Teo ka ..teo ka... niasa tanimboly mandra-maraina

1. niryna ( 26/06/2008 22:03)
Nisy olona mpivady izay teo amboninay fahiny.Tsy mba mividy zavatra izy na iray aza kanefa dia manana ny ilaina.Nivarotra moa ny zokinay ary dia niha-ritra ny entanay. Izy koa moa tsy nipetraka tao fa nody tany amin-drar rehefa hariva ny andro.Nasian'ny zokinay vovoka lafarinina ny manodidina ny varavarana ary noho ny maraina ny andro,feno dian-tongotra avy tany ambony,ilay tompon-trano ny teo am-baravarana.
Izay vao tsampanay hoe hay manana la cle roa ity tompon-trano ary dia notaperiny tsikelikely ny entanay.

Nisy olona iray izay tratra nangalatra mananasy ary dia voan'ny fandrika fa tsy tadidiko tsara ny anarany fa mbola kely aho ary dia tsy nahazaka mananasy na iray akory aza izy fa tapitra nasainy fotsiny ilay tanim-boly rehetra teo an-tany mananasy ... teo ka.. teo ka teo ...niasa teo an-tanimbolin-dry zareo mandra-maraina izy .
Teo ihany koa no nahalalanay fa mpanao fanafody dadany amin-tany izy mivady ary dia niala teo amin'ilay tanana izahay.

Inona no anaran'ireny ? fandrika ? sa inona moa ?
Efa nahita mitovitovy an'izany koa ve hianareo ?

Asiany fanafody eo amin'ny tanimboly hono dia lasa miasa eo ilay mpangalatra mandra-marain'ny .an ...Fandrika ? sa tsatoka ? sa inona :D :D

Na tani-mangahazo e,na tanim-bomanga e,na tanin-katsaka e,ny saham- pibasy moa dia tsy lazaina intsony...feno fandrika avokoa ka tsy misy sahy mangalatra ny teo an-tanana..Izay vahiny nitonatonana teo amin'ilay tanana ihany no voajono teo ka ...teo ka ...niasa tanimboly mandra-maraina ..

misaotra anareo
(l) niryna
novalian'i niryna ny 01/07/2008 16:35
2. ainaheri ( 27/06/2008 04:52)
Asiany fanafody eo amin'ny tanimboly hono dia lasa miasa eo ilay mpangalatra mandra-marain'ny .an ...Fandrika ? sa tsatoka ? sa inona


Kalo no anarany,zany oe fanafody gasy ampiasain'ny tantsaha mba iarovany ny voliny tsy angalarin'ny oul(tsy haiko ny fahamarinany)

Ka io mampiasa io d Kalo miasa zay ny fiantso azy any @ lakôty
3. ni81 ( 27/06/2008 05:30)
Asiany fanafody eo amin'ny tanimboly hono dia lasa miasa eo ilay mpangalatra mandra-marain'ny .an ...Fandrika ? sa tsatoka ? sa inona
Kalo araka io lazain'i ainaheri io no anarany. Lazain'ny olona fa ny voasary sasany teny Ambohijafy dia asian'ny tompony kalo, ka raha misy olona mangalatra dia rehefa tonga any aminy ireo voasary dia tonga dia feno olitra ao anatiny.
Ilay hoe tsatoka no asiako resaka kely koa. Lazaina fa hoe voan'ny tsatoka ny vehivavy iray raha toa ka efa dila ny taona tokony hanambadiany ka tsy mbola mahazo vady foana. Izany hoe nisy olona nanisy fanafafody hono ( hono hoy ny firesaky ny olona an) dia mitsatoka eo ka na dia misy lehilahy miaraka aminy aza dia rava tsy dia hita fototra fotsiny eo.
Amiko dia tsy mbola tonga ny fotoana nanambadiany no tsy nahazoany vady ary koa tsy mbola ireo olona niaraka taminy ireo no anjara nomen'ny Tompo ho azy.
4. Koditra ( 27/06/2008 05:43)
Efa henoko ihany koa io kalo io, ny feo henoko dia mizihitra (mibontsina) be ny kibon'ilay olona mihinana azy ka tsy afaka mihitsy io kibo io raha tsy ilay tompon'ny halatra no manala azy.

