Tsy voatery hinohino foana rehefa mino an'Atra.

1. badboy ( 26/06/2008 16:50)
Tsy voatery hilaza ohatra fa rehefa nilatsaka ilay varatra, ka may ilay trano, ary maty avokoa ilay olona tao anatiny, dia izay no sitrak'A/tra. Mila raisina ny mombamomba ilay toerana hahafana manambara fa toerana tian'ny varatra io.

Noho izany, izay mino an'A/tra sy alohan'ny hilazana hoe izay ilay asan'A/tra dia tokony handalo @ fanazavana aratsiansa aloha.

Tsy voatery hinohino foana rehefa mino an'A/tra. Ary tsy maintsy mahafehy na mahalala ny tany, ny lanitra, ny planeta, ny mahaolona ..... ny tontolo manodidina rehetra vao afaka mandalina ny ankoatry ny tontolo manodidina sy ilay atao hoe asan'A/tra. :^) :^) :^)
2. ikaretsaka ( 26/06/2008 17:01)
[quote=badboy]
Ary tsy maintsy mahafehy na mahalala ny tany, ny lanitra, ny planeta, ny mahaolona ..... ny tontolo manodidina rehetra vao afaka mandalina ny ankoatry ny tontolo manodidina sy ilay atao hoe asan'A/tra[/quote
] iraisako hevitra tanteraka
"Tadiavo @ zavatra rehetra Andriamanitra"

L'homme est créé pour louer,
respecter et servir Dieu notre Seigneur
et par là sauver son âme,
et les autres choses sur la face de la terre
sont créées pour l'homme,
et pour l'aider dans la poursuite de la fin
pour laquelle il est créé.

D'où il suit que l'homme doit user de ces choses
dans la mesure où elles l'aident pour sa fin
et qu'il doit s'en dégager
dans la mesure où elles sont, pour lui, un obstacle à cette fin.

Pour cela il est nécessaire de nous rendre indifférents
à toutes les choses créées,
en tout ce qui est laissé à la liberté de notre libre-arbitre
et qui ne lui est pas défendu ;
de telle manière que nous ne voulions pas, pour notre part, davantage la santé que la maladie, la richesse que la pauvreté, l'honneur que le déshonneur, une vie longue qu'une vie courte et ainsi de suite pour tout le reste,
mais que nous désirions et choisissions uniquement ce qui nous conduit davantage à la fin pour laquelle nous sommes créés.

3. fijo ( 26/06/2008 18:31)
ny olana anie dia vitsy no mihaiky io fahamarinana io e.efa impiry tato no nolazaina fa tsy vitan'ny hoe "izay no sitrany e",fa eeeee izay voasoratra ihany
4. xxx ( 26/06/2008 22:01)
badboy:

Tsy voatery hinohino foana rehefa mino an'A/tra. Ary tsy maintsy mahafehy na mahalala ny tany, ny lanitra, ny planeta, ny mahaolona ..... ny tontolo manodidina rehetra vao afaka mandalina ny ankoatry ny tontolo manodidina sy ilay atao hoe asan'A/tra. :^) :^) :^)

Satria impossible izany mahafehy na mahalala ny tany izany. Raha olon-tokana izao tsy afaka ho sady géologue no géographe no podologue no fizisiana no simista ka hahafehy na hahalala ny tany. Ary na ny siansa faobe aza tsy mahafehy na mahalala ny tany akory, fa zavatra kely fotsiny momba ny tany no hainy.

Dia ahoana izany ? Aza mino an'Andriamanitra ve ?

Tadidio fa na Andriamanitra, na ny asan'Andriamanitra dia tsy afaka fehezina.

Nilatsahan'ny varatra ilay olona : sitrak'Andriamanitra izay. Halalino ny varatra, ampiasao ny siansa hahafahana manjaka misimisy amin'ny zava-boary. Ny siansa akory tsy mifanohitra amin'Andriamanitra mihitsy satria zava-boarin'Andriamanitra ihany no dinihany (ny filozofia manodidina ny siansa no misy manohitra an'Andriamanitra). Saingy raha mitady handalina ny sitrapon'Andriamanitra momba an'izay ianao dia fantaro mialoha fa tena lalina be izany ....

