MILA TOROHEVITRA LEHIBE

1. tafita ( 23/06/2008 14:47)
Vonjeo re rey olona.
Misy mpampianatra iray avy any ambanivohitra , nampianatra t@ EPP ary lasa nampianatra t@ CEG izy io , feno 60 ans le Rangahy ka nikarakara ny dossiers rehetra mba hanomanana ny fandraisana ny karama @ retraite satria tsy hampianatra intsony na de tsara asa sy nahafa-po ny rehetra aza ny fomba fampianarany sy ny asany .satria efa reraka ...
3 taona be izao izy no miandry vola retraite , ary tsy mbola mandray foana na ariary aza .... mivezivezy lany vola etsy sy eroa ary , ahoadikodin' ny sasany foana @ birao à gauche sy à droite .. manan-janaka 11 le Rangahy io , ary efa osa tsy mahatana angady intsony ......
Araka ny hevitrareo namana . MISY FAHATARANY TOKOA VE NY VOLA RAISINA REHEFA RETRAITE LE OLONA ... DE MIANDRY ELA BE TAHAK'IZANY VE NY VAO HANDRAY VOLA REHEFA RETRAITE .NY MPIASAM-PANJAKANA ..... LOZA EEEEE
novalian'i tsiafoi1 ny 03/07/2008 15:30
2. LazaDaddy ( 24/06/2008 00:08)
tafita:
ahodikodin' ny sasany foana @ birao à gauche sy à droite ...
:evil:
3. ari.malala ( 24/06/2008 05:42)
Raha ny fahafantarako azy aloha tsy tokony ho taraiky be izany !e fa io ilay fanodinkodinana io izao no mahatonga izany! efa voaangona daholo ve nefa ilay dossiers?
4. catalyn ( 27/06/2008 09:05)
Mampalahelo tokoa ny fandehanjavatra ao dago ao, indrindra fa raha resaka retraite izany no resahina. Mijaly dia mijaly toakoa ireo be-antitra anaovan'izireo azy . Raha toa ka complet ny dossier rehetra dia tsy misy antony tokony hahatara azy ary tsy rariny mihintsy izany hoe telo taona mbola tsy nandray pension na retraite izany.Inona fotsiny ny niasany nandritra izay taona maro izay.Mahakivy tokoa ny mieritreritra azy.Onena ny fo mahare izany nefa tsy hita hoe inona ny hanampiana azy satria ny administration ao dago mihintsy no efa zatra manao ala-safay ny asany moa ao koa ireo efa zatra tsipazana kely vao mikarakara.Atao ahoana moa fa mahantra ny firenena ka samy manao izay hihinanay ny olona.Mahereza e!
Soa fa mbola mandala ny fihavanana isika malagasy ka mino aho fa ireo zanany 11 ireo angamba mba mety misy afaka hanampy azy mandrapahitana mangirana. Atra anie hitahy! :( :( :(
5. tsiafoi1 ( 03/07/2008 15:30)
Tamin'ny mamanay nikarakara pension de naharitra ela tokoa, fa tsy telo taona izany, nefa aza pension de veuve ny azy.
Asaivo manatona ny bureau de pension ao @'ny ministère finance izy, de mametraka taratasy fitarainana, ary asaivo apetrany mazava tsara ny référence ny dossier-ny sy ny daty nametrahany izany demade de pension izany. Mila mivezivezy matetika tokoa izy manaraka izany, asaivo asiany double ilay taratasy fitarainana ary @'iny no hametrahana ny accusé de réception ny finance. Mila finiavana be le izy, ary mila manaraka akaiky we tato no nametrahako azy, ary oviana no niala tato nankany @'ny sampana hafa, dia toy izany hatrany..., fa raha tsy izany de mety ho dossier classé any ho any, betsaka loatra manko ilay bureau hivezivezen'iny demande de pension retraite iny, ka mety ho classé na bloqué any @'ny porte samihafa any ilay izy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1203