ainahery> "kalo mibontsina" indray ve zany no hiantsoana an'io ? :lol:

Ary raha ireny mpangalatra hira mpanao piraty ireny izany no tratran'ny "kalo mihira" dia mihira foana mandraparivan'ny andro ? Raha CD MP3 zany lay hira dia tsy maintsy hirainy daholo h@ farany ny hira rehetra ao anatiny, spectacle tsy andoavambola, mety milay kosa an!! =))
5. ainaheri ( 27/06/2008 10:04)
Koditra>> tsy mbola henoko alou le kalo mibontsina ee,fa ny henoko ndray le fanainga lavitra lol,fa nafody gasy fampiasan'ny lah na vavy entina isarihana ilay oul hankany aminy na mipetraka lavitra aza(hono fa tsy haiko ny fahamarinany)
6. Koditra ( 27/06/2008 13:24)
ainahery> vazy2ko le kalo mibontsina. Fa ny olana @ireny kalo mibontsina ireny hono dia raha tsy mihinana ilay mpangalatra fa amidiny eny atsena dia izay mividy azy no lasa mibontsina. (hono)

Efa faheno matetika ihany koa io trangana fanainga lavitra io, fa na dia alina aza hono dia ôtran malaeloelo zany ilay olona voa, dia tsy manaiky avy eo fa tsy maintsy tonga any @lay nampiantso.
7. Koditra ( 27/06/2008 13:42)
Tantara iray resaka halatra ihany koa ity izay notantarain'ilay nenitoanay efa elabe, tsy honohono fa tena hitany.

Indray andro, teny @sisin'ny gara soarano iny no nisy lehilahy iray niazakazaka nanenjika ity rangahy somary efa zokinjokiny izay mande tongotra tsy taitra, nony tonga teo anoloan'ilay rangahy ilay lehilahy dia nanolotra vola no sady niteny hoe ity tompoko ny volanao dia mialatsiny sy mifona fa tsy hamerina intsony, tsy nanaiky nandray ilay vola intsony nefa ilay rangahy no sady niteny hoe, tazomy ho hanao hividiananao lambamena, dia mbola nitalaho mafy ihany ity lehilahy fa tsy nanaiky mihitsy ilay rangahy no sady mbola namerina io voalazany io no sady lasa nande, tsy nahateny intsony ilay lehilahy. Refa nanontanian'ny olona izay nanatrika teo ilay rangahy (anisan'izany ilay nenitoanay) hoe fa inona marina no zava-nitranga dia nitantara ilay rangahy aveo fa avy nande bus izy, mbola tao Analakely daolo ny terminus 'ny bus t@ zany, nangarona ny paosiko iny lehilahy iny hoy izy ary tsy henoko mihitsy ny nakàny ny volako tao, tsy nety nilaza kosa izy ny @ antony tsy nanekeny nandraisana ilay fifonana sy ilay vola, samy niparitaka ny olona aveo na dia mbola te-hametrapanontaniana aza.

Avereno vakiana kely ilay hafatr'ilay rangahy dia mety ho azonareo antsaina ny mety ho niafaran'ilay lehilahy. Asa alo, mbola resaka kalo ihany koa ve? tsy hay.

