Ahoana ny fihetsem-ponao?

1. LazaDaddy ( 14/07/2008 23:21)
Ny Kristianina dia manambara ny finoany fa "Ho avy hitsara ny velona sy ny maty" i Jesosy. Ka ho anareo Kristianina ary, ahoana ny fihetsem-ponareo rehefa mandinika an'io hoe ho avy hitsara izy? Sady izy koa toa niteny hoe "ho avy faingana aho".
novalian'i fijo ny 05/08/2008 21:08
2. Rasiligaoma ( 15/07/2008 00:57)
hoy koa izy heo "aoka tsy hatahotra na hangorohoro" ary tsy misy mahalala ny "faingana" lazainy afa tsy ny Ray ihany
3. tsimati ( 15/07/2008 01:30)
Ampiako fa ny faingana tsy mitovy ny dikany ho an'ny tsirairay. mazava ho azy fa ho an'Andriamanitra ray zanaka fanahy masina tsy mitovy aminao ny hevitry ny faingana.
Olontsotra izao ohatra milaza hoe valo taona fotsiny ny fianarana pitsabo dia vita. Ny sasany milaza hoe iza no ho lany andro elabe hianatra 8 taona. Ohatra tsotra io fa ho an'Andriamanitra 1 taona sahalan'ny ampahazaton'ny segondra.
izaho tsy kristianina mavaivay fa mahalala ny dikany.
4. Rasiligaoma ( 15/07/2008 02:11)
io izany ilay hie samy mandika izay hitiavany azy sy izay mampetimpety ny sainy arak'izay tsimpona azony! :-D
5. LazaDaddy ( 15/07/2008 02:38)
Rasiligaoma:
ary tsy misy mahalala ny "faingana" lazainy afa tsy ny Ray ihany
Izay manana ny Fanahy dia mahafantatra ny "famantarana" nomeny :). Ny hafa kosa manan-tsofina saingy tsy mandre, ary mijery saingy tsy mahita.

Izaho aloha tsy mbola nanome "interpretation" na dia kely aza fa naveriko fotsiny ny teniny hoe: "ho avy faingana aho". :)

Ny hafa kosa manan-tsofina saingy tsy mandre, ary mijery saingy tsy mahita.
6. Rasiligaoma ( 15/07/2008 02:50)
lalina koa ity hoe manana fanahy manana fanahy foana ity! io indray iznay ny lamaody izao: lasa fomba fanajanonana resaka indray izany ny hoe:
"heeeeeeey jereo fa zahay manana Fanahy fa nareo tsy mba manana... lalali lalala"

rehefa misy resaka tsy mitovy amin'ny firehan-kevitra dia hoe "tsy azonareo izany fa ianareo tsy manana ny fanahy"


dia hoy aho hoe (indramiko ilay fitenin'ilay mpanoratra ho an'ny akama tao amin'ny gazety lakroa fahiny)
"ssssssssss ....aoka re "
7. karavasy ( 15/07/2008 02:53)
Raha mandalina dia mahita ao amin'ny baiboly fa hafa ny dikan'ny faingana fa tsy hoe samy manao izay mampetimpety azy akory. Izay no mahatonga ny demony manjaka satria samy manao izay heveriny ho mety. Manao jipo fohy tsy olana amin'ny sasany fa mitarika ho amin'ny fanolanana amin'ny sasany. ka izay tratra dia tratra fa samy manao izay mampetipety azy io.
8. LazaDaddy ( 15/07/2008 02:54)
Rasiligaoma> Ny fomba firesak'ise eto dia ahitana taratra sy mamaly ilay fanontaniako hoe "ahoana ny fihetsem-ponao" na dia tsy namaly mivantana aza ise :)
9. Rasiligaoma ( 15/07/2008 02:59)
ny fihetsem-poko no tian'i LD ho fantatra?
"sady tsy matahotra no tsy mangorohoro fa efa ny fiadanany no nomeny ahy"

"ce n'est pas demain la vieille" hoy ny vazaha
10. LazaDaddy ( 15/07/2008 03:08)
hahahahaha! "La VIEILLE" ? =))=))=))
11. Rasiligaoma ( 15/07/2008 03:13)
la veillle.. mitsimpona clavier aza misy litera mifamadika e
12. LazaDaddy ( 15/07/2008 03:14)
matetika ny zavatra eritreretin'ny saina no voasoratry ny tanana =))=))=))
13. Rasiligaoma ( 15/07/2008 03:21)
io izany izao dia porofo ihany ny maha mpitsimpona anao: tsy ny hevitra no jerenao fa ny teny, tsy ny contexte no jerenao fa izay metimety aminao ihany ao anatin'ilay fehezanteny!
manam-panahy tokoa e?
14. LazaDaddy ( 15/07/2008 03:24)
Rasiligaoma> aiza kosa moa no ahitana ny hevitra raha tsy ao amin'ny teny? Mivaly tsikelikely ihany ilay fanontaniako ahitako ny fihetsem-pon'ny namana :)
15. Rasiligaoma ( 15/07/2008 03:39)
dia adinonao ny fihetsem-ponao fa variana mijery ny hafa ianao?
16. LazaDaddy ( 15/07/2008 03:42)
17. Rasiligaoma ( 15/07/2008 03:51)
"jereo hono aloha ny andry eo @ masonao"
18. tsimati ( 15/07/2008 04:35)
lasa mivadika fihetsehampo amin'ny fitsiponana teny izy izany :-D :-D :-D
19. Rasiligaoma ( 15/07/2008 04:48)
f'hita hoa
20. Rasiligaoma ( 15/07/2008 04:50)
tsy hita e, efa izany foana no iainana rehefa sendra ilay olona "mpitsimpona" ireny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1816