avy nandini-tena -- matotra

1. orona ( 21/06/2008 00:04)
Rehefa nandinika aho dia betsaka ny olona no nahazo ny acte-ko --- hihihi

Misy koa ireo tezitra fa nataoko tamin'ny iray tamin'izy ireo ny fataon-dry zareo amin'ny olona hafa --- hihihi

Isaorana koa i Hery nampiseho tsara fa misy limite-ny ny zavatra tenenina.
Tsy atao hoe maivan-doha ny olona,
na hoe nangataka bizouroka dia tsy nomeko dia tantaraiko eto amin'ny forum,
na hoe tsy afataimbody
na hoe be zesita ndana manao TDM
na hoe ataovy an'izao ny reninareo sy ny anabavinareo
na hoe rainitetaka
na hoe makorelina
na hoe resa-jaza
na hoe kaboot
na hoe izay indray i ... sy ny ...
sns...
Dia rehefa mangina ilay olona dia tsy raharahiana any. Tsy mitovy ny fihetse-pon'ny olona ka tokony tsy hi-offence namana mihitsy.

Mba namana miara-mitafa eto ihany ve dia tsy misy affection mihitsy fa virtuel? manala izay tsy tiana, dia mivanivany ny dinika izay mivoaka? Izay ve ilay manala azy? Raha mba misy manohitra dia miala any indray ny hoe mahatsiaro voatsindrona sy taiza tamin'izy nanopa?

Nanokatra dinika manokana aho momba ny fifosana sy ny opa. Ireo mantsy dia fototra roa nampiala ny mpifanerasera maro teto. Nareo ihany dia namaly azy fa tsy mety izany eh, aiza ny imagen'ny serasera e, mpitantana tsy misy ilana azy e, esory tsy ho mpikambana intsony io e, be vatakorina tsy misy ilana azy e.
Nefa jereo ito dinika ito. Tsy fosa ve io? eheee, za tsy hiteny hoe langues de vipères (na dia teneniko ihany aza hahaha). Io fosafosa mody tsy tianareo io, manimba zavatra be mihitsy.

Aleo ataoko vavolombelona kely hahaha. Misy mpinamana 3 eto amin'ny serasera (A B C). Izaho ny iray(A), ny roa tsy holazaiko. Niteny tamiko ny iray (B) fa hoy ny olona fahaefatra (izay tsy fantany fa namako ihany dia i D) hoe io (C) io hono ohatra izao ao an-tokatranony. Nihena tamin'izay ny fahatokisako an'i (B) aloha entre pa. Hay ve hoy aho dia nivadika ny resaka dia tapitra teo.
Fa raha izao no nitranga: raha nolazaiko tamin'i (C) ny resaka henoko. Dia minoa ahy ianareo fa:
- na efa tsy mpikambana teto intsony izy,
- na niady izy sy (D),
- na niady izy sy (B).
Amin'izay dia izaho no ho antsoin'i (B) na (D) hoe "nampiady anazy sy ny namany". I (D) amin'io tsy mahalala na inona na inona. Ary mety hiafara amin'ny fialan'i (D) koa.

Ka izao, aza mody hendry be manao langue de vipère eo. Fa mifamelà heloka. Ny hadion'ny fonao dia hanadio tsikelikely ny fon'ny fahavalonao.
Dia aza fosaina intsony ny namako :D.

Na i kiadi, na jeankely na tess na rush dia choix heureux fotsiny no nataoko. Niandry ny admin hi-react fotsiny aho fa ny fiarahamonina izany mikorotana raha tsy misy mpitondra.

Faranako amin'ny ohabolana telo, avis iray, ny fanontaniana iray ary hira iray.

Ohabolana:
"Soa lavo hahay hamindra, soa kenda hahay hitsako"
"Ny firaisana no hery"
"Karakarao ny mpamosavy hameloman-janaka"

Avis:
Tsy tsiky dia ampy izany fa lazaivo fa nitsiky fotsiny dia nisy ny serasersa. Nitsiky fotsiny dia tonga daholo ireo namana, nitsiky fotsiny dia lasa ny namana. Tsy hiteny aho hoe andraikitra, fa ataoko hoe lofo. Manohana ny filofosanareo fa mendri-kaja, mendri-boninahitra.

