Sepp Blatter :Avelao i C. Ronaldo ho any @ Real Madrid!

1. ronaldo09 ( 10/07/2008 17:49)
Aoka izay ny fanandevozana amin'ny fomba moderna ,ary avelao i C.Ronaldo hifindra any am'ny Real araka ny faniriana! Io no fanakianana nataon'ny filohan'ny FIFA Sepp Blatter androanay araka ny vaovao notaterin'ny eurosport ! Raha misy hoy izy mpilalao tsy mankasitraka ny ekipa ilalaovany ka te hifindra any an-kafa dia tokony havela izy handeha fa tsy anaovana an-ditra! Fanirian'ny C.Ronaldo manko ny hilalao any amin'ny Real ekipa farany matanjaka sy mahay indrindra eto an-tany ary koa ekipa nofinofisin'ny mpanao baolina rehetra ny hilalao any !85 millions euros no tombambidy atolotry ny real (record io raha 76 M no nividiananana an'i Zidane ny taona 2001) !
Mazava ho azy zany fa dia hahita an'i Ronaldo isika mpankafy ny real madrid ary dia raofintsika ny amboara eropeana amin'ity taona ity satria mety ho tonga koa i Gerard (Liverpool) ny mampalahelo fotsiny dia hiala i Robinho raha toa ka tonga i C. Ronaldo!
Ny tsara ho marihina dia nampiditra resa-be ny fanambaran'i Sepp Blatter ,satria na ny eurosport aza dia naneho ny ahiahiny ny mety ho ambadik'izao ! Na izany na tsy izany marina ny tenin'ingahy lehibe satria rehefa tsy tia an'i ManUntd izy dia aleo handeha !
Dia hitomany indray i rajoelina sy razouzou satria lasanay i C.Ronaldo
novalian'i ronaldo09 ny 13/07/2008 12:23
2. tsanga ( 11/07/2008 09:06)
ka mbola tsy ampy le vola e varotra anie io any fatsy ohatrany antsika e
3. ronaldo09 ( 13/07/2008 12:23)
Varotra fa saingy tsy masaka kosa raha ohatry izao fizirizirian'ny Manch Untd zao!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1963