Rehefa ohatra ianao ka manana fifandraisana amin'Andriamanitra dia tsy minomino foana mihitsy mino Azy. Raha tsy izany indray dia manana safidy ianao :
- na "hino nefa tsy mahita" : izay no mahasambatra indrindra kanefa sarotra indrindra koa
- na hitady (fatratra) ny hahita mba hinoana : raha izay dia tsy ny lalan'ny siansa mihitsy no tokony harahina satria lalam-panahy io
- na tsy hino mihitsy
5. niryna ( 26/06/2008 22:49)
badboy:

Tsy voatery hinohino foana rehefa mino an'A/tra. Ary tsy maintsy mahafehy na mahalala ny tany, ny lanitra, ny planeta, ny mahaolona ..... ny tontolo manodidina rehetra vao afaka mandalina ny ankoatry ny tontolo manodidina sy ilay atao hoe asan'A/tra. :^) :^) :^)

sambatra ny mahaleho fa azy ny fanjakan'ny lanitra,sambatra ny adalan'izao tontolo izao fa heverin'ireo manam-pahaizana fa ny heriny,ny fahaizany no itondrany ny fiainany .... tsy maintsy mahafehy na mahalala ny tany ...ny tontolo vao afaka mandalina ...vao mahalala ny atao hoe asan'Atra ? mijaly indrindra raha samy olona izany hianao raha izany...

xxx:

Satria impossible izany mahafehy na mahalala ny tany izany. Raha olon-tokana izao tsy afaka ho sady géologue no géographe no podologue no fizisiana no simista ka hahafehy na hahalala ny tany. Ary na ny siansa faobe aza tsy mahafehy na mahalala ny tany akory, fa zavatra kely fotsiny momba ny tany no hainy.
izaho mba gaga kou ?

Dia ahoana izany ? Aza mino an'Andriamanitra ve ?
aleo izy hamaly azy ry xx ?

Tadidio fa na Andriamanitra, na ny asan'Andriamanitra dia tsy afaka fehezina.

izany indrindra mantsy: [b] Tiava an'i Jehovah Atrao @ fonao rehetra,ny sainao rehetra, ary ny fanahinao rehetra.... Ary moa va misy zavatra sarotra tsy haiko .hoy Izy..

Ohabolana 3:
5 Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;
6 Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny làlanao,

Nilatsahan'ny varatra ilay olona : sitrak'Andriamanitra izay. Halalino ny varatra, ampiasao ny siansa hahafahana manjaka misimisy amin'ny zava-boary. Ny siansa akory tsy mifanohitra amin'Andriamanitra mihitsy satria zava-boarin'Andriamanitra ihany no dinihany (ny filozofia manodidina ny siansa no misy manohitra an'Andriamanitra). Saingy raha mitady handalina ny sitrapon'Andriamanitra momba an'izay ianao dia fantaro mialoha fa tena lalina be izany ....
angaha moa ry badboy tsy misy fandrimbaratra any amintsika?

Rehefa ohatra ianao ka manana fifandraisana amin'Andriamanitra dia tsy minomino foana mihitsy mino Azy. Raha tsy izany indray dia manana safidy ianao :

Mino Azy ry xxx kanefa koa misy ny olona mpandatsa-baratra any amintsika a.
Tsy misy orana ,toetr'andro tsara izao,efa nokendreny ilay olona dia nolatsahan'ny varatra ary dia maty teo noho eo ,mitondra zaza eny an-tanany ary ilay zaza tsy maty main'ny varatra kao ny takolany ka safotra nifamonjena.Fantatra ilay olona nandatsa-baratra azy .....Maro ny asan'ny maizina ..

