cesarienne

1. xxx ( 04/07/2008 09:50)
miarahaba ny rehetra,
mba afaka mitantara na milaza eto amin'ny ambangovangony ve ianareo reny izay efa niatrika io fomba fiterahana io? ny tiako ho lazaina dia hoe miandry ny col hisokatra etc... sahala rehefa hiteraka par voie basse ihany koa ve sa tsia? miandry contractions isaky ny 2 sa 3mn ihany koa ve?

misaotra mialoha
novalian'i Lejoba ny 23/07/2008 14:26
2. vahiny2004 ( 04/07/2008 12:41)
Ny fahalalako azy dia raha efa fantatra fa tsy maintsy hatao césariénne ianao dia programmer-na io fa tsy miandry contraction na col misokatra : rehefa à terme ilay zaza dia izay maha disponible ny hopitaly sy ny mpampiteraka

Manaova mora e
3. mirarisoa ( 04/07/2008 17:41)
arakaraka : misy cesarienne efa programmée satria oatra bassin limite le reniny, na placenta tsy mety. Dia efa niomana, tonga dia fantatra io.
Misy ndray izy efa eo ampiandrasana col vao tsy misy dilatation mihintsy ohatra nefa efa ela no vaky ranon-doha dia manapa kevitra zareo hoe cesarienne.
Misy eo ampanenana no tsy tafavoaka ny zazakl sao sempotra izy dia miakatra billard enao.
Misy miakatra be ny tosi dra dia tsy mi riska intsony ny Dokotera fa ndao cesarienne ! mirarisoa e
4. xxx ( 04/07/2008 20:26)
le izy zany efa fantatra dieny mialoha fa cesarienne no atao, des le debut ny grossesse-ko satria natao operation somary mavesabesatra ny tenako tamin'ny niteraka farany teo, ary mba tsy hisian'ny complication, dia tsy maintsy atao césarienne aho izao. tiako ho fantarina ihany koa hoe toranina ve aho, sa anesthésie locale, dia ahoana ny fandehany raha io? dia maharitra adin'ny firy io opération césarienne io? misaotra hatrany, misaotra anareo izay efa namaly :)
5. ni81 ( 04/07/2008 20:45)
tiako ho fantarina ihany koa hoe toranina ve aho, sa anesthésie locale, dia ahoana ny fandehany raha io? dia maharitra adin'ny firy io opération césarienne io? misaotra hatrany, misaotra anareo izay efa namaly
Azonao anontaniana ny Dr mikarakara ny fandidiana anao hoe: ho ataon'izy ireo anesthésie générale ve ianao sa ho atao anesthésie locale. Raha aty andafy ianao no mipetraka dia efa misy RV omeny anao mihitsy hihaonanao @ Dr anesthésiste fotsiny mialoha, hifampiresahanareo hanazavany ny fandehan'ny fandidiana rehetra ho ataon-dreo ao ( raha ao dago tsy haiko). Ny momba ilay hoe adiny firy koa dia lazainy anao ao. Efa fantatr'izy ireo daholo hoe tokotokony ho izao ora na izao ora; fa raha sanatria moa somary misy manahirankirana azy kely dia mitombo ilay ora.
Somary HS kely: ny rahavaviko nesorina fibrome (nodidiana teo @ kibo fa tsy natao voie basse) dia niampy adiny iray t@ fotoana nolazain'ny Dr vao vita fa nisy niraikitra ny tao @ tsinainy.
6. mirarisoa ( 05/07/2008 17:15)
tsy voatery toranina ianao fa otran'ny peridurale ihany ny rachi anesthesie; bien sur tokony hisy consultation préanesthesique hijerevan'ny anesthesite anao sao ianao tsy mahatanty ilay fanafody. henonao daolo ny zvt ataon'ilay dokotera. Asiany champ manakona ny lohanao @ zay ianao tsy mahita fa raha vao avoakany ny zazakely dia asehony anao vao entina any. Ny ahy nentiny nojerevan'i Pediatre vao navelany no jereko satria nisy souffrance foetale. 15 mn ny operation mamoaka zaza fa ny kenokenona toa 1 heures miampy ny fanjairana. Normalement raha nataony tsara ny operation ka mihetsiketsika tsara ianao tsy tokony hisy adherence toy ilay voalzan'i olona teo ambony io.
7. ni81 ( 05/07/2008 18:01)
Normalement raha nataony tsara ny operation ka mihetsiketsika tsara ianao tsy tokony hisy adherence toy ilay voalzan'i olona teo ambony io.
Efa nisy tao aminy io adhérence io fa t@ opération vao hitan'ny Dr.
8. xxx ( 05/07/2008 21:27)
mampisalasala be ahy ilay hoe "henodaholo izay ataon'ny dokotera"! marina hoe tsy maheno marary angamba aho, fa maheno ny hafanan'ny rà mitsonika, maheno hoe injay ilay fanjaitra fa mitsofoka ... tsy azoko ry reto ilay hoe "raha mihetsiketsika tsara" dia tsy tokony hisy adhérence! inona no tianareo lazaina @ ilay fihetsiketsehana tsara?