8. niryna ( 01/07/2008 01:22)
ainaheri:

Asiany fanafody eo amin'ny tanimboly hono dia lasa miasa eo ilay mpangalatra mandra-marain'ny .an ...Fandrika ? sa tsatoka ? sa inona


Kalo no anarany,zany oe fanafody gasy ampiasain'ny tantsaha mba iarovany ny voliny tsy angalarin'ny oul(tsy haiko ny fahamarinany)

Ka io mampiasa io d Kalo miasa zay ny fiantso azy any @ lakôty

miisaotra ainaheri ,fandrimborona no tato an-tsaiko hi,hi .Toy ny voan'ny arato ireny na ilay tsilobe dia asiana zavatra dia miditra eo ny voropotsy .hi,hi
Dia ahoana no fandehan'izany kalo izany ?
misaotra mialoha

9. niryna ( 01/07/2008 01:27)
ni81:

Asiany fanafody eo amin'ny tanimboly hono dia lasa miasa eo ilay mpangalatra mandra-marain'ny .an ...Fandrika ? sa tsatoka ? sa inona
Kalo araka io lazain'i ainaheri io no anarany. Lazain'ny olona fa ny voasary sasany teny Ambohijafy dia asian'ny tompony kalo, ka raha misy olona mangalatra dia rehefa tonga any aminy ireo voasary dia tonga dia feno olitra ao anatiny.
Ilay hoe tsatoka no asiako resaka kely koa. Lazaina fa hoe voan'ny tsatoka ny vehivavy iray raha toa ka efa dila ny taona tokony hanambadiany ka tsy mbola mahazo vady foana. Izany hoe nisy olona nanisy fanafafody hono ( hono hoy ny firesaky ny olona an) dia mitsatoka eo ka na dia misy lehilahy miaraka aminy aza dia rava tsy dia hita fototra fotsiny eo.
Amiko dia tsy mbola tonga ny fotoana nanambadiany no tsy nahazoany vady ary koa tsy mbola ireo olona niaraka taminy ireo no anjara nomen'ny Tompo ho azy.
misaotra ni81 a> marobe ny asan'ny ratsy ka mety misy ilay izy matoa omeny anarany e.
Ilay voasary indray dia toa be mpanao fanafody gasy hono any Ambohijafy any ka ny fanafody gasy dia fady kisoa hono ary raha mihinana voasary ka tsy manasa tanana ny olona mihinana enan-kisoa dia misy olotra hono.Sao dia mba maty masaka teo am-pitoerany kosa aza na misy olotra tsy tazamaso fa tsy nosasana alohany amarotana azy ?
Ilay voan'ny kalo anie ka tena tratra mandra marainan'ny andro teo ilay rangahy e,izahay tsy nahita fa ny olona nitangoringorina no hitanay .Nisy ilay zavatra izany . Sa nisy nanely tsaho teo


10. niryna ( 01/07/2008 01:28)
Koditra:

Efa henoko ihany koa io kalo io, ny feo henoko dia mizihitra (mibontsina) be ny kibon'ilay olona mihinana azy ka tsy afaka mihitsy io kibo io raha tsy ilay tompon'ny halatra no manala azy.

ainahery> "kalo mibontsina" indray ve zany no hiantsoana an'io ? :lol:

Ary raha ireny mpangalatra hira mpanao piraty ireny izany no tratran'ny "kalo mihira" dia mihira foana mandraparivan'ny andro ? Raha CD MP3 zany lay hira dia tsy maintsy hirainy daholo h@ farany ny hira rehetra ao anatiny, spectacle tsy andoavambola, mety milay kosa an!! =))


hi,hi dia manampeo daholo ny rehetra k'ty .

11. niryna ( 01/07/2008 01:34)
ainaheri:

Koditra>> tsy mbola henoko alou le kalo mibontsina ee,fa ny henoko ndray le fanainga lavitra lol,fa nafody gasy fampiasan'ny lah na vavy entina isarihana ilay oul hankany aminy na mipetraka lavitra aza(hono fa tsy haiko ny fahamarinany)

