Fisandohana ny milaza fa TIM manao resaka mamono tena

1. kanota ( 22/06/2008 02:37)
Izay rehetra milaza sy manoratra ho TIM dia tsy misy afaka manamarina eto fa TIM tokoa ilay olona. Milaza TIM kidiropamba nefa resaka mamono tena ary manimba ny TIM no ataony. Mazava hoa azy fa tsy TIM velively io. Efa notaritina ny olona tsy manaraka, natao ny tsikera tsy tafavoaka ary hifiran'ny vahoaka. Izao dia mody milaza ho TIM ary manao resaka mankarary fanahy ka izay no heverina fa ahazo ny fahatezeran'ny vahoaka. Mahaiza mamaky fa aza entimpo ary jereo fa tsisy TIM manao resaka mamono tena izany.
novalian'i penguin ny 24/06/2008 13:03
2. ranitse ( 22/06/2008 03:01)
Manahoana fa efa elaela izay. Tena mivadikabe ny baolina izany ato. Ary izao aho vao hita nefa toa misoratra ho olon-kafa. Izay mankahala ny TIM, azerao izy ary poteho fa aza izaho no lazaina fa olona hafa. Rehefa tsy resy izy dia mahaiza mipetraka na ampitomboy ny saina sy hery fa tsy ny olona hafa no ampifandraisina avokoa. Io kidoropamba izao mampiasa hevitra hafa satria tsy nahomby ny nataony teo aloha. Dia mizahava hevitra vaovao hatrany fa tsy ny solon'anaran'olona no ampifandraisana eto.
3. kidoropamba ( 22/06/2008 08:07)
kanota:

Izay rehetra milaza sy manoratra ho TIM dia tsy misy afaka manamarina eto fa TIM tokoa ilay olona. Milaza TIM kidiropamba nefa resaka mamono tena ary manimba ny TIM no ataony. Mazava hoa azy fa tsy TIM velively io. Efa notaritina ny olona tsy manaraka, natao ny tsikera tsy tafavoaka ary hifiran'ny vahoaka. Izao dia mody milaza ho TIM ary manao resaka mankarary fanahy ka izay no heverina fa ahazo ny fahatezeran'ny vahoaka. Mahaiza mamaky fa aza entimpo ary jereo fa tsisy TIM manao resaka mamono tena izany.

Ianareo mihitsy ry kanota no mpanorona ny MATSILO miaraka amin'dry Rajemison izay mitady hamely ambadika ny filoha hajaina Ravalomanana. Natsanganareo ny CRTIM nefa nandamoka, io koa nareo mialokaloka ambadik'ity MATSILO (matsilotsilo ve ny ao e?) sy mivarina ato amin'ny MDRDM andry Ralison Roger....
Efa rakatray ny fikanareo izay nanompa an'i razoharimihaja raha tonga tany fransa izy.
Tadidio izao: Ravalomanana ihany! na ino-kidona na ino-kitranga. Rehefa mialona dia tsy ravalomanana izay.
Tadidio ny voalazan'i Mugabe atsy zibabwe: "Andriamanitra ihany no manala azy eo amin'ny fitondrana ". Lesona ho anareo izay satria izany koa ny anay.

Hirao ilay hira katolika hoe: Misononoka tsara ny fiondramako, Maria tariho aho ho tody any aminao....(eto manamarika fa na ny katolika na ny fjkm dia mifampitantana amin'ny fanohanana an'i filoha hajaina Ravalomanana)

