HERY ROA MANGEJA ANATY FAHANTRANA an'i MADAGASIKARA

1. nygasysoafifameno ( 21/07/2008 02:06)
Antso ho antsika malagasy tia tanindrazana maniry ny hahafantatra ny tena zava-misy: ireo HERY ROA mangeja an"i Madagasikara anaty fahantrana
Ho antsika maniry hitondra miakatra hoa avo ny tena ho fampivoarana ny firenena
Tongava mamaky ny blaogy maha olom-pirenena
http://madagascar-animation-culturelle.blogspot.com
dia manasa anareo koa hijery ny site olom-pirenena
http://wwwmadagascar-animation-culturelle.net
Ny Profesora Johnson Jacky THAÏNA
Professeur Pluridisciplinaire et interdisciplinaire
no manentanan ny dinika fanazavana famakafakana famoitra ny tena aretina ifotony mampahantra an'i Madagascikara ary ny vahaolana matotra sy maharitra entanin"ny maha olom-pirenena sy ny finiavana ampandroso ho avo ny firenena
ilazao ireo namana sy tapaka na eto madagasikara na aty ivelany ary manaova dinidinika mahasoa mikasika izay voalaza.
Misy teny frantsay ary hisy hatao teny malagasy
novalian'i tsimati ny 22/07/2008 12:56
2. tsimati ( 21/07/2008 03:54)
Ny hery roa eo ihany fa ny tsy fahaizan'ny Profesora voalaza manana fahalalana isankarazany mampita fahalalana no fototry ny olana. Mahay ary tapotapahaizana saingy tsy nitondra soa ho an'i Madagasikara fa mampidera fahalalana sy baoritra tsisy vokany. Ampisehoy ny vitanao fa manaraka ny soa sy mety ny vahoaka. Tsy mila tarihana akory.
3. xxx ( 21/07/2008 06:17)
Mba mangataka an'i tsimati mba hanazava misimisy kokoa ity tsy fitiavany tafahotra ny manampahaizana malagasy, efa maro mantsy ny resaka teto nefa dia toa manakiana ny elita malagasy araky ny fiteniny foana izy. Mba hangatahana koa izy amin'izany famaliany izany mba tsy hilaza hoe satria ny elita tsy eo amin'ny fitondrana dia tsy misy ilana azy satria ataoko fa tsy manalavitra ny didi-jadona intsony ny zavatra mitranga eto amin'ny tanana.

Fanamariana: tsy mpikambana amin'io nygasyfifameno io ny tenako, sady tsy mpikambana amin'ny antoko na inona na inona
4. tsimati ( 21/07/2008 09:05)
Na xxx aza ianao dia hamaly tsotra amin'ny maha-olontsotra tsy manampahaizana ahy aho.
Ny firenena izay nahita vokatsoa sy fandrosoana dia sahy mirehareha ny Elita tera-taniny.
Ny milaza Elita nefa tsy lasa alavitra akory ny fireneny dia maneso tena eny fa na farany manankarena eto ambonin'ny tany aza izy. Ny fireneny no jerena.
Farany, ho anay tsy manantsaina tsy misy afatsy ny vokatra no jerena fa ny baoritra tsisy vokany tsy hitan'ny firenena.
Ny tenako mahantra tsy afaka hanao ohatra mpanankarena satria tsy nianako ary dingana tsy vitako. Ka ny milaza manampahaizana tsy nahavita ve mba ahoana?
Miala-tsiny raha mankary fo saingy mba valio raha diso.
5. tsimati ( 21/07/2008 09:47)
Ampiako fa tsy mbola nipoitra i xxx. Ny tafika aza vehivavy no mitondra azy ka ahoana indray izanydidi-janona ankehitriny izany ?
Ny Elita baikon'ny lazaina tsy ampy fianarana ve sa ahoana koa ?
Sahala izany ve ny didi-janona misy eran-tany ry Elita xxx :-D :-D :-D .
Dia mahavoa sa mikonetaka izany ? :-D :-D :-D
6. xxx ( 21/07/2008 10:54)
Voalohany aloha tsy milaza ny anarako aho satria tsy misy dikany no ahalalana izany na kely aza. Ohatry ny anao ihany ry tsimati, ataoko fa mitovy ny sarintsika io, ny mombamomba anao moa dia lainga fotsiny. Izà ary mba sahy milaza hoe tsy ampiseho anarana, fa tsy ohatry ny sasany.

Momban'ity resaka elita ity indray, ny tena mahagaga anahy dia ny fitsikeranao tsy misy farany ireto elita. Nampiasa ny teny hoe manakaiky ny didi-jadona aho satria i Ravalomana daholo no mandidy sy manapaka eto amintsika amin'ny lafiny rehetra izany. Raha vao olona tsy mitovy hevitra amin'azy dia hiavin'ny loza. Nefa ange ny hevitra fotsiny no tsy mitovy.Ohatry isika izao. Ka inona no anaran'izany raha tsy hoe didi-jadona. Izany hoe na manampahaizana tahakan'inona eo ianao ka figadrana sy fandrohana no miandry anao, inona ary izany no zavatra afaka ho ataony eo?? Ary ataoko fa olom-pirenena ianao ka izay no mahatonga anahy manontany tena hoe maninona i tsimati raha mitsikera ny mpitondra sahalan'ny fitsikeran'ny manampahaizana izay tsy afa-manotra satria ny mpitondra no tena manimba ny tanintsika,ny mpitondra no tsy mampivoatra antsika, ny mpitondra no manana ny fahefana rehetra.

