Nahoana

1. Bola ( 10/07/2008 03:22)
Nisy vehivavy iray teo am pandevenana ny reniny. Teo @ olona maro nanatrika teo dia nahita lehilahy iray izy izay tena nanintona azy - toy ny hoe ilay homme ideal- ny (fiteny ve hoe lehilahy filamatra sa inona moa izany hoe ideal) - farafaharatsiny raha ny fisehoany ivelany. Iny no fotoana tokana nahitany azy.
Herinandro taty aoriana, novonoin ity vehivavy ity ny rahavaviny.
Fanontaniana hoe, inona ny antony.

Tsy omeko eto ny valiny fa eritreto eo dia omeko rahampitso alina.
novalian'i ainaheri ny 22/07/2008 09:04
2. tsanga ( 10/07/2008 06:18)
tena efa miaraka aminy rahavaviny angamba le lehilahy ideal taminy e
3. ni81 ( 10/07/2008 06:24)
Novonoiny ny rahavaviny satria eritreretiny fa ahita ilay lehilahy nanintona azy indray izy @ fotoana handevenana.
4. koloinakely ( 10/07/2008 08:02)
de mety ho hitany eny am-pandevenana marina ve ingahy idéal?!
5. maresaka ( 10/07/2008 10:40)

Tsy maintsy ho avy eo indray ilay ranamana @ andro handevenana...
6. simplex ( 10/07/2008 11:20)

ilay rahavaviny no nahafaty ny renininy :roll:
7. booboo ( 10/07/2008 11:31)
psykôpaty lé vhv dia mitovy hevitra @ Maresaka kounkou zà hoe @ zay miverina mifankahita any am-pandevenana ndray izy sy lé razoky.
8. simplex ( 10/07/2008 11:36)

par accident :)
9. Bola ( 10/07/2008 14:30)
Tokony hoe fanazavana no nolazaiko etsy ambony (hoe omeko anio alina ny fanazavana fa tsy valiny) satria tsy misy valiny fa ilay valin teny omenareo izany hampiseho ny fomba fieriteretanareo na fi raisonner nareo.
Ka tsy misy hoe marina na diso fa hisy zavatra hosoratako @ farany hoe mampiseho inona ilay valinteninareo.

Efa nisy iray somary nanazava azy anefa io...
10. Bola ( 10/07/2008 22:04)
Tena nampitahotra anareo ve ilay nosoratako...
Nisy nahita nyfanazavana io ambony io fa "psycopathe" ilay vehivavy...Ka raha niteny isika hoe novonoiny ny rahavaviny mba hihoanana @ ilay rangahy nanintona azy dia ny valin ilay etude hoe misy fomba fieritreretana psycopathe isika... Tsy midika izany hoe efa tena psycopathe fa izay ilay fomba fi raisonner na no misy taratra psycopathie satria ny psycopathe dia olona ...aleo ataoko @ teny frantsay fa sao tsy voadika ara dalana:
En psychologie, ce type de personnalité se caractérise par des conduites anti-sociales fondées sur des impulsions sans éprouver de culpabilité.
Dia ny mampiavaka azy izany dia izy io tsy misy remords na culpabilte manao zavatra mba hahazoana izay tiany.
Aza tezitra nareo mamaky an io fa izay no etude nivaoka...
Mahavariana sa ahoana hoy nareo...

Ho an izay tsy mahazo. izy ity mitovy @ iizay blagy izay fa satria tsy hitako mendrika ny tapany faharoa dia ilay voalohany ihany no tantaraiko fa mety hainareo. Entiko hanazavana hoe mampiseho ny fomba fi raisonner ny valin tenintsika.
tany am pianarana hoy ilay mpampianatra: misy vorona 5 eo @ fil-ny Jirama, notifirina ny iray. Firy no tavela. Hoy i Bao: 4 madama, hoy i Lita: tsy misy intsony madama fa lasa daholo. Dia hoy Madama: Lita: manao Matematika isika izao ka tsy azoko raisina ny valin teninao. 4 no valiny kanefa tiako ilay fomba fisainanao...Dia avy eo Lita no milaza zavatra @ Madama manontany zavatra fa tsy hosoratako satria tsy hitako mendrika fa mety efa misy mpahay. Dia izay izany...ohatra an io hoe milaza ny momba antsika ny valintenintsika...Ary mety mahamarika isika fa na eto @ forum aza, avy @ zavatra soratan ny tsirairay dia hianarana betsaka momba ilay olona...Sa ahoana...
Dia enga anie tsy nampitahotra anareo za...
11. Koditra ( 11/07/2008 16:28)
Vao t@ tapa-bolana a no nisy nandefa an'io question io niaraka t@ valiny, io ny fanazavana nampiarahiny taminy, mialatsiny fa copier/coller io fa tsy haiko ny mandika azy @ teny gasy, tsy mahay teny vaza a :

Si vous avez répondu correctement à la question, vous pensez comme un psychopathe.
Ce test était utilisé par un célèbre psychologue américain pour savoir si une personne avait une mentalité d'assassin.
Bon nombre de tueurs en série ont subi ce test et ont répondu correctement à la question.
Si vous n'avez pas trouvé la bonne réponse - tant mieux pour vous.

Si vos amis la trouvent, je vous recommande de garder vos distances...

(soa ihany a fa tsy nahita ny valiny marina)
12. ainaheri ( 22/07/2008 09:04)
>>>Mahakoditra tkou zany klé:roll: :-D :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2319