- na "hino nefa tsy mahita" : izay no mahasambatra indrindra kanefa sarotra indrindra ko
- na hitady (fatratra) ny hahita mba hinoana : raha izay dia tsy ny lalan'ny siansa mihitsy no tokony harahina satria lalam-panahy io
- na tsy hino mihitsy

marina izany . misy ny herin'Atra ary tsy aza hodian-tsy hita koa ny asan'ny maizina,mamono fa tsy mamelona.manao fahagagana fa misy fetrany.Ny herin'Atra ihany no mandrakizay.

ekena hozy ..bravo xxx a

@ badboy izany dia mila ho tapi-pahaizana avokoa izany ny olona vao mahalala ny asan'Atra sy mitory ny tenin'Atra raha izany k'ty?

Tadidio fa nomen'Atra an'izay olona mangetaheta Azy sy mino Ny Zanany ny fahalalana Azy ary tsy ho voatery ho tapi-pahaizana vao mahalala izany asan'Atra izany.Na tsy mahay mamaky teny aza rehefa ilay olona no nofidiany hitory ny tenin'Atra dia tendreny fotsiny ny vavany ,ny lelany dia mitory ny ao anaty baiboly izy. Mino an'izany ve badboy ?
sambatra ny olona izay nahita ka mino kanefa mbola sambatra kokoa ireo izay tsy nahita kanefa mino.Safidy io baba a

6. ikaretsaka ( 26/06/2008 23:21)
Mino Azy ry xxx kanefa koa misy ny olona mpandatsa-baratra any amintsika a.
Tsy misy orana ,toetr'andro tsara izao,efa nokendreny ilay olona dia nolatsahan'ny varatra ary dia maty teo noho eo ,mitondra zaza eny an-tanany ary ilay zaza tsy maty main'ny varatra kao ny takolany ka safotra nifamonjena.Fantatra ilay olona nandatsa-baratra azy .....Maro ny asan'ny maizina ..

ka io mihitsy no tsara hofantarina hahafahana miala @ io hoe herin'ny maizina io.. heo ahoana no nataony sy ny zavatra nampiasainy dia nilatsaka ny varatra na avy ny orana.
sao ho lasa hoe hanao bluetooth ho herin'ny maizina indray ity resaka ity

7. LazaDaddy ( 27/06/2008 00:24)
Ny herin'ny maizina dia misy ary lehibe lavitra noho ny herinntsika olombelona. Samihafa ny fomba fisehony. Mety ho fandatsaham-baratra, ny an'ny sasany miasa @ singam-bolo, ny hafa mitahiry taolam-paty, sns...Misy koa anefa ireo maka tahaka ny asan'Andriamanitra.

Ny fantatro sy azoko antoka dia tsy manan-kery amin'ny zanak'Andriamanitra ny herin'ny maizina satria Andriamanitra no lehibe indrindra sady tsihota! Amen!
8. prime ( 27/06/2008 12:26)
Mitovy hevitra tanteraka amin'i LD aho eto...

Amin'ny fiainam-pinoana no ahafantarana fa Andriamanitra rehefa miantso ny azy dia amin'ny fiadanana sy ny fahatoniana sy ny fahasambarana no iantsoany azy... ary ilay antsoina efa sady vonona no efa mahalala fa tonga ny anjarany ka efa mivonona hiditra ao amin'ilay fiadanana mandrakizay...

Fa raha vao ilay fahafatesana izay no somary tampoka tsy nisy fiomanana, tsy amin'ny fahavononana, tsy misy finoana, vokatry ny loza voajanahary, vokatry ny loza mahatsiravina, tamin'ny ady mafy, amin'ny fanaintanana lalina, amin'ny fijaliana, amin'ny fahoriana mafy tsy zaka vokatry ny alahelo, lolompo, hatezarana, tsy misy fifamelàna... dia ao raha... izay indrindra ilay mila fiambenana lalina...
9. ikaretsaka ( 27/06/2008 13:51)

izany ve ry prime tsy vao mainka koa finoanoam-poana..
ny andriana no maty ka ny omby no latsa-dra hoy ny fiteny hatrany aminay
10. Ilo ( 27/06/2008 14:15)
Amiko aloha dia izay zavatra rehetra mitranga @ fiainan'ny zanak'A/tra dia tsy tongatonga foana fa misy antony avokoa na tsara izany na ratsy.
Izy efa milaza fa manana ny hevitra hiheverany antsika ary hevitra mitondra fiadanana izany fa tsy loza.
Mety ho fitahiana , mety ho kapoka na koa mety ho fizahan-toetra. Fa anjarantsika no mandinin-tena rehefa misy zavatra miseho eo @ fiainantsika.
11. ikaretsaka ( 27/06/2008 14:52)
marina aby izany!
fa eo @ le fandinihin-tena no tiako hotsipihina kely fa indraindray io hitako fa tsy ampy ka mahatonga ilay hoe vao zavatra hafahafa dia heo "herin'ny maizina" foana no anasokajiana azy!

Fony mbola kely dia sendra tany Asia aho no nahita ilay Moine bodista rehefa concentre be @ meditation-ny dia le tsy mikasi tany, fa lasamitsingevana 30 na 40 Cm ambonin'ny tany izy.... ary natahotra mafy tokoa heo misy "devoly ity" mandra panadihady ilay hoe ny herin'ilay meditation no mampitsingevana azy...

Toy izany kao ilay manao kung fu mamaky zavatra ireny ka ny latabatra no omena totohondry dia ny zavatra eo amboniny no vaky!

Mino aho fa toy iznay koa ireny lazaina fa mandatsa-potaka ireny... resaka concentration ana force plus sy moins sy fandefasana azy ho eo @ le toerana anankiray tiana handatsahana no tena ataony rehefa dinihina anie.

Ireny astrologie sns ireny koa!

Vitsy amintsika no mahay mi maitriser ireny moa ilay nahay ni maitrise koa tsy nanoro antsika ny tena marina, dia tamy @ izay le minomino foana
12. badboy ( 27/06/2008 18:04)
ikaretsaka:
Vitsy amintsika no mahay mi maitriser ireny moa ilay nahay ni maitrise koa tsy nanoro antsika ny tena marina, dia tamy @ izay le minomino foana

Ekeko tanteraka! T@ andro fahagola, rehefa mitranga ny éclipse, dia mitomany sy mivavaka daholo ny olona ary miafina aza satria hoe tonga ny farany. Dia rehefa laas ilay éclipse diia nanao rakitra goavazna be daholo satria hoe nivaly A/tra.

Niova ilay fahatsapana anefa rehefa avy nazavain'ny mpanao siansa fa natoraly ilay izy ary afaka tendrena dia ny mialoha ny daty hitragany!! Tsy nisy niisitrika intsony tany andavatranony sy nivavaka be rehefa éclipse, fa ny mifanohitra @ zay aza no nitranga satria ny hijery ilay izy ary ny hijanonany maharitra no tanjona!!!

Noho izany, izay mino an'A/tra sy alohan'ny hilazana hoe izay ilay asan'A/tra dia tokony handalo @ fanazavana aratsiansa aloha.

Tsy voatery hinohino foana rehefa mino an'A/tra. Ary tsy maintsy mahafehy na mahalala ny ambangovangon'ny tany, ny lanitra, ny planeta, ny mahaolona ..... ny tontolo manodidina rehetra vao afaka mandalina ny ankoatry ny tontolo manodidina sy ilay atao hoe asan'A/tra. ;-) ;-) ;-)
13. ikaretsaka ( 27/06/2008 20:17)
izay..
matoa ireo tintolo manodidina noharian'Atra dia natao ho hampiasaina mba hanasoavana ny tena sy hanomezana dera Azy...
ka ilana ny mahay mampiasa azy
14. fijo ( 27/06/2008 20:32)
mivadika toriteny le resaka fa tsy famaliana le fanontaniana.
15. badboy ( 28/06/2008 09:50)
fijo:

mivadika toriteny le resaka fa tsy famaliana le fanontaniana.

Eo ndrindra tsika zao, satria efa latsaka lalina loatra ilay fitoriantey lava tsisy farany. Hany ka manjary TERENA hampifandraisina @ izay voalaza ao anaty baiboly avokoa izao rehetra izao na dia hita aza hoe tsisy ifandraisany ary koa misy azo anazavana azy @ fomba hafa. Ary io no mamporisika ilay finoanoampoana raikitapiseka @ farany.

;-) ;-) ;-)
16. rabilabila ( 28/06/2008 12:36)
Salama daholo indray!!!!

Ny olana kely ry Badboy dia :

- Ireo mpampita ny" hafatr'andriamanitra " , na ny mpampianatra sekoly alahady izany , na ny mpampianatra sekoly sabata , na ny mpampianatra katesizy dia tsy miala ary tsy hiala amin'ny cadres misy azy ,izany hoe :ny baiboly , ny katesizy , ny fiambenana maraina , ny coran.
Sarotra be ho an'izireo no hilaza fa tsy vao 6000 taona fotsiny ny tany ary tsy Adama sy Eva no olombelona voalohany ,na dia mahafantatra aza izy satria tsy izay ny voalaza ao anatin'ny "livre".

- Na toa aza ka misy "teméraire" tia hanazàva dia ny fomba hanalàna amin'ilay finoanoam-poana ,matetika ,dia dénigrement ankitsirano ( ratsy io , satàna , asan'ny maizina.....), fa tsy misy fanazavàna mafonja arahina arguments.

- Efa nolazaiko teto foana koa fa maro ireo antokom-pinoana tsy tia ny siansa ,rehefa heveriny fa mivoana amin'ny "revélation " ny zavatra hita , na koa mijabaka any amin'ny domaine de définition -n'andriamanitra ( cosmologie ohatra ,na koa ny fankahalàn'ny Créationnistes australiens , na americains ny théorie de l'evolution).

- Tsy misy afatsy ny fanovozana fahalalàna no apinga enti-miady amin'ny finoanoam-poana na inona ilay finoana na inona .

- Marina fa ny olona iray tsy voatery ho fizisiana, simista,......... fa saingy tsy misy afatsy ny fahalàlana no ahafahan'ny be sy ny bobaka hanana autodéfenses intellectuelles.

Izany rehetra izany nefa mbola lavitr'ezaka any amin'ny tany toa an'i Madagasikara ,na Darfour , na Mali , ......satria tsy tongan'ny fisokafan-tsaina ara-pahalalàna ny vahoaka ,ny fampitana ny abidy aza tsy tonga lafatra .Ary mbola lavitr'ezaka koa ho an'ny tany tsy manana laicité réelle sy vécue ,fa mbola miseho ary hiseho foana ny hoe : Ity ny marina fa ny anareo diso un point c'est tout ( hoy ilay Ranamana ) .

Fa na izany aza ,io hevitra io foana no novohiziko teto hatramin'izay ary tsy sàsatra aho ny namerimberina azy saingy version AT ny ahy fa tsy misy présupposition ny fisian'ny suprem being na créateur ,na intelligence design sns ..................................
17. ikaretsaka ( 28/06/2008 15:11)
badboy sy rabila> mitovy fijery aminareo @ lafiny maro ambaranareo aho eto
Eo ndrindra tsika zao, satria efa latsaka lalina loatra ilay fitoriantey lava tsisy farany. Hany ka manjary TERENA hampifandraisina @ izay voalaza ao anaty baiboly avokoa izao rehetra izao na dia hita aza hoe tsisy ifandraisany ary koa misy azo anazavana azy @ fomba hafa. Ary io no mamporisika ilay finoanoampoana raikitapiseka @ farany.

- Efa nolazaiko teto foana koa fa maro ireo antokom-pinoana tsy tia ny siansa ,rehefa heveriny fa mivoana amin'ny "revélation " ny zavatra hita , na koa mijabaka any amin'ny domaine de définition -n'andriamanitra ( cosmologie ohatra ,na koa ny fankahalàn'ny Créationnistes australiens , na americains ny théorie de l'evolution).

- Tsy misy afatsy ny fanovozana fahalalàna no apinga enti-miady amin'ny finoanoam-poana na inona ilay finoana na inona .

- Marina fa ny olona iray tsy voatery ho fizisiana, simista,......... fa saingy tsy misy afatsy ny fahalàlana no ahafahan'ny be sy ny bobaka hanana autodéfenses intellectuelles.

18. Lek ( 30/06/2008 05:57)
Tsy misy ifandraisany @ finoana an\'Andriamanitra ny siansa, ny mpino aza mampiasa ny zavatra vitan\'ny siansa oh: fanafody sns. Fa ny olona milaza ho mahay no tsy mino an\'Andriamanitra fa Andriamanitra aza miteny hoe mikatsa fahalalàna. mba azavao ara-tsiansa ary ry rabilabila ny tromba ao anatin\'ny olona iray izay itoeran\'ny fanahy maro ao anatiny (aty dago misy izany sao tsy fantatrao) ilay fanahy ao anatiny io rehefa miteny ka na vehivavy aza le olona de lasa tena feon-dehilahy. De finoanoampoana ve ra milaza fa misy fanahy ratsy lay olona? ra tsy fanntatrao ko de misy amin\'ireny rehefa nesan\'ny mpiandry de lasa lay tromba de lasa mpivavaka ilay olona betsaka izany cas izany aty dago. Enga anie ianao zay tsy mino ko mba hifanena amin\'ny Tompo tahaka an\'i Paoly :)
19. rabilabila ( 01/07/2008 04:54)
Lek:

Fanontaniana vitsivitsy:

-Tsy misy ifandraisany ,hoy ianao , azonao faritana kely ve ny atao hoe siansa ?
-Olona milaza ho mahay ,hoy ianao , mahay inona ? Ary:
a) Iza ilay andriamanitra inoana ?
b)Ary ny roa ampahatelon'ny olombelona eto an-tany (fara-fahabetsany ) ataonao aiza ?Ny tiako lazaina dia ireo tsy mino ny andriamanitrao ?
-Mba azonao omena bebe kokoa ve ny famaritana ny atao hoe "tromba" ?
-Inona no atao hoe :fanahy ratsy ?
-Inona no atao hoe "mpiandry"?

Tsy possible intsony Leka no hifanenako amin'i Jesoa a!! Izy aza efa any ambany rangolahy

:)
20. Lek ( 01/07/2008 08:46)
rabilabila:

- samy manana ny famaritana azy ny siansa e! fa ny tsotra indrindra de valin'ny fikarohana natao azo avy @ fisehoanjavatra nitohy eken'ny lalàn'ny olona sy ny fanandramanana maro natao dde izay mahatonga azy tsisy ifandraisany @ finoana satria ny finoana de zavatra tsy hita maso no ekena
- de izay no mapahatonga ahy hiteny hoe ny olona mahay zany hoe ireo olona tsy mitoky afa-tsy @ fahaizany avy @ siansa de matetika tsy mino satria mifanohitra @ finoana ny siansa nefa za tsy niteny hoe ny olona rehetra an
-de araka ilay finoana nolazaiko teo de samy manana ny Andriamaniny izany fa ny ahy fantatro izay inoko de torak'izany koa ny sasany ilay ampahatelon'ny olombelona lazainao samy manana ny inoany. De mazava ho azy fa ho an'ny hafa de minomino foana izy ireny
- de tsy hitako intsony izay lazaina @ hoe Tromba sy Fanahy ratsy sy Mpiandry satria resaka ara-panahy ireo ko tsy omby taratasy ra ny idéaliste hiady hevitra @ materialiste fa ra mila fanazavana bebe ianao de asio dinika mitokana
- De ny imposible aminao possible @ Andriamanitra
:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 2.5156