Tongava nareo frantsay fa atao varoboba i Nosybe

1. kidoropamba ( 10/07/2008 11:23)
Dera sy laza hoanao ry filoha hajaina Ravalomanana fa tena mahery.
Raha nivaoka tao @ "combien çà coute!" (TF1) fa kay maro ireo frantsay mividy ny nosy kely maromaro ka 2 euro ny 1 m², dia nitehaka mafy aho fa tena favy mihitsy ny filoha hajaina Ravalomanana.
Tsapako izao ny antony tsy nanaovana fifidianana maire tany Nosy be (sy faradofay koa sy sainte Marie) fa olona no notendrena any mba hanaraka tsara ny fampandrosoana an'io faritra io.

Porofo izany izao fa tsy misy gasy (na eto dago na any ivelany) afaka mividy tany 2 euro ny 1m² izany ka. IlAna frantsay no manao azy. Ary ny tena mahafinaritra sy mahavelombolo dia ny nahita ilay ramatoa frantsay efa misotro ronona ka mitady ireny nosy kely mbola tsy nisy olona mipetraka ireny hanorenana trano ary hamidy raha afaka telo taona.
Misy frantsay sasany moa dia efa nividy nosikely maromaro.

Izany no atao hoe "investissement Direct Etranger" izay mampivoatra fatratra an'i Madagasilkara miaraka amin'ny tompo mahery Ravalomanana.

Ka hoan'i Tsimati izay mialona fatratra ny frantsay dia afaka izy manentana ireo frantsay hafa ka te hanao bizna aty madagasikara mba ho tonga hanao "IDE" ka hividy tany sy nosikely maro dia maro any nosy be sy sainte Marie fa 2 euros ny 1m² any.

Tohizo ny lalantsika
Tafita Isika Malagasy
God save Ravalomanana^:^
novalian'i tsimati ny 13/07/2008 23:53
2. xxx ( 10/07/2008 12:47)
Ataoko fa vitsy ny olona misaotra an'i kidoropamba ato amin'ity serasera ity. Ny tenako kosa dia misaotra sy midera anao rakidoro amin'ny vaovao samihafa entinao sy ny fankasitrahanao ny filohantsika.

AMBOARY NY TARATASY VAZAHA.
TSY HO TAFITA ISIKA.
GOD BLESS (quand meme)RAVALOMANANA
3. lemenakely ( 10/07/2008 13:00)
kidoropamba:

Dera sy laza hoanao ry filoha hajaina Ravalomanana fa tena mahery.
Raha nivaoka tao @ "combien çà coute!" (TF1) fa kay maro ireo frantsay mividy ny nosy kely maromaro ka 2 euro ny 1 m², dia nitehaka mafy aho fa tena favy mihitsy ny filoha hajaina Ravalomanana.
Tsapako izao ny antony tsy nanaovana fifidianana maire tany Nosy be (sy faradofay koa sy sainte Marie) fa olona no notendrena any mba hanaraka tsara ny fampandrosoana an'io faritra io.

Porofo izany izao fa tsy misy gasy (na eto dago na any ivelany) afaka mividy tany 2 euro ny 1m² izany ka. IlAna frantsay no manao azy. Ary ny tena mahafinaritra sy mahavelombolo dia ny nahita ilay ramatoa frantsay efa misotro ronona ka mitady ireny nosy kely mbola tsy nisy olona mipetraka ireny hanorenana trano ary hamidy raha afaka telo taona.
Misy frantsay sasany moa dia efa nividy nosikely maromaro.

Izany no atao hoe "investissement Direct Etranger" izay mampivoatra fatratra an'i Madagasilkara miaraka amin'ny tompo mahery Ravalomanana.

Ka hoan'i Tsimati izay mialona fatratra ny frantsay dia afaka izy manentana ireo frantsay hafa ka te hanao bizna aty madagasikara mba ho tonga hanao "IDE" ka hividy tany sy nosikely maro dia maro any nosy be sy sainte Marie fa 2 euros ny 1m² any.

Tohizo ny lalantsika
Tafita Isika Malagasy
God save Ravalomanana^:^



Izany no atao hoe FAHAMARINANA SY FAHAMASINANA ry lery e!izany no nilaharana teny @ 13 mai mbà hividianan ny frantsay ny tanin ialahy ho 2 euros ny métre caré
4. kidoropamba ( 10/07/2008 13:58)
Fandrosoana hatrany, fandrosoana ihany!Raha hitanareo ange fa milahatra mihitsy anie ny fanamboarana hotely amin'iny sisindranomasina iny, tena fandrosoana e. Misy vozongo iray zay nilaza mihitsy fa nividy 12 nosikely lery ka hamidiny afaka roa na telo taona satria miakatra ny vidiny amin'izay.
siora aho fa mitondra devise io IDE atsy nosy be io, sahala ny fahatongavan'ny devise @ SHeritt any ambatovy na koa any faradofay @ QMM na any mahajanga sy antsohihy @ Exxon, na any morondava sy ny Madagascar Oil.

