lehilahy tsy romantique

1. kalointsika ( 01/07/2008 07:34)
mahagaga ahy mihitsy fa raha atao ny statistika dia angamb 2%n'ny lehilahy malagasy ihany no mba romantik ka na hiteny "tiako ianao" fotsiny aza dia manahirana azy. asa raha mb misy manan valiny @zay. :?:
novalian'i ni81 ny 11/11/2008 13:13
2. smnr ( 01/07/2008 08:10)
ka miankina @ ilay fitaizana mintss io tsy dia mamoaka sentiment io!
3. Kapistra ( 01/07/2008 08:25)
Tiako ianao ry kalointsika a!.Tiako be ianao.Je t'aime;i love you.

Olona tsy dia tia anao loatra ny ol tonga dia manao izany.
Hevitro io aloha.
F'angaha io tenitenenina foana e!amin'ny fotoana mahamety azy ihany.
Io mantsy ny faratampony tsy misy ambonin'io intsony.Ka raha vao tonga eo amin'ny faratampony dia midina amin'izay avy eo.
Izany hoe ny sipa alaina vady ihany no tenenina an'io.
Ampifilafilaina eny izy aloha,ohatra hoe mahafinaritra ahy ianao,mahafatifaty ahy ianao,manembona anao foana aho sns...
rehefa hitanao amin'izay efa tena raiki-pitia izy vao tenenina azy amin'izay ny tena izy,amin'io fotoana io izy no tena romantika.
tena misy fahatsiarovana tsy hay adinoina.
4. aloalo ( 01/07/2008 09:24)
ny ahy alou dia aleoko @ fijery (regard) na fihetsika na tsiky malafaka ilay izy no aseo toa zay miantsoantso tik'enao fahatany.
5. hery ( 01/07/2008 11:17)
Tsy hita fa matetika ny lehilahy sahirana sy reraka @ asa sy ny famelomana :-) dia adino ilay tambitamby kely sy ilay teny mamy.
Fa rehefa tenenina dia miverina indray kah. Raha vao mitady hiala ilay romantisme dia ampatsiahivo.

Kapistra> matetika ny olona efa mpivady no resahina amin'io kah.
6. kalointsika ( 01/07/2008 12:17)
ny tena marina de macho ny lehilahy malagasy. ny ataoko hoe ts romantik ko anie, mety hoe manome voninkazo, manao cadeau indraindray ets... rare b zan! ny lehilahy mants @fitaizan malagasy fahiny somary nomena lanja manokana izay. Nefa anie tsisy vehivavy na ataoko hoe vitsy no ts mitady izany saingy tsy sahy miteny.
7. ainaheri ( 01/07/2008 12:33)
Ilay izy kou fahafantarako azy na tia aza ilay bandy,toa resaka ambo no mahatonga ilay aloviio tsy mivoka,fa zany we samy manana ny eritreriny ny tsi11 zany ee,sy zay fantany fa mety kou :D
8. xxx ( 01/07/2008 13:38)
Ha ha, aleo mihitsy mba misy lehilahy tsy romantika fa ny vehivavy koa anie tsy mitovy e ! zah aloha ohatra ny mohaka be ny fahitako ny lehilahy raha hoe anambitamby zany foana na hoe hampihanta be hoe voninkazo aho e sokola ... Fa raha mampihanta @ voyages indray mety milay ka :-P :-D :-D :-D
9. patrick2002 ( 01/07/2008 13:59)
marina izany tsy notaizana antsika gasy ilay izy ,fa tsy ny lehilahy ihany fa ny vehivavy gasy ihany koa .
ny vazaha izany rehefa eo amboniny ianao ,mahita an'izao phrase ,sy cri de guerre rehetra izao ,fa ny gasy :wink: efa kopy ianao.
10. xxx ( 01/07/2008 14:09)
patrick2002:

marina izany tsy notaizana antsika gasy ilay izy ,fa tsy ny lehilahy ihany fa ny vehivavy gasy ihany koa .
ny vazaha izany rehefa eo amboniny ianao ,mahita an'izao phrase ,sy cri de guerre rehetra izao ,fa ny gasy :wink: efa kopy ianao.
tsy miombon-kevitra @ nao aho @ io an ! tsy misy fahamarinana kosa zao eh !


