Robert MUGABE : ohatra ao anatin'ny maro.

1. badboy ( 27/06/2008 17:56)
Mitroatra ny ONU fa tsy ara-demokratika ny nahalany ho filohan'i Zimbabwe an'i Mr MUGABE.
Tafitohana izay rehetra nijery hoe tena tsy rariny. Ary tena tsy rariny sy tsy ara-demokratika tokoa. Be ny olona nahafoy ny ainy satria manohana ilay candidat hafa.

Rehefa jerena anefa ireo mitranga erak'i Afrika dia tsy vaovao intsony ilay fomba fanao. Dia izay sisa no iresahan'ny mpanaoo gazety ny Afrikanina. Na tsy ampy kaly na mikorotana satria ilay tonga eo @ fitondrana tsy te hiala intsony.

Dia nanotany tena aho hoe fa maninona loatra? Dia tsotra ny valiny kay satria be ny tsy aradalana nataon'ilay filoha teo sy mbola mikisina ho eo, dia matahotra mafy sao ho hitan'ilay ho avy ao aoriana ka ho henjehin'ny fitondrana. "Tano ny seza fa mafy ny fonja"!

Dia faly be aho t@ voalohany hoe lavitra an'izany M/kara. Dia rehefa nodinihana koa dia tsy vao² amintsika io fomban'ny mpitondra afrikanina io. Ohatra @ izany deba izay tsy maintsy nitsoaka rehefa avy nanapoaka tetezana (2002) sy nahafaty mpitokona (1991) satria natahotra ny fitsarana.

Ka tsy tokony ho anatra ho an'ny ao aoriana ve ireo rehetra ireo hoe tsy fanangonakarena ny fitondrana, fa raha ts'izany dia tsy maintsy manao fatidra aminilay seza dolara mandrapahafaty na dia hiafara @ famonoana mpiray tanindrazana aza izany!

Ny fanajana lalampanorenana ihany no vahaolana amiko manokana!
:^) :^) :^) :^)
novalian'i tsimati ny 03/07/2008 14:35
2. ainaheri ( 28/06/2008 05:20)
Ilay fanajana lalam-panorenana aloa mbola lavitra zany na firenena iza na iza,satria une fois ilay oul mahazo seza adino doli zao lalàna reetra zao,misy aza ny sasany hamoronany lalàna mba hitazomany ny sezany!!
Mampalaelo ny ao Zimba fa akory atao fa samy manana ny olany ny tsi11,tsy mifanalavitra @ Birmanie ,zay ao anatin'ny K.O tanteraka ,faty etsy sy eroa ny tanàna ravan'ny cyclone;nefa ny filoha tsy nanaiky fa tsy maintsy natao ihany ny référendum,d mba alaivo sary antsaina fa tsy ny Afrika rery ihany,mitovy doli refa aux pouvoirs,ary koa tsy ny prezidansy rery fa eo sehatra retra²
3. badboy ( 28/06/2008 07:36)
ainaheri:

Ka maninona ilay firenena vao mivoatra ihany no tratran'io fa tsy dia ny firenena matanjaka loatra? Satria tsy mbola nisy firenena tandrefana ka heno hoe nitifitra ireo mpifanindrana aminy satria tsy te ho very seza! Ary ilay hevitra nentindDravalomanana sy napetrany ao anaty lalampanorenana hoe mandat 2 ihany tena tsara satria @ izay tonga eo dia mahalala hoe hafa noho izy no tsy maintsy ho avy eo ka ho mailomailo kokoa @ fanodikodinana!
4. rabingogilabanga ( 28/06/2008 11:28)
zavatra vitsivitsy no azo lazaina:

andaniny: I robert Mugabe izay mifikitra sy mamono olona maro; tokony ho faizina

Ankilany: Ny firenena sasany manao didi-jadona, saingy manana petrole sy Gaz , sy vola, na matanjaka ara-tafika , na ireo dictature afrikanina akaman'ny firenena matanjaka, dia tsy tenenin'ny ONU satria akama.