=D

hira:
Lazounet
novalian'i tslem ny 26/06/2008 18:41
2. manaraka ( 21/06/2008 00:09)
koboko koboko xxx

Nefa mody manoratra aho hoe rancuniere dia iny dia avy. Maika izany fa xxx?
:-P
3. yunikafopl ( 21/06/2008 00:12)
ity zao ny ps-ko faha-20 :-D
4. exelsus ( 21/06/2008 00:24)
Adinoko ny fanontaniana:

Efa betsaka ihany izay namana niala izay fa mbola tsy niravona ihany. Ny fialan'ny mpikambana ve no ahavaha ny olana?
5. orona ( 21/06/2008 00:47)
mbola adinoko ndray koa:

Ho an'ireo tsy mandray anjara fa hoe tsy matotra ilay mpi-forum. Ianareo koa fautif fa aza mody rehefa misy dinika momba ny tsy mety ataon'ny mpandray anjara mazoto vao mody misehoseho avy any.

Milaza ny tsy tiako momba ny fitiavana maloto aho, vao mody mivoaka avy any daholo, mahakamo mahakamo. Nefa ianareo no efa kamo avy any.

Afaka mamorona dinika tsara mihitsy ianareo fa tsy ny mpiforum foana no omena tsiny refa ianareo no tsy mazoto.
6. antigone ( 21/06/2008 01:12)
exelsus:

Adinoko ny fanontaniana:

Efa betsaka ihany izay namana niala izay fa mbola tsy niravona ihany. Ny fialan'ny mpikambana ve no ahavaha ny olana?


odryyy nga i orona i exelsus ihany???? :p
7. orona ( 21/06/2008 02:08)
eny
8. ainaheri ( 21/06/2008 05:17)
D iza kou refaveo :roll: :roll:
9. tslem ( 21/06/2008 05:30)
ka ireo zany izy daholo raha azoko tsara:

manaraka=exelsus=orona=yunikafopl


2. Mpandefa : yunikafopl [ Valio ] 21-06-2008 02:12:40
Lohateny : Re : avy nandini-tena -- matotra
ity zao ny ps-ko faha-20



tena tssssss :twisted:
10. tslem ( 21/06/2008 05:35)
orona:
Nanokatra dinika manokana aho momba ny fifosana sy ny opa. Ireo mantsy dia fototra roa nampiala ny mpifanerasera maro teto. Nareo ihany dia namaly azy fa tsy mety izany eh, aiza ny imagen'ny serasera e, mpitantana tsy misy ilana azy e, esory tsy ho mpikambana intsony io e, be vatakorina tsy misy ilana azy e.
Nefa jereo ito dinika ito. Tsy fosa ve io? eheee, za tsy hiteny hoe langues de vipères (na dia teneniko ihany aza hahaha). Io fosafosa mody tsy tianareo io, manimba zavatra be mihitsy.


zah no naokatra an'io dinika io, zah zany no lazain'i anona fa mifosa eo??? hifosa zany ve dia atao dinika ankalamanjana be ohatra an'io :p
11. tslem ( 21/06/2008 05:38)
le menamena be mitranga lela be ary @ sary fanampiny no eo fa nivadika tsiky be io nony nivoaka :evil: :evil: :evil:
12. yonikafopl ( 21/06/2008 08:00)
Droit d'auteur, mangataka an'i hery hanala io yunikafopl io tsy ho namana, za tsy manaiky ny hanaovana toy izao ny ps kou azafady. satria hita taratra fa fihantsoana ahy no antony namoronany io ps io.
Misaotra an'i hery.
13. yonikafopl ( 21/06/2008 08:07)
fihantsiana
14. tslem ( 21/06/2008 09:17)
yonika a!ôtranah zao raha tsy nandinika kely dia tena everiko fa ndry oe yonikafopl lé yunikafopl-any
15. yonikafopl ( 21/06/2008 09:29)
tslem ka zay indrindra, le izy tonga dia hita be hoe fihantsiana mihintsy, asa de inona loatra no dia hanarahana ahy avy aorianako ao foana, tsy mba mety reraka . :)
16. ainaheri ( 21/06/2008 21:01)
Yonika>> ary tsy koboko raha tsy tslem nikozy io an...

