13 tantsaha analavory: Condamné à Mort! Ok Ravalomanana!

1. kidoropamba ( 24/06/2008 18:39)
Aleo ampiaraina tsara ny lalAna fa misy mitady anao dika vilana ireto tantsaha malagasy ireto.
13 amin'ireo tantsaha tao analavory namaly ny fitondrAna satria nesoriana ankeriny tamin'ny tokotaniny sy ny tanindrAzany dia nahazo fanamelohana ho faty.
Tsy misomonga hoa ity filoha hajaina Ravalomanana ity raha hamono olona. Hisaorana izy amin'ny fampiharany ny lalAna velona.

Hita tao amin'ny teklaky AFSPA izany vaovao izany: http://www.afaspa.com/article.php3?id_article=211

Alefa filoha fa raha vao maty ireto 13 tantsaha melohina ho faty ireto dia HIHENA 13 indray ny mahantra ao Madagasikara ao.

Tapitra Isika Malagasy
Gode blesse Ravalomanana ^:^
novalian'i tsimati ny 05/07/2008 01:09
2. ainaheri ( 24/06/2008 19:16)
Ngah misy an'zany condamné a mort zany any dago?? D pire nohon'ny nataon'i Kotity ve ny nataon'izy 13 reo??
3. penguin ( 25/06/2008 01:14)
Io fa vasoka sahady i TIM sandoka natao hanimba ny tena TIM. Tsy izay mpifoka rongony mihira kristy no kristianina ary tsy ny adala miteniteny foana ho TIM no TIM sahalan'ny ataon'i Kidoropamba
4. agoago ( 25/06/2008 07:20)
Fa ahoana moa lay hoe an izay mana maintimolaly azy ny tany rehefa maharitra amantaonany.
Raha ilain'ny tompony ny tany, tokony hafindra toerana ry zareo, fa tsy melohina ho faty izany kosa.sao mba tsy rariny izany. Hanody izay manao izany
5. natiora ( 25/06/2008 07:29)
vitan dravalomanana no manao any zany
6. kidoropamba ( 25/06/2008 08:44)
agoago:

Fa ahoana moa lay hoe an izay mana maintimolaly azy ny tany rehefa maharitra amantaonany.
Raha ilain'ny tompony ny tany, tokony hafindra toerana ry zareo, fa tsy melohina ho faty izany kosa.sao mba tsy rariny izany. Hanody izay manao izany

tsy taitra ianareo fa vao manomboka ny fety de la mozika eto madagasikara.
Ny filoha hajaina Ravalomanana mihitsy no mitondra ny raharaha.
Rehefa mandika lalAna dia tokony saziana. Io tsy misy resaka akamakama izany fa na tantsaha, na mpamboly na iza, rehefa manao fahadisoana dia sazian. Hisaorana ny filoha hajaina amin'izany zavatra izany satria ilaina ny diktatiora eto madagasikara satria kamo be tenda loatra ny tantsaha.

13 izao no esorina ao amin'ny fahantrAna satria tsy maintsy vonoina ho faty. Ahantona sa tifirina sa tsindromina? Mbola tsy fantatra fa tsy atao seza elekritka kosa satria efa lafo loatra ny solika mampandeha ny herin'aratra. Indrindra fa mamono olona 13 izany dia mandAny herin'aratra be loatra, mihoatra lavitra izay solika lain'ny air force one raha izy mankany faradofay.

Koutity izany ange tsy misy dikany eo anilan'ireo tantsaha te hikomy e. Koutity ange miaramila ka nanao ny asany, fa ireo tantsaha ireo dia kamo be tenda ka nitady hanakana ny tany omena ireo vozongo ireo.

Mangataka koa izahay TIM mba ho melohina ho faty ireto mpanohitra mitady hanao tetezamita ireto ary alefaso ery "ampamarinana" ery ry zalahy mba ho hitam-bahoaka ary hihomehezan'ny olona.

Midera anao izahay ry filoha hajaina Ravalomanana amin'ny ezka goavana ataonao @ ady @ fahantrAna.

13 fanamelohana ho faty izany dia tsy ampy fa ataovy maromaro.

Midera sy mankalaza ny filoha hajaina, mamim-bahoaka, mpanameloka ho faty ny tantsaha, be diplaoma indrindra eran-tany, Ravalomanana Marc.

Tafita Isika Malagasy (misononoka tsara ny fiondramako....)
God bless Ravalomanana


^:^ ^:^ ^:^ ^:^ ^:^ ^:^ ^:^ ^:^
7. penguin ( 25/06/2008 09:07)
Vonoy ho faty ary tifiro eo Mahamasina fa hijinjaka i kidoropamba satria tafiditra ny baoliny. Mbola bala very ra-kidoro o. Handitsahan'ny zaza madinika ny kidoro vao. =)) =)) =))
8. kidoropamba ( 25/06/2008 09:12)
penguin:

Vonoy ho faty ary tifiro eo Mahamasina fa hijinjaka i kidoropamba satria tafiditra ny baoliny. Mbola bala very ra-kidoro o. Handitsahan'ny zaza madinika ny kidoro vao. =)) =)) =))

Mitovy hevitra aminao mihitsy aho: Maninona raha eo mahamasina no tifirina any ireto tantsaha kemo be tenda ireto. Araky ny fivoriana natao tao amin'ny birao mpitantana ny TIM omaly alina dia toa atao mangingina ny famonoana an'ireto olona ireto. Tokony tsy ekena izany fa aleo atao ankalamanjAna amin'izay mba ho lasa lesona hoan'ireo izay mianakendry hikomy koa.

Tafita Isika Malagasy
God save Ravalomanana ^:^
9. penguin ( 25/06/2008 14:02)
Aza manarakefa ra-kidoro ooo. Vony ho faty fa mendrika azy izany ary mendrika ho anao koa ny valiny satria tratra ny tanjona ny vola sy karama miditra ihany. Dia ho very vola ny mpanakarama anao fa mandamoka ihany ilay hevitrao
10. kidoropamba ( 25/06/2008 15:02)
Mendrika antsika daholo ny filoha hajaina Ravalomanana e. Ary tsy misy vola very izany eo satria tsy ho ela dia ho azo ilay beryl, vatosoa, lasa any la réunion andry le quartz.

Tafita Isika Malagasy.
God save the king Ravalomanana ^:^
11. tsimati ( 26/06/2008 01:15)
Aza variana ry vahoaka fa tokony izahay no hitantana ny harena ry vahoaka ary hazerantsiaka faingana io fitondrana io ahafahantsiaka mizara ny harena ho any ankibonareo vahoaka noana sy fisaka lava izao.
Koa tongava rehefa miantso izahay fa hiadan aisiaka ry Malagasy ^:^ ^:^ ^:^
12. sandman ( 26/06/2008 13:45)
Zinona moa fa dia anisan'ny vokadratsin'ny fanjanahantany sy sosialisma nisy teo aloha daholo izao e.
Farito tsara ny tany amin'ny sisa mba tsy hisy ny bambaray hiafara amina famonoana.
13. tsimati ( 27/06/2008 03:58)
F'angaha nisy tompon-tany tany aloha tany fa tsy izay namaritra dia tompony e? Rehefa tsy voafaritra fa faritan'ny hafa dia mampamangy. Tsy nanao izany ilay mpitondra raikalahy teo aloha an? Azerao ary omeo anay ny fitondrana raha tia hiadana ny vahoaka. Na mpirahalahy miady sy mpianadahy mifanaritaka ary mivarotra tanindrazana antsokosoko aza tsisy intsony rehefa tonga eo antoerana izahay ka aza misalasala andao harodana ny fitondrana. Ok Kidoropamba ary mandrampiaona i naughtyboy ao chile-maipo sandoka =)) =)) =)) =))
14. sandman ( 27/06/2008 21:30)
Ka izay ilay laizako eo e! Bordel nolovaina tamin'ny tsotsoka daholo izany!
Raha tsy misy ny jadona tsy afaka io mentalité bordel io. Mentalité bordel sarotsaronana demokrasia sauvazy spesialité colonie frantsay!
15. tsimati ( 28/06/2008 00:48)
tsy haiko na sandman na Sadam na Hussein aloha fa ny voacolavolan'ny Frantsay no mbola tia haka ny fitondrana ao Madagasikara manaraka eo koa ahoana ianao amin'izany ? Tsy hainao va fa avy Frantsa na ny Profesora milaza hampianatra ny olona ny tokony ho izy aza.
16. nanas ( 28/06/2008 16:06)
tsimati:

tsy haiko na sandman na Sadam na Hussein aloha fa ny voacolavolan'ny Frantsay no mbola tia haka ny fitondrana ao Madagasikara manaraka eo koa ahoana ianao amin'izany ? Tsy hainao va fa avy Frantsa na ny Profesora milaza hampianatra ny olona ny tokony ho izy aza.



o ry tsimati a! f' angaha dia tena milentika any antsain mpitondra amin zao mihitsy ty tsy fahaizany ity? tena complexE be mihitsy izy zany. Izy toa mbo nahazo ilay diploma zaraina fotsiny avy any USA ireny kinooo! Raha hanotaniana zao izy hoe inona dikan iny diploma nomena anao iny de sura fa tsy hainy ( aza manody ny com sa).

Aty misy fomba fitenenana zay hoe " Learn how to follow (people) if you wanna be a leader" tsy hanana R8 zany satria tsy takatry ny sainy, ny azy hoe " ry vahoaka araho zay lazaiko" Tsy nampianarina azy zany.
17. tsimati ( 28/06/2008 23:25)
Ka izay no hanamafisako atsy ambadika ary tohiziko eto hoe izahay ihany re no misy ny fahalalana sy fahaizana. Nefa kely ny vovokainay haka ny fitondrana ka mila anareo vahoaka izahay ho tonga saina sy hanampy ny hevitray hakana ny fitondrana eo ampelatanan'ny tsy nianatra. Tsisy nianatra ireo fa izahay ihany no mahalala sy tompon'ny fahaizana. Ny vazaha aza miaky anay aty andafy koa nareo vahoaka ve tsy ahatoky fa ahazo sakafo matsiro ianareo rehefa omenareo anay ny fitondrana. Ka omeo tanana re ry vahoaka maminay oooooo
18. kidoropamba ( 02/07/2008 12:51)
Tsy ny filoha hajaina Ravalomanana no ratsy sy manabotry vahoaka fa ny frantsay ao ambadik'ireto mpanohitra ireto no mandroba ny harempirenena ka mahatonga ny firenena miha mahantra toy izao.

Ny anay aloha dia ny filoha hajaina Ravalomanana, sady bogôsy, be saosy, no mpanana.
Ravalomanana? HATRANY HATRANY HATRANY!
Ravalomanana? IHANY IHANY IHANY!

Tohizo ny lalantsika
^:^
19. tsimati ( 02/07/2008 14:31)
iza moa no hilaza ny frantsainao ho nahitan'ny malagasy soa ? Ianao mitokona any ihany ary milaza hanabe ny olom-pirenena amin'ity etsy amony.
20. kidoropamba ( 02/07/2008 14:34)
Tsy mbola nahita soa ny malagasy raha tsy ny filoha hajaina Ravalomanana.
Tsy fantatry ny malagasy mihitsy izany hoe "soa" izany raha tsy ny filoha hajaina Ravalomanana.

Tohizo ny lalantsika
Tafita Isika Malagasy
Ravalomanana, ravalomananako. ^:^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0077