misaotra sy mankasitraka hatrany :) .
9. mirarisoa ( 06/07/2008 14:51)
tsy maninona kah, efa niakatra billard foana aho isaky ny miteraka ary efa natao celio fa tsy maninona izany. otran'ireny any @ dentiste reny ny feon'ilay vy mikoritsana. Manao nify aza mampatahotra kokoa. Sady izy manazava ny zavatra ataony moa ilay anesthesiste sady manaraka ny tension anao aty ambadiky ny champ no mampiresaka dia detendue be ilay atmosphere. Fa ilay zaza nentina nihazakazaka any @ pediatre no nampatahotra ahy hoe fa maninona ny zazakely fa efa teintée ny liquide amniotique satria niakatra be ny tension dia nisy souffrance foetale fa heno t@ monitoring aloha hoe matanjaka tsara ny fony. ILay adherence rehefa avy didiana hono dia mila mba mitsangatsangana ihany fa raha tsy izany miraikitra be daolo ny tsinay.
10. fahamarinana ( 07/07/2008 12:36)
xxx:

miarahaba ny rehetra,
mba afaka mitantara na milaza eto amin'ny ambangovangony ve ianareo reny izay efa niatrika io fomba fiterahana io? ny tiako ho lazaina dia hoe miandry ny col hisokatra etc... sahala rehefa hiteraka par voie basse ihany koa ve sa tsia? miandry contractions isaky ny 2 sa 3mn ihany koa ve?
misaotra mialoha



:arrow: raha ny cas-ko manokana aloha dia vaky ny ranon-dohan'ny zaza dia voatery nandeha hop haingana sao misy probleme avy eo (resaka infections sns...),dia ny alina manontolo dia niandry col hisokatra fa tsy nety mihintsy ,nisy contractions ihany fa tsy nampiova inona...ka natao cesarienne ny maraina be.Natao rachi-anésthesie:tapany ambany no tsy maheno ny douleur fa kosa maheno ny palpations rehetra ataon'ny dr.Vao nisokatra ny zaitra dia navoaka ny zaza nitomany dia naseho ahy,avy eo nosasandry zareo dia naveriny teo amiko amizay mandra-piveriko tany am cahambre.Piqure ao am lamosina no natao,tsy douloureux fa mi-pique kely monja,tsy mila mihetsiketsika sady efa misy mpitazona koa moa au cas ou...Ny ahy manokana dia rachi no nangatahako satria tsy voako ilay anesthésie generale fa azo ato an'io ihany koa ,rehefa manao consultation am anesthesiste dia anontaniany tsara izay tianao atao aminao...Ny namoahana zaza vetivety fa avy eo moa misy ny agraffes apetaka sns, dia ny retour ao amin'ny chambre de reveil no elaela,adiny 2 vao miakatra am cahambre :mila mihetsika ny tongotra ary afaka mi-plier azy...
Izay sy izay,misy moa ny efa programmé koa araka ny situation ny tsi11 io fa ny deroulement mitovy ihany...Dia manaova mora e..rehefa tonga ny zaza dia adino daholo ny rehetra..:) (l)
11. Lejoba ( 23/07/2008 14:26)
tahotra no betsaka. Na anestésie locale aza tsy misy henonao akory. raha atao générale mantsy dia mety ho donto koa ilay zaza. Sady takonan-dry zareo ohatry ny rideau izay ianao. Na ilay kibo tatahana aza ohatry ny manao sary @ crayon eo @ kibonao fotsiny no heno. Na maheno izay lazainy sy ny feon'ny fitaovana aza ianao, tsy tena tsapanao hoe ianao no anton'izany rehetra izany.
tazoniny 1h eo ianao na dia mivoaka ao anatin'ny 10mn aza ny zaza. Arahi-maso sao misy complication.
Ny après no samy manana ny azy. Misy toerana manome paracetamol, na ny karazany hafa foana. Hany ka tsy mahare maharary mihitsy ianao mandra-pahasitran'ny fery. Dia any an-trano no mila mpanampy sy tsy mibata enta-mavesatra, sao tata-bitrana.
Fa alamino ny saina eh. Efa mivoatra ny siansa hanamaivana ny fiainan'ny vehivay :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2911