noho izany, raha mbola misy ny fihatsarambelatsihin'ny firenena matanjaka, dia ho lasa hero,eo anoloan'ireo mainty sasany, contre ny fanjakazakan'ny eoropeana i Mugabe(na mpamono olona aza) ,
5. ainaheri ( 29/06/2008 20:58)
Badboy>> raha ny fahalalako ny zavamisy d ny firenena andalam-pandrosoana rehetra iharan'io doli,zany we tsy maintsy miaramiasa @ firenena matanjaka,ihinanany ny harena zay ao aminao ao,hany ka refa tsy mifanaraka aminy ilay mpitondra ka manembatsemba ny tombotsoany d atao izay hanalana azy,na io asina misy manafika(mpanongam-panjakana,na endrikendrehina otran'i Saddam)
Ilay mandat 2 nolazaindra8,ngah tsy izay iany t@ andron-dradidy? fa miova ho azy ilay lalàna refa mivoka tsikelikely ilay araldita @ ilay seza lol Otr'zany zao Ingahy Hugo Chavez ,nanao referandum lery mba hitondra mandrapahafatiny, mba voahaja ny demokrasia fa tsy nisy halabato,tsy lany ilay lalampanorenana,...Ny tiako tenenina misy tsy mahatsiaro tena ny sasany refa manana pouvoir

6. tsimati ( 30/06/2008 02:38)
Hoy ny zanany: dada a, dada a, fa naninona no tsy natao ohatran'ny Mugabe ilay tany Madagasikara
Hoy ny Dadany: Fitiavan-tanindrazana ny ahy rankizy
ireto zanany: Ataonay sambombalala mainadro ry dada a. Rehefa tsy nahavoa ianao dia ho avy izahay atoato
Hoy dadany: Misaotra ry anaka fa izay indrindra no maha ampitandranomasina anareo. Madagasikara antsiaka na efa Frantsay taratasy aza isiaka
:-D :-D :-D :-D :-D :-P :-P :-P
7. badboy ( 30/06/2008 05:56)
ainaheri:

Badboy>> raha ny fahalalako ny zavamisy d ny firenena andalam-pandrosoana rehetra iharan'io doli,zany we tsy maintsy miaramiasa @ firenena matanjaka,ihinanany ny harena zay ao aminao ao,hany ka refa tsy mifanaraka aminy ilay mpitondra ka manembatsemba ny tombotsoany d atao izay hanalana azy,na io asina misy manafika(mpanongam-panjakana,na endrikendrehina otran'i Saddam)
Ilay mandat 2 nolazaindra8,ngah tsy izay iany t@ andron-dradidy? fa miova ho azy ilay lalàna refa mivoka tsikelikely ilay araldita @ ilay seza lol Otr'zany zao Ingahy Hugo Chavez ,nanao referandum lery mba hitondra mandrapahafatiny, mba voahaja ny demokrasia fa tsy nisy halabato,tsy lany ilay lalampanorenana,...Ny tiako tenenina misy tsy mahatsiaro tena ny sasany refa manana pouvoir

Tsy hiadiankevitra ilay hoe tsy maintsy miaramiasa @ firenenan matanjaka ary tena ilaina. Ary tsy azo ifandirana koa ilay hoe rehefa mahavita ny sitrapon'ilay firenena manampy ny mpitondra eo dia tohanany na dia somary efa niova kely aza io fomba fanaondry zareo io @ izao.

Fa tsy tokony ho adino fa matoa ny firenena matanjaka miazakazaka manao izay hanampiana anao dia satria mila ny zavatra misy ao aminao izy. Ka noho izany, na dia izy aza no mametraka ny soritra tokony hisy, dia ianao manana ilay tadiaviny no tokony hahay miadivarotra managataka izay mety aminao. Izany hoe izy no mibaiko nohon'ny fahatanjahany, ianao no manitsy ireo baiko satria manana ny ilainy. Mifandanja ihany izany ilay hery na dia hoe tsy tanteraka aza.