Sa kosa angamba TIM enao ity?? Miala tsiny indrindra tompoko raha TIM enao. Dia mbola mamerina ny fialantsiny ihany ny tenako.
7. tsimati ( 21/07/2008 11:06)
Team aho fa tsy TIM velively ary tsisy hilainy ny sahala ahy koa. Fa ny mahatalanjona ahy kosa dia ilay resaka didi-jadona. Maro ny tantara momban'ny didi-jadona eran'izao tontolo izao na ny efa talohabe na ny mbola hatramin'izao. Dia sahy hilaza ve ianao fa mitovy ny mahazo ny vahoaka ao Myanmar no mahazo ny vahoaka Malagasy izay malalaka eny fa na ny hanopa ankitsirano ny Filoham-pireneny azy azony atao. izay hevitra tiana hatao dia ny tsikera no tonga aloha ka ny mpitondra miankavia ny vahoaka misalasala ny mpanohatra miankavanana. Koa raha samy vizana tsy mandroso samy tompon'andraikitra isiaka. izaho aloha miteny io Elita io tsy mitifitra anao satria fantatrao ny vitanao ho an'ny firenena ka tsisy ahatahorana raha toa ka efa namokovoko sy nitondra ny anjarabiriky. Raha tsy nanao kosa dia ny tenanao ihany no mahatsiaro voadona fa tsisy mandona anao.
Ny manampahaizana aminay na aiza na aiza tsy voasakana izany fa malama sy miporitsaka. matoa voasakana misy tsy mety ao. Teorian'ny vendrana koa ny ahy izany ka anjaranao na hamaly na halahelo mafy. :-D :-D :-D
8. kidoropamba ( 21/07/2008 11:35)
nygasysoafifameno:

Antso ho antsika malagasy tia tanindrazana maniry ny hahafantatra ny tena zava-misy: ireo HERY ROA mangeja an"i Madagasikara anaty fahantrana
Ho antsika maniry hitondra miakatra hoa avo ny tena ho fampivoarana ny firenena
Tongava mamaky ny blaogy maha olom-pirenena
http://madagascar-animation-culturelle.blogspot.com
dia manasa anareo koa hijery ny site olom-pirenena
http://wwwmadagascar-animation-culturelle.net
Ny Profesora Johnson Jacky THAÏNA
Professeur Pluridisciplinaire et interdisciplinaire
no manentanan ny dinika fanazavana famakafakana famoitra ny tena aretina ifotony mampahantra an'i Madagascikara ary ny vahaolana matotra sy maharitra entanin"ny maha olom-pirenena sy ny finiavana ampandroso ho avo ny firenena
ilazao ireo namana sy tapaka na eto madagasikara na aty ivelany ary manaova dinidinika mahasoa mikasika izay voalaza.
Misy teny frantsay ary hisy hatao teny malagasy

Tena manitikitika ahy mihitsy ity profesora ity satria mitady handresy lahatra ahy avy hatrany lery.
Soa ihany fa misy ny "tenin'ny filohampirenena" isaky ny alahady ao @ radiom-panjakAna (Ny filoha hajaina Ravalomanana sy ny filoha venezoeliAna, Hugo Chavez ihany mantsy eran-tany manao izao kabary tsy valiAna isaky ny alahady izao mba hanabEazana ny vahoaka) mba manosik'ahy hanohana hatrany ny fitondrAna TIM.

Tokony gadraina ity profesora TAHINA ity fa mitady manao destAbilizasion an'i saimbahoaka.

Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
9. xxx ( 21/07/2008 11:41)
Izao vao azoko ry tsimati fa elita tsy nahazo seza enao ka mitsikera ny namany fotsiny mba hahazona ny sisa tsilan'ny TIM. :lol:
10. tsimati ( 21/07/2008 11:53)
Dray dray Dray ra-xxx ty miteniteny foana poa poa poa. izaho tsy Elita ary tsy mitsikera mpitondra no tsy mitomany hitondra satria ny Elita no mikoretaka fitondrana. I kidoropamba angamba no tianao hambara satria io no TIM very seza dia lasa misarakorako :-D :-D :-D
11. kidoropamba ( 21/07/2008 12:25)
tsimati:

Dray dray Dray ra-xxx ty miteniteny foana poa poa poa. izaho tsy Elita ary tsy mitsikera mpitondra no tsy mitomany hitondra satria ny Elita no mikoretaka fitondrana. I kidoropamba angamba no tianao hambara satria io no TIM very seza dia lasa misarakorako :-D :-D :-D

Fanitsiana kely fotsiny @ ilay lazain'i Tsimati: "TIM mbola tsy nahazo seza aho, fa tsy "very" seza akory. Manohana an'i filoha hajaina Ravalomanana fatratra mba mahazo seza indray andro any.

Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God bless Ravalomanana ^:^
12. karavasy ( 21/07/2008 12:29)
Tsy omena seza ny mikoretaka. Izay tsy mikipy tsy asiana (seza). :-D :-D :-D. Ela velona kidoropamba mitomany hikipy. :lol:
13. kidoropamba ( 21/07/2008 12:49)
Aiza kosa e! Tsy izany aloha ny fampanantenAna azoko nomen'izay olona ambony ao @ fitondram-panjakAna ao no sady mpandrindra ny birao politika TIM. Miandry kely fotsiny dia ho hitanao eo.
Izaho mihitsy no voalohany hilaza izany eto @ serasera amin'izay mba hitanareo fa IlAina ny fanohanana an'i filoha hajaina Ravalomanana.
Raha tsy misy seza ho zaraina ange tsy misy olona ho tonga handany fotoana sy hanimba kiraro ka hanatevindAharana ny TIM e. "fifity fifitY" io satria bizna. Manohana dia mahazo. Izay ilay kandra. Misy karamany foana io na dia somary miandry kely. Firenena mahAntra ange ny antsika e, misy retARA foana ny karama.

Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
14. xxx ( 21/07/2008 12:53)
xxx:

Mba mangataka an'i tsimati mba hanazava misimisy kokoa ity tsy fitiavany tafahotra ny manampahaizana malagasy, efa maro mantsy ny resaka teto nefa dia toa manakiana ny elita malagasy araky ny fiteniny foana izy. Mba hangatahana koa izy amin'izany famaliany izany mba tsy hilaza hoe satria ny elita tsy eo amin'ny fitondrana dia tsy misy ilana azy satria ataoko fa tsy manalavitra ny didi-jadona intsony ny zavatra mitranga eto amin'ny tanana.

Fanamariana: tsy mpikambana amin'io nygasyfifameno io ny tenako, sady tsy mpikambana amin'ny antoko na inona na inona


xxx hafa aho an !
ny zavatra hita kosa aloha dia matetika ny manampahaizana malagasy dia be théorie, indrindra ny amin’izao fotoana ! tsy vitan’ny be théorie fa tsy mamokatra ho an’ny madagasikara ! saingy maharary ny maheno izany an ! iza moa ilay atao hoe élite ? ireo avara-pianarana ? ity profesora ity ihany aza dia milaza fa olona tsy mahay mizara fahaizana ny elita gasy ! tsy nahay mantsy hono e ! fa hahay tampoka amin’izay !
ny vahaolana atolony hono dia « table ronde » : sady tsy dia original loatra no mbola hiresaka e ! raha tsy izy no inona ka hoe 15 jours dia ho vita ny vahaolana hanorenana firenena ! sao dia efa mitapy ! aza hitako ka mpikambana ao amin’ny Hetsika Diaspora izy ity ! fofompofony mantsy amin’ny firesaka sy ny fihetsika !
Vaha olana amin’ny mahamalagasy hono : mahay vava hoe « ngaha raha atao amin’ny teny anglisy ny map dia… » ! tsy mahay teny anglisy angamba izy ity fa tsy nolazainy ny teny frantsay izay mibaha toerana ao amin’ny pejy fandraisana !! fa izany koa ve no mba firesak’olona manampahaizana ? tsy misy kilasy !
Olana 2 ihany hono no hitany tsy mety eo amin’ny firenena ! ilay elita tsy haninontsy haninona tsy anisany !
Fa ho an’ny xxx nametraka fanontaniana aloha e : nibahan-toerana teo amin’ny fampandrosoana ny firenena angaha moa ny elita hatramin’ zay ka hoe tonga Ravalomanana dia tsy nisy hita popoka ?? raha eny dia mba lazao hoe iza ? ny elita izany tsy voasakan’iza n’iza ary tsy miandry tarihin’iza fa matoa tsy mahavita zavatra dia poakaty !


15. karavasy ( 21/07/2008 12:57)
Dada indray zany xxx vs xxx. Sao mba tsimati vs kiropamba ambadika ireto :-D :-D izahay tsy haka kidoro aloha na ho tapadoha eo aza kidoro :-D :-D
16. kidoropamba ( 21/07/2008 13:09)
Ny filoha hajaina Ravalomanana ihany no tompoy, fa ho anao ny fandrosoana.

Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
17. karavasy ( 21/07/2008 13:11)
Kay Profesora kidoropamba kay ty :-P :-P :-P
18. kidoropamba ( 21/07/2008 13:27)
Dera sy laza hoanao ry tompo mahery Ravalomanana
Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God blesse the king Ravalomanana^:^
19. ranitse ( 21/07/2008 13:28)
Tena Profesora matihozatra le kidoropamba :lol: :lol: :lol:
20. kidoropamba ( 21/07/2008 13:31)
Ny mpanohana an'i filoha hajaina indray no lazainao fa maty hozatra? hin!hin!hin! ho faly razokinibe marisely raha izany. tena mpanohitra kamo be tenda ityy ianao.

Dera sy laza hoanao ry filoha hajaina.

Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God bless Ravalomanana ^:^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2171