11. Kapistra ( 01/07/2008 14:27)
hery:
Kapistra> matetika ny olona efa mpivady no resahina amin'io kah.

hay moa zany ol efa mpivady no resahiny amin'io,tena tsy azoko tsara ilay izy.
Izaho nihevitra hoe ho an'ny mpifankatia ilay izy ,matoa hoe romantisma.
fa raha ny amin'ny mpivady indray @ maha kristianina no resahako dia didy mihintsy ilay izy.Tiavo ny vadinareo;izany hoe tsy maintsy tiana na tsy tiana aza. Tsy mila romantika na satimakabe intsony.
Fanatsarana ilay fitiavana sisa ilay i love you ,je t'aime sns.
Aleo ihany ilay tsy be teny hoe je t'aime fa any amin'ny fanehompitiavana no manao be toy izay ilay bla bla be sy romantika be nefa tsy hita mihintsy @ asa atao sady mampirafy be.
Aty aminay aty izao misy maro ireo Afrikanina (sowaili;dakôma sns) manana sipa gasy dia henoko mitéléfaonina eo dia hoy rizareo :
vao manomboka ny resaka tonga de:
Allô chérie ,je t'aime ,je t'aiiiiiiiiimmmmeeeee,je suis fou de toi, je suis tellement fou de toi bisous gros bisou sns ....,
Vao vita iny dia misy hafa indray antsoiny ,dia ohatran'ilay teo ihany.
Tena romantika be ilay izy ;taraiky ilay malagasy kely nefa ny ao ambadika tena tsy misy fitiavana mihintsy.Mampalahelo.
12. RATOVOARY ( 01/07/2008 14:41)
Ny malagasy mbola tsara taiza tao anatin'ny fahalalam-pomba ka na hiteny ny hoe: tiako enao @ vadiny aza mahasadaikatra azy, eny mahamenatra azy mitsy. Izany hoe: diso saro-kenatra loatra ny akamaroan'ny lhl gasy. Fomba fijery ny ahy io ka ahitsio raha sendra fahadisoana.
13. xxx ( 01/07/2008 14:42)
Izaho koa aloha mahita hoe tsy romantique ny lehilahy gasy e misy tena tsy mampiseho fitiavana mihitsy na dia mifampitantana aza tsy mety aminy maika fa hifanoroka, tsy ny fitenenana hoe "je t'aime" no maha romantique na tsia fa ny fihetsika, ny fomba fijery, ny fifanampiana ao antokatrano, sns
Hoantsika vehivavy, mba sahia miteny ny faniriantsika fa sao heveriny hoe tsy mila tambitamby isika
14. lohataona ( 01/07/2008 15:04)
RATOVOARY:

Ny malagasy mbola tsara taiza tao anatin'ny fahalalam-pomba ka na hiteny ny hoe: tiako enao @ vadiny aza mahasadaikatra azy, eny mahamenatra azy mitsy. Izany hoe: diso saro-kenatra loatra ny akamaroan'ny lhl gasy. Fomba fijery ny ahy io ka ahitsio raha sendra fahadisoana.


Angamba tsy fahalalam-pomba ilay hataony fany hamenarana no betsaka sy mibahana dia very tery ilay afo miredareda be e!
Misy azany hoe tsy mitanjaka imasom-bady tany @ andro taloha tany koa!
Rehefa maty ny jiro vao manovokovoka daholo fa ny hoe hilaza na hizara fitiavana izany dia sarotra be indrindra anie ka imason'olona. Atsy ambadika aza efamaha-menatra fa vao maika fa hoe eo anoloana! Sarotra be izany !
:-D :-D :-D
15. Kapistra ( 02/07/2008 05:46)
lohataona:
Misy aza ny hoe tsy mitanjaka imasom-bady tany @ andro taloha tany koa!

'zany ve hono.Na ny vady aza tsy mahazo mahita ny fitanjahany vadiny.
Amin'izao fotoana anefa dia mitanjatanjaka sy mampiseho foitra tsy misy henatra intsony;,ny an'ny sasany izany dia tena miboridana mihintsy dia ataony expo ;mahazo mijery daholo ny rehetra
(malagasy io an!).Tena efa niova marina ankehitriny a!
Aleo ihany ilay sarosarokenatra ka;ary io angamba no mahatonga ny gasy tsy dia maro misarabady.
16. orona ( 02/07/2008 07:16)
statistika ??? -- farafaratsiny ohatra -- affirmation gratuite = miprovok lehilahy gasy :lol: :lol: :lol:
17. LazaDaddy ( 02/07/2008 10:38)
Tsy aleo ihany ve rafotsy no manambitamby sy mitoraka ranomanitra sy karavato sy divay sns e?

Mbola miampy anile oe: ..."@ firy enao tokony tsenaiko refa mirava?" Kanefa ny tiany tenenina hoe "aza manaiky ateriny receptionist mody" =)) =))
18. kalointsika ( 02/07/2008 12:05)
tena macho mianakav mits reto lelà reto!!! :evil:
19. niryna ( 02/07/2008 16:28)
hery:

Tsy hita fa matetika ny lehilahy sahirana sy reraka @ asa sy ny famelomana :-) dia adino ilay tambitamby kely sy ilay teny mamy.
Fa rehefa tenenina dia miverina indray kah. Raha vao mitady hiala ilay romantisme dia ampatsiahivo.