dia raha miampita ranomasina ve dia mbola voany foana?
Nisy rangahy izay mantsy,toa maditra be hono ny vadiny ary lazaina fa mpanao fanafody be dia nitady lalana nivoaka tao paris izy fa hoy ny notenenin'ilay ramatoa hoe tsy tafa-petraka any hianao.Tsy nisy roa andro akory dia narary mafy saiirka maty dia niverina nody,tsy fantatray intsony ny tantarany taty aoriana.
Ny iray indray mpanan-karena be no saika nalain'ity rangahy vady dia nanatsatso azy hono ny fianakaviany ary dia nahita zanak'olona mahantra kamboty ray nipetraka taman'olona izy dia iny no hoe angatahina vady azy,dia iny koa ity rangahy fa niteny tamin'ilay zanaka mpanan-karena hoe tsy afaka hanambady anao aho ,noentina nisakafo hono ilay rangahy ka nasiany zavatra ny kafe-ny ary dia narary saika maty nandritra ny in-droa andro.Mandrak'ity ny androany tsy mihinana zavatra misy kafe izany iny na gateau na inona na inona fa tonga dia marary.
12. niryna ( 01/07/2008 01:38)
Koditra:

Tantara iray resaka halatra ihany koa ity izay notantarain'ilay nenitoanay efa elabe, tsy honohono fa tena hitany.

Indray andro, teny @sisin'ny gara soarano iny no nisy lehilahy iray niazakazaka nanenjika ity rangahy somary efa zokinjokiny izay mande tongotra tsy taitra, nony tonga teo anoloan'ilay rangahy ilay lehilahy dia nanolotra vola no sady niteny hoe ity tompoko ny volanao dia mialatsiny sy mifona fa tsy hamerina intsony, tsy nanaiky nandray ilay vola intsony nefa ilay rangahy no sady niteny hoe, tazomy ho hanao hividiananao lambamena, dia mbola nitalaho mafy ihany ity lehilahy fa tsy nanaiky mihitsy ilay rangahy no sady mbola namerina io voalazany io no sady lasa nande, tsy nahateny intsony ilay lehilahy. Refa nanontanian'ny olona izay nanatrika teo ilay rangahy (anisan'izany ilay nenitoanay) hoe fa inona marina no zava-nitranga dia nitantara ilay rangahy aveo fa avy nande bus izy, mbola tao Analakely daolo ny terminus 'ny bus t@ zany, nangarona ny paosiko iny lehilahy iny hoy izy ary tsy henoko mihitsy ny nakàny ny volako tao, tsy nety nilaza kosa izy ny @ antony tsy nanekeny nandraisana ilay fifonana sy ilay vola, samy niparitaka ny olona aveo na dia mbola te-hametrapanontaniana aza.

Avereno vakiana kely ilay hafatr'ilay rangahy dia mety ho azonareo antsaina ny mety ho niafaran'ilay lehilahy. Asa alo, mbola resaka kalo ihany koa ve? tsy hay.



toa efa naheno toa an'io koa aho ry koditra .... Dia ahoana no niafarany ?
io hividianana lambamena io no midika fa ho faty ilay olona e ?

13. ainaheri ( 01/07/2008 04:43)
Maro ny tranga otr'zany ,indrindra ireny pangaro-paosy reny no tena tratrany matetika,misy lasa maloto(beurk) no voarainy ao anaty paosin'ilay oul,ny an'ny sasany ndray lasa maingoka ilay vola ao anaty paosy raha aroninao tsy miera @ tompony ,misy mistery zao tontolo zao an
14. niryna ( 01/07/2008 16:35)
ainaheri:

Maro ny tranga otr'zany ,indrindra ireny pangaro-paosy reny no tena tratrany matetika,misy lasa maloto(beurk) no voarainy ao anaty paosin'ilay oul,ny an'ny sasany ndray lasa maingoka ilay vola ao anaty paosy raha aroninao tsy miera @ tompony ,misy mistery zao tontolo zao an

Nisy fianakaviana roa fantatro,nisy olona nitondra kavina tao amindry zareo dia nomena ny vola fa rehefa lasa ilay olona dia nivadika vatokely ilay izy.Tany Toamasina koa no nisy an'izany,nividy kavina ihany koa ny zandriko dia nivadika karaoty ilay izy.
asa ireny ve ny fandraikirekena sa midahoahoa sa maso be tsy mahita hi,hi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3941