Manarak'izay, raha jerena ny mitranga any amerika ohatra sy ny manomboka mipetraka eto frantsa, dia ilay mandat 2 ihany tena vahaolana hitandry zareo mety satria miady ilay eo ny hampandroso fa tsy ny hiady ny haharitra intsony.

Ohatra tsara ilay hoe Hugo CHAVEZ niondrika teo @ safidimbahoaka. Midika izany fa arakarakain'ny sitrapo-pôlitikan'ilay mpitondra eo ilay izy fa tsy dia hoe avy any @ ireo firenena mpanampy daholo. ;-) ;-)
8. kidoropamba ( 30/06/2008 10:11)
aza be fialonana nareo ry ekipa solida a.
Rariny ary tena rariny loatra ry mungabe sy ny filohampirenena mifikitra amin'ny seza satria io nahalAny azy.
Fifidianana ihany no lalana azo arahina raha te hitondra firenena. Nanao fifidianana i Mugabe, ry filoha hajaina Ravalomanana, samy nangala-bato, nanao amboletra, nanao antsonjay, kanefa zavatra norimaly izany satria tsy misy olona hanaiky hiala mora @ fitondrAna izany ka ny mpanohitra no hiverina eo. Tsy misy olona efa nozarina andeha raopilinanina personely ka hanaiky be fotsiny alefa any amponja. Mifikitra izany ry mungabe, norimaly io, manao aferafera ny filoha hajaina, norimaly izany, ary heveriko fa rariny izany.
Izaho manokana aloha tsy hanaiky mihitsy ny mpanohitra ho tonga eo @ fitondrAna satria valifaty mihezinezina no hiseho ary mazava ho azy fa ho potika ity TIKO anay ity.
Izay mpanohana an'i filoha hajaina Ravalomanana aloha dia tokony manana izany hakingAna TSY hamela mandrakizay (doria amena) ny mpanohitra ho tonga eo @ fitondrAna na ho hisy faty olona, na ho pothina any ity firenenena ity, na ho ripaka daholo ireto malagasy mahantra ireto fa ny fifikirana eo @ fitondrAna mandrapahafatiny ihany no tanjona tsy maintsy tratrarina. Ary hosoloinay ny lalampanorenana mba hamela an'izany.

Izay te higadra sy te hAnana magasin may, izay te ahita fanAnana very sy robain'ny olona, izay te ahita ny vadiny ataon'ny mpampandry tany ankeriny any amponja no manana fisainana hanaiky ny fifandimbiasam-pahefana izany. Fa izahay kosa dia na ino-kidona na ino-kitranga ary miaraka amin'ny filoha hajaina Ravalomanana, hifikitra @ fitondrAna hatrany. Mahazo miteny izay miteny fa ampidirina avy @ sofina ilany ka avaokanay amin'ny sofina ilany. IZAY!

Tafita isika malagasy
Tohizo ny lalantsika
God bless Ravalomanana ^:^ ^:^
9. rahiratra ( 30/06/2008 10:43)
Efa hoe mandat roa koa inona no tsy hanomananao ny mandat manaraka ? Ny fanjakan'Andriana no misy izany fa afaka ny ho President ny avy Toliary izay mbola tsy nisy raha misy olona mahataitra ny mpifidy. Sa tsy maitsy Toamasina rehefa avy eo indray na Diego? Mba misehoa ny faritra hafa fa hifandimbiasana io.
Raha lasa mitsoaka izy inona no olana fa mametra ny TIKO ho an'ny Fanjakana izy izany koa inona no mankarary ny sainao ?
10. badboy ( 30/06/2008 10:52)
kidoropamba:

