13:25)
hin!hin!hin!hin!
Ravalomanana Ihany! Ravalomanana hatrany!
Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
14. ranitse ( 21/07/2008 13:27)
Manokafa ndray loha-hevitra vaovao ry kidoropamba matihozatra sao izay no hamelona azy a :lol: :lol: :lol:
15. kidoropamba ( 21/07/2008 13:34)
Raha izany no hampandroso an'i Madagasikara dia tsy maninona fa ny mpanohana ny filoha hajaina Ravalomanana rehetra dia azonao lazaina fa maty hozatra daholo.

Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
16. ranitse ( 21/07/2008 13:42)
Profesora kidoropamba matihozatra tsy omena seza na ho faty hatramin'ny tenany aza :lol: :lol: :lol:
17. kidoropamba ( 21/07/2008 16:18)
Aza miala amina menaka TIKO fa io ihany no ahafahana mamelona ny hoza-maty e.
Tohanako Ravalomanana, filoha hajaina

Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika (maty hoza-be)
God save le hozabe ^:^
18. tsimati ( 21/07/2008 16:28)
Tsy miteny izany filoha hajaina izany any @ TIM fa ny matihozatra kidoropamba no misanana :-D :-D :-D
19. kidoropamba ( 21/07/2008 16:56)
Nareo ange any amin'ny kategoRia ambany ao @ TIM ao satria nanohana an'i rajems e.
Ato @ kategoria ambimbony dia manome haja ny filoha hajaina Ravalomanana daholo.
Tsy dia mahagaga loatra ange raha somary matimaty hozatra daholo izahay ato satria tsy tonga ny volan'i MAP.
Heverina fa nareo "mpamelona hozatra maty" ireo no hamelona ny ekipa solidan'ny TIM izay efa ketrikentrina daholo satria ao ny maty, ao ny malemy hozatra.

Tohizo ny lalantsika
Tafita Isika Malagasy
God bless Ravalomanana ^:^
20. tsimati ( 22/07/2008 00:34)
Ianao no vizana fa tsisy fantantray akory izay olona tanisainao eo. Ianao mpisandoka TIM no niditra tsy tian'ny tany ka lasa nisarakorako. Ny tompony manana ny fifanajana ampiasany nefa ny anao hirahira tany ambadika no entina koa aiza no asian'ny olona sira. Filoha hajaina e, baikompitolomana e, sns rakatry ny olona fa revingatra tranainy. Tsisy sira ka maty hozatra kidoropamba.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0817