Tslem> Za mba gaga we mifosa ny filaza zvtr tenenina ampahibemaso,D tsy haiko we mba taiza lotra ny fahalalana nodiavin'ireny fa d mirediredy .....Zany mifosa zany re tompoko manao resaka ankinafinafina fa tsy ny resaka mivoaka eto akoriny d lazaina fa mifosa.....Mifosa daholo zany reo mamorona dinika reo =))=))=))=))=))
17. kiali ( 22/06/2008 01:31)
adinon'i hery no nibanni an'ito psko ray ito!! rah zah i hery de ny ip_ko mintsy no sakanana tsy hiditra serasera tsony fa mamorona ps zah na ny psko taloha no entiko de tafiditra eto zah!! tsy aiko na debilité miaraka @ mitovy amin'ny orona ko zany!!
zah no provoké teto de zah ko novoasakana de hita mintsy zany fa debil be ny tompon'ny site!! de fafao aingana ty nosoratako ty raha hitanao ry sefo fa mahamenatra oe hitan'ny ol oe atao debil mitovy nareo sy orona!! :-D :-D
efa tsy tokony hanoratra ato tsony zah fa zany oe nisy namana mba nandefa hafatra anah nilaza oe mandefa dinika i debil de nitsidika nijery zah!
hay zany efa tsy fitiavana anah manokana ny any hery (debil) fa zah voan'ny provocation an'io kôfa adala io no voasakana !!
ny tena marina de zah no adala namaly ny provocation an'ilay kôfa kely mbola tsy afataimbody io!! :wink:
18. orona ( 22/06/2008 06:32)
du calme du calme :lol:
19. xxx ( 22/06/2008 07:28)
ho anareo izay mamaly hafatra ho an'i olona toa io na karazana olona mi provok otran'io nandefa dinika io
aza mamaly itsony mitsy in'inona prpovok ataony fa ny tanjony ny handrangitana anareo, dia iny ianareo fa miakatra tsy maitsy hiteny teny foana dia ianareo no mahazo ny fahadisoina, izy manjaka eo ihany
ny fahendrena dia aza mamaly itsony, neveriko fa mba tsy hisy hamaly ity hay mbola mamaly ato ny olona sasany.....
ny fahnedrena hoy aho dia ingnorer-o tanteraka izay dinika miseho endrika provok, hainareo ny suite-ny avy eo fa tsy maintsy hiafara amin'ilay cas otrani'zao....
toro-hevitra fotsiny ny ahy iny.....
mamaly ianareo dia manjary mitovy saranga aminy! izy anefa efa tena mpiady antsena gaigy be tsy ahefa ny taimbava masisony ianareo dia hiakatra dia lasa miitatra be ilay izy....
20. yonikafopl ( 22/06/2008 14:47)
za de aleoko mangina fotsiny kalou hatramzao, manaraka sy mandinika ny zava misy eny ihany ny tenako, indraindray omeko rariny ihany i b........ rehefa tena dinihina amin'ny saina tsy miangatra le zavatra na de we misy toetra tsy mety nataony aza

Ny torohevitro ry kiali de zao, fadio dia fadio ny manoratra ps feno ato fa ny sasany manonona ny anarana perso anao, manonona ps nao , manao izay tiany hatao tavela eo foana le dinika, fa raha mba ianao no manonona psn'oll 1 akamakama de tonga de lasan'ny voaria. analao ny litera de soloy .. ohatra we o.on. na we Fi..i , tonga de kopy nareo amreo hihihihihihh. Amzay tsy afaka ny hitakla anao ry zareo ra tsy we tena fankahalana anao tanteraka ngamba.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1503