Kapistra> matetika ny olona efa mpivady no resahina amin'io kah.

marina izany,ny any anindrana hono raha miaraka amin'ny vehivavy ny lehilahy ka miteny aminy hoe ny antsika fiarahana fotsiny dia tsy maninona aza fa raha izy no fitapitahinao,hanipitsipazana teny mamy hoe" tiako hianao kanefa hianao tsy hanambady azy" dia faty no isarahana..

Ny lehilahin'ny merina hono,tsy ny rehetra akory a fa ireo mpametsifetsy sy mpamitapitaka vehivavy (hialako tsiny fa zava-misy io an,fa tsy ho sanatria aho manavakavaka) rehefa ao ampovoantany dia ataony hoe "je t'aime daholo " izay vehivavy miaraka aminy.Ary dia tena matoky izany tokoa ny vehivavy kanefa dia betsaka no voafitaka avy eo.Ny dikany aleo rehefa tsy tia dia tsy tokony hiteniteny fotsiny.Hany ka mbola manao an'io fihetsika io izy ireo rehefa tonga any anindrana ary dia na maty na tsy tafaverina na voan'ny aretina maro.Efa nahita an'izany ve hianareo?
Maro no efa faty no noentina nody notantarain'ny olona.Ny sasany aza tena tsy tafody intsony fa manjono fotsiny sisa no ataony ka dia alaina tampoka amin'ny fiara amin'ny andro tsy ampoiziny ho entina miakatra .

Mitombona ny tenin'i hery,ny mpivady no tena manao an'io ary na ny zanantsika aza dia efa zarina tsikelikely dieny mbola kely omena orokoroka,tambitamby,ampahafantarina azy izany fitiavana azy sy fitiavany antsika izany ka rehefa lehibe izy dia mandeha ho azy io.Ny mpivady na mifampijery dia mifampitsika na misy zavatra mampihomehy dia irahana mihomehy ireo dia efa fihetsika lehibe mampiseho ilay fitiavana ao anaty.Ny oroka isaky ny mifankahita,hifandao,mifoha maraina andeha hatory ireo koa dia efa faharoa mampifantotra ny fifankatiavana. Izay no fantatro sy ampihariko amin'ny fiainako ka ahitako tombotsoa lehibe sy fahafinaretana ao amin'ny fanambadiana sy ny fianakaviana.
Andramo raha mety mahasoa antsika izany.
(l) niryna
20. haritianah ( 03/07/2008 13:09)
Mandiso sy manakiana anao raha izao ry niryna @ le lazainao @ tapany voalohany milaza oé, raha aninadrana dia izao raha ny anivontany dia izao.Na aiza ny misy anao manerana ny Madagascar dia ny sainao ihany io fa ts oé refa anindrana dia izao refa anivontany dia izao zany.
Na anindrana na anivontany samy manana ny takiny vatany sy ny sainy io fa tsy izany mitsy.
Maro ary misy ny anindrana miaina ao anatin'izany fitenenana tiko enao zany sns...
Ary maro koa ny lehilahy merina jamais iteny @ vehivavy fa tena tia azy tanteraka.
Na aiza na aiza miankina @ tsy 1/1 io.
Ny nahazatra anao tenanao mits fa ts oé anindrana na anivontany zany mitsy.Misy ny lehilahy ts sahy maneho ny tena fitiavany(miteny je t'aime sy teny amour retra) raha vao eo imason'olona fa refa izy roa irery dia miteny.
Misy koa ny lehilahy nefa normale be aminy ny maneho fitiavana zany na iza eo na iza.
Ny fahitako azy fotsiny isika malagasy mitsy no mbola ts dia zatra ny rehetra maneho izany ,misy ny manao izany fa mbola vitsy.
Raha oharina @ tany mandroso(oh frantsay) dia efa zatra ny rehetra ka na aiza misy anao na aiza dia azonao ilazana an'izany fa ny malagasy mipetraka à madagascar dia manana fahamenarana ny sasany ary na misy aza ny mba manao izany eo imason'ny olona dia lasa atao resaka na esoina mitsy oé tsy ampahafirin'ny koa ity ity lehilahy ity miseo ho romantika @ vadiny eo fa mbola ataon'io vehivavy io mifafa vao gaga.Noho izay zvtr zay dia mi recule ts ho romantika ny lehilahy.
Refa mivoaka @ tany mandroso anefa ny lehilahy malagasy dia ita fa mipoitra tsy kelikely io romantika io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2358