aza be fialonana nareo ry ekipa solida a.
Rariny ary tena rariny loatra ry mungabe sy ny filohampirenena mifikitra amin'ny seza satria io nahalAny azy.
Fifidianana ihany no lalana azo arahina raha te hitondra firenena. Nanao fifidianana i Mugabe, ry filoha hajaina Ravalomanana, samy nangala-bato, nanao amboletra, nanao antsonjay, kanefa zavatra norimaly izany satria tsy misy olona hanaiky hiala mora @ fitondrAna izany ka ny mpanohitra no hiverina eo. Tsy misy olona efa nozarina andeha raopilinanina personely ka hanaiky be fotsiny alefa any amponja. Mifikitra izany ry mungabe, norimaly io, manao aferafera ny filoha hajaina, norimaly izany, ary heveriko fa rariny izany.
Izaho manokana aloha tsy hanaiky mihitsy ny mpanohitra ho tonga eo @ fitondrAna satria valifaty mihezinezina no hiseho ary mazava ho azy fa ho potika ity TIKO anay ity.
Izay mpanohana an'i filoha hajaina Ravalomanana aloha dia tokony manana izany hakingAna TSY hamela mandrakizay (doria amena) ny mpanohitra ho tonga eo @ fitondrAna na ho hisy faty olona, na ho pothina any ity firenenena ity, na ho ripaka daholo ireto malagasy mahantra ireto fa ny fifikirana eo @ fitondrAna mandrapahafatiny ihany no tanjona tsy maintsy tratrarina. Ary hosoloinay ny lalampanorenana mba hamela an'izany.

Izay te higadra sy te hAnana magasin may, izay te ahita fanAnana very sy robain'ny olona, izay te ahita ny vadiny ataon'ny mpampandry tany ankeriny any amponja no manana fisainana hanaiky ny fifandimbiasam-pahefana izany. Fa izahay kosa dia na ino-kidona na ino-kitranga ary miaraka amin'ny filoha hajaina Ravalomanana, hifikitra @ fitondrAna hatrany. Mahazo miteny izay miteny fa ampidirina avy @ sofina ilany ka avaokanay amin'ny sofina ilany. IZAY!

Tafita isika malagasy
Tohizo ny lalantsika
God bless Ravalomanana ^:^ ^:^

Mametraka avy hatrany ianao fa matoa mijanona eo Ravalomanana dia satria nagalabato, nanao amboletra sy atsonjay ary matahotra valifatin'ny mpifanandrina! OMEO NY POROFO AHAFAHANAO MILAZA FA MARINA IREO.

Efa averiko eto foana fa ALOHAN'NY HIATSAPAZANA EO @ ILAY SEZA DIA AMPISEHOY HOE MENDRIKA IANAO ARY TSISY KIHANINA NO SADY VONONA NY HANAO NY TSARA MIHOATRA ILAY KIHANINAO. Noho izany dia raha tsisy porofo any aminao dia aza manameloka!

Mbola tsisy porofo koa hatr'izao aloha @ fanovana ny lalampanorenana famaranana ilay mandat 2.

Raha toa ka tonga ilay fanovana lalampanorenana, dia tsara dinihina aloha hoe inona avy ireo zavabita nandritra ilay mandat teo aloha ka izy ihany no afaka hanantateraka ireo tohiny. Raha toa ka tsisy fivoazrana mihintsy dia MILATSAHA HO FIDIANA DIA AZAVAO EO HOE IANAO ILY TENA IZY FA TSY IO EFA NIALA TEO IO SATRIA IANAO MANAJA LALAMPANORENANA! ;-) ;-) ;-)
11. kidoropamba ( 30/06/2008 11:30)
Tsy nisy "nametraka" teo fa nangalabato sy nanao amboletra ary nanao antsonjay ny filoha hajaina Ravalomanana satria tsy misy porofo. Resaka alefan'ny mpanohitra io fa TSY MIOSY POROFO MIHITSY. Tany zibabwe koa mantsy dia tena tsy tafavoiakan'ireo mpanohitra ireo ny porofo nangalaran'ingahy mugabe vato satria lainga be ny maro.
Tena marina ny anao fa tsy misy mihitsy izany poirofo izany satria tia-bahoaka no sady tena mamim-bahoaka ny filoha hajaina Ravalomanana ka nofidiana.
Io mihitsy ny hifikirany @ fitondrAna satria hanapotika foana ny tanjon'ny mpanohitra kanefa i Madagasikara dia mila fandrosoana.