God save Ravalomanana^:^

4. kanota ( 23/06/2008 01:46)
Voalohany Mugabe tsy filamatra na tsara halaintahaka ra-sesikidoro tsipazana afokasoka hidonaka. Ary tsy mihevitra ny ho sahala azy angamba ny TIM eo amin'ny fitondrana.
Ny resaka fivavahana indray hanao manonkana izany satria na mpivavaka aza ny vahoaka mahafantatra fa afaka ny ho diso ny mpitarika fivavahana. HIta mazava izany satria ao ny Pastera mi-sipa amin-jazavavy kely na maka vadin'olona, ao ny Mopera tratra manolana zaza tsy ampy taona. NY fivavahana ho an'ny tsirairay hampety ny fiainanay fa tsy fivavahana amin'ny mpitandrina. NOho izany tsy mandaitra firy satria efa mandinika ny vahoaka.
Ianao no tena TIM niala ary mitady ny hevitra hanimbana tanteraka azy fa ny hafa tsy TIM velively fa manaraka ny fizotran'ny tantara fotsiny.
5. kidoropamba ( 23/06/2008 19:58)
Marina aloha fa mainty loatra ingahy Mugabe ka tsy dia mifanaraka tsara amin'ny toetsaintsika. Sady koa misy volombava sahala amin'ny hiteler lery ka tena manao lohadrajako zay. SAINGY KOSA, aza adino fa ingahy Mugabe no nandraoka ny anglisy mpanjanaka. Sahala amin'ny tompokalhy hajaina, filoha feno voninahitra sy maro mari-pahaizana, Marc Ravalomanana, indroa honoris causa. Satria ny filoha hajaina Ravalomanana no nadraoka ireo frantsay mpanjanaka tao Madagasikara ka nahatonga ny taona 2002 mitovy amin'ny fiverenanana tamin'ny 1895. Na ny fari-piainana aza dia toa mitovitovy tamin'izany fotoana izany.
Io no mampitovy ny filoha hajaina amin'ny comrade Bob, mpanavotra ny fireneny. Tsy azonao kosehina io ezaka amin'ny ady atao @ mpanjanaka io.

Ohatra kely fotsiny: Nosamborin'ny MUGABE ny mpanohitra 20 mahery; ny filoha hajaina Ravalomanana koa dia nanambotra betsileo mpanohitra 17 ary antandroy 2, izany 19. Saika nitovy tamin'ny Mugabe fa isa 1 no nanavaka azy roa, fa ho hitanao fa tsy hanaiky ho lembenana ny filoha hajaina Ravalomanana ka hampiakariny ho zato mahery io isa io mba haresena an'ity afrikana Mugabe ity.

Tafita Isika Malagasy
God save Ravalomanana ^:^
6. penguin ( 23/06/2008 23:33)
Soa fa tsy ampy herinandro dia miseho ny tianao ambara ary efa hita fa tsy TIM ianao fa mpisoloky. Mody maka ny anarana sy manindraindra nefa mampiditra baolina hampitombo ny an'ny mpanohatra.
7. kidoropamba ( 24/06/2008 08:50)
Izahay dia manaraka hatrany ny hevitrin'ny filoha hajaina Ravalomanana: miantso ny mpanohitra hiara hiasa. Ka azonao atao ny miaraka aminay ry peguin mpanohitra a.

Tafita Isika Malagasy
Gode blesse Ravalomanana ^:^
8. tsimati ( 24/06/2008 09:10)
Aza misandoka ry tembakona a =)) =)) :p :p
9. kidoropamba ( 24/06/2008 12:06)
Tadidiko tsara ny lohateny tamin'ny gazetinay "lequotidien" tamin'ny 13 desambra 2007 raha vao lany (nisy halabato be tao) ilay ben'ny TanAnan'Antananarivo ankehitrio: VOTE KAMIKAZE!
Fantatray fa mifono mesazy io lohateny io satria misy ilay teny hoe: KAMIKAZE.
baiko io! ary baiko avy amin'ny filoha hajaina Ravalomanana direkta io fa somary naseho gazety fotsiny amin'izay tonga dia kôpy dôlidôly ny ekipa TIM rehetra fa tsy maintsy manao KAMIKAZE daholo. Izany ilay baiko. Ny filoha hajaina aloha no hita manao an'io mazava indrindra amini'zao ary ny governemanta koa torak'izany. Mipetraka izany ilay "baiko": KAMIKAZE.

Mahagaga fotsiny hoe naninona ry kanota no milaza ny "tsiambaratelon'ny TIM" eto amin'ny serasera? Valiny: Ekipan'ny Matsiko andry ranjivason sy rajemison ity kanota ity ka namadika. Tsy misy ilAna azy e.

Fa ilay baiko kosa dia tsy maintsy ho tanterahina: KAMIKAZE.
Izaho manokana aloha dia tsy dia mahalala tsara ny tena dikan'io teny vahiny io fa misy nilaza tamiko fa hoe "Fandrosoana" izany no dikan'io KAMIKAZE io ka lasa ary izahay mamapandroso an'i Madagasikara. satria Tafita isika raha manao kamikaze.

God save Ravalomanana ^:^
10. penguin ( 24/06/2008 13:03)
Aza misalasala intsony fa harao ny mpanohatra satria avy dia ho voky daholo izay mahatsapa noana raha manaraka andreo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0439