Tena mihetsika mihitsy i Madagasikara hanaovan'ny filoha hajaina Ravalomanana azy. Eritereto fa raha filipiAna iray mitondra 2 dolara dia 12.000 filipiana izany dia mitondra 24.000 dolara be izao. Fandrosoana e.

Efa misy mieritreritra koa mantsy any mba hialAna amin'ity delestazy lava reny ity ny hanaovana an'ireny Eolienne ireny @ tendrombohitry Andohalo ery ka ho raofina daholo ireo fianakaviana eny andohalo ka alefa any toamasina maka rivotra sy manatevindahArana ireo fianakaviana vao noraofina avy any ambatovy, amin'izay mba ahafahan'ireo mpandraharaha vahiny, tena matianina mitrandraka tsara ny angovo sy ny erinaratra avy ery andohalo ery. Be rivotra be mantsy ery. Atao zaridaina ny manodidina ary hametrahana Eolienne eo ho eo @ 80 ery ambony vohitr'Andohalo ery.
Io no sosokevitra arosonay TIM mba hialAna @ delestazy sy ny solika miha lafo dia lafo.
Mandeha koa ny tombatombana ao Iavoloha ao ny hanaovana ny rovan'ny ambohimanga ho toerana fivarotana lasantsy (EXXON, JOVENA mbola tsy fantatra aloha) satria hitobaka tsy ho ela ny solika avy any bemolanga.
Be dia be ny tetik'asa hivaoka atsy ho atsy fa mila fandrosoana haingana sy maharitra i Madagasikara.
Hita fa tena homme d'action ity filoha hajaina Ravalomanana ity fa tsy be kabary.

Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God bless Ravalomanana ^:^
5. badboy ( 10/07/2008 14:16)
Ho avy aminao eo ny kanota sy "I'm not died"! ;-) ;-) ;-)
6. tsimati ( 10/07/2008 14:30)
na omena fotsiny aza tsy ny elita tsy mahatafavoaka ary misitrika andafy no mibaiko ny Malagasy. Ny mpitondra no tsaraina amin'ny asany. Mahatafavoaka izy azy solafaka azy ihany koa. rehefa anjaranareo no mitondra mba asehoy fa aza finaritra manao Elita zatra mihahaka.
7. badboy ( 10/07/2008 14:47)
Njay ny anao ry kidoro!!! :-D :-D :-D

Fa ity ilay émission t@ TF izay tsy nahita ka te hijery : http://videos.tf1.fr/video/emissions/combien-ca-coute/0,,3906411,00-video-combien-coute-dix-chiffres-ete-.html

De bonne émission ary henoy tsara fa misy antony mitombona ihany ilay hoe 1€ ny m²!! ;-) ;-) ;-) ;-)
8. nikah ( 10/07/2008 14:52)
Voalaza:
" Ravalomanana hiringiriny ary vonona hiady hitondra ny fitondrana mandrakizay."
Io no fanampiny ao @ profilnao,
ka hitondra ny fitondrana @ fivarotana tanindrazana mandrakizay ve zany sa...?????Andao fa mbola hamidiny koa Tananarive refa kelikely ary ho 0,5 euro ny m2,amin'izay izy tena lasa filohampirenena mahavita azy ary halaza tsara fa nivarotra ny tanindrazany Ingahy Filoha .
9. badboy ( 10/07/2008 15:15)
Jereo aloha hoa ilay émission! Fa na 1€ aza ilay izy rehefa mitontona ny totale aveo lasa 400 000€ ka iza no ahavidy an'izany!!! Izay no mahatonga hoe mety ihany ilay izy satria raha misy gasy manana 400 00€ ka te hividy de mahazo mividy! ;-) ;-)
http://videos.tf1.fr/video/emissions/combien-ca-coute/0,,3906411,00-video-combien-coute-dix-chiffres-ete-.html
11. badboy ( 10/07/2008 15:16)
http://videos.tf1.fr/video/emissions/combien-ca-coute/0,,3906411,00-video-combien-coute-dix-chiffres-ete-.html
12. kidoropamba ( 10/07/2008 15:31)
Izay mihitsy ka. Raha misy gasy manana an'io 400.000 euros io azony hovidina io tany io. Hatramin'izao aloha dia tsy nisy sahy nividy e. Ka ry zalahy frantsay no mizara ilay saosy. hin hin hin!!!
Marina io lazain'i badboy io hoe, raha izay misy vola dia azo amidy i Madagasikara fa tsy olana io satria mitondra devise.
Izany hoe raha io Nosy be io izany dia mety 1.000.000 euros eo no vidiny ka ireo izay frantsay sahy mividy dia mitongAva mividy azy.

Io mihitsy no nahatonga anay nilaza hoe aleo rangahy amidy any ity rovan'i ambohimanga ity satria toa tsy mampidibola mihitsy ka tsaratsara kokoa raha omena an'i SHERITT io, @ vidiny mirary: 2.000.000 dolara toy izay avela ho simba eo ka hokakarain'ny vitsika eo fotsiny no sady mandAny volampanjakAna.

Ny toetsain'ny malagasy izao ange efa mivaotra be. T@ 95 isika nitomany satria may ny rovan'i manjakamiadana satria nisy nandoro. Fa raha misy sinoa na norveziana sahy mividy an'io rovan'i manjakamiadana io ka manome 3.000.000 dolara, dia tsy hisalasAlana fa, sahala @ lazain'ny badboy, dia mahavelombola ilay bizna a.

siora ry filoha hajaina Ravalomanana
Tohizo ny lalantsika
^:^
13. tsimati ( 10/07/2008 16:30)
Nahazo vola hanao dokambarotra ngah kidoropemba ? Sa mbola misolelaka ihany ? :-D :-D :-D
14. ainaheri ( 10/07/2008 16:31)
Ny mahagaga ,fa aona tsika gasy tsy mahita an'ireny prix ireny ee??
15. badboy ( 10/07/2008 16:34)
http://videos.tf1.fr/video/emissions/combien-ca-coute/0,,3906411,00-video-combien-coute-dix-chiffres-ete-.html
16. tsimati ( 10/07/2008 16:35)
Tsy nahita koa hanao dokambarotra ? :-D :-D :-D
17. xxx ( 10/07/2008 19:10)
Ary ny vola efa azo sy izay mbola ho azo zany ataon'i Marc inona avy eo??
18. karinah ( 10/07/2008 21:24)
Marc Ravalomanana ve ity marc lazainao aloha e? xxx! ataony inona aza aminao??
19. tsimati ( 10/07/2008 22:26)
Rehefa sahala izay ve dia makany ampaosin'ny President ny vola ? Ry Elita tsy mahatafavoaka nefa be resaka tsy hita fa ny mitsingoloka no hainy. Mba vonona hiasa ao Madagasikara ve ry Elita sa tia hitondra fotsiny ? Inona no mba vitan-dry Elita ?
20. kidoropamba ( 12/07/2008 15:00)
ainaheri:

Ny mahagaga ,fa aona tsika gasy tsy mahita an'ireny prix ireny ee??

Andramo kely mba mitady an'ireny prix ireny any nosybe raha te higadra. FanjakAna tandalAna ange i Madagasikara e.
Tsy kisendrasendra ange ny tsy nanaovana fifidianana Maire any Nosy be na koa nampandositra an'ilay depiotE TIM(helatra rajemison), Yoland, any ivelany e.
Resaka bizna io ka tsy takatry ny saina malemilemy. Bizna sy vola foana io.

Tadidio fotsiny fa zanak'i Nosybe ny ministry ny fiarovam-pirenena, Manorohanta Cecile, ary zandriny lahy (iray reny, iray ray aminy) no voatendry PDS ao Nosybe ao amin'izao. Zany hoe efa mipetraka ny zava drehetra ka tsy misy mpanelingelina mihitsy ao.
Aza adino ihany koa fa vadin'i minisitry ny fiarovampirenena (Manorohanta Cecile) ilay N°2 an'i CIS (central Intelligence Service) izay mpitsikilo anareo mpanohitra ireo.
Efa kaopy ange izahay @ fikafikanareo fa aza misary adala eo e.

Ka raha gasy te hanao bizna any Nosybe izany dia tsy ilAina satria manalokaloka ny tetik'asan'i filoha hajaina izay mitady hanokatra hotely ngezabe any Ramena (@ terrain militera Orangia) @ taona 2009.
Ireto vazaha ireto ange asaina mividy ireo tany ireo dia avy eo izahay (TIKO) dia mividy azy @ taona 2009 sy 2010. Sarotra hoanay mantsy ny hividy mivantana ireny tany ireny @ tompontany izay gasy ao Nosy be ao. IlAna hakingantsaina sy hafetsifetsena ange manao bizna fa tsy mivatravatra e.

Tsy takatrareo izany.

Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0414