Tafita isika Malagasy
God save Ravalomanana ^:^
12. tsimati ( 30/06/2008 16:04)
dada a nanainoa ho ahy dada no tsy nahavita Mugabe???? :-D :-D
13. kidoropamba ( 30/06/2008 16:14)
hanaiky hanao negosiasion à mpanohitra izany hono ra-GABY (mugabe io) fa AORIAN'NY FIFIDIANANA. klé... tena efa nahazo lesona avy t@ filoha hajiana mihitsy lery izany kno.
Io ange ilay lazaiko hoe "fitaratra" atsy afrika i Madagasikara sy ny filoha hajaina Marc Ravalomanana. Nanao i Kenya, ity koa ny zimbaboue... samy miteny anglisy izy roa ireo ary tadidio fa efa teny anglisy ny teny ofisialy eto madagasikara.
Fitaratra hoa ny filoha hajaina ary tokony omena doctor honoris causa fanintelony indray fa milay loatra.

Tafita Isika Malagasy
God bless Ravalomanana ^:^
14. tsimati ( 01/07/2008 01:52)
Dia maninona ny teny Anglisy raha ampiroboroboina ? Mauritius kely io maninona no sady mampiasa teny frantsay no mampiasa teny anglisy mahita fivoarana ary afaka mirehareha ny mpitondrany na tsy mbola farany avobe aza ?
15. kidoropamba ( 01/07/2008 10:43)
Mety mihitsy ka. Ny teny anglisy ange teny tena ilaina @ izao fitontoloana izao. Fa tsy ny teny anglisy ihany no raisina fa ny teknika entina mifikitra @ fitondrAna mba hampandrosoana ny firenena koa.
Afaka mirehareha ny filoha hajaina Ravalomanana fa efa maro ireo filoha afrikAna manaraka ny diany.

Tafita Isika Malagasy
God bless the boss Ravalomanana ^:^
16. tsimati ( 01/07/2008 15:28)
Kidoro na hileka lela-antsy maranitra aza hifiran'ny TIM
17. kidoropamba ( 01/07/2008 15:55)
Azavao tsara ilay TIM satria nareo miaraka @ ranjivason sy rajemison dia milaza fa hoe Teo Ihany no Miverina, izahay kosa milaza hoa Tafita Isika Malagasy.

God bless the little god Ravalomanana ^:^
18. tsimati ( 02/07/2008 01:16)
Ny anaran'olona tsy hay rehetra io no asesika avokoa. Inona no raharahinay izay anarana asesikao ao naty kidoronao ao rehefa fisaka voatsindry tao ny kidoro arynarian'ny olona. Fanary ny kidoro tranainy ary soloana vao. :-D :-D :-D
19. kidoropamba ( 02/07/2008 12:47)
Ny ahy mba iriko dia ny ahatonga mivory sy miasa an-drajemison satria efa nesorndry zalahy tao @ parlementa afrikana lery io.
Hita fa tena mbola tsara fO ity filoha hajaina Ravalomanana ity ka mbola sahy nadroaka an'i Rajemison any zeneva.

Tafita Isika Malagasy
Gode blesse Ravalomanana ^:^
20. tsimati ( 02/07/2008 23:23)
Dia aiza amin'io ilay resaka Mugabe nosokafanao izany ? Mba ny olona hafa no mamadika resaka ary ny mpanokatra mamerina azy ao amin'ny tiany hambara. Ity dia ilay mpanokatra hevitra mihintsy no misavoamboana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0956