Fanendrena minisitra roa vaovao

1. ravatorano ( 24/06/2008 05:19)
Voatendry omaly teo amin'ny fivorian'ny filakevitry ny governemanta omaly ny minisitry ny fanatanjahatena vaovao izay tsy iza fa Andriamatoa Jean Louis ROBINSON izay nitana ny toeran'ny minisitry ny fahasalamana teo aloha ary nitazona vonjimaika ny ministeran'ny fanatanjahatena taorianan'ny nanalana an'Andriamatoa Patrick Ramiaramanana.
Noho izany dia notendrena omalyu koa ny minisitry ny fahasalamana vaovao dia Andriamatoa Paul Richard RALAINIRINA izay tsy zoviana intsony amin'ireo mpiasan'ny ministera fsatria efa nitazona andraikitra maro tao ihany izy taloha toy ny naha coodronateur national cresan2 azy,ny Projet sante II ary ny PARSS.
novalian'i penguin ny 25/06/2008 01:32
2. LazaDaddy ( 24/06/2008 05:23)
ravato> kay tsy minisitry ny fanatanjahantena intsony i ra-Pa? Dia ny palitaon'iza indray no nindraminy?
3. kanota ( 24/06/2008 06:42)
Dia lazao fa tsy nianatra indray koa ireo na koa hoe Aikido sy Judo ary Dokotera fa tsy foot.
4. rabingogilabanga ( 24/06/2008 07:05)
misaotra ravato:
Vaovao moa no netinao, nefa forum no eto, dia saika tsara raha nitondra ny commentaire-nao ianao, hoentiko ny ahy na izany aza:

kanota:
Dia lazao fa tsy nianatra indray koa ireo na koa hoe Aikido sy Judo ary Dokotera fa tsy foot.

non tsy azo atao ny mi-critique, fa dia andrasantsika ny vokatrin'ny asany.
fa ny sy aritra dia:

-de inona marina re no probleme, fa satria toa 6 volana aty aoriana ra-valo, vao nahita minisitra iray, na roa sa tsy important loatra le sport sy le santé? sa tsy misy competent firy ny gasy ! ary azo ampiandraisina elabe toa izany ve ny raharahampirenena?

-raha tsy diso aho, toa tao aorianan'ny fifidianana maire no nanaovana ny remaniement farany: ny tananan'ny sainte-marie, sy fort-dauphin toa tsy nisy io fifidianana maire io, 6 volana aty aoriana ve mba efa manana maire ry zareo any?

vatorano:
Voatendry omaly teo amin'ny fivorian'ny filakevitry ny governemanta omaly ny minisitry ny fanatanjahatena vaovao izay tsy iza fa Andriamatoa Jean Louis ROBINSON izay nitana ny toeran'ny minisitry ny fahasalamana teo aloha


-dia ho salama @ izay anie ny fanatanjahantenatsika (indrindra fa ny foot)
-fa ny fahasalamana aloha dia tena mbola ho sport be ihany
5. kanota ( 24/06/2008 08:18)
Ka efa hoe tsy mpanao Foot io. Ho anay dia tokony apetrapetraka kely ny Foot sa "Priority" io araka ny filazanareo matetika =)) =)) =)) :p :p :p
6. kidoropamba ( 24/06/2008 08:46)
Hisaorana eram-po erantsaina ny filoha hajaina Ravalomanana fa nanondro ny ministra mikirakira nyt fanatanjahantena.
Ilay faharesen'ny BAREA tany mozambika moa no tena nanosika an'i filoha hajaina ny hametraka amin'izay ny minisistra fa ilay nataon'i Patrikc Ramiaramanana fahiny dia lalaon'ankizy.
Hita izao fa mila mitsanga mihitsy ny filoha hajaina Ravalomanana va misy zavatra mandeha ao Madagasikara ao.

Raha tsy teo moa ianao ity ry filoha mamim-bahoaka Ravalomanana, hajainan'ny vahoaka maro an'isa sy ikoizan'ny vahiny, dia ahoana re ny nanjo anay?

Tafita Isika Malagasy
God bless Ravalomanana ^:^
7. tsimati ( 24/06/2008 09:00)
Aza be fika ry vakoniadiana, kafe mainty a =)) =)) =)) =))
8. kidoropamba ( 24/06/2008 11:37)
Voatendry ny ministra ao amin'ny fanatanjahan-tena 2 volana aty aoriana satria naka fotoana mihitsy ny filoha hajaina nandinihana ny olona tena tokony hapetraka eo.
Tonga dia ilay nanafoana ny TIM Fahasalamana iny no finidiny. KaompilE izany zao ny ekipa BAREAn'ny governemanta ka afaka hitondra an'i Madagasikara amin'ny fandresena mihezinezina @ ady @ fahantrAna.
Ireo izay nihevitra fa fo banga foana io toerana io dia kivy ratsy. hin hin hin hin!

Tohizo ny lalantsika ry filoha hajaina
God save Ravalomanana ^:^
9. penguin ( 24/06/2008 12:56)
Mody hoe misotro ronono vakoniadiana kidoropamba.
10. kidoropamba ( 24/06/2008 14:37)
Mialona ny mpisotro ronono indray izany ianao?

Tohizo notre chemin.

God save Ravalomanana ^:^
11. penguin ( 25/06/2008 01:32)
kafe mainty misotro ronono ary hanenjika TIM mandrakizay hono i kidoropamba ka mihetsiketsika fatratra